FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 15/12 p. 26-29
  • Didim-pitsarana Manohana ny Safidy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Didim-pitsarana Manohana ny Safidy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Filaminam-bahoaka sy ny fitondran-tena
  • Fampaherezana tsy nampoizina
  • Ilay didim-pitsarana
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 15/12 p. 26-29

Didim-pitsarana Manohana ny Safidy

TSY iza fa ilay Persona malaza indrindra eo amin’izao rehetra izao mihitsy no manohana ny safidy miorina amin’ny fahalalana tsara. Izy no Mpamorona antsika. Manome amim-pahalalahan-tanana toromarika sy fampitandremana ary tari-dalana ny amin’ny lalam-pahendrena tokony harahina izy, satria tsy manam-petra ny fahalalany ny zavatra ilain’ny olombelona. Na dia izany aza, dia tsy odiany tsy hita ny safidy malalaka izay nomeny ny zavaboariny manan-tsaina. Nampiseho taratry ny fomba fijerin’Andriamanitra toy izao i Mosesy mpaminaniny: “Efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao”. — Deoteronomia 30:19.

Mahakasika ny sehatry ny fitsaboana io foto-pitsipika io. Ilay hevitra ny amin’ny safidy miorina amin’ny fahalalana tsara, na ny fanekena miorina amin’ny fahalalana tsara, dia mihamanjary ekena any Japon, sy any amin’ny tany hafa izay tsy nahitana loatra an’izany tamin’ny lasa. Izao no filazalazana ny amin’ny fanekena miorina amin’ny fahalalana tsara natolotry ny Dr. Michitaro Nakamura: “Ilay hevitra dia hoe hazavain’ilay dokotera amin’ilay marary amin’ny fomba mora azo ilay aretina sy ny mety ho fizotrany, ny fomba fitsaboana sy ny mety ho vokany hafa, ka hajainy ny zon’ilay marary hanapa-kevitra samirery ny amin’ny fomba fitsaboana hatao aminy.” — Japan Medical Journal.

Nandritra ny taona maro, ireo dokotera tany Japon dia nampiseho antony maro samihafa hanoherana io fomba fitondrana ny marary io, ary nirona hanaiky hotapahin’ireo fanao ara-pitsaboana ny fitsarana. Noho izany, dia nisy ny fiovana lehibe, rehefa navoakan’i Takeo Inaba, Lehiben’ny Mpitsara ao amin’ny Fitsarana Avo any Tokyo, tamin’ny 9 Febroary 1998, ny didim-pitsarana iray manohana ny safidy miorina amin’ny fahalalana tsara. Inona izany didim-pitsarana izany, ary inona ilay raharaha nampipoitra azy io teny amin’ny fitsarana?

Tamin’ny Jolay 1992, dia nifandray tamin’ny hôpitalin’ny Fikambanana Momba ny Siansa Ara-pitsaboana any Amin’ny Oniversiten’i Tokyo, ny Vavolombelon’i Jehovah iray atao hoe Misae Takeda, izay 63 taona. Nolazaina fa voan’ny kanseran’ny aty izy, ary nila fandidiana. Naniry fatratra hankato ilay baiko ara-baiboly manohitra ny fampiasana amin’ny fomba ratsy ny ra izy, ka nanazava tamin’ny mpitsabony ny faniriany tsy hahazo afa-tsy fitsaboana tsy misy fampidiran-dra. (Genesisy 9:3, 4; Asan’ny Apostoly 15:29). Neken’ireo mpitsabo ny taratasy fanalana andraikitra, izay nanafaka azy ireo sy ny hôpitaly tamin’ny andraikitra rehetra vokatry ny fanapahan-kevitr’i Misae. Nanome toky azy izy ireo fa hanaraka izany.

Taorian’ilay fandidiana anefa, ary raha mbola tsy nahatsiaro tena i Misae, dia nampidirana ra izy, nifanohitra mivantana tamin’ny faniriana nasehony mazava tsara izany. Tsy nahomby ny ezaka natao mba hihazonana ho tsiambaratelo ilay fampidiran-dra tsy nahazoan-dalana, rehefa nisy mpiasan’ny hôpitaly, hono, namoaka ilay raharaha tamin’ny mpanao gazety. Araka ny mety ho takatrao, dia nivalaketraka io vehivavy kristianina tso-po io, rehefa nahafantatra ny amin’ilay fampidiran-dra tsy nahazoan-dalana. Natoky ireo mpiasan’ny fitsaboana izy, ka nino fa hitana ny teniny sy hanaja ny hevitra ara-pivavahana ekeny mafy izy ireo. Noho ny fitebitebena ara-pihetseham-po nahazo azy tamin’io fanitsakitsahana tanteraka ny fifandraisan’ny marary sy ny dokotera io, ary noho ny fanantenana ny hanorina modely izay hiaro ny hafa tsy hiharan’ny fitondrana ratsy eo amin’ny fitsaboana mitovy amin’izany, dia nitondra ilay raharaha teny amin’ny fitsarana izy.

Filaminam-bahoaka sy ny fitondran-tena

Nihaino ilay raharaha ireo mpitsara telo tao amin’ny Fitsaran’ny Distrikan’i Tokyo, ka namoaka didim-pitsarana nanohana ireo mpitsabo, ary araka izany, dia nanohitra ny zo hanaiky fitsaboana miorina amin’ny fahalalana tsara. Tao amin’ny didim-pitsarany navoaka tamin’ny 12 Martsa 1997, dia nilaza izy ireo fa tsy nanan-kery izay fifanekena rehetra niezahana natao mba hahazoana fitsaboana tsy misy fampidiran-dra. Ny fanjohian-kevitr’izy ireo dia hoe ho fandikana ny kojo ryozoku,a na ny fari-pitsipiky ny fiaraha-monina, ny fanaovan’ny mpitsabo iray fifanarahana manokana tsy hampiasa ra, na dia mihasarotra aza ny toe-javatra. Araka ny hevitr’izy ireo, dia ny manao araka izay fara heriny mba hamonjena aina no adidy lehibe indrindran’ny dokotera iray, koa tsy hanan-kery hatrany am-piandohana àry ny fifanekena toy izany, na inona na inona hevitra ara-pivavahana eken’ilay marary. Namoaka didim-pitsarana izy ireo fa, amin’ny farany dia ny hevitry ny mpitsabo matihanina no tokony ho zava-dehibe kokoa noho izay fangatahana ara-pitsaboana mialoha mety hataon’ny marary iray.

Fanampin’izany, dia nilaza ireo mpitsara fa noho izany antony izany ihany, dia ‘azon’ny mpitsabo iray natao ny tsy hilaza na nikasa hampiasa ra izy na tsia’, na dia nantenaina aza ny hanazavany ny dingana fototra, sy ny vokatra ary ny loza entin’ny fandidiana naroso. Toy izao ny didim-pitsarana navoakany: “Tsy azo lazaina ho tsy ara-dalàna na tsy mety izay nataon’ireo dokotera voampanga. Takatr’izy ireo fa naniry ny tsy hampidiran-dra ilay Mpiampanga na toy inona na toy inona tarehin-javatra. Mody nanaja ny faniriany izy ireo, ka tamin’izany dia nataony izay hahatonga azy hanaiky ilay fanaovan-javatra voaresaka teo.” Noheverina fa hoe raha nanao zavatra nifanohitra tamin’izany ireo mpitsabo, dia nety ho nanda tsy hodidiana ilay marary ka handao ny hôpitaly.

Nanafintohina sy nahakivy ratsy an’ireo mpanohana ny fanekena miorina amin’ny fahalalana tsara izany didim-pitsarana izany. Nanoratra toy izao ny Profesora Takao Yamada, manam-pahaizana momba ny lalàna sivily, rehefa niresaka ny amin’ilay raharaham-pitsaran’i Takeda, sy ny hevitra fonosin’ny fanekena miorina amin’ny fahalalana tsara any Japon: “Raha avela hanan-kery ilay hevitra arahina amin’io didim-pitsarana io, dia hanjary ho faty tsikelikely ny fandavana ny fampidiran-dra, sy ilay fitsipika ara-dalàna ny amin’ny fanekena miorina amin’ny fahalalana tsara.” (Gazetim-pitsarana Hogaku Kyoshitsu). Nanameloka tamin’ny teny mahery ny fampidiran-dra an-tery, ho toy ny “fanitsakitsahana lehibe ny fitokisana, mitovy amin’ny fanafihana tampoka”, izy. Nanampy teny ny Profesora Yamada fa tokony “tsy havela hisy mihitsy” ny fandravam-pitokisana toy izany.

Noho i Misae mipirimpirina, dia sarotra taminy izany hoe hiseho vahoaka izany. Noho ny fahatakarany anefa fa afaka mandray anjara amin’ny fiarovana ny anaran’i Jehovah sy ny fari-pitsipika marina momba ny fahamasinan’ny ra ny tenany, dia tapa-kevitra ny hanao ny anjarany izy. Nanoratra toy izao tamin’ny mpisolovavany izy: “Tsy inona akory ny tenako fa vovoka fotsiny, na mbola kely kokoa noho izany aza. Manontany tena ny amin’ny antony ampiasana olona tsy mahay tahaka ahy aho. Azon’i Jehovah atao anefa ny mampiantsoantso ny vato. Koa rehefa miezaka manao fotsiny izay lazainy aho, dia hanome hery ahy izy.” (Matio 10:18; Lioka 19:40). Nandritra izany fitsarana izany, dia teo amin’ny hazomeloka no nilazalazany tamin’ny feo nangovitra, ny fitebitebena ara-pihetseham-po nahazo azy, vokatr’ilay namadihana azy. “Nahatsapa tena ho nanaovana an-keriny toy ny vehivavy novetavetaina aho.” Maro no latsa-dranomaso tamin’ireo izay tao amin’ny efitrano fitsarana tamin’io andro io, noho ny fanambarana nataony.

Fampaherezana tsy nampoizina

Noho ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsaran’ny Distrika, dia nentina avy hatrany tany amin’ny Fitsarana Avo ilay raharaha. Nanomboka tamin’ny Jolay 1997 ny fanaporofoan-kevitra fanokafana ilay raharaha tao amin’ny fitsarana ambony, ary tonga tao, teo amin’ny seza misy kodiarana i Misae, izay hatsatra tamin’izay, nefa feno fahatapahan-kevitra. Niverina indray ilay kansera, ary nihareraka izy. Nahazo fampaherezana lehibe i Misae avy tamin’ny fanaovan-javatra tsy araka ny nahazatra nataon’ny lehiben’ny mpitsara, izay nampiseho mazava ny zavatra nokasain’ny fitsarana hatao. Nanazava ilay lehiben’ny mpitsara fa tsy neken’ny fitsarana ambony ny vokatry ny fandinihana nataon’ny fitsarana ambaratonga voalohany hoe ny mpitsabo iray dia nanan-jo tsy hiraharaha ny fanirian’ny marary, sy hanao zavatra toy ny hoe nanaiky izy nefa nanapa-kevitra mangingina hanao zavatra hafa. Nilaza ilay lehiben’ny mpitsara fa tsy hotohanan’ny fitsarana ilay fitsipika ifehezana ny olona manao hoe “Shirashimu bekarazu, yorashimu beshi”,b midika hoe “Avelao izy ireo tsy hahafantatra sy hiankina” amin’ny mpitsabo matihanina. Hoy i Misae tatỳ aoriana: “Faly be aho nahare ny fanazavana tsy nisy fiangarana nataon’ilay mpitsara, izay hafa tanteraka noho ilay didim-pitsarana teo aloha nataon’ilay Fitsaran’ny Distrika.” Nanampy teny toy izao izy: “Izany no efa nangatahiko tamin’i Jehovah tao amin’ny vavaka.”

Ny volana nanaraka izay, dia nodimandry i Misae, natrehin’ny fianakaviana iray be fitiavana sy ireo mpiasan’ny hôpitaly hafa izay nanaiky sy nanaja ny hevitra nekeny mafy tamim-pahatsorana. Na dia teo aza ny alahelo mafy noho ny fahafatesany, dia tapa-kevitra ny hikarakara ilay raharaha mandra-pahavitany, mifanaraka amin’ny fanirian’i Misae, i Masami, zanany lahy, sy ny mpianakavy hafa.

Ilay didim-pitsarana

Tamin’ny farany, tamin’ny 9 Febroary 1998, ireo mpitsara telo tao amin’ny Fitsarana Avo dia namoaka ny didim-pitsarany, ka nanafoana ilay didim-pitsaran’ny fitsarana ambaratonga voalohany. Feno mpilaza vaovao sy avara-pianarana ary olon-kafa izay nanaraka hatramin’ny farany ilay raharaha, ny efitrano kely fitsarana. Nanao tatitra momba ilay didim-pitsarana ny gazety lehibe sy ny foiben’ny televiziona. Toy izao no vakin’ny lohateny sasany: “Fitsarana: Afaka Mandà Fitsaboana ny Marary”, “Fitsarana Avo: Fanitsakitsahana Zo ny Fampidiran-dra”, “Dokotera Nanao Fampidiran-dra An-tery, Resy Tany Amin’ny Fitsarana”, ary “Vavolombelon’i Jehovah Nahazo Onitra Noho ny Fampidiran-dra”.

Araka ny marina sy faran’izay tsara ny tatitra momba ilay didim-pitsarana. Nanao tatitra toy izao ny The Daily Yomiuri: “Nilaza i Takeo Inaba, mpitsara, fa tsy nety ny nanatanterahan’ny dokotera fomba fanaovan-javatra izay nolavin’ny marary iray.” Nilaza mazava tsara toy izao koa izy io: “Ireo dokotera izay nanao [ilay fampidiran-dra] dia nanaisotra tamin[’i Misae] ny fahafahana hifidy ny fitsaboana arahiny.”

Nanazava ny Asahi Shimbun fa, tamin’io toe-javatra io, dia nihevitra ny fitsarana hoe tsy ampy ny porofo nilazana fa nisy ny fifaneken’ny andaniny roa ny amin’ny tsy hampiasana ra, na dia amin’ny toe-javatra mahatandindomin-doza ny aina aza. Na izany aza, dia tsy neken’ireo mpitsara ny hevitry ny fitsarana ambaratonga voalohany mahakasika ny fifanekena toy izany eo anatrehan’ny lalàna. Hoy izy ireo: “Raha misy fifanarahana natao tamim-pahendrena eo amin’ireo andaniny voakasika, fa tsy tokony hatao ny fampidiran-dra, na toy inona na toy inona tarehin-javatra, dia tsy mihevitra ity Fitsarana ity hoe manohitra ny filaminam-bahoaka izany ka hoe tsy manan-kery.” Ankoatra izany, io gazety io dia nanazava ny fomba fijerin’ireo mpitsara fa “tsy maintsy ho faty ny olombelona rehetra indray andro any, ary afaka manapaka izay ho fizotran-javatra mankamin’izany fotoana hahafatesana izany ny olona tsirairay”.

Raha ny marina, dia efa nanao fikarohana momba io raharaha io ny Vavolombelon’i Jehovah, ary miaiky izy ireo fa mifidy ny fomba fiaina tsara indrindra. Voafaoka amin’izany ny fandavana ireo loza efa fantatra fa ateraky ny fampidiran-dra. Eken’izy ireo kosa ny fomba fanao ara-pitsaboana tsy ampiasana ra, izay ampiasaina hatraiza hatraiza, any amin’ny tany maro, ary mifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 21:25). Nanazava toy izao ny profesora malaza iray momba ny lalàm-panorenana japoney: “Raha ny marina, ny fandavana ny fitsaboana [ampiasana fampidiran-dra] resahina eto, dia tsy fisafidianana ny ‘fomba hahafatesana’, fa ny fomba hahavelomana kosa.”

Ilay didim-pitsaran’ny Fitsarana Avo dia tokony hampahafantatra ireo mpitsabo fa tsy azony ampiharina amin’ny zavatra rehetra araka ny mety ho noeritreretin’ny sasany akory ny zony hanao fanapahan-kevitra. Ary tokony hahatonga hôpitaly maro kokoa hanorina toro lalana momba ireo fitsipika arahina, izany. Na dia nekena sy nanome fanantenana ho an’ny marary izay tsy nanan-jo hanapa-kevitra ny amin’ny fitsaboana azy aza io didim-pitsarana io, tamin’ny ankapobeny, dia tsy ny olona rehetra no nanaiky azy io. Nitondra ilay raharaha tany amin’ny Fitsarana Tampony, ny hôpitalim-panjakana sy ireo mpitsabo telo. Koa tsy maintsy miandry isika mba hahitana izay hataon’ny fitsarana ambony indrindra any Japon, na hanohana koa ny zon’ny marary, tahaka ny ataon’ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao, na tsia.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Hevitra tsy voafaritra araka ny lalàna izay avela ho an’ny mpitsara ny milaza ny heviny sy ny mampihatra azy.

b Izy io dia foto-pitsipika nitarika ireo andriana tompomenakely tamin’ny fotoanan’i Tokugawa, momba ny fomba tokony hanapahany ny olom-peheziny.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara