FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 15/1 p. 3
  • Manao Ahoana ny Hasarobidin’ny Aina Aminao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manao Ahoana ny Hasarobidin’ny Aina Aminao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Mitovitovy Aminy
  • Olana Eran-tany
    Mifohaza!—2001
  • Famonoan-tena — Loza Mamely ny Tanora
    Mifohaza!—1998
  • Nahoana ny Olona no Te ho Faty?
    Mifohaza!—2001
  • Misy Fanampiana ho Anao
    Mifohaza!—2001
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 15/1 p. 3

Manao Ahoana ny Hasarobidin’ny Aina Aminao?

NY ZATOVOLAHY iray dia maty tamin’ny fitsambikinana avy teny amin’ny rihana fahafito amin’ny trano avo iray. Izy dia namaky boky iray, izay nilazalaza momba ny fitsambikinana ho famonoan-tena avy eny amin’ny avo, ho “tsy mampanaintaina na tsy mampitebiteby na tsy mampatahotra; izy io kosa dia mahafinaritra”. Ny mpanoratra an’io boky navoaka tany Japana io, dia nilaza fa nanolotra “ny famonoan-tena ho toy ny iray amin’ireo safidy atao eo amin’ny fiainana” fotsiny izy.

Tsy ny olona mamono tena ihany no maneho tsy firaharahana ny aina amin’izao andro izao. Tsy mampiseho fanajana firy ny aina koa ireo mpamily fiarakodia tsy mitandrina. Ny sasany aza mamily fiarakodia nefa eo ambanin’ny herin’ny alkaola, ka maro aminy no mirimorimo, manafaingana ny mety hisian’ny loza mahafaty.

Ny hafa dia mampiseho ny fomba tsy hanisiany vidiny ny ainy, amin’ny fiheverana manokana omeny ny fahafinaretana. Tsy mety mitsahatra mifoka sigara ireo mpifoka, na dia mety hahafaty sy antsoina hoe famonoan-tena miadana aza ny fifohana sigara. Maro no manohy manana fitondran-tena maloto, izay matetika mitarika ho amin’ny fahafatesana, toy izay hihazona fahadiovam-pitondran-tena eo amin’itỳ tontolo adalan’ny firaisana itỳ.

Tsy mahalala izany aza ny sasany fa manaisotra amin’ny tenany taona maro iainana, amin’ny fihinanana sy amin’ny fisotroana tafahoatra, amin’ny tsy fanaovana fampiasan-tena ampy, ary amin’ny fikatsahana fahafinaretana. Nampitandrina toy izao ilay mpanoratra japoney atao hoe Shinya Nishimaru: “Manakorontana ny fiasan’ny vatana ireo fahazarana tsy voafehy amin’ny fihinanana, ary mampihena tsikelikely ny havitrihan’ny olona ny tsy fikatsahana afa-tsy izay mampiadana sy ny fahafinaretana”. Manana ny fomba fihevitr’ireo izay nilaza tamin’ny andro fahiny toy izao, ny sasany: “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty”. — Isaia 22:13; 1 Korintiana 15:32.

Eny, fatra-piely amin’izao andro izao ny tsy firaharahana ny aina. Koa amin’izany, dia mety ho tsara ny hanontaniana hoe: Manao ahoana ny hasarobidin’ny aina aminao? Tokony harovana ve ny aina na inona na inona vidiny? Ary moa ve misy zavatra mbola sarobidy kokoa noho ny fiainana ananantsika ankehitriny?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara