Ireo fivoriana manampy antsika hanao mpianatra
HERINANDRO MANOMBOKA NY 4 JONA
Hira 67 (vaovao)
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Fampandrenesana. Aza hadinoina ny mampahatsiahy ny fandaharana samy hafa ataon’ny kongregasiona ho amin’ny asa fitoriana.
20 min: “Mitondra fitahiana maro ny fanehoana tsy fivadihana”—Fiaraha-mandinika miaraka amin’ny mpanatrika. Araka izay azo atao, dia manaova fanadinadinana mpitory maharitra sasantsasany mikasika ny hevitra misongadina amin’ilay lahatsoratra.
15 min: Diniho ny foto-dresaka vaovao ary manaova fampisehoana iray na roa amin’ny fampiasana ny zavatra atolotra amin’ny volana.
Hira 34 sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 11 JONA
Hira 49.
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Rapaoron’ny Toe-bola.
25 min: ‘Aoka isika ho tonga amin’ny fivoriamben’ny distrika 1990 “Ny fiteny madio”—Tapany voalohany. Fiaraha-midinika miaraka amin’ny mpanatrika ireo fehintsoratra 1 ka hatramin’ny 15 sy famintinana ny tapany farany hoe: “Fivoriamben’ny distrika—Fanampiana fitadidiana”.
10 min: “Valin’ireo fanontanianareo”—Fiara-midinika.
Hira 36(vaovao) sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 18 JONA
Hira 68 (vaovao).
15 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary “Vaovao teokratika”. Resaho ny hevitra mahaliana izay notsoahina tao anatin’ireo gazety faramparany azo ampiasaina eny am-pitoriana.
30 min: ‘Aoka isika ho tonga amin’ny fivoriamben’ny distrika 1990 “Ny fiteny madio”—Tapany faharoa. Fiaraha-midinika miaraka amin’ny mpanatrika ny fehintsoratra faha-16 ka hatramin’ny faha-35 ny fanampiny. Sorito ny amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly izay tokony hanapaka ny fitondrantenantsika any amin’ny fivoriambe. Ampirisiho ireo mpitory mba handinika ny fanampiny amin’ity ‘Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana’ ity miaraka amin’ireo olona izay miara-mianatra aminy sy manampy azy ireo hanao fandaharana mba hanatrehany ny fivoriambe.
Hira 50 sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 25 JONA
Hira 48.
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Inona no nataon’ny kongregasiona tamin’ny volana May? Ampirisiho ny mpitory rehetra mba hanohana ny asa fitoriana amin’ny alahady voalohany amin’ny volana.
20 min: “Fomba fampiseho ny vaovao tsara: Miaraka amin’ny fianakaviana”—Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Aza mametraka fanontaniana afa-tsy iray na roa ihany mba hahazoana mamaky ny fehintsoratra rehetra.
15 min: “Fanenjehana any Burundi fivadihana amin’ny fampanantenana fahafahana ara-pivavahana!”—Haseho toy ny lahateny. (wMG 15/11/89 pp. 21-24)
Hira 31 (vaovao) sy vavaka famaranana.