FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/95 p. 7
  • Misy Zavatra Hitanao fa Ilaina Hatao Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Misy Zavatra Hitanao fa Ilaina Hatao Ve?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Mitovitovy Aminy
  • “Manàna Fifankatiavana Lalina”
    Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • “Mifankatiava Tsara”
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Mpanampy Mora Azo Indrindra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Ampitomboy Foana ny Fitiavanao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
km 4/95 p. 7

Misy Zavatra Hitanao fa Ilaina Hatao Ve?

1 Lazalazaina ho toy ny Mpanampy sy Fialofana i Jehovah. Fantatsika fa afaka mangataka ny fanampiany isika amin’ny fotoana ilana izany ary dia hanampy antsika izy. (Sal. 18:2; 46:1, NW). Afaka manahaka an’io toetra feno fahatakarana izay mahazo ny hafa io isika amin’ny fanoloran-tena hanampy ny hafa rehefa hitantsika fa misy zavatra ilaina hatao.

2 Inona no manosika ny olona iray hanao ezaka manokana mba hanampy olon-kafa iray? Ny ankamaroan’ny olona dia manaiky fa izany no zavatra maneho fitiavana sy fiantrana tokony hatao. Tena mampirisika ny hanaovana izany tokoa ny Tenin’Andriamanitra. (Rom. 15:1). Nampirisika mafy antsika i Paoly mba tsy ho ‘samy hihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa’. — Fil. 2:4.

3 Izany dia zavatra ahafahantsika rehetra mahita fifaliana rehefa atao. (Asa. 20:35). Nosinganin’i Paoly manokana ho filamatra i Timoty tanora raha ny amin’ny olona “tena miahy marina ny zavatra momba” ireo rahalahiny. (Fil. 2:20, NW). Tsara ny fananantsika ankehitriny tanora maro ao amin’ny kongregasiona, izay manana toetra mitovy amin’izany. Na tanora anefa isika na antitra, dia misy zavatra azontsika atao, raha hitantsika fa misy ilana izany.

4 Efa mba nahatsapa ve ianao fa ny sasany dia manan-javatra ilaina izay ho azo asiana fiheverana kokoa? Angamba tany amin’ny hopitaly ny rahalahy na ny anabavy iray ary vitsy no tonga nitsidika azy; na nanjary kilemaina ny olona iray, kanefa tsy nisy olona azony nirakirahina na nanampy azy tamin’ireo asa aman-draharaha tao an-tokantranony. I Jesosy dia mihevitra ireo manompo an’i Jehovah ho toy ny mpikambana ao amin’ny fianakaviana iray izay tena mifampiahy marina. (Marka 3:33-35). Tao amin’ilay fanoharana ny amin’ny ondry sy ny osy, dia nasehony fa ireo izay eo amin’ny tanana ankavanan’ny fankasitrahan’ilay Mpanjaka dia nankasitrahany noho ny fanampian’izy ireo ny rahalahin’ilay Mpanjaka. — Matio 25:40.

5 Ahoana no ahafahako manampy? Inona no azo atao mba hanomezana fanampiana rehefa hita miharihary fa misy ilana izany? Ho afaka hanao ny dingana voalohany ve isika hitondrana fanampiana sasany? Angamba misy olona be taona izay mila fampaherezana, nefa tsy misy namana mba hanampy azy. Mety hisy tanora izay mila fanampiana. Mety ho tonga ao amin’ny Efitrano Fanjakana ny fianakaviana iray liana vao haingana sady maro anaka, amin’ny fotoana tsy maha-ao an’ilay mpitory miara-mianatra aminy. Azo inoana fa hankasitrahan’izy ireo ny hisian’ny olona iray hanolo-tena an-tsitrapo hanampy azy hikarakara ireo zanany.

6 Arakaraka ny itomboan’ny fitiavantsika ny fahamarinana sy ny fandaminan’i Jehovah, no itomboan’ny fankasitrahantsika sy ny fiahiantsika ny hafa ao amin’ny kongregasiona. Nampirisika antsika i Paoly mba hihamalalaka amin’io lafiny io. (2 Kor. 6:11-13). Nanantitrantitra i Jesosy fa ny fifanehoantsika fitiavana no fomba lehibe indrindra anaporofoantsika fa tena mpanara-dia azy marina isika. — Jaona 13:35.

7 Koa rehefa hitantsika àry fa misy zavatra ilaina hatao, ny tena fitiavana marina an’ireo rahalahintsika sy ny kongregasiona dia tokony hanosika antsika hanao ny dingana voalohany ka hanampy amin’izay fomba rehetra azontsika atao. (Gal. 6:9, 10). Izany fiahiana ny hafa izany dia hampifanatona antsika ao anatin’ny fatorana mafin’ny fitiavana sy ny firaisan-tsaina. (1 Kor. 10:24). Amin’izany fomba izany, dia manao ny anjarantsika isika mba hanampy amin’ny fanomezana izay ilaina ao amin’ny kongregasiona.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara