FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 15/1 p. 10-15
  • Ny Fifaliana avy Amin’i Jehovah no Fiarovana Mafy ho Antsika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fifaliana avy Amin’i Jehovah no Fiarovana Mafy ho Antsika
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Hifaly tokoa”
  • Fifandraisana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy
  • Fahafahana sy fanazavana ara-pivavahana
  • Ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana sy ny fiainana mandrakizay
  • Fianakavian’ny mpirahalahy voatahy iray
  • Fiainana misy zava-kendrena
  • Fiarovana mafy tsy mety lefy
  • Manompoa an’i Jehovah amin’ny fo falifaly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Manompoa An’i Jehovah Amim-paharavoam-po
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Mitondra Fifaliana ny Fahafahana avy Amin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Avy Amin’Andriamanitra ny Fifaliana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 15/1 p. 10-15

Ny Fifaliana avy Amin’i Jehovah no Fiarovana Mafy ho Antsika

“Masina ho an’ny Tompontsika ity andro ity; koa aza malahelo hianareo, fa ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.” — NEHEMIA 8:10.

1, 2. a) Inona no atao hoe fiarovana mafy? b) Ahoana no nampisehoan’i Davida fa nialoka tamin’i Jehovah izy?

FIAROVANA mafy iray tsy misy toa azy i Jehovah. Ary inona no atao hoe fiarovana mafy (na batery fiarovana)? Izany dia toerana mimanda iray, toerana misy tsy fananana ahiahy na toerana ahatafitana velona. Nihevitra an’Andriamanitra ho fiarovana mafy ho azy i Davida teo amin’ny Isiraely fahizay. Ohatra, diniho ilay fihirana izay nataon’i Davida ho an’ny Avo Indrindra “tamin’ny andro namonjen’i Jehovah azy tamin’ny tànan’ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin’ny tànan’i Saoly”, mpanjakan’ny Isiraely. — Salamo faha-18, teny mampiditra.

2 Nanomboka io fihirana mampihetsi-po io tamin’izao teny izao i Davida: “Mamiko indrindra Hianao, Jehovah Heriko ô. Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy; Andriamanitro, vatolampy ialofako, sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy.” (Salamo 18:1, 2). Nendrikendrehin’i Saoly Mpanjaka tsy ara-drariny ho mpandika lalàna i Davida olo-marina sady nenjehiny, ka nialoka tamin’i Jehovah, tsy misy hafa amin’ny mety hihazakazahan’ny olona iray ho ao amin’ny toerana mimanda iray mba hahatafitana velona amin’ny loza iray.

3. Nahoana no ‘nifaly indrindra’ ireo Jiosy tamin’ny andron’i Ezra?

3 Ny fifaliana izay omen’i Jehovah dia fiarovana mafy iray tsy mety lefy ho an’ireo izay mandeha amin’ny lalany amin’ny maha-mpihazona tsy fivadihana. (Ohabolana 2:6-8; 10:29). Mazava ho azy fa mba hananana ny fifaliana omen’Andriamanitra, dia tsy maintsy manao ny sitrapon’Andriamanitra ny olona iray. Amin’io lafiny io, dia diniho izay nitranga tany Jerosalema tamin’ny andron’i Ezra. Nampita fahazoana hevi-javatra tamin’ny alalan’ny famakiana nisy heviny ny Lalàna, i Ezra mpanao kopia sy ireo hafa. Avy eo dia nampirisihina toy izao ny olona: “Mandehana, hano ny matavy, ary sotroy ny mamy, dia mba anatero anjara izay tsy manan-javatra voavoatra; fa masina ho an’ny Tompontsika ity andro ity; koa aza malahelo hianareo, fa ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.” ‘Nifaly indrindra’ ireo Jiosy noho ny nampiharany ny fahalalana azony sy noho ny nitandremany ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsan-kazo. (Nehemia 8:1-12). Ireo izay nanana ‘ny fifaliana avy amin’i Jehovah ho fiarovana mafy ho azy ireo’ dia nanangona hery ho an’ny fanompoam-pivavahana taminy sy ny fanompoana azy. Koa satria ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho azy ireo, dia tokony hantenaintsika ny hahafaly koa ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro izao. Inona avy àry ny sasany amin’ireo antony mahafaly azy ireo amin’izao andro ankehitriny izao?

“Hifaly tokoa”

4. Inona no loharanom-pifaliana miavaka iray ho an’ny vahoakan’i Jehovah?

4 Antony mahafaly iray miavaka ny fandaharana ataon’i Jehovah ho an’ny fiaraha-mivory. Ireo fivoriambe alamin’ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitondra fifaliana ho azy ireo amin’izao andro izao, tsy misy hafa amin’ny nitondran’ireo andro firavoravoana fanao isan-taona notandreman’ireo Isiraelita fifaliana ho an’ny fon’izy ireo. Izao no nolazaina tamin’ny vahoakan’ny Isiraely: “Hafitoana no hitandremanao andro firavoravoana [fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo] ho an’i Jehovah Andriamanitrao eo amin’ny tany izay hofidin’i Jehovah, satria hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin’ny vokatrao rehetra sy ny asan-tànanao rehetra, ka dia hifaly tokoa hianao.” (Deoteronomia 16:13-15). Eny, tian’Andriamanitra “hifaly tokoa” izy ireo. Marina koa izany ny amin’ireo Kristiana, satria nampirisika ireo mpiray finoana taminy toy izao ny apostoly Paoly: “Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia.” — Filipiana 4:4.

5. a) Inona no atao hoe fifaliana, ary ahoana no ahazoan’ireo Kristiana azy io? b) Ahoana no ahafahantsika manana fifaliana na dia eo aza ireo fisedrana?

5 Koa satria tian’i Jehovah ho faly isika, dia manome antsika ny fifaliana, iray amin’ireo vokatry ny fanahiny masina, izy. (Galatiana 5:22, 23). Ary inona no atao hoe fifaliana? Izy io dia ny fientanam-po mahafinaritra ateraky ny fanampoizana na ny fahazoana zava-tsoa. Ny fifaliana dia fahatsapana fahasambarana marina, firavoravoana mihitsy aza. Manohana antsika ao anatin’ny fisedrana io vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra io. “Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany [Jesosy] ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra Izy.” (Hebreo 12:2). Nanoratra toy izao i Jakoba mpianatra: “Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan’ny fakam-panahy samy hafa hianareo, satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga [fiaretana, NW ].” Kanefa ahoana raha tsy fantatsika izay hatao momba ny fisedrana iray? Amin’izay isika dia afaka mivavaka amim-patokiana mba hahazoana ny fahendrena hoenti-miatrika izany. Ny fanaovan-javatra mifanaraka amin’ny fahendrena avy any an-danitra dia mahatonga antsika ho afaka handamina ireo zava-manahirana na hizaka ireo fisedrana maharitra kanefa tsy hamoy ny fifaliana avy amin’i Jehovah. — Jakoba 1:2-8.

6. Inona no fifandraisana misy eo amin’ny fifaliana sy ny fanompoam-pivavahana marina?

6 Ny fifaliana izay omen’i Jehovah dia manatanjaka antsika mba hampandroso ny fanompoam-pivavahana marina. Izany no nitranga tamin’ny andron’i Nehemia sy i Ezra. Nampahatanjahina ireo Jiosy tamin’izany fotoana izany izay nanana ny fifaliana avy amin’i Jehovah ho fiarovana mafy ho azy ireo, mba hampandroso ny tombontsoan’ny fanompoam-pivavahana marina. Ary arakaraka ny nampandrosoan’izy ireo ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah no nitomboan’ny fifaliany. Marina koa izany amin’izao andro izao. Amin’ny maha-mpivavaka amin’i Jehovah antsika, dia manana fototra ho an’ny fifaliana lehibe isika. Aoka isika izao handinika antony vitsivitsy fanampiny amin’ireo antony maro mahafaly antsika.

Fifandraisana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy

7. Momba an’i Jehovah, inona no antony mahafaly an’ireo Kristiana?

7 Ny fifandraisantsika akaiky amin’i Jehovah dia mahatonga antsika ho ny vahoaka sambatra indrindra eto an-tany. Talohan’ny nahatongavantsika ho Kristiana, dia anisan’ny fitambaran’olona tsy marina izay “maizin-tsaina sy [lavitra, NW ] ny fiainan’Andriamanitra” isika. (Efesiana 4:18). Toy inona moa ny fifaliantsika fa tsy lavitra an’i Jehovah intsony isika! Mazava ho azy fa mitaky ezaka ny hitoerana ao anatin’ny fankasitrahany. Tsy maintsy ‘maharitra amin’ny finoana isika ka mafy orina sady tafatoetra ary tsy mety hafindra hiala amin’ny fanantenana avy amin’ny filazantsara’. (Kolosiana 1:21-23). Afaka mifaly isika fa notaomin’i Jehovah ho amin’ny Zanany, mifanaraka amin’ireto tenin’i Jesosy mihitsy ireto: “Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy”. (Jaona 6:44). Raha tena mankasitraka ny fifandraisantsika sarobidy amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy isika, dia hitandrina ny amin’izay zavatra mety hanimba izany.

8. Ahoana no nandraisan’i Jesosy anjara amin’ny fifaliantsika?

8 Antony lehibe mahafaly iray ny famelana ny fahotana amin’ny alalan’ny finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy, satria izany no mampety ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Tamin’ny finiavany hanaraka ny lalan’ny ota, i Adama razambentsika dia nitondra ny fahafatesana teo amin’ny olombelona rehetra. Kanefa, nanazava toy izao ny apostoly Paoly: “Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.” Nanoratra toy izao koa i Paoly: “Tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ny fanamarinana ho amin’ny fiainana kosa ho an’ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray. Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan’ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan’ny Anankiray.” (Romana 5:8, 18, 19). Toy inona moa ny mety ho fifaliantsika fa tian’i Jehovah Andriamanitra ny hanavotra izay taranak’i Adama mampiasa izany fandaharana mampiseho fitiavana izany!

Fahafahana sy fanazavana ara-pivavahana

9. Nahoana isika no faly raha jerena amin’ny lafiny ara-pivavahana?

9 Ny fahafahana avy amin’ny Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, dia antony iray hafa mahafaly. Ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra no nanafaka antsika. (Jaona 8:32). Ary ny fahafahana avy amin’io vehivavy janga ara-pivavahana io dia midika fa tsy miombona ota aminy isika sady tsy iharan’ny loza manjo azy ary tsy hiara-ringana aminy. (Apokalypsy 18:1-8). Tsy misy zavatra mampalahelo amin’ny fahafahana amin’izany rehetra izany!

10. Fanazavana inona no ananantsika amin’ny maha-vahoakan’i Jehovah antsika?

10 Ny fahatakarana sy ny fampiharana ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainana dia antom-pifaliana lehibe. Afaka tamin’ny herin’ny fivavahan-diso isika ka manana fahatakarana hevi-dalina ara-panahy mihamazava hatrany, izay omen’ny Raintsika any an-danitra amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45-47, NW ). Amin’ny olona rehetra velona eto an-tany, dia ireo izay nanolo-tena tamin’ny fomba tsy mizarazara ho an’i Jehovah ihany no manana ny fanahiny masina sy ny fahatakarana ombam-pitahiana ny Teniny sy ny sitrapony. Izany dia araka ny nilazan’i Paoly azy hoe: “Isika no nanambaran’Andriamanitra izany [ireo zavatra namboariny ho an’izay tia azy] tamin’ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an’Andriamanitra aza.” (1 Korintiana 2:9, 10). Afaka ny ho velom-pankasitrahana sy ho faly isika fa manana ny fahatakaran-javatra mihatsara voalazan’ireto teny ao amin’ny Ohabolana 4:18 ireto: “Ny làlan’ny marina dia toy ny fipoak’andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro.”

Ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana sy ny fiainana mandrakizay

11. Ahoana no nizarana tamin’ny hafa ny fanantenana mahafaly ny amin’ilay Fanjakana?

11 Ny fanantenantsika ny amin’ilay Fanjakana dia mahatonga antsika ho faly koa. (Matio 6:9, 10). Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika, dia manambara hatramin’ny ela isika fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hany fanantenana ho an’ny olombelona rehetra. Ohatra, diniho ny taona 1931, rehefa nandray ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah isika tamin’ny alalan’ny fanapahan-kevitra iray izay nambara tamim-pifaliana tamin’ireo fivoriambe 51 naneran-tany. (Isaia 43:10-12). Izany fanapahan-kevitra izany sy ny lahateny lehibe iray tamin’ilay fivoriambe, nataon’i J. F. Rutherford (prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay), dia navoaka tao amin’ilay bokikely hoe Le Royaume, l’espérance du monde. Nampidirina tao anatin’izy io ny fanapahan-kevitra hafa iray nolanina tamin’io fivoriambe io, fanapahan-kevitra izay niampanga ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana noho ny fivadiham-pinoany sy noho ny fanamavoany ny torohevitra omen’i Jehovah. Nanambara toy izao koa izy io: “Ny fanantenana ho an’izao tontolo izao dia ny fanjakan’Andriamanitra, ary tsy misy fanantenana hafa.” Tao anatin’ny volana vitsivitsy, dia nampiely maherin’ny dimy tapitrisa tamin’io bokikely io ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny faritra rehetra amin’ny tany. Hatramin’izay dia matetika isika no milaza fa ilay Fanjakana no hany fanantenana ho an’ny olombelona.

12. Inona avy ireo fahatsinjovan-javatra mahafaly ny amin’ny fiainana apetraka eo anoloan’ireo izay manompo an’i Jehovah?

12 Faly koa isika amin’ny fahatsinjovana ny fiainana mandrakizay eo ambanin’ny fanapahan’ilay Fanjakana. Manana fanantenana mahafaly ny ho any an-danitra ny “ondry vitsy” voaforon’ireo Kristiana voahosotra. “Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Petera, “Izay niteraka antsika indray araka ny haben’ny famindrampony ho amin’ny fanantenana velona tamin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty, ho amin’ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo”. (Lioka 12:32; 1 Petera 1:3, 4). Amin’izao andro izao, ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia miandrandra ny fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa ao anatin’ny faritra hotapahin’ilay Fanjakana. (Lioka 23:43; Jaona 17:3). Tsy misy vahoaka hafa eto an-tany manana zavatra azo ampitahaina amin’ireo fahatsinjovan-javatra mahafaly ananantsika. Toy inona moa ny tokony hankamamiantsika azy ireny!

Fianakavian’ny mpirahalahy voatahy iray

13. Ahoana no tokony hiheverantsika ny fianakavian’ny mpirahalahy iraisam-pirenena misy antsika?

13 Ny maha-anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy iraisam-pirenena hany ankasitrahan’Andriamanitra antsika dia loharanom-pifaliana lehibe iray koa. Mahafaly fa manana ny namana faniry indrindra eto an-tany isika. I Jehovah Andriamanitra mihitsy no nanondro ny androntsika ka niteny hoe: “Hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay [zavatra faniry eo amin’ny, NW ] firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity”. (Hagay 2:7). Marina fa tsy lavorary ny Kristiana rehetra. Kanefa notaomin’i Jehovah ho amin’ny tenany tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy ny olona toy izany. (Jaona 14:6). Koa satria notaomin’i Jehovah ho amin’ny tenany ny olona izay heveriny fa faniry, dia ho safononoka ny fifaliantsika raha maneho fitiavan-drahalahy amin’izy ireny isika, manana fiheverana ambony momba azy ireny, miara-miasa amin’izy ireny amin’ireo raharaha araka an’Andriamanitra, manohana azy ireny amin’ny fisedrana mahazo azy, sy mivavaka ho azy ireny.

14. Fampaherezana inona no azontsika tovozina avy ao amin’ny 1 Petera 5:5-11?

14 Izany rehetra izany dia handray anjara amin’ny fifaliantsika. Eny tokoa, ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho an’ny fianakavian’ny mpirahalahy ara-panahy misy antsika maneran-tany. Eny, isika rehetra dia miaritra fanenjehana sy zava-tsarotra hafa. Kanefa tokony hampifanatona antsika izany ary hanome antsika fahatsapana firaisan-tsaina amin’ny maha-anisan’ilay hany fandaminana marin’Andriamanitra eto an-tany. Araka ny nolazain’i Petera, isika dia tokony hanetry tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra, hametraka aminy ny fanahiantsika rehetra amin’ny fahalalana fa miahy antsika izy. Mila ny miambina isika satria mitady handrapaka antsika ny Devoly, kanefa tsy irery isika amin’izany, satria nanampy teny toy izao i Petera: “Tohero izy, ka miorena tsara amin’ny finoana hianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao.” Ary tsy hirodana na oviana na oviana io fianakavian’ny mpirahalahy iraisam-pirenena falifaly io, satria manana toky isika fa ‘rehefa niaritra fahoriana vetivety, dia Andriamanitra no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra antsika’. (1 Petera 5:5-11). Eritrereto ange izany e. Haharitra mandrakizay ny fianakavian’ny mpirahalahy falifaly misy antsika!

Fiainana misy zava-kendrena

15. Nahoana no azo atao ny milaza fa manana fiainana misy zava-kendrena ny Vavolombelon’i Jehovah?

15 Manana fifaliana isika eto amin’itỳ tontolo feno zava-manahirana itỳ satria manana fiainana misy zava-kendrena. Nanankinana fanompoana izay mahatonga antsika sy ny hafa koa, ho sambatra isika. (Romana 10:10). Azo antoka fa tombontsoa mahafaly ny hoe mpiara-miasa amin’Andriamanitra. Amin’io lafiny io, dia hoy i Paoly: “Inona moa Apolosy, ary inona moa Paoly? Mpanompo ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo, dia samy araka ny nomen’ny Tompo azy avy. Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo. Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy. Ary iray ihany ny mpamboly sy ny mpandena; nefa samy handray izay valim-pitiany avy araka ny fisasarany izy. Fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay; ary sahan’Andriamanitra sy trano arafitr’Andriamanitra hianareo.” — 1 Korintiana 3:5-9.

16, 17. Ohatra inona avy no azo tononina mba hanaporofoana fa manana fiainana mahafaly misy zava-kendrena ny vahoakan’i Jehovah?

16 Misy ohatra maro azo tononina mba hampisehoana fa miteraka fiainana misy zava-kendrena izay mameno fifaliana antsika ny fanompoana an’i Jehovah amim-pahatokiana. Ohatra iray itỳ filazana itỳ: “Nijery nanodidina ilay Efitrano Fanjakana feno olona aho [tamin’ny andro nitokanana azy io] ary afaka nahita ny valo tamin’ny fianakaviako nanatrika teo, anisan’izany ny tenako sy ny vadiko ary ny telo tamin’ireo zanakay sy ny vadin’izy ireo. (...) Tena manana fiainana mahafaly sy misy zava-kendrena tokoa izaho sy ny vadiko eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra.”

17 Mampahery koa ny mahatsapa fa na firy taona na firy taona ny olona iray dia afaka manomboka fiainana iray mahafaly misy tena zava-kendrena eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Ohatra, ny vehivavy iray izay nianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly tao amin’ny trano iray fitaizana ny be antitra dia natao batisa tamin’ny naha-Vavolombelon’i Jehovah azy teo amin’ny faha-102 taonany. Araka izany, dia namarana ny fiainany tamin’ny fananana zava-kendrena mahafaly izy, ‘tamin’ny fahatahorana an’Andriamanitra sy ny fitandremana ny didiny’. — Mpitoriteny 12:13.

Fiarovana mafy tsy mety lefy

18. Inona no azo atao mba handresena ny fahakiviana sy mba hampitomboana ny fifaliantsika?

18 Fiarovana mafy tsy mety lefy ho an’izay mahatoky ny fifaliana avy amin’i Jehovah. Tsy midika anefa ny fananana io fifaliana io fa isika dia tsy hahita fotoana manjombona mihitsy, tahaka izay nahatonga an’i Jesosy hiteny toy izao tao Getsemane: “Fadiranovana loatra ny fanahiko toy ny efa ho faty”. (Marka 14:32-34). Aoka hatao hoe niteraka fahakiviana ny fanekentsika hanao raharaha mampiseho fitiavan-tena. Aoka àry isika hanova ny fomba fiainantsika. Raha mihena ny fifaliantsika noho isika mitondra tsy amim-pitiavan-tena andraikitra mavesatra araka ny Soratra Masina, dia angamba afaka manao fanitsiana izay hanamaivana ny fihenjanana sy hamerina ny toe-tsaintsika falifaly isika. Ambonin’izany, i Jehovah dia hitahy ka hanome antsika fifaliana raha mitady ny hampifaly azy isika amin’ny fanoherana amin-kery ny nofo mpanota sy ny tontolo ratsy ary ny Devoly. — Galatiana 5:24; 6:14; Jakoba 4:7.

19. Ahoana no tokony hiheverantsika izay mety ho tombontsoa ananantsika ao amin’ny fandaminan’Andriamanitra?

19 Noho ireo antony izay efa nodinihintsika, sy noho ny antony maro hafa, dia manana fifaliana lehibe isika. Na mpitory ao amin’ny kongregasiona isika, na mandray anjara amin’ny endrika sasany amin’ny fanompoana manontolo andro, isika rehetra dia afaka mahefa be amin’ny asan’ny Tompo, ary azo antoka fa handray anjara amin’ny fifaliantsika izany. (1 Korintiana 15:58). Na inona na inona tombontsoa ananantsika ao amin’ny fandaminan’i Jehovah, dia aoka isika ho velom-pisaorana noho izany ary hanohy amim-pifaliana hanolotra fanompoana masina ho an’ilay Andriamanitsika be fitiavana sy finaritra. — 1 Timoty 1:11.

20. Inona no tombontsoantsika lehibe indrindra, ary afaka matoky ny amin’inona isika?

20 Tena manana antony tokony hifaliana isika, indrindra fa noho ny tombontsoantsika mitondra ny anaran’i Jehovah lehibe amin’ny maha-Vavolombelony. Eny, tsy lavorary isika ary miatrika fisedrana maro, kanefa aoka isika hitadidy ao an-tsaina ireo fitahiana mahatalanjona raisintsika amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika. Ary tadidio fa tsy handiso fanantenana antsika na oviana na oviana ny Raintsika malala any an-danitra. Afaka mahazo antoka isika fa hotahina mandrakariva isika raha toa ka ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho antsika.

Ahoana no Havalinao?

◻ Inona no atao hoe “fifaliana avy amin’i Jehovah”?

◻ Ahoana no ahazoan’ireo Kristiana ny tena fifaliana?

◻ Inona avy ireo antony sasany mahafaly ny Vavolombelon’i Jehovah?

◻ Nahoana ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy tsy mety lefy?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara