Rehefa “Tsy Mampaninona Izay Izoran’ny Rivotra”
“REHEFA tsy fantatry ny olona iray ny fitodian-tsambo halehany, dia tsy mampaninona izay izoran’ny rivotra.” Ireo teny ireo, izay lazaina fa an’i Sénèque, filozofa romana tamin’ny taonjato voalohany, dia manamafy fahamarinana iray nekena hatramin’ny ela, dia ny hoe: Mba hahatonga ny fiainana hisy heviny, dia tena ilaina ny tanjona.
Matetika anefa ny fiainana dia toy ny sambo tsy manana tanjona ka atopatopan’ny onja eny. Maro ny olona afa-po amin’ny fanalavirana fotsiny ireo vatolampy sy ireo tadion’ny fiainana andavanandro. Raha tsy manana toerana tanana voafaritra tsara sady tsy miovaova izy ireny, dia manjary sahala amin’ny onja “entin’ny rivotra mandroso amin’ny fotoana iray ary tarihiny hiverina indray avy eo”. (Jakoba 1:6, “Phillips”). Ho an’ny olona toy ireny, dia “tsy mampaninona izay izoran’ny rivotra”.
Ny Baiboly dia manome ohatra ny amin’ireo nifantoka tamin’ny fanatratrarana ny tanjony, ka noho izany dia atao modely hotahafin’ny Kristiana amin’izao andro izao. I Mosesy dia “nijery ny famalian-tsoa”. (Hebreo 11:26). I Paoly dia nanoratra hoe: “Mihazakazaka mivantana mankany amin’ny tanjona aho mba hahazoako ny loka”. Nampirisika ireo mpino tahaka azy izy mba “hanana toe-tsaina mitovy amin’io”. — Filipiana 3:14, 15, “Today’s English Version”.
Amin’ny fananana ny masontsika mifantoka mafy amin’ireo fampanantenan’ny Baiboly, dia enga anie isika hanahaka ny finoan’ireo lehilahy nifantoka tamin’ny fanatratrarana ny tanjony ireo. — Ampitahao amin’ny Hebreo 13:7.