FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 1/7 p. 5-8
  • Nahoana no Mitady ny Fahamarinana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana no Mitady ny Fahamarinana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny vidin’ny relativisme
  • Inona no fahamarinana?
  • Fahamarinana miasa
  • Harena iray mendrika izay mety ho vidiny
  • Mivavaka Amin’ny Fanahy sy ny Fahamarinana ny Kristianina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • “Handeha Amin’ny Fahamarinanao Aho”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Manahafa An’ilay Andriamanitry ny Fahamarinana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Aza “Miala Amin’ny Fahamarinana Mihitsy”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 1/7 p. 5-8

Nahoana no Mitady ny Fahamarinana?

FANDAMINANA ara-pivavahana maro no milaza fa manana ny fahamarinana ary manolotra azy io amim-pahadodonana amin’ny hafa izy ireo. Eo amin’izy samy izy anefa dia manolotra “fahamarinana” maro be mampisafotofoto izy ireo. Moa ve izany porofo iray hafa fotsiny fa miankina amin’ny tsirairay ny fahamarinana, fa tsy misy ny fahamarinana tanteraka? Tsia.

Tao amin’ny bokiny hoe The Art of Thinking, ny Profesora V. R. Ruggiero dia maneho ny fahagagany, fa na dia ireo olona manan-tsaina aza indraindray dia milaza fa miankina amin’ny tsirairay ny fahamarinana. Manjohy hevitra toy izao izy: “Raha toa ka samy mamaritra ny fahamarinany manokana ny olona tsirairay, vokatr’izany dia tsy misy hevitr’olona mihitsy mety ho tsara kokoa noho ny an’ny hafa. Izy rehetra dia tsy maintsy hitovy lenta. Ary raha toa ka mitovy lenta ny hevitra rehetra, inona no antony hanaovana fikarohana amin’izay foto-kevitra na inona na inona? Nahoana no mihady tany mba hahazoana valiny amin’ireo fanontaniana arkeolojika? Nahoana no mamotopototra ny amin’ireo antony mahatonga fihenjanana any Moyen-Orient? Nahoana no mitady fanafody ho an’ny kansera? Nahoana no mizaha sy mamantatra ny vahindanitra? Azon’ny saina ekena ireny zavatra atao ireny raha tsy hoe tsara kokoa noho ny hafa angaha ny valim-panontaniana sasany, raha tsy hoe zavatra misaraka sy tsy voakasiky ny fomba fihevitry ny isam-batan’olona angaha ny fahamarinana.”

Raha ny marina, dia tsy misy mihitsy olona mino marimarina fa tsy misy ny fahamarinana. Rehefa ny zavatra tena izy azo tsapaina no resahina, toy ny fitsaboana, ny matematika, na ny lalàn’ny fizika, na dia izay mpomba hirihiriny indrindra ny relativisme aza dia hino fa ny zavatra sasany dia marina. Iza amintsika no ho sahy handeha fiaramanidina raha toa isika ka tsy nihevitra ny lalàn’ny aérodynamique ho fahamarinana tanteraka? Misy ireo fahamarinana azo hamarinina; manodidina antsika izy ireo, ary isika dia manankina ny fiainantsika amin’izy ireny.

Ny vidin’ny relativisme

Amin’ny faritra ara-pitondran-tena anefa no miharihary indrindra ny fahadisoan-kevitry ny relativisme, satria eo ny fisainana toy izany no nanimba indrindra. Ny The Encyclopedia Americana dia manantitrantitra toy izao: “Nisalasalana mafy na mety ho hitan’ny olombelona ny fahalalana na ny fahamarinana fantatra na tsia (...) Azo antoka anefa fa na oviana na oviana ireo idealy mitambatra ny amin’ny fahamarinana sy ny fahalalana no lavina ho toy ny foronin’ny saina fotsiny na manimba, dia mikororosy ny fitambaran’olona.”

Angamba ianao nahamarika izany fikororosiana izany. Ohatra, ny fampianarana ao amin’ny Baiboly momba izay tsara ara-pitondran-tena, izay milaza mazava fa ratsy ny fahalotoam-pitondran-tena, dia mahalana vao heverina ho fahamarinana ankehitriny. Ny rafitry ny fitsipi-pitondran-tena, ilazana fa — “ianao no manapaka izay tsara aminao” — no hevitra manjaka. Mety hisy olona ho afaka hilaza ve fa tsy vokatr’io fomba fijery momba ny relativisme io no nahatonga ny fikororosiana teo amin’ny fiaraha-monina? Azo antoka fa miteny ho azy ny fihanahan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana, ny tokantrano rava, sy ny fananana anaka hita eo amin’ny zatovovavy maneran-tany.

Inona no fahamarinana?

Koa aoka hialantsika ireo rano manjavozavon’ny relativisme ary aoka hodinihintsika fohy izay lazalazain’ny Baiboly ho rano madion’ny fahamarinana. (Jaona 4:14; Apokalypsy 22:17). Ao amin’ny Baiboly ny “fahamarinana” dia tsy fiheverana ara-teoria fotsiny sy tsy azo tsapaina velively, izay iadian’ireo filozofa hevitra.

Fony i Jesosy nilaza fa ny zava-nokendreny manontolo teo amin’ny fiainana dia ny hanambara ny fahamarinana, dia niresaka ny amin’ny zavatra izay noheverin’ireo Jiosy nahatoky ho sarobidy hatramin’ny taonjato maro izy. Tao amin’ireo asa soratra masina nananany, dia efa novakin’ny Jiosy hatramin’ny ela ho toy ny zavatra tena misy, fa tsy teoria, ny “fahamarinana”. Ao amin’ny Baiboly, ny hoe “fahamarinana” dia dikan’ilay teny hebreo hoe “ʼemethʹ”, izay midika hoe izay tsy miovaova, mafy, ary angamba ny zava-dehibe indrindra, izay azo ianteherana.

Ny Jiosy dia nanana antony tsara hiheverana ny fahamarinana tamin’izany fomba izany. Niantso an’i Jehovah Andriamaniny hoe “Andriamanitry ny fahamarinana” izy ireo. (Salamo 31:5). Izany dia satria izay rehetra nolazain’i Jehovah fa hataony dia nataony. Rehefa nanome fampanantenana izy, dia nitana azy ireny. Rehefa nampilaza faminaniana izy, dia notanterahina izy ireny. Rehefa nanonona didim-pitsarana farany izy, dia nampiharina izy ireny. Isiraelita an-tapitrisany maro no vavolombelona nanatri-maso ireny zavatra tena izy ireny. Ireo mpanoratra ny Baiboly nahazo tsindrimandry dia nirakitra azy ireny an-tsoratra ho toy ny zava-misy tsy azo iadian-kevitra teo amin’ny tantara. Tsy tahaka ireo boky hafa heverina ho masina, ny Baiboly dia tsy miorina amin’ny angano. Izy io dia miorina mafy amin’ny zava-misy azo hamarinina — zavatra tena izy ara-tantara, arkeolojika sy siantifika ary sosiolojika. Tsy mahagaga ny nilazan’ilay mpanao salamo momba an’i Jehovah toy izao: “Marina ny lalànao. (...) Marina ny didinao rehetra. (...) Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao”! — Salamo 119:142, 151, 160.

I Jesosy Kristy dia namerina ny tenin’io salamo io, fony izy nilaza tamin’i Jehovah tao amin’ny vavaka hoe: “Ny teninao no fahamarinana”. (Jaona 17:17). Fantatr’i Jesosy fa ny zavatra rehetra resahin’ny Rainy dia tsy miovaova sy azo ianteherana tanteraka. Tahaka izany koa, i Jesosy dia “feno (...) fahamarinana”. (Jaona 1:14). Nianaran’ireo mpanara-dia azy tamin’ny naha-vavolombelona nanatri-maso azy ary noraketiny an-tsoratra ho an’ny taranaka fara aman-dimby, fa ny zavatra rehetra nolazainy dia azo ianteherana mafy ho ny fahamarinana.a

Kanefa, fony i Jesosy nilaza tamin’i Pilato fa ny hanambara ny fahamarinana no nahatongavany teto an-tany, dia fahamarinana iray voafaritra tsara no tao an-tsainy. I Jesosy dia nanao izany fanambarana izany ho valin’ny fanontanian’i Pilato hoe: “Mpanjaka va ary Hianao?” (Jaona 18:37). Ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny anjara asan’i Jesosy manokana amin’ny maha-Mpanjaka azy ao, no ny foto-kevitra mihitsy, ny votoatin’ny fampianaran’i Jesosy fony izy teto an-tany. (Lioka 4:43). Ny hoe io Fanjakana io dia hanamasina ny anaran’i Jehovah sy hanamarina ny fiandrianany ary hamerina ny olombelona mahatoky ho amin’ny fiainana mandrakizay sy sambatra, no ilay “fahamarinana” izay antenain’ny Kristiana marina rehetra. Koa satria zava-dehibe aoka izany ny anjara asan’i Jesosy amin’ny fahatanterahan’ireo fampanantenan’Andriamanitra rehetra, ary satria ireo faminanian’Andriamanitra rehetra dia tonga “Amena”, na marina, noho ny aminy, dia afaka nilaza tsara i Jesosy hoe: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana”. — Jaona 14:6; 2 Korintiana 1:20; Apokalypsy 3:14.

Ny fanekena izany fahamarinana izany ho azo ianteherana tanteraka dia misy heviny lehibe ho an’ny Kristiana amin’izao andro izao. Midika izany fa ny finoany an’Andriamanitra sy ny fanantenany ireo fampanantenana nomeny dia miorina amin’ny zava-misy, amin’ny zavatra tena izy.

Fahamarinana miasa

Tsy mahagaga ny ampifandraisan’ny Baiboly ny fahamarinana amin’ny fanaovana asa. (1 Samoela 12:24; 1 Jaona 3:18). Ho an’ny Jiosy natahotra an’Andriamanitra, ny fahamarinana dia tsy foto-kevitra iray hanaovana ady hevitra filozofika; izy io dia fomba fiaina. Ny teny hebreo nadika hoe “fahamarinana” dia azo adika koa hoe “fahatokiana” ary nampiasaina mba hilazalazana olona iray izay azo itokiana hanao araka ny teniny. I Jesosy dia nampianatra ireo mpanara-dia azy mba hanana fomba fihevitra ny fahamarinana mitovy amin’izany. Tamin-kafanam-po no nanamelohany ny fihatsarambelatsihin’ireo Fariseo, ny hantsana mitanatana mampisaraka ny teny nanamarin-tena nolazainy sy ireo asa tsy marina nataony. Ary nanome ny ohatra i Jesosy tamin’ny fananana fiainana nifanaraka tamin’ireo fahamarinana nampianariny.

Koa izany no tokony ho izy ho an’ireo mpanara-dia rehetra an’i Kristy. Ho azy ireo, ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra, ny vaovao tsara mamelombelona momba ny Fanjakan’Andriamanitra eo ambanin’ny fanapahan’i Jesosy Kristy, dia mihoatra lavitra noho ny fahalalana fotsiny. Izany fahamarinana izany dia manosika azy ireo hanao asa, manery azy ireo hiaina mifanaraka amin’izany sy hizara izany amin’ny hafa. (Ampitahao amin’ny Jeremia 20:9.) Ho an’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany, ny fomba fiaina narahiny tamin’ny naha-mpanara-dia an’i Kristy azy dia fantatra fotsiny indraindray ho “ny fahamarinana” na “ny làlan’ny fahamarinana”. — 2 Jaona 4; 3 Jaona 4, 8; 2 Petera 2:2.

Harena iray mendrika izay mety ho vidiny

Marina fa ny fanekena ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra dia mitaky vidiny. Voalohany, ny fianarana fotsiny ny fahamarinana dia mety ho fanandraman-javatra mahakivy. Manao izao fanamarihana izao ny The Encyclopedia Americana: “Matetika ny fahamarinana dia tsy mahafinaritra, satria tsy manohana ny fitsarana an-tendrony na ny angano.” Ny fahitana ny zavatra inoantsika aharihary ho tsy marina, dia mety handiso fanantenana, indrindra fa raha toa isika ka nampianarin’ny filoha ara-pivavahana nitokiana. Ny sasany angamba hampitovy ilay fanandraman-javatra amin’ny fahitana fa, hay, mpanao heloka bevava niafina, raha ny marina, ny ray aman-dreny nitokiana! Tsy tsara kokoa ve anefa ny mahita ny fahamarinana ara-pivavahana noho ny miaina ao anatin’ny fahadisoan-kevitra? Tsy tsara kokoa ve ny mahafantatra ny zava-misy noho ny hararaotin’ny lainga?b — Ampitahao amin’ny Jaona 8:32; Romana 3:4.

Faharoa, ny fananana fiainana mifanaraka amin’ny fahamarinana ara-pivavahana dia mety hamoizantsika ny faneken’ny sasany izay namantsika teo aloha. Ao amin’ny tontolo iray izay maro aoka izany no ‘nanolo ny fahamarinan’Andriamanitra tamin’ny lainga’, ireo izay mifikitra amin’ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra dia toa hafahafa, ka indraindray dia halavirina sy tsy azo ny heviny. — Romana 1:25; 1 Petera 4:4.

Mendrika io vidiny roa sosona io anefa ny fahamarinana. Ny fahalalana ny fahamarinana dia manafaka antsika amin’ny lainga, ny fahadisoan-kevitra sy ny finoanoam-poana. Ary rehefa miaina mifanaraka amin’izy io isika, dia manatanjaka antsika hiaritra ireo zava-tsarotra ny fahamarinana. Ny fahamarinan’Andriamanitra dia azo ianteherana sy miorina mafy aoka izany, ary manome fanantenana antsika aoka izany, hany ka mahatonga antsika hahafahatra izy io, ao anatin’izay mety ho fisedrana. Tsy mahagaga ny nampitovian’ny apostoly Paoly ny fahamarinana tamin’ny fehikibo na fehy hoditra lehibe sady mafy, izay fitondran’ireo miaramila any an’ady! — Efesiana 6:13, 14.

Hoy ny ohabolana ao amin’ny Baiboly: “Vidio ny marina, ka aza amidy, dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.”. (Ohabolana 23:23). Ny fanilihana ny fahamarinana ho miankina amin’ny tsirairay na tsy misy dia tsy hahitana ilay fitadiavana mampientam-po sy mahafa-po indrindra izay atolotry ny fiainana. Ny fahitana azy io dia fahitana fanantenana; ny fahafantarana sy ny fitiavana azy io dia fahafantarana sy fitiavana ilay Mpamorona izao rehetra izao sy ny Zanany lahy tokana; ny fananana fiainana mifanaraka amin’izy io dia fananana fiainana misy zava-kendrena sy fiadanan-tsaina, dieny izao sy ho mandrakizay. — Ohabolana 2:1-5; Zakaria 8:19; Jaona 17:3.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Misy toerana maherin’ny 70 ao amin’ny fitantaran’ny Filazantsara, izay amakiana fa i Jesosy dia nampiasa fitenenana tokana mba hanantitranterana ny maha-marina ny teniny. Nilaza matetika izy hoe “Amena” (“Marina tokoa”, NW ) mba hampidirana fanambarana iray. Ny teny hebreo mifanandrify amin’izy io dia nidika hoe “azo antoka, marina”. Manao izao fanamarihana izao ny The New International Dictionary of New Testament Theology: “Amin’ny fampidirana ny teniny amin’ny hoe amena, i Jesosy dia nilaza azy ireny ho azo antoka sy azo ianteherana. Izy dia nitana ny teniny ary nampifamatotra azy ireny tamin’ny tenany sy tamin’ireo mpihaino azy. Izy ireny dia fanehoana ny fahamendrehany sy ny fahefany.”

b Ny teny grika nadika hoe “fahamarinana”, a·leʹthei·a, dia avy amin’ny teny iray izay midika hoe “tsy nafenina”, koa ny fahamarinana àry matetika dia mahakasika ny fampiharihariana izay nafenina teo aloha. — Ampitahao amin’ny Lioka 12:2.

[Efajoro, pejy 6]

Miova ve ny Fahamarinana?

IZANY fanontaniana izany dia nataon’i V. R. Ruggiero tao amin’ny bokiny hoe The Art of Thinking. Ny valin-teniny dia tsia. Namelabelatra toy izao izy: “Indraindray dia mety ho toa hoe miova izy io, nefa rehefa dinihina akaiky kokoa dia hita fa tsy izany.”

“Diniho”, hoy izy, “ny ohatra ny amin’ilay nanoratra ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly, dia ny bokin’ny Genesisy. Nandritra ny taonjato maro ny Kristiana sy ny Jiosy dia samy nino fa ilay boky dia tsy nanana afa-tsy mpanoratra tokana ihany. Rehefa ela ny ela, dia niadian-kevitra izany fomba fijery izany, ary tamin’ny farany dia nosoloana tamin’ny finoana fa hatramin’ny olona dimy mihitsy no nandray anjara tamin’ny fanoratana ny Genesisy. Tsy ela avy eo, tamin’ny 1981, dia navoaka ny vokatry ny famakafakana ara-piteny ny Genesisy, natao nandritra ny dimy taona, ka nambara fa 82 isan-jato no mety ho nisian’ny mpanoratra iray ihany, toy ny nieritreretana azy tany am-boalohany.

“Niova ve ny fahamarinana momba ilay nanoratra ny Genesisy? Tsia. Ny zavatra ninoantsika ihany no niova. (...) Ny fahamarinana dia tsy ho voaovan’ny fahalalantsika na ny tsy fahalalantsika.”

[Efajoro, pejy 7]

Ny Fanajana ny Fahamarinana

“NY FANAJANA ny fahamarinana dia tsy ilay fanehoana tsy fatokiana olona sandoka amin’izao andro manokana misy antsika izao fotsiny, izay miezaka ‘mampiseho’ ny zavatra rehetra, amin’ny finoana fa tsy misy olona sy zavatra afaka milaza marina ho manana ny fahamarinana. Izany kosa dia ilay fihetsika izay manambatra ny fatokiana mahafaly fa azo atao marina tokoa ny mahita ny fahamarinana, amin’ny fanekena amim-panetren-tena ny fahamarinana na oviana na oviana ary na aiza na aiza ipoiran’izy io. Takina amin’ireo izay mivavaka amin’ilay Andriamanitry ny fahamarinana, ny fahalalahan-tsaina toy izany manoloana ny fahamarinana; kanefa kosa ny fanajana mety ho an’ny fahamarinana dia manome antoka ny amin’ny fanaovana ny marina eo amin’ny fifampiraharahan’ny olona amin’ny mpiara-belona aminy, amin’ny teny sy ny atao. Io ilay fihetsika, araka ny efa hitantsika, izay samy manamarina azy na ny T[estamenta] T[aloha] na ny T[estamenta] V[aovao].” — The New International Dictionary of New Testament Theology, Boky Faha-3, pejy faha-901.

[Sary, pejy 7]

Miorina amin’ny fahitana ireo fahamarinana siantifika ny fandrosoana natao teo amin’ny siansa

[Sary, pejy 8]

Ny fahamarinana dia mahatafiditra ilay Fanjakana sy ireo fitahiana entiny

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara