Misy Manam-pahaizana Manisy Daty Indray ny Sora-tanana Amin’ny Baiboly
Araka an’i Carsten Peter Thiede, manam-pahaizana alemà iray amin’ny fandinihana sora-tanana eo amin’ny taratasy papyrus, dia misy porofo mafonja hita fa nosoratana tamin’ny taonjato voalohany ny sombin-taratasy papyrus telo amin’ny Filazantsaran’i Matio (fantatra ho ilay Horonana Papyrus Magdalen).
Taorian’ny fampitahana ireo sombin-taratasy (nirakitra ny tapany amin’ny Matio toko faha-26) tamin’ny taratasim-barotra tranainy hita tany Ejipta, dia nomarihin’i Thiede fa ilay taratasin’ny Ejipsianina dia mitovy “saika toa kambana amin’ilay taratasy Papyrus Magdalen eo amin’ny fisehoany ankapobeny sy eo amin’ny bikany ary ny firafitry ny litera tsirairay”. Tao amin’ny bokiny hoe Eyewitness to Jesus—Amazing New Manuscript Evidence About the Origin of the Gospels, i Thiede sy i Matthew D’Ancona, mpiara-manoratra aminy, dia nanatsoaka hevitra fa ny fitoviana eo amin’ireo taratasy roa ireo dia milaza fa nosoratana tokony ho tamin’ny fotoana iray ihany izy ireo. Oviana? “ ‘Ny taona 12 nanapahan’i Néron Tompo, dia ny faha-30 Epeiph’ — izany hoe ny 24 Jolay 66 [am.f.i.] araka ny kalandrientsika”, no datin’ilay taratasim-barotra.
“Faran’izay zava-dehibe io filazana daty io, raha toa ka tena marina”, hoy ny fanazavan’ny Profesora Philip W. Comfort, tao amin’ny lahatsoratra iray navoaka tao amin’ny Tyndale Bulletin, “satria apetrany ao anatin’ilay taonjato nanoratana azy ihany, ny sora-tanana iray amin’ny Filazantsaran’i Matio.” Mahatonga ny Horonana Papyrus Magdalen ho ny sombin-taratasy tranainy indrindra amin’ny Filazantsara ananana koa, izy io.
[Sary, pejy 29]
Ilay Horonana Papyrus Magdalen, aseho amin’ny tena habeny
[Sary nahazoan-dalana]
By permission of the President and Fellows of Magdalen College, Oxford