Manaova Fandrosoana Hatrany
1 Faly ilay Raintsika any an-danitra rehefa manao fandrosoana ny mpanompony. Tokony hiezaka, ohatra, isika mba ho lasa Kristianina matotra sy ho mpitory mahita vokatra. Nampirisihin’i Paoly hiezaka mafy i Timoty, mpiandraikitra kristianina, mba hiseho amin’ny rehetra ny fandrosoany. (1 Tim. 4:13-15) Tokony hiezaka hanatsara ny fanompoantsika isika rehetra, na dia efa mpitory za-draharaha aza.
2 Manàna tanjona: Mila manana tanjona isika raha te hanao fandrosoana. Inona ny zavatra sasany azonao atao tanjona? Azonao atao ny manatsara ny fahaizanao mampiasa ny sabatry ny fanahy, dia ny Baiboly. (Efes. 6:17) Ho tianao koa angamba ny ho havanana kokoa amin’ny lafim-panompoana sasany, toy ny fitoriana eny an-dalana, na eny amin’ny faritany be toeram-piasana. Azonao atao koa ny miezaka hahomby kokoa rehefa manao fiverenana mitsidika. Azo hatsaraina koa ny fahaizana manomboka sy mitarika fampianarana Baiboly.
3 Fandaharana azo hararaotina: Natao hanampiana antsika hanao fandrosoana ny fivoriana, indrindra fa ny Sekolin’ny Fanompoana sy ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Handray soa be dia be isika raha miezaka manomana sy manatrika ireny fivoriana ireny, ary mampihatra ireo soso-kevitra omena any.—2 Kor. 9:6.
4 Mila mifanampy koa isika mba hahafahana handroso. (Ohab. 27:17) Afaka manatsara ny fahaizanao mitory ianao, raha mihaino tsara rehefa mitory ny namanao. Mety hanao fandaharana koa ny mpiandraikitra fianarana boky mba hanampiana anao. Mety hahazo fanampiana avy amin’ny mpisava lalana za-draharaha na mpitory hafa ianao, mba hahafahanao hahita vokatra sy hahita fifaliana kokoa amin’ny fanompoana. Tombontsoa lehibe tokoa izany! Misy mpitory vaovao ve ao amin’ny fianarana boky misy anao? Nahoana raha asaina hiara-manompo aminao izy?
5 Ny fanompoana kristianina no asa lehibe indrindra atao ankehitriny. Tiantsika ny hanome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah, rehefa manolotra “sorona fiderana” ho azy isika. (Heb. 13:15) Raha miezaka manao fandrosoana hatrany isika, dia ho lasa “mpiasa tsy mitsanga-menatra na amin’inona na amin’inona, ary manazava ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara.”—2 Tim. 2:15.