Tadidinao Ve?
Nankasitrahanao ve ny famakiana ireo nomerao faramparany tamin’ny Tilikambo Fiambenana? Ho hitanao fa mahaliana ny mitadidy ireto manaraka ireto:
◻ Nahoana isika no afaka matoky ny olona fidin’i Jehovah hitarika ny vahoakany?
I Jehovah dia mifidy olona ho amin’ny andraikitra sasany noho izy ireo manana ireo toetra ilaina mba hitarihana ny vahoakany araka izay iriny handehanan’izy ireo amin’ny fotoana manokana iray. — 15/8, pejy faha-14.
◻ Inona no azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Jona?
Nihevitra be loatra ny tenany i Jona, fa tsy nihevitra firy ny hafa kosa. Afaka maka fianarana avy amin’i Jona isika amin’ny fampandeferana ny tenantsika sy ny fihetseham-pontsika manokana. — 15/8, pejy faha-19.
◻ Amin’ny heviny ahoana no azo lazaina fa ‘tilikambo mafy ny anaran’i Jehovah’? (Ohabolana 18:10).
Ny fitadiavana fialofana ao amin’ny anaran’Andriamanitra dia midika hoe mitoky amin’ny tenan’i Jehovah mihitsy. (Salamo 20:1; 122:4). Ny dikan’izany dia hoe manohana ny fiandrianany sy ny lalàny ary ireo foto-pitsipiny, sady mino ny fampanantenany, ary maneho fifikirana tsy mizarazara aminy. (Isaia 50:10; Hebreo 11:6). — 1/9, pejy faha-10.
◻ Amin’ny ahoana no mamela ohatra ho antsika ny fomba nanaovan’i Paoly fanambarana teo anatrehan’ny olo-manan-kaja?
Malina i Paoly fony izy niresaka tamin’i Agripa Mpanjaka, ka ireo hevitra niombonany tamin’i Agripa no nantitranteriny. Tahaka izany koa fa tokony hanamafy ireo lafin-javatra tsara momba ny vaovao tsara isika, ka hanantitrantitra ny fanantenana iombonantsika. (1 Korintiana 9:22). — 1/9, pejy faha-31.
◻ Iza no mandray soa avy amin’ny fahari-pon’i Jehovah?
Noho ny fahari-pon’i Jehovah, dia olona an-tapitrisany maro fanampiny amin’izao andro izao no omena fahafahana ho voavonjy amin’ilay “andron’i Jehovah” ho avy. (2 Petera 3:9-15, NW ). Ny fahari-pony koa no mahatonga ny tsirairay amintsika ho afaka ‘hiasa amin’ny tahotra sy hovitra hahatanteraka ny famonjena antsika’. (Filipiana 2:12). — 15/9, pejy faha-20.
◻ Manao ahoana ny hasarobidin’ilay fandikan-tenin’ny Baiboly atao hoe Septante? Anisan’ny nisongadina io fandikan-teny io teo amin’ny fampielezana ny fahalalana momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Fanjakany, manana an’i Jesosy Kristy ho Mpanjaka. Tamin’ny alalan’ny Septante dia napetraka ny fototra lehibe mba haneken’ireo Jiosy sy Jentilisa niteny grika tamin’ny taonjato voalohany ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana. — 15/9, pejy faha-30.
◻ Mampianatra inona antsika momba an’Andriamanitra ny fanoharana ny amin’ilay zanaka adala?
Voalohany, dia hoe “mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana” i Jehovah. (Eksodosy 34:6). Faharoa, dia hoe “vonona hamela heloka” izy rehefa misy fiovam-po izay mahatonga azy hanana antony hanehoana famindram-po. (Salamo 86:5, NW ). — 1/10, pejy faha-12, 13.
◻ Rahoviana no ho tanteraka ny toe-piainana misy fiadanana ampanantenaina ao amin’ny Isaia 65:21-25?
Noho izy ireo mpivavaka amin’i Jehovah tafaray ao amin’ny paradisa ara-panahy, dia samy mahita ilay fiadanana omen’Andriamanitra ankehitriny ireo voahosotra sy ireo anisan’ny “ondry hafa”. (Jaona 10:16). Ary hiitatra hatrany amin’ilay Paradisa ara-bakiteny izany fiadanana izany rehefa ‘hatao etỳ amin’ny tany manontolo, tahaka ny any an-danitra, ny sitrapon’Andriamanitra’. Amin’izay fotoana izay, dia ho tanteraka amin’ny fomba feno ny tenin’i Isaia mpaminany. (Matio 6:10). — 15/10, pejy faha-24.
◻ Nahoana ny Kristianina no mankalaza ny fitsingerenan’ny andro fampakaram-badiny fa tsy ny andro nahaterahany?
Tsy mampiseho ny fanambadiana ho toy ny zavatra ratsy ny Baiboly. Raharahan’ny Kristianina manokana tanteraka raha mifidy ny hankalaza ny fitsingerenan’ny andro fampakaram-badiny izy, ka hahatsiaro ny fifaliana tamin’ilay fisehoan-javatra ary hieritreritra ny fahatapahan-keviny hanao izay hahavanona ny fanambadiany. Kanefa, ny hany fankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Baiboly, dia ny an’ireo mpanompo sampy ary nampifandraisina tamin’ny fanaovan-javatra feno halozana izy ireny. — 15/10, pejy faha-30, 31.
◻ Sary mampiseho inona ilay “afo” ao amin’ny fanoharan’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 3:12, 13, ary inona no tokony ho fantatry ny Kristianina rehetra?
Ny fitsapana ny finoantsika no afo atrehintsika rehetra eo amin’ny fiainana. (Jaona 15:20; Jakoba 1:2, 3). Ny olona rehetra ampianarintsika ny fahamarinana dia handia fitsapana. Raha tsy mampianatra amin’ny fomba tsara isika, dia mety hisy vokany mampalahelo izany, araka ny nampitandreman’i Paoly. (1 Korintiana 3:15). — 1/11, pejy faha-11.
◻ Tamin’ny fomba ahoana no ‘niarahan’i Noa nandeha tamin’Andriamanitra’? (Genesisy 6:9).
Niara-nandeha tamin’Andriamanitra i Noa, noho izy nanao izay nasain’Andriamanitra nataony. Nanana fifandraisana mafana sy akaiky tamin’Andriamanitra i Noa, satria nanokana ny fiainany tamin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. — 15/11, pejy faha-10.
◻ Manana fahafahana hanao inona isika noho ny tsy fahafantarantsika ny fotoana marina hampiharana ny famalian’Andriamanitra ny ratsy fanahy?
Manana fahafahana isika hanaporofo fa tena tia an’i Jehovah tokoa ary maniry handeha mandrakizay amin’ny lalany. Mampiseho koa izany fa tsy mivadika amin’Andriamanitra isika, ary matoky ny fomba itondrany ny raharaha. Ambonin’izany, dia manampy antsika hitoetra ho mailo sy hifoha ara-panahy izany. (Matio 24:42-44). — 15/11, pejy faha-18.
◻ Inona no hevitry ny hoe mino “ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra”? (1 Jaona 5:13).
Midika ho fankatoavana ny didin’i Kristy rehetra izany, tafiditra amin’izany ilay didiny mba ‘hifankatia’. (Jaona 15:14, 17). Miezaka manisy soa ny hafa ny fitiavana. Manilika ny fitsarana an-tendrony rehetra ara-pirazanana sy ara-pivavahana sy ara-tsosialy izy io. — 1/12, pejy faha-7.
◻ Nahoana no ‘ankahalaina’ ny Vavolombelon’i Jehovah? (Matio 10:22).
Antony mitovy amin’ny nanenjehana ireo Kristianina tany am-boalohany no nankahalana tsy ara-drariny ny Vavolombelon’i Jehovah. Voalohany, dia manao zavatra mifanaraka amin’izay inoany ara-pivavahana ny Vavolombelon’i Jehovah, saingy tsy tian’ny sasany ny fomba anaovany izany. Faharoa, dia lasibatry ny fiampangana diso izy ireo, dia lainga an-kitsirano sy fandikana vilana ny zavatra inoany. — 1/12, pejy faha-14.