Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika Amin’ny 1995
TOROMARIKA
Mandritra ny taona 1995, dia izao manaraka izao no ho fandaharana harahina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika.
BOKY HIANARANA: Ny Baiboly, ny boky Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina [uw] , “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa” [si] sy Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany [gt] ary ny bokikely Foto-dresaka Araka ny Baiboly [td] , no hiorenan’ireo anjara.
Hanomboka amin’ny hira sy ny vavaka ary teny fiarahabana tonga soa ny sekoly ary avy eo dia ho toy izao ny fizotrany:
ANJARA VOAL.: 15 minitra. Loholona iray na mpikarakara momba ny asa iray no tokony hanao itỳ lahateny itỳ. Hiorina amin’ny boky Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina na “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa” izany. Tokony haseho ho toy ny lahateny fampianarana 10 ka hatramin’ny 12 minitra itỳ anjara itỳ, harahina famerenana am-bava 3 ka hatramin’ny 5 minitra izay hampiasana ireo fanontaniana ao amin’ilay boky. Tsy ny fandinihana ilay zavatra ianarana fotsiny no tokony ho zava-kendrena, fa ny hampifantohana ny saina amin’ny maha-azo ampiharina ilay fanazavana resahina, amin’ny fanasongadinana izay hahasoa indrindra ny kongregasiona. Ny loha hevitra aseho no tokony hampiasaina. Ampirisihina ny rehetra mba hanao fanomanana mialoha amim-pitandremana mba handraisana soa feno avy amin’io zavatra ianarana io.
Tokony hitandrina mba tsy hihoatra ny fotoana ireo rahalahy notendrena hanao io lahateny io. Azo atao ny manome torohevitra manokana raha tena ilaina na raha angatahin’ilay mpandahateny mialoha izany.
HEVITRA MISONGADINA AVY AMIN’NY FAMAKIANA NY BAIBOLY: 6 minitra. Itỳ dia tokony hataon’ny mpiandraikitra ny sekoly na loholona hafa iray na mpikarakara momba ny asa, izay hampihatra amin’ny fomba mandaitra ny zavatra dinihina amin’izay ilaina eo an-toerana. Tsy tokony ho famintinana fotsiny ilay tapany ao amin’ny Baiboly natao hovakina itỳ. Fero ho 30 ka hatramin’ny 60 segondra ny famerenana amin’ny ambangovangony ireo toko natao hovakina. Ny zava-kendrena lehibe indrindra dia ny hanampy ny mpanatrika hahatakatra hoe nahoana ary hoe amin’ny fomba ahoana ilay fanazavana no mahasoa antsika. Avy eo dia hasain’ny mpiandraikitra ny sekoly hankany amin’ny kilasy samihafa ireo mpianatra.
ANJARA FAHA-2: 5 minitra. Itỳ dia famakiana ilay fizarana nasaina novakina ao amin’ny Baiboly, hataon’ny rahalahy iray. Hampiharina ao amin’ny kilasy lehibe ary koa ao amin’ireo kilasy hafa izany. Mazàna dia fohy ireo fizarana nasaina novakina mba hahafahan’ilay mpianatra hanolotra fanazavana fohy ao amin’ny teny fampidirana sy ny teny famaranana hataony. Azo ampidirina ao amin’izany ny fanazavana ara-tantara, hevitra ara-paminaniana na ara-pampianarana sy fampiharana fotopoto-pitsipika. Tokony hovakina tsy misy fanapahana azy ireo andinin-teny rehetra raha ny marina. Mazava ho azy fa rehefa tsy misesy ireo andinin-teny tokony hovakina, dia azon’ilay mpianatra atao ny manonona ilay andinin-teny izay hitohizan’ny famakian-teny.
ANJARA FAHA-3: 5 minitra. Homena ireo anabavy itỳ anjara itỳ. Hiorina amin’ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany na ny bokikely Foto-dresaka Araka ny Baiboly ny foto-kevitra amin’itỳ anjara itỳ. Tokony hahay hamaky teny ilay mpianatra notendrena hanao azy. Azon’ilay mpianatra atao ny mipetraka na mitsangana rehefa manao ilay anjara. Hanendry mpanampy azy iray ny mpiandraikitra ny sekoly, nefa azo atao ny mampiasa mpanampy azy fanampiny. Ireo anabavy notendrena hanao io anjara io dia hampifanaraka ilay loha hevitra sy ny zavatra dinihina amin’ny faritra tena misy, tsaratsara kokoa raha asa fanompoana na fanaovana fanambarana tsy ara-potoana no faritra fidina. Tsy ny faritra anefa no tokony homena fiheverana lehibe indrindra fa ny fampiasana amin’ny fomba mandaitra ny zavatra dinihina.
ANJARA FAHA-4: 5 minitra. Asaina hataon’ny rahalahy iray na ny anabavy iray itỳ. Hiorina amin’ny bokikely Foto-dresaka Araka ny Baiboly izany. Rehefa rahalahy no voatendry hanao azy, dia tokony ho lahateny ho an’ny mpanatrika rehetra izany. Mazàna dia tsara indrindra ny hanomanan’ilay rahalahy itỳ anjara itỳ amin’ny fieritreretana an’ireo mpanatrika ao amin’ny Efitrano Fanjakana, mba tena handraisan’ireo mandre azy fianarana sy mba hahasoa azy ireo tokoa. Rehefa anabavy no voatendry, dia tokony haseho araka ny voasoritra ho an’ny Anjara Faha-3 ny zavatra dinihina.
TOROHEVITRA SY FANAMARIHANA: Aorian’ny anjaran’ny mpianatra tsirairay, dia hanome torohevitra voafaritra tsara ny mpiandraikitra ny sekoly, kanefa tsy voatery hanaraka ny filaharan’ireo torohevitra voalaza ao amin’ny taratasy Torohevitra Momba ny Lahateny. Tokony hifantoka amin’ireo lafin-javatra izay ilan’ilay mpianatra hihatsarana kosa izy. Raha mendrika ny hahazo “T” ilay mpianatra, ka tsy misy toetra hafa takina amin’ny fahaiza-mandahateny voamarika hoe “M” na “I”, ilay mpanome torohevitra dia tokony hanisy faribolana eo amin’ilay faritra fametrahana ny hoe “T”, “M” na “I”, mifanandrify amin’ilay toetra takina tokony hotandreman’ilay mpianatra amin’ny manaraka. Hampahafantatra ny amin’izany an’ilay mpianatra izy amin’io hariva io ary koa hametaka io toetra takiana io eo amin’ny taratasy Fanomezana Anjara Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika manaraka (S-89). Ireo manana anjara dia tokony hipetraka eo amin’ireo toerana eny aloha ao amin’ny efitrano. Izany dia hitsitsiana fotoana ary mba hahafahan’ny mpiandraikitra ny sekoly hanome ny toroheviny mivantana amin’ny mpianatra tsirairay avy. Raha mamela hanao izany ny fotoana aorian’ny nanomezana ny torohevitra am-bava tena ilaina, dia azon’ilay mpanome torohevitra atao ny milaza hevitra ahitana fianarana sy azo ampiharina izay tsy noresahin’ireo mpianatra. Tokony hitandrina ny mpiandraikitra ny sekoly mba tsy handany mihoatra ny roa minitra ho an’ny torohevitra sy izay fanamarihana fohy hafa rehetra ataony aorian’ny anjaran’ny mpianatra tsirairay avy. Raha misy hokianina amin’ny fampisehoana ireo hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly, dia azo atao ny manome torohevitra mitokana.
FANOMANANA IREO ANJARA: Alohan’ny hanomanany ny anjarany, ilay mpianatra dia tokony hamaky amim-pitandremana ilay fanazavana ao amin’ny Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika miresaka momba ilay toetra takina hotandremany. Tokony hifidy loha hevitra iray mifanentana amin’ny tapany amin’ny Baiboly tokony hovakina ireo mpianatra voatendry hanao ny anjara faharoa. Hovelabelarina mifanaraka amin’ny loha hevitra voatondro ao amin’ny fandaharana ireo anjara hafa.
FAHARETANY: Tsy tokony hisy anjara hihoatra ny fotoana. Torak’izany koa ireo torohevitra sy fanamarihana ataon’ny mpanome torohevitra. Tokony hofaranana amim-pahaiza-mandanjalanja ireo Anjara Faha-2 ka hatramin’ny Faha-4 rehefa tapitra ny fotoanany. Tokony hanao izany avy hatrany ilay notendrena hanome ny fampahafantarana ny fahataperan’ny fotoana. Rehefa mihoatra ny fotoana ireo rahalahy mamelabelatra ny anjara voalohany sy ireo hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly, dia tokony homena torohevitra mitokana. Tokony hitandrina tsara ny amin’ny faharetan’ny anjarany ny rehetra. Fandaharana manontolo: 45 minitra, tsy tafiditra amin’izany ny hira sy ny vavaka.
FAMERENANA AN-TSORATRA: Hisy famerenana an-tsoratra homena ara-potoana. Ho fiomanana ho amin’izany, dia jereo indray ireo lesona nianarana ary tapero ny famakiana Baiboly tafiditra tao amin’ny fandaharana. Ny Baiboly ihany no boky azo ampiasaina mandritra ny famerenana haharitra 25 minitra. Ny fotoana tavela dia hatokana ho an’ny fandinihana ireo fanontaniana sy valiny. Samy hitsara ny taratasiny ny mpianatra tsirairay. Handinika ny valiny miaraka amin’ny mpanatrika ny mpiandraikitra ny sekoly ka hifantoka amin’ireo sarotra kokoa, ary hanampy ny rehetra hahazo mazava tsara ireo valiny. Raha misy antony aneren’ny toe-javatra eo an-toerana ny hanaovana ny famerenana an-tsoratra herinandro aorian’izay voalaza eo amin’ny fandaharana, dia azo atao izany.
KONGREGASIONA LEHIBE: Ireo kongregasiona misy mpianatra eo amin’ny 50 na mahery misoratra anarana dia mety haniry ny handamina ny hisian’ny antokona mpianatra fanampiny hanao ireo anjara voatendry eo anoloan’ny mpanome torohevitra hafa. Mazava ho azy fa ireo olona tsy vita batisa izay manana fiainana mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipika kristiana dia mahazo misoratra anarana koa ary hahazo anjara.
TSY FAHATONGAVANA: Afaka mampiseho ny fankasitrahany an’io sekoly io ny rehetra ao amin’ny kongregasiona, amin’ny fiezahana ho tonga amin’ny fianarana rehetra atao isan-kerinandro, amin’ny fanomanana tsara ny anjarany, ary amin’ny fandraisana anjara amin’ireo fotoam-pivoriana misy fanontaniana. Antenaina fa hihevitra ny anjarany amim-pieritreretana tsara ny mpianatra rehetra. Raha tsy tonga ny mpianatra iray voatendry amin’ny fandaharana, dia azon’ny olona iray atao ny manolo-tena hanao ny anjarany, ka hanao fampiharana izay heveriny fa ho vitany ao anatin’ny fotoana fohy toy izany izy. Na, azon’ny mpiandraikitra ny sekoly atao ny mandinika ilay zavatra ianarana amin’ny fampandraisana anjara ny mpanatrika rehefa mety izany.
FANDAHARANA
2 Jan. Famakiana Baiboly: Salamo 119:113-176
Hira No. 127
No. 1: Fahafantarana ny Olona Betsaka (uw p. 103-104, feh. 1-4)
No. 2: Salamo 119:161-176
No. 3: Ny Antony Niantsoana an’i Jesosy hoe “Ny Lehilahy” (gt toko 123)
No. 4: td 45A Tsy Voalahatra Mialoha Izay Hataon’ny Olona
9 Jan. Famakiana Baiboly: Salamo 120-130
Hira No. 26
No. 1: Ireo Lafin-toetra Tsy Maintsy Asehon’ny Ondry Hafa (uw p. 105, feh. 5)
No. 2: Salamo 122:1–123:4
No. 3: Ny Antony Natahoran’i Pilato an’i Jesosy (gt toko 124)
No. 4: td 23A Ny Ain’olombelona Nananan’i Jesosy no Avotra ho An’ny Rehetra
16 Jan. Famakiana Baiboly: Salamo 131-136
Hira No. 129
No. 1: Ny Antony Hahatafita Velona ny Olona Betsaka Amin’ny Fahoriana Lehibe (uw p. 106-109, feh. 6-13)
No. 2: Salamo 132:1-18
No. 3: Ireo Porofon’ny Fitiavan’i Jesosy ny Taranak’olombelona (gt toko 125)
No. 4: td 23B Ny Antony Nahafahan’i Jesosy Nandoa ny Avotra
23 Jan. Famakiana Baiboly: Salamo 137-140
Hira No. 205
No. 1: Ny Antony Maha-vitsy Kely An’ireo Mpandova Ilay Fanjakana Eto Ambonin’ny Tany Amin’izao Andro Izao (uw p. 110-112, feh. 1-7)
No. 2: Salamo 137:1–138:8
No. 3: Ny Nampisehoan’i Jesosy fa Fakan-tahaka Izy Hatramin’ny Farany (gt toko 126)
No. 4: td 38A Ny Fomba Hahafantarana ny Fivavahana Marina Tokana
30 Jan. Famakiana Baiboly: Salamo 141-145
Hira No. 165
No. 1: Salamo: Mahasoa — Nahoana? — Fizarana 1 (si p. 104-105, feh. 23-27)
No. 2: Salamo 144:1-15
No. 3: Ny Antony Mahatonga ny Fandevenana an’i Jesosy sy ny Fasana Foana Iray Hahaliana Antsika (gt toko 127)
No. 4: td 38D Tsy Mety ve ny Manameloka Ireo Fampianaran-diso?
6 Feb. Famakiana Baiboly: Salamo 146-150
Hira No. 102
No. 1: Salamo: Mahasoa — Nahoana? — Fizarana 2 (si p. 105-106, feh. 28-32)
No. 2: Salamo 148:1-14
No. 3: Ny Fifaliana Tamin’ny Fitsanganan’i Jesosy Tamin’ny Maty (gt toko 128)
No. 4: td 38F Rehefa Ankasitrahan’Andriamanitra ny Miova Fivavahana
13 Feb. Famakiana Baiboly: Ohabolana 1, 2
Hira No. 185
No. 1: Teny Fampidirana ny Ohabolana — Fizarana 1 (si p. 106-107, feh. 1-5)
No. 2: Ohabolana 2:1-19
No. 3: Ny Fomba Anatanjahana ny Finoana ny Fitsanganana Amin’ny Maty (gt toko 129)
No. 4: td 38H Mahita Tsara Kely ao Amin’ny Fivavahana Rehetra ve Andriamanitra?
20 Feb. Famakiana Baiboly: Ohabolana 3, 4
Hira No. 200
No. 1: Teny Fampidirana ny Ohabolana — Fizarana 2 (si p. 107-108, feh. 6-11)
No. 2: Ohabolana 3:1-18
No. 3: Nohazavain’i Jesosy ny Fomba Hanehoana Fitiavana (gt toko 130)
No. 4: td 21A Iza no Hatsangana Amin’ny Maty?
27 Feb. Famakiana Baiboly: Ohabolana 5, 6
Hira No. 11
No. 1: Ahoana no Ahafantaran’izy Ireo fa Zanaka Ara-panahy ny Tenany? (uw p. 112-116, feh. 8-14)
No. 2: Ohabolana 6:1-19
No. 3: Ny Fomba Nanatanjahan’i Jesosy Ireo Mpianany (gt toko 131)
No. 4: td 21B Aiza no Hatsangana ny Maty?
6 Mar. Famakiana Baiboly: Ohabolana 7, 8
Hira No. 105
No. 1: Fahafantarana ny Fandaminana Hita Mason’i Jehovah (uw p. 117-120, feh. 1-7)
No. 2: Ohabolana 8:22-36
No. 3: Izay Ataon’i Jesosy eo An-tànana Ankavanan’Andriamanitra (gt toko 132)
No. 4: td 41A Tsy Hita Maso ny Fiverenan’i Kristy
13 Mar. Famakiana Baiboly: Ohabolana 9, 10
Hira No. 224
No. 1: Ny Anjara Asan’ny Fitambara-mpitantana Araka ny Soratra Masina (uw p. 120-122, feh. 8-12)
No. 2: Ohabolana 10:16-32
No. 3: Ny Antony Naha-lehilahy Niavaka Indrindra an’i Jesosy (gt toko 133)
No. 4: td 41B Voavaka Amin’ny Alalan’ireo Zava-mitranga Hita Maso ny Fiverenan’i Kristy
20 Mar. Famakiana Baiboly: Ohabolana 11, 12
Hira No. 38
No. 1: Famakafakana ny Fankasitrahantsika ny Fandaminan’Andriamanitra (uw p. 123-124, feh. 13, 14)
No. 2: Ohabolana 11:1-14
No. 3: Ny Antony Tokony Hamakian’ny Rehetra ny Boky Lehilahy Niavaka (gt — Omanina avy amin’ny fanazavana ao amin’ny teny fampidirana ilay boky.)
No. 4: td 51A Tsy Voatery Hitandrina ny Sabata ny Kristiana
27 Mar. Famakiana Baiboly: Ohabolana 13, 14
Hira No. 139
No. 1: Nahoana no Mihaino Torohevitra? (uw p. 125-127, feh. 1-4)
No. 2: Ohabolana 14:1-16
No. 3: td 51B Tsy Nomena ny Kristiana ny Lalàna ny Amin’ny Sabata
No. 4: td 51E Ny Fotoana Nanombohan’ny Sabata Fitsaharan’Andriamanitra sy Hifaranany
3 Apr. Famakiana Baiboly: Ohabolana 15, 16
Hira No. 59
No. 1: Araho ny Ohatr’ireo Izay Nanaiky Torohevitra (uw p. 127-128, feh. 5, 6)
No. 2: Ohabolana 15:1-16
No. 3: td 15B Amin’ny Alalan’i Kristy Ihany no Anomezan’Andriamanitra Famonjena
No. 4: td 15E Tsy Araka ny Soratra Masina ny hoe “Voavonjy Indray Mandeha, Voavonjy Foana”
10 Apr. Famakiana Baiboly: Ohabolana 17, 18
Hira No. 163
No. 1: Mambole Toetra Tsara Tsy Hay Tombanana (uw p. 128-131, feh. 7-14)
No. 2: Ohabolana 18:1-15
No. 3: td 15F Tsy Araka ny Soratra Masina ny “Famonjena ny Rehetra”
No. 4: td 14A Ny Atao hoe Fahotana
17 Apr. Famakiana Baiboly: Ohabolana 19, 20
Hira No. 35
No. 1: Ny Fitiavana no Ahafantarana ny Kristiana Marina (uw p. 132-133, feh. 1-5)
No. 2: Ohabolana 19:8-23
No. 3: td 14B Ny Antony Ijalian’ny Olombelona Rehetra Noho ny Fahotan’i Adama
No. 4: td 14D Inona Ilay Voankazo Voarara?
24 Apr. Famerenana An-tsoratra. Tapero ny Salamo 119:113 — Ohabolana 20
Hira No. 6
1 May Famakiana Baiboly: Ohabolana 21, 22
Hira No. 95
No. 1: Izay Tokony Hatao Rehefa Mipoitra ny Zava-manahirana (uw p. 134, feh. 6-9)
No. 2: Ohabolana 22:1-16
No. 3: td 14G Inona no Atao hoe Fanotana Amin’ny Fanahy Masina?
No. 4: td 17A Inona no Atao hoe Fanahy (Âme)?
8 May Famakiana Baiboly: Ohabolana 23, 24
Hira No. 46
No. 1: Alamino Araka ny Soratra Masina Ireo Zava-manahirana (uw p. 135-138, feh. 10-17)
No. 2: Ohabolana 24:1-16
No. 3: td 17B Amin’ny Ahoana no Tsy Itovian’ny Fanahy (Âme) sy ny Fanahy (Esprit)?
No. 4: td 18A Inona no Atao hoe Fanahy Masina?
15 May Famakiana Baiboly: Ohabolana 25, 26
Hira No. 145
No. 1: Manehoa Fifikirana Amin’Andriamanitra ao An-tokantrano (uw p. 139-141, feh. 1-5)
No. 2: Ohabolana 25:1-13
No. 3: td 18B Antsoina hoe Fanahy (Esprit) ny Herim-piainan’ny Olona sy ny Biby
No. 4. td 18D Ny Antony Hanalavirantsika Ireo Endriky ny Spiritisma Rehetra
22 May Famakiana Baiboly: Ohabolana 27, 28
Hira No. 84
No. 1: Ohabolana: Mahasoa — Nahoana? — Fizarana 1 (si p. 109-110, feh. 19-28)
No. 2: Ohabolana 28:1-14
No. 3: td 55A Ny Antony Tsy Ahafahan’i Jehovah ho Anisan’ny Trinite Iray
No. 4: td 55B Tsy Mitovy Amin’ny Ray ny Zanaka
29 May Famakiana Baiboly: Ohabolana 29-31
Hira No. 50
No. 1: Ohabolana: Mahasoa — Nahoana? — Fizarana 2 (si p. 110-111, feh. 29-38)
No. 2: Ohabolana 31:10-31
No. 3: td 55E Ny Fomba Maha-iray An’Andriamanitra sy i Kristy
No. 4: td 55F Tsy Persona ny Fanahy Masina
5 Jona Famakiana Baiboly: Mpitoriteny 1-3
Hira No. 41
No. 1: Teny Fampidirana ny Mpitoriteny (si p. 112-113, feh. 1-8)
No. 2: Mpitoriteny 3:1-9, 18-22
No. 3: td 12D Tsy Andriamanitra no Tompon’andraikitra Amin’ny Fahoriana Maneran-tany
No. 4: td 12E Ny Antony Namelan’Andriamanitra ny Ratsy Hisy
12 Jona Famakiana Baiboly: Mpitoriteny 4-6
Hira No. 62
No. 1: Tanteraho ny Anjara Asanao ao Anatin’ny Fandaharan’Andriamanitra Momba ny Fianakaviana (uw p. 142-144, feh. 6-13)
No. 2: Mpitoriteny 5:1-8, 18-20
No. 3: td 12F Maneho ny Famindram-pony Lehibe Andriamanitra
No. 4: td 12G Ny Fanjakan’Andriamanitra no Hany Fanafody
19 Jona Famakiana Baiboly: Mpitoriteny 7-9
Hira No. 162
No. 1: Ireo Antony Araka ny Soratra Masina Tsy Maha-eo Ambanin’ny Lalàn’i Mosesy Antsika (uw p. 146-148, feh. 1-6)
No. 2: Mpitoriteny 7:1-12
No. 3: td 36A Tsy Maintsy Manao Fanambarana Momba ny Fahamarinana ny Kristiana Marina Rehetra
No. 4: td 36B Ny Antony Tsy Hitsaharantsika Hitsidika ny Olona
26 Jona Famakiana Baiboly: Mpitoriteny 10-12
Hira No. 133
No. 1: Mpitoriteny: Mahasoa — Nahoana? (si p. 114, feh. 15-19)
No. 2: Mpitoriteny 12:1-14
No. 3: td 36H Manafaka Antsika Amin’ny Trosan-dra ny Fanaovana Fanambarana
No. 4: td 40A Ny Antony Maha-zava-poana ny Fivavahana Amin’ny Razana
3 Jolay Famakiana Baiboly: Tonon-kiran’i Solomona 1-4
Hira No. 168
No. 1: Teny Fampidirana ny Tonon-kiran’i Solomona (si p. 115, feh. 1-4)
No. 2: Tonon-kiran’i Solomona 2:1-14
No. 3: td 40B Azontsika Atao ny Manaja Olombelona, nefa Andriamanitra Ihany no Tolorantsika Fanompoam-pivavahana
No. 4: td 42A Adin’Andriamanitra mba Hamaranana ny Faharatsiana
10 Jolay Famakiana Baiboly: Tonon-kiran’i Solomona 5-8
Hira No. 152
No. 1: Tonon-kiran’i Solomona: Mahasoa — Nahoana? (si p. 117, feh. 16-18)
No. 2: Tonon-kiran’i Solomona 8:1-14
No. 3: td 42D Tsy Mifanohitra Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra ny Haramagedona
No. 4: td 6A Fepetra Iray Takina Amin’ny Kristiana ny Batisa
17 Jolay Famakiana Baiboly: Isaia 1-3
Hira No. 180
No. 1: Teny Fampidirana ny Isaia (si p. 118-119, feh. 1-8)
No. 2: Isaia 1:1-13
No. 3: td 6B Tsy Manadio Amin’ny Fahotana ny Batisa
No. 4: td 5A Tenin’Andriamanitra Ara-tsindrimandry ny Baiboly
24 Jolay Famakiana Baiboly: Isaia 4-7
Hira No. 144
No. 1: Tena Zava-dehibe ny Finoana mba Hahazoana Famelan-keloka sy Famonjena (uw p. 148-150, feh 7-10)
No. 2: Isaia 6:1-13
No. 3: td 5D Mpitari-dalana Azo Ampiharina Amin’izao Androntsika Izao ny Baiboly
No. 4: td 5G Ho An’ny Olona avy Amin’ny Firenena sy Firazanana Rehetra ny Baiboly
31 Jolay Famakiana Baiboly: Isaia 8-10
Hira No. 140
No. 1: Ireo Soa Raisintsika avy Amin’ny Fahalalana ny Lalàna (uw p. 150-151, feh. 11-13; p. 153, feh. 14)
No. 2: Isaia 9:1-12
No. 3: td 50A Fandikana ny Lalàn’Andriamanitra ny Fampidiran-dra
No. 4: td 50B Tena Zava-dehibe ny Fankatoavana An’Andriamanitra
7 Aog. Famakiana Baiboly: Isaia 11-13
Hira No. 44
No. 1: Fotopoto-pitsipika Fototra ao Amin’ny Lalàn’i Mosesy: “Adidy Amin’Andriamanitra” (uw p. 152)
No. 2: Isaia 11:1-10
No. 3: td 24A Nifarana Tamin’ny 1914 ny Andron’ny Jentilisa
No. 4: td 9A Fahafantarana ny Tena Eglizy Kristiana
14 Aog. Famakiana Baiboly: Isaia 14-17
Hira No. 170
No. 1: Fotopoto-pitsipika Fototra ao Amin’ny Lalàn’i Mosesy: “Fanao Ara-pivavahana Andrarana” (uw p. 152)
No. 2: Isaia 14:3-20
No. 3: td 9E Miorina eo Amin’i Kristy ny Tena Eglizy Kristiana
No. 4: td 16A Mifanaraka Amin’ny Siansa Voamarina ny Famoronana
21 Aog. Famakiana Baiboly: Isaia 18-22
Hira No. 175
No. 1: Fotopoto-pitsipika Fototra ao Amin’ny Lalàn’i Mosesy: “Fanambadiana sy Fiainam-pianakaviana” (uw p. 152)
No. 2: Isaia 21:1-17
No. 3: td 16B Tsy Andro Misy 24 Ora Ireo Andro Famoronana
No. 4: td 46A Maty Teo Amin’ny Hazo Fanalam-baraka i Jesosy, fa Tsy Teo Amin’ny Lakroa
28 Aog. Famerenana An-tsoratra. Tapero ny Ohabolana 21 — Isaia 22
Hira No. 204
4 Sept. Famakiana Baiboly: Isaia 23-26
Hira No. 106
No. 1: Fotopoto-pitsipika Fototra ao Amin’ny Lalàn’i Mosesy: “Adidy Amin’ny Hafa” (uw p. 152)
No. 2: Isaia 25:1-12
No. 3: td 46B Ny Antony Maha-fanompoan-tsampy ny Fankamasinana Lakroa
No. 4: td 11A Ny Antony Mahatonga ny Olona ho Faty
11 Sept. Famakiana Baiboly: Isaia 27-29
Hira No. 27
No. 1: Masina ny Aina sy ny Ra (uw p. 154-156, feh. 1-6)
No. 2: Isaia 28:1-13
No. 3: td 11B Tsy Mahatsiaro Tena ary Tsy Mahalala na Inona na Inona ny Maty
No. 4: td 11D Ny Antony Tsy Ahafahana Miresaka Amin’ny Maty
18 Sept. Famakiana Baiboly: Isaia 30-33
Hira No. 160
No. 1: Ny Fampiasana ny Ra Amin’ny Fitsaboana sy ny Andraikitra Kristiana (uw p. 157-160, feh. 7-12)
No. 2: Isaia 32:1-8, 16-20
No. 3: td 7A Tena Misy Tokoa ny Devoly
No. 4: td 7B Manapaka Itỳ Fandehan-javatra Itỳ ny Devoly
25 Sept. Famakiana Baiboly: Isaia 34-37
Hira No. 146
No. 1: Tsy Anisan’izao Tontolo Izao ny Kristiana Marina (uw p. 161-163, feh. 1-6)
No. 2: Isaia 35:1-10
No. 3: td 7E Nanao ny Tenany ho Demonia Ireo Anjely Izay Niaraka Tamin’i Satana
No. 4: td 54A Ny Fikasan’Andriamanitra ny Amin’ny Tany
2 Okt. Famakiana Baiboly: Isaia 38-40
Hira No. 143
No. 1: Izay Takina Amin’ny Maha-tsy Anisan’izao Tontolo Izao ny Kristiana (uw p. 163-168, feh. 7-16)
No. 2: Isaia 40:12-26
No. 3: td 54D Honenana Foana ny Tany
No. 4: td 49A Ny Fomba Ahafantarana Ireo Mpaminany Sandoka
9 Okt. Famakiana Baiboly: Isaia 41-43
Hira No. 92
No. 1: Manohiza Milaza ny Tenin’Andriamanitra Amim-pahasahiana (uw p. 169-171, feh. 1-7)
No. 2: Isaia 43:1-15
No. 3: td 22A Andraisan-tsoa Maharitra ny Fanasitranana Ara-panahy
No. 4: td 22B Hitondra Fanasitranana Ara-batana Haharitra ny Fanjakan’Andriamanitra
16 Okt. Famakiana Baiboly: Isaia 44-46
Hira No. 166
No. 1: Fandraisana Soa avy Amin’ny Ohatry ny Apostoly (uw p. 172, feh. 8)
No. 2: Isaia 46:1-13
No. 3: td 22D Tsy Porofon’ny Fankasitrahan’Andriamanitra ny Fanasitranana Amin’ny Alalan’ny Finoana Amin’ny Andro Ankehitriny
No. 4: td 22E Efa Nahatratra ny Zava-nikendrena Azy ny Fahaizana Niteny Tamin’ny Fiteny Tsy Fantatra
23 Okt. Famakiana Baiboly: Isaia 47-49
Hira No. 56
No. 1: Fitoriana Amim-pahasahiana sy Amim-pahaiza-manavaka (uw p. 173-175, feh. 9-13)
No. 2: Isaia 48:1-11, 16-19
No. 3: td 48B 144 000 Monja no Mankany An-danitra
No. 4: td 31A Tsy Misy Olona Ampijalina any Amin’ny Afobe
30 Okt. Famakiana Baiboly: Isaia 50-53
Hira No. 132
No. 1: Tadidio Tsara ao An-tsaina fa Antomotra ny Andron’i Jehovah (uw p. 176-177, feh. 1-4)
No. 2: Isaia 52:1-15
No. 3: td 31D Mariky ny Fanafoanana ny Afo
No. 4: td 31F Tsy Misy Afo Ara-bakiteny ao Amin’ny Fanoharana ny Amin’ny Lehilahy Nanankarena sy i Lazarosy
6 Nov. Famakiana Baiboly: Isaia 54-57
Hira No. 187
No. 1: Mitoera ho Mailo Hahita Ireo Fisehoan-javatra Mahatanteraka Ilay Famantarana (uw p. 178-179, feh. 5, 6)
No. 2: Isaia 55:1–13
No. 3: td 3B Tsy Nitandrina Fitsingerenan’ny Andro Nahaterahana na Krismasy ny Kristiana Tany Am-boalohany
No. 4: td 52A Fanalam-baraka An’Andriamanitra ny Fanompoam-pivavahana Atao Amin’ny Sary
13 Nov. Famakiana Baiboly: Isaia 58-62
Hira No. 107
No. 1: Ny Asa Fanavahana Lehibe — Porofon’ny Fahantomoran’ny Farany (uw p. 179-183, feh. 7-14)
No. 2: Isaia 60:4-17
No. 3: td 52B Fandrika ho An’ny Isiraely ny Fanompoam-pivavahana Natao Tamin’ny Sary
No. 4: td 52D Fanompoam-pivavahana Izay Lavin’i Jehovah
20 Nov. Famakiana Baiboly: Isaia 63-66
Hira No. 77
No. 1: Isaia: Mahasoa — Nahoana? (si p. 123, feh. 34-39)
No. 2: Isaia 65:11-25
No. 3: td 19A Tsy Ankasitrahan’Andriamanitra ny Fanakambanam-pinoana
No. 4: td 19B Takin’Andriamanitra ny Fifikirana Tsy Mizarazara
27 Nov. Famakiana Baiboly: Jeremia 1-3
Hira No. 70
No. 1: Teny Fampidirana ny Jeremia (si p. 124, feh. 1-5)
No. 2: Jeremia 1:4-19
No. 3: td 43B Tsy Maintsy Mahafantatra sy Mampiasa ny Anaran’Andriamanitra ny Kristiana Marina
No. 4: td 43D Manamarina ny Fisian’Andriamanitra ny Baiboly sy ny Zavatra Noforonina
4 Des. Famakiana Baiboly: Jeremia 4-6
Hira No. 97
No. 1: Ny Fikasana Feno Fahendrena sy Feno Fitiavan’i Jehovah (uw p. 184-185, feh. 1-5)
No. 2: Jeremia 5:1-14
No. 3: td 43E Ireo Toetra Mahatalanjon’i Jehovah
No. 4: td 43G Tsy Manompo Andriamanitra Iray Ihany ny Rehetra
11 Des. Famakiana Baiboly: Jeremia 7-9
Hira No. 158
No. 1: Mampiray ny Vahoakany i Jehovah (uw p. 186-188, feh. 6-9)
No. 2: Jeremia 9:12-26
No. 3: td 58A Ny Fiandohan’ny Vavolombelon’i Jehovah
No. 4: td 44B Zanak’Andriamanitra sady Mpanjaka Voatendry i Jesosy
18 Des. Famakiana Baiboly: Jeremia 10-12
Hira No. 222
No. 1: Hafahana ny Zavaboary Olombelona (uw p. 188-191, feh. 10-17)
No. 2: Jeremia 10:6-15, 22-25
No. 3: td 44E Ny Antony Tsy Maintsy Inoantsika an’i Jesosy Kristy
No. 4: td 44F Tsy Maintsy Arahina Asa ny Finoana an’i Kristy
25 Des. Famerenana An-tsoratra. Tapero ny Isaia 23 — Jeremia 12
Hira No. 34