Singapour — Manitsakitsaka ny Fahalalahana Hanao Fanompoam-pivavahana
TAMIN’NY takarivan’ny 24 Febroary 1995, dia nanaovan’ny polisy bemidina ny trano efatra tao amin’ny tanànan’i Singapour. Olona 69 no voasambotra, tamin’ny fitambarany.a Teo amin’izy ireo dia nisy vehivavy iray 71 taona sy ankizivavy roa 15 taona. Nahoana? Moa ve izany noho ny asa fanaovana heloka bevava na fanonganam-panjakana? Tsia. Tsy nisy tamin’izy ireo nanao na inona na inona azo heverina ho mampidi-doza, na ratsy ara-pitondran-tena, na manimba ny fiaraha-monina na dia kely akory aza. Tsy nametraka fandrahonana ho an’ireo fitsipika ara-pitondran-tena sy ho an’ny fiarovana ary ho an’izay mahasoa an’ireo mponina ao Singapour toa azy izy ireo. Na dia izany aza, rehefa avy nisava ireo trano efatra ny polisy, dia nitondra tany amin’ny paositry ny polisy ireo olona 69 izay tonga mba hiara-mianatra ny Baiboly sy hiara-mankafy fiaraha-mikorana. Tany izy ireo dia notanana indray alina, nalaina am-bavany sy noraisina peta-tondro ary nalaina sary — eny nentina toy ny mpanao heloka bevava mahazatra! Nandritra izany fotoana izany — naharitra 18 ora tao anatin’ny toe-piainana ratsy dia ratsy — dia tsy navela hahazo mpisolovava ara-dalàna izy ireo ary norarana mihitsy aza tsy handefa telefaonina mba hilazana tamin’ny fianakaviany ny toerana nisy azy. Azo alaina sary an-tsaina fotsiny ny fiantraikan’izany fanaovan-javatra tsy nisy alaharo alaharo izany teo amin’ireo olom-pirenena mpanara-dalàna ireo!
Ilay fisehoan-javatra dia toa mampahatsiaro ny toe-piainana nandritra ireo andro maizina nisy an’i Alemaina Nazia sy ny vanim-potoana komonista tany amin’ny Firaisana Sovietika sy i Eoropa Atsinanana. Tsy izany no ampoizin’ny sendra mpitsidika an’i Singapour ho hita ao amin’io tanàna-fanjakana maoderina izay madio sy miroborobo hatrany io. I Singapour dia nampahalaza ny tenany ho zava-mahatalanjon’ny taonjato faha-20 eo amin’ny fandrosoana ara-toe-karena sy ara-tsosialy. Izy io dia demokrasia voambara an-karihary, izay manana lalàm-panorenana miantoka ho an’ny olom-pireneny ireo zon’olombelona fototra, tafiditra amin’izany ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahana ara-pivavahana ary ny fahalalahana hivory.
Kanefa ireo izay nosamborina tamin’ny Febroary dia niharan’ny famelezana satria fotsiny izy ireo Vavolombelon’i Jehovah izay niara-nivory mba hianatra ny Baiboly sy hiaraka amin’ny samy Kristiana. Ny fiampangana azy ireo dia hoe “manatrika fivoriana ataon’ny fikambanana iray tsy ara-dalàna”.
Raha ny marina, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy nomena fanekena ara-dalàna tao Singapour hatramin’ny 1972, rehefa notsoahina tao amin’ny bokim-panjakana ny Kongregasiona Singapour ka norarana ireo zavatra vita an-tsoratra, anisan’izany ny Baiboly, avoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society. Tsy nisy fahafahana nomena mba hiadiana amin’ny tsy maha-ara-drariny an’ireo hevitra an-taingina niorenan’io fanaovan-javatra io. Tsy ela izay, dia niadiana ny tsy maha-ara-drariny an’io fanavakavahana ofisialy io teo amin’ny fitsaran’i Singapour, tamin’ny raharahan’ny Vavolombelon’i Jehovah efatra izay voaheloka tamin’ny Febroary 1994 ho nanana zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly izay voarara. Ny fangatahan’izy ireo fitsarana ambony hanoherana ny fanamelohana azy dia nohenoina tamin’ny Aogositra 1994 ary dia noravana maimaika fotsiny. Namoaka ny heviny i Yong Pung How, Lehiben’ny Fitsarana tao amin’ilay Fitsarana Ambony, ny volana nanaraka. Nilaza ny heviny izy fa tsy nisy fandikana ny fahalalahana ara-pivavahana, ary voamarina ireo fanamelohana niorina tamin’ny hoe fandrahonana ho an’ny filaminam-pirenena ny Vavolombelon’i Jehovah satria ireo mpikambana dia tsy mandray anjara amin’ny raharaha miaramila. Tamin’ny 17 Febroary 1995, ireo Vavolombelon’i Jehovah efatra dia nitady fahazoan-dalana mba hangataka fitsarana ambony kokoa noho io fanapahan-kevitra tsy nankasitraka nataon’ny Fitsarana Ambony tao Singapour io. Nolavina ilay fangatahana.
Nasongadin’ilay gazety fehezin’ny fanjakana ao Singapour io fanapahan-kevitra farany io. Tsy isalasalana fa io fanapahan-kevitry ny fitsarana io sy ny fampahafantarana ampahibemaso vokatr’izany no fototr’ireo fisehoan-javatra izay nanaraka izany. Tao anatin’ny herinandro dia niseho ny fisamborana Vavolombelon’i Jehovah 69. Notsoahina taorian’izay ny fiampangana natao tamin’ny efatra tamin’izy ireo — olom-pirenena avy any Grande-Bretagne sy Frantsa ary Luxembourg. Na dia ho azy ireo aza anefa, dia nampivarahontsana ilay fanandraman-javatra. Ny lehilahy iray dia niaina sy niasa tao Singapour efa an-taonany maro niaraka tamin’ny vadiny. Namoy ny asany sy ny trano izay nohofany izy ireo, ary noterena hanao veloma namana akaiky maro.
Ireo olon-dehibe 63 tavela dia nampangaina ho anisan’ny fikambanana iray voarara, ary ny sasany dia nampangaina koa ho nanana zavatra vita an-tsoratra voarara. Izy ireo dia niatrika na sazy an-tranomaizina telo taona fara fahabetsany na handoa onitra 3 000 $ Singapour (9 240 000 FMG), na izy roa. Ireo ankizivavy roa 15 taona dia niseho nitokana teo anatrehan’ny fitsarana ho an’ny ankizy maditra.
Tsy fandrahonana ho an’ny toetra mampiavaka ilay firenena sy ny firaisan-kinam-pirenena
Maneran-tany, any amin’ny tany maherin’ny 200 izay ipetrahany, dia fantatra ho vahoaka maotona sy manao ny marina ary manara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah. Fantatra izy ireo amin’ny fandavany tsy azo hozongozonina tsy handray anjara amin’izay mety ho karazana fanaovan-javatra misy fanonganana na fanoheram-panjakana — dia fanaovan-javatra tsy kristiana izay mety hitarika ho amin’ny fandroahana na fanonganana azy ireo. Marina tokoa fa tsy misy na inona na inona mihitsy tokony hatahoran’ny fitondram-panjakan’i Singapour avy amin’izy ireo. Tsy fandrahonana velively ho an’ny filaminam-pirenena na ny toetra mampiavaka ilay firenena sy ny firaisan-kinam-pirenena, izy ireo. (Romana 13:1-7). Voalaza mazava tsara izany tao amin’ny taratasy iray tamin’ny datin’ny 21 Martsa 1995 avy tamin’i Milton G. Henschel, prezidàn’ny Watch Tower Bible and Tract Society, ho an’ny Praiminisitra Goh Chok Tong, ao Singapour. Averina etoana io taratasy io, ho tombontsoan’ny mpamaky.
Ireo olona tia fahafahana eo amin’ny fandraharahana sy eo amin’ny fitondram-panjakana ary eo amin’ny seha-pamokarana tsy miankina dia handinika amim-pahalianana mba hahitana ny fomba hivoaran’io tarehin-javatra any Singapour io. Moa ve ny fitondram-panjakana ao Singapour hanao zavatra mifanaraka amin’ireo zon’olombelona sy fahalalahany fototra izay noraisin’ny lalàm-panorenany sy ny vondron-tany iraisam-pirenena? Azo antoka fa manahy mafy ny amin’ireo mpiara-mivavaka aminy any Singapour ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Mahatsiaro azy ireo amin’ny vavaka izy ary mitadidy ilay fanomezan-toky hita ao amin’ny Baiboly manao hoe: “Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony [tsy mivadika, NW ]”. — Salamo 37:28.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nandritra ireo volana hatramin’ny nisamborana ireo olona 69 ireo, dia Vavolombelona 11 hafa no voasambotra sy nampangaina ho nanana zavatra vita an-tsoratra tsy ara-dalàna.
[Efajoro, pejy 30]
21 Martsa 1995
Goh Chok Tong
Praiminisitra
Istana Annexe
Singapour 0923
Repoblikan’i Singapour
Lee Kuan Yew
Lehiben’ny Minisitra
Biraon’ny Praiminisitra
460 Alexandra Road
37-00 PSA Bldg
Singapour 0511
Repoblikan’i Singapour
Andriamatoa hajaina isany,
Nisy vaovao nalefan’ny Reuter vao haingana avy tatỳ Singapour, tamin’ny datin’ny 25 Febroary 1995, nanahiran-tsaina indrindra. Nitatitra izy io fa nisy fivoriana fianarana ny Baiboly nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah noravan’ny polisy ary olona 69 no nosamborina. Io tatitra io dia nampifantoka ny sain’izao tontolo izao ho amin’ny tarehin-javatra misy ny Vavolombelon’i Jehovah eto Singapour izay toerana andrarana ny asa sy ny zavatra vita an-tsoratr’izy ireo hatramin’ny 20 taona mahery.
Sarotra ny mahatakatra ny antony andrarana eto Singapour, tany mandray ireo fotopoto-pitsipiky ny demokrasia, ny fandaminana ara-pivavahana iray izay miasa an-karihary sady arovan’ny lalàna tanteraka any amin’ny tany maherin’ny 200. Mbola manahiran-tsaina kokoa ihany izany rehefa heverina amin’ny lalàm-panorenan’i Singapour izay miantoka ny fahalalahana manao fanompoam-pivavahana ho an’ireo olom-pireneny.
Tsy nametraka fandrahonana na inona na inona ho an’ny filaminam-pirenena mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah na taiza na taiza. Tsy azo lavina fa manerana izao tontolo izao izy ireo dia malaza ho tia fihavanana, ho mpiasa mafy, ho mahitsy ara-pitondran-tena sy ho mpanara-dalàna — dia toetra izay azoko antoka fa ampandrosoanareo ao amin’ny taninareo.
Marina fa noho ny fanarahany amin’ny fomba hentitra ireo fari-pitsipika ho an’ny Kristiana ao amin’ny Baiboly, dia tsy azon’ny olona na asehony amin’ny fomba diso indraindray ny toerana tanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Kanefa moa ve tsy marina koa izany raha ny amin’ilay mpanorina ny Kristianisma izay naseho tamin’ny fomba diso ho nanohitra an’i “Kaisara”, ilay fitondram-panjakana tamin’ny androny? Manaraka fotsiny ny ohatr’i Jesosy sy ireo Kristiana tany am-boalohany ny Vavolombelon’i Jehovah. Manaja ny fitondram-panjakana eo amin’izay misy azy izy ireo, mandoa ny hetrany sy mampandroso fitondran-tena tsara. Olom-pirenena manaraka ny feon’ny fieritreretany sy mahitsy fitondran-tena izy ireo. Mbola tsy nandray anjara mihitsy tamin’izay mety ho fanaovan-javatra hanonganam-panjakana ny Vavolombelon’i Jehovah na taiza na taiza tany nisy azy, ary afaka manome toky anareo aho fa ny fisian’izy ireo eto Singapour dia tsy mametraka fandrahonana mihitsy ho an’ny tombontsoam-pirenen’ny taninareo.
Noho ireo tatitra nomen’ny fampitam-baovao vao haingana, dia fantatry ny besinimaro izao ireo fepetra famoretana nataon’ny fitondram-panjakanareo tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Singapour. Izy io dia raharaha mampanahy indrindra an’ireo mpiara-miasa aminy 12 tapitrisa manerana izao tontolo izao. Mangataka anareo aho mba hampiasa ny toerana tsara tananareo mba hanitsy ilay tarehin-javatra ary hanome ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny taninareo ilay fahalalahana hanao fanompoam-pivavahana sy ilay fahalalahana hanaraka ny feon’ny fieritreretana, izay iantohan’ny Lalàm-panorenana.
Mino aho fa ny fiaraha-midinika iray amim-pahatsorana amin’ireo solontenan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia hanampy mba hampisinda izay mety ho tsy fahazoan-kevitra momba ny fandaminanay sy ny asanay, ka hanome toky anareo fa tsy misy tokony hatahoran’ny fitondram-panjakan’i Singapour avy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ho faly aho handamina fivoriana iray toy izany.
Manantena ny valin-teninareo ny tenako.
Manaja anareo,
Milton G. Henschel
Prezidà
[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]
Nik Wheeler/H. Armstrong Roberts