Fampandrenesana
* Zavatra atolotra amin’ny jona: Boky fanao am-paosy “Ny fomba hahavelomanao ao amin’ny tany vaovao iray” na boky hafa 192 pejy amin’ny sarany 800 FMG.
* Zavatra atolotra amin’ny volana jolay sy aogositra 1990: Bokikely lehibe velarana sahala amin’ny Mifalia afa-tsy ny “Ny Sekoly sy ny Vavolombelon’i Jehovah” amin’ny sarany 240 FMG.
* Tokony ho voamarin’ny mpiandraikitra prezidà na ny olona iray hotendreny ny kaontin’ny kongregasiona ny 1 jona na aorian’io haingana araka izay azo atao.
* Koa satria haharitra efatra andro ny fivoriambe amin’ity taona ity, ny alakamisy ka hatramin’ny alahady, dia afaka manapa-kevitra ny kolejin’ny loholona na hanao ny fianarana ny boky amin’ny herinandron’ny fivoriambe, na hanao ny antsasaky ny fianarana ny herinandro mialoha, ary ny antsasany amin’ny herinandro manaraka ny fivoriambe, ankoatra ireo fianarana nomanina hatao amin’ireo fotoana ireo.
* Raha misy fiovana amin’ny toerana hanaovanareo ny fivorianareo na ny ora hanaovanareo ny fivorianareo dia iangaviana ianareo mba hampahafantatra ny Sampana momba izany.
* Iangaviana ny kongregasiona rehetra eran’ny Nosy mba han tsy handefa vola intsony amin’ny alalan’ny kaonty C.C.P 220-00.