Ampio ny hafa mba ho kinga amin’ny fampiasana ny tenin’Andriamanitra
1 Nanao fandaharana maro i Jehovah mba hampiofanana antsika hahita vokatra eo amin’ny fanatontosana ny fanompoantsika manokana. Raha mampiasa izay nomeny isika dia ‘ho lavorary ny diantsika’. (Sal. 37:23). Ohatra iray amin’izany, nandritra ny 50 taona teo ho eo, ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika dia nanome fampiofanana miandalana eo amin’ny fahaizana miteny sy mampianatra. Izany dia nampian’ny fivoriana momba ny asa isan-kerinandro, izay misy lahateny azo ampiharina, fampisehoana, ary fotoana anaovana fifanakalozan-kevitra.
2 Mandray soa isika avy amin’ny fitsidihana tsy tapaka ataon’ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany. Mitsidika ny fianarana ny boky tsirairay ny mpiandraikitra ny asa ary nanome fampaherezana feno fitiavana mba hanampiana antsika hanatsara ny fahaizantsika eny amin’ny fanompoana ampahibemaso. Miaraka amin’izany rehetra izany, isaky ny manao fivoriana ho amin’ny asa fitoriana isika, dia misy folo minitra anomezana toromarika azo ampiharina manome fampaherezana sy fanoloran-kevitra mahasoa ho amin’iny andro iny. (Hebreo 10:23-25). Ny fandaharana amin’ny alalan’ny fandaminany toy izany dia mampiseho ny fiahian’i Jehovah feno fitiavana an’ireo izay nirahiny hitory ny vaovao tsara.
Ampio ireo tanora sy ireo mpianatra ny Baiboly
3 Mila fanampiana manokana tsy tapaka ireo mpitory tanora sy ireo vaovao eny amin’ny fanompoana ampahibemaso. Na dia afaka manolotra fanampiana aza isika rehetra indraindray, dia miantefa amin’ireo ray aman-dreniny sy ireo izay mitarika fampianarana Baiboly amin’ny olona toy izany ny andraikitra voalohany indrindra. (Gal. 6:6; Efes. 6:4). Tsy tonga ho azy araka ny fandehan’ny fotoana sy ny habetsaky ny fanandraman-javatra ny fahombiazana amin’ny fampiasana ny Baiboly. Ilaina kosa ny fanampiana sy fampiofanana manokana feno fitiavana omena tsy tapaka amin’ny fomba voalamina.
4 Ny fanampiana manokana dia tokony hanomboka alohan’ny tena handraisan’ilay olona anjara amin’ny fanompoana. Jereo indray ny Foto-dresaka. Ampio ireo mahafeno fepetra mba handraisana anjara amin’ny fanompoana, hampitombo fahaizana manao fanolorana tsotra. Angamba izy ireo ho afaka hampiasa iray monja amin’ireo andinin-teny omena mandra-pahazony fanandraman-javatra sy fatokian-tena misimisy kokoa. Mandritra ny fiaraha-miasa eny amin’ny fanompoana dia makà fotoana eny anelanelan’ny trano itoriana hanomezana teny fiderana ary manomeza fanoloran-kevitra feno fahamoram-panahy ny amin’ny fomba hanatsarana ny asa. Sorito ny ilàna hitanana fihetsika vonona ny hivavaka amin’ny fotoana rehetra.—Efes. 6:18, 19.
5 Na dia mandray anjara amin’ny fanompoana mandritra ny herinandro indrindra indrindra aza ny mpitory maharitra mandavantaona sy mpitory hafa ampy fanandraman-javatra maro be, dia tena tsara raha afaka mandamina indray ny fandaharam-potoanany ireny mpitory mahita vokatra ireny mba hanohana ny asa fanompoana amin’ny faran’ny herinandro indraindray. Izany fahafoizan-tenan’izy ireo izany dia tena hankasitrahan’ireo hafa ta hanatsara ny asany amin’ny fiarahana amin’izy ireo amin’ny fanompoana.—Mpit. 4:9, 10.
6 Tamin’ny fotoana iray isika rehetra dia efa mba samy vaovao sy tsy ampy fanandraman-javatra teo amin’ny fanompoana daholo. Nahazo fampaherezana sy fampiofanana avy tamin’ireo mpitory ampy fanandraman-javatra kokoa na mpitory maharitra ny maro tamintsika. Vokatr’izany fanampiana izany mivantana ny fahakingantsika ankehitriny sy ny hafaliantsika mitombo eny amin’ny fanompoana. (Ohab. 27:17; Asan’ny apostoly 20:33). Enga anie ny fankasitrahantsika noho izay nomen’i Jehovah antsika tamin’ny alalan’ny fampiofanana amin’ny fanompoana, hanosika antsika hanao izay mba hahafahantsika koa hanampy ny hafa ho tonga kinga kokoa amin’ny fampiasana ny Tenin’i Jehovah.