Mihazòna Tsy Fivadihana dia ho Velona Ianao!
Nihazona tsy fivadihana i Joba tamin’ny andro fahiny ka notahina be dia be.
Na dia eto amin’itỳ tontolo mikorontana itỳ aza, dia afaka mahita fahasambarana ianao avy amin’ny fahalalana ara-baiboly marina momba an’Andriamanitra sy ny Fanjakany ary ny fikasany mahatalanjona ho an’ny olombelona. Raha irinao ny hahazo fanazavana misimisy kokoa na raha tianao ny hisian’ny olona hitsidika anao mba hitarika fampianarana Baiboly maimaim-poana miaraka aminao any an-tokantranonao, dia manorata any amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara, B.P. 511, 101 Antananarivo, raha sitrakao, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza eo amin’ny pejy faha-2.