FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 1/7 p. 3-4
  • “Inona no Marina?”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Inona no Marina?”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Famelezana ny fahamarinana
  • Fanolokoloana ny relativisme
  • Iza moa i Pontio Pilato?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Nahoana no Mitady ny Fahamarinana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Pilato
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Avy teo amin’i Pilato nankany amin’i Heroda ary niverina tany amin’i Pilato indr
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 1/7 p. 3-4

“Inona no Marina?”

TSY NITOVY velively ireto lehilahy roa nifanatrika. Ny iray dia mpanao politika tsy natoky olona, fatra-paniry laza, nanankarena, vonona hanao na inona na inona mba hampandrosoana ny asany manokana teo amin’ny fiainana. Ilay faharoa kosa dia mpampianatra iray nanao tsinontsinona ny harena sy ny laza, ary niomana hanao sorona ny ainy mba hamonjena ny ain’ny hafa. Tsy ilaina ny milaza fa tsy nitovy ny fomba fihevitr’ireo lehilahy roa ireo! Tamin’ny foto-kevitra iray indrindra indrindra, dia tsy nitovy hevitra tanteraka izy ireo — ny amin’ny fahamarinana.

I Pontio Pilato sy i Jesosy Kristy ireo lehilahy ireo. I Jesosy dia nijoro teo anoloan’i Pilato toy ny mpanao heloka bevava iray voaheloka. Nahoana? Nohazavain’i Jesosy fa ny anton’izany — raha ny marina, ny antony nahatongavany teto an-tany sy nanaovany ny fanompoany mihitsy — dia voafintina tamin’ny zavatra iray, dia: ny fahamarinana. Hoy izy: “Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.” — Jaona 18:37.

Ny valin-tenin’i Pilato dia fanontaniana iray nalaza manao hoe: “Inona no marina?” (Jaona 18:38). Tena naniry hahazo valiny tokoa ve izy? Azo inoana fa tsy izany. I Jesosy dia ny karazana lehilahy izay afaka namaly izay nety ho fanontaniana natao taminy tamim-pahatsorana, nefa tsy namaly an’i Pilato izy. Ary lazain’ny Baiboly fa rehefa avy nanao ilay fanontaniana i Pilato, dia nivoaka avy hatrany ny efitrano fakana am-bavany. Azo inoana fa ilay governora romana dia nanao ilay fanontaniana tamin’ny tsy finoana niharo tsy fatokiana olona, toy ny nilaza hoe: “Ny fahamarinana hoe e? Inona izany? Tsy misy ny zavatra toy izany!”a

Ny fomba fijery be fisalasalana nananan’i Pilato momba ny fahamarinana dia tsy hoe mahalam-piseho amin’izao andro izao. Maro no mino fa miankina amin’ny tsirairay ny fahamarinana — raha lazaina amin’ny teny hafa, izay marina amin’ny olona iray dia mety tsy ho marina amin’ny hafa, hany ka mety ho samy manana ny “marina” izy ireo. Io finoana io dia miely aoka izany, hany ka misy teny ilazana azy, dia ny hoe: “relativisme”. Moa ve izany no fomba fijerinao ny fahamarinana? Raha izany, nety ho nanaraka io fomba fijery io ve ianao, kanefa tsy namotopototra tamin’ny fomba feno azy io? Na dia tsy nanaraka io fomba fijery io aza ianao, fantatrao ve hoe hatraiza no misy fiantraikany eo amin’ny fiainanao io filozofia io?

Famelezana ny fahamarinana

Tsy i Pontio Pilato no olona voalohany nisalasala momba ny hevitra ny amin’ny fahamarinana tanteraka. Ny filozofa grika fahiny sasany dia nanao ny fampianarana ny fisalasalana toy izany, ho saika ny asany teo amin’ny fiainana tanteraka! Taonjato dimy talohan’i Pilato, dia nino i Parménide (izay noheverina ho ilay namorona ny metafizika tany Eoropa) fa tsy mety ho hita ny tena fahalalana. I Démocrite, nohobina ho “ilay lehibe indrindra tamin’ireo filozofa fahiny”, dia nilaza marimarina toy izao: “Ny fahamarinana dia milevina lalina. (...) Tsy misy zavatra fantatsika amin’ny fomba azo antoka.” Angamba ilay nohajaina fatratra indrindra tamin’izy rehetra, i Socrate, dia nilaza fa ny hany zavatra tena fantany dia ny hoe tsy nisy zavatra fantany.

Io famelezana ilay hevitra hoe tsy azo fantarina ny fahamarinana io, dia nitohy hatramin’izao androntsika izao. Milaza, ohatra, ny filozofa sasany, fa satria ny fahalalana tonga ao amintsika amin’ny alalan’ireo vavahadin-tsaintsika, izay azo fitahina, dia tsy misy fahalalana azo hamarinina ho marina. Ilay filozofa sady mpahay matematika frantsay atao hoe René Descartes, dia nanapa-kevitra ny handinika ny zavatra rehetra noheveriny fa fantany tamin’ny fomba azo antoka. Nanilika azy rehetra ireo izy, afa-tsy fahamarinana iray, izay noheveriny fa tsy azo niadian-kevitra, dia ny hoe: “Cogito ergo sum”, na “Mieritreritra aho, noho izany dia misy aho”.

Fanolokoloana ny relativisme

Ny relativisme dia tsy voafetra ho amin’ireo filozofa. Izy io dia ampianarin’ireo filoha ara-pivavahana sy ampianarina any an-tsekoly, ary aelin’ireo fampitam-baovao. I John S. Spong, eveka episkopaliana, dia nanambara toy izao, taona vitsivitsy lasa izay: “Isika dia tsy maintsy (...) miala amin’ny fisainana fa isika no manana ny fahamarinana ary ny hafa no tsy maintsy manaraka ny fomba fihevitsika, ka ho tonga amin’ny fahatsapana fa tsy mety ho hita ny fahamarinana fara tampony.” Ny relativisme-n’i Spong, tahaka ny an’ireo mpitondra fivavahana maro be amin’izao andro izao, dia mailaka ny hamela ireo fampianarana ao amin’ny Baiboly momba izay tsara ara-pitondran-tena, mba homba ny filozofian’ny hoe “samy manana ny heviny ny tsirairay”. Ohatra, mba hahatonga ireo lehilahy mandry amin’ny lehilahy hahatsapa “tsy fananana ahiahy” bebe kokoa ao amin’ny Fiangonana Episkopaly, dia nanoratra boky iray i Spong, nilaza fa ny apostoly Paoly dia lehilahy iray nandry tamin’ny lehilahy!

Any amin’ny tany maro, ireo rafitra any an-tsekoly dia toa miteraka karazam-pisainana mitovy amin’izany. I Allan Bloom, dia nanoratra toy izao tao amin’ny bokiny hoe The Closing of the American Mind: “Zavatra iray no azon’ny mpampianatra antoka tanteraka: saika ny mpianatra rehetra miditra ao amin’ny oniversite dia mino, na milaza fa mino, fa miankina amin’ny tsirairay ny fahamarinana.” Nahita i Bloom fa raha toa ka notoheriny ny finoana mafy nananan’ireo mpianany ny amin’io foto-kevitra io, dia ho gaga izy ireo, “toy ny hoe nisalasalany ny filazana fa 2 + 2 = 4”.

Ampirisihana amin’ny fomba maro hafa tsy tambo isaina ny fisainana mitovy amin’izany. Ohatra, matetika ireo mpilaza vaovao amin’ny televiziona sy ny gazety dia toa liana kokoa hamalifaly ireo mpijery azy ireo toy izay hiezaka hanaporofo ny fahamarinan’ny tantara iray. Ny fandaharana sasany momba ny vaovao dia namboamboarina na nanaovana fampisehoana horonan-tsary sandoka mihitsy aza mba hahatonga azy io hampihetsi-po lalina kokoa. Ary amin’ny fialam-boly, dia misy famelezana mafy kokoa atao amin’ny fahamarinana. Ny fari-pitsipika sy ny fahamarinana momba izay tsara ara-pitondran-tena, izay narahin’ireo ray aman-drenintsika sy ireo raibe aman-drenibentsika dia heverin’ny olona hatraiza hatraiza ho lany andro ary matetika no atao ho fihomehezana tanteraka.

Mazava ho azy fa mety hilaza ny sasany fa ny ampahany be dia be amin’io relativisme io dia mampiseho fahalalahan-tsaina, ka noho izany dia misy fiantraikany manorina eo amin’ny fitambaran’olona. Tena izany tokoa ve anefa no izy? Ary ahoana ny amin’ny fiantraikany eo aminao? Mino ve ianao fa ny fahamarinana dia miankina amin’ny tsirairay na tsy misy? Raha izany, dia mety ho hitanao ho fandaniam-potoana ny fitadiavana azy io. Ny fomba fihevitra toy izany dia hisy fiantraikany eo amin’ny hoavinao.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Araka an’i R. C. H. Lenski, manam-pahaizana manokana momba ny Baiboly, “ny fomba fiten[in’i Pilato] dia ny an’ny olon’izao tontolo izao iray tsy niraika, izay te hilaza tamin’ny fanontaniana nataony, fa na inona na inona amin’ny karazana fahamarinana ara-pivavahana dia fanombantombanana tsy mahasoa”.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara