FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 1/11 p. 28-31
  • Ny Fomba Handaminana Fitahirizam-boky Teokratika Iray

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fomba Handaminana Fitahirizam-boky Teokratika Iray
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Tsy aingitraingitra fotsiny akory ny fitahirizam-boky iray”
  • Boky inona avy no ilaiko?
  • Alamino ny fitahirizam-bokinao!
  • Afaka manampy hanorina toetra ara-panahy ny fitahirizam-boky teokratika
  • Ny Fitahirizam-bokin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
  • Nahoana no Asiana Fitehirizam-boky ao Amin’ny Efitrano Fanjakana?
    Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
  • Valin’ireo Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 1/11 p. 28-31

Ny Fomba Handaminana Fitahirizam-boky Teokratika Iray

EFA-TAONA i Sherezade, ankizivavikely espaniola mahira-tsaina iray, fony nampahafantatra ny iray kilasy ny mpampianatra azy fa tokony handoko sarin’i “Dadabe Noely” izy ireo. Avy hatrany i Sherezade dia nangataka mba tsy hampandraisana anjara azy tamin’izany. Nohazavainy fa tsy namela azy hanao izany ny feon’ny fieritreretany.

Gaga tamin’izany fanoherana izany ilay mpampianatra, ka nilaza taminy fa toy ny fandokoana sarina saribakoly fotsiny ilay izy ary koa fa tsy nisy naha-ratsy izany. Namaly i Sherezade hoe: “Raha toy ny saribakoly fotsiny ilay izy, dia aleoko izaho mihitsy no manao sarina saribakoly, raha tsy mampaninona anao.”

Tamin’ny fotoana hafa iray, dia nasaina nandoko ny sainam-pirenena ny iray kilasy. Teo indray koa i Sherezade dia nangataka raha afaka nanao zavatra hafa izy. Mba hanazavana ny antony, dia nitantara tamin’ilay mpampianatra ny amin’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego izy. — Daniela 3:1-28.

Tsy ela taorian’izay dia niantso an-telefaonina ny renin’i Sherezade ilay mpampianatra mba hilazana fa hoe talanjona ny tenany. “Imbetsaka izao ny zanakao vavy no nilaza tamiko ny amin’ny feon’ny fieritreretany”, hoy izy. “Azonao heverina ve izany? Ankizivavikely eo amin’ny taonany manazava amiko ny antony mahatonga ny feon’ny fieritreretany ho voahelingelina! Tsy mitovy hevitra amin’izay ampianarinareo azy aloha aho, nefa azoko omena antoka ianao fa tena nahomby ianareo. Ary tiako ho fantatrao koa fa talanjona noho ny amin’ny zanakao vavy aho.”

Ahoana no ahafahan’ny ankizivavy efa-taona iray mahazo feon’ny fieritreretana voataiza ara-baiboly? Manazava i Marina, reniny, fa manana ny fitahirizam-bokiny teokratika manokana ao amin’ny efitranony i Sherezade. Misy ny gazetiny Ny Tilikambo Fiambenana manokana izay voatsipiny izy io, ireo zavatra vita an-tsoratra ilainy ho an’ny fitoriana, ary ireo zavatra vita an-tsoratra rehetra navoakan’ny Fikambanana Watchtower hatramin’ny nahaterahany. Ny zavatra tiany indrindra ao amin’ny fitahirizam-bokiny dia ilay cassette hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, izay henoiny isan’alina sady arahiny ao amin’ny bokiny. Ireny fitantarana ara-baiboly ireny no nahatonga azy ho afaka hanao ireo fanapahan-kevitra notononina tetsy ambony.

Ho afaka hanampy anao sy ny zanakao ve ny fitahirizam-boky teokratika voalamina tsara iray? Nahoana no tena ilaina ny fananana fitahirizam-boky iray ao an-tokantrano?

“Tsy aingitraingitra fotsiny akory ny fitahirizam-boky iray”

“Tsy aingitraingitra fotsiny akory ny fitahirizam-boky iray, fa ny iray amin’ireo zavatra tena ilaina eo amin’ny fiainana”, hoy ny nambaran’i Henry Ward Beecher. Tsy isalasalana fa saika isika rehetra dia manana ny iray amin’ireo “zavatra tena ilaina eo amin’ny fiainana” ireo, na dia tsy fantatsika aza izany. Fa nahoana? Satria na dia tsy manana zavatra hafa afa-tsy ny Baiboly aza isika, dia efa manana karazana fitahirizam-boky iray.

Ny Baiboly no tena fitahirizam-boky teokratika tsara indrindra. Tamin’ny taonjato fahefatra, dia namorona ilay teny hoe Bibliotheca Divina amin’ny teny latina i Jérôme mba hilazalazana ilay fitambarana fenon’ireo boky ara-tsindrimandry antsointsika hoe ny Baiboly. Nanome antsika io fitahirizam-boky masina io i Jehovah mba hanomezana antsika fanampiana sy fampianarana ary fitarihana azo ampiharina. Izy io dia tsy tokony horaisina ho toy ny zavatra tsy dia manao ahoana. Ny fananana ny Baiboly manontolo fotsiny dia midika fa manana fitahirizam-boky iray feno lavitra noho ny ankamaroan’ireo mpanompon’Andriamanitra tamin’ny andro lasa isika.

Fony mbola tsy nisy afa-tsy ireo sora-tanana izay lafo vidy, dia tokantrano vitsy, raha nisy aza, no afaka nirehareha ho nanana Baiboly feno iray. Rehefa naniry hianatra ny Soratra Masina i Paoly fony izy tany an-tranomaizina farany tany Roma, dia voatery nangataka an’i Timoty mba hitondra horonana sasany ho azy avy tany Azia Minora — azo inoana fa tapany tamin’ny Soratra Hebreo. (2 Timoty 4:13, NW ). Ireo synagoga anefa dia nirakitra fitambarana horonana, ary na i Jesosy Kristy na ny apostoly Paoly dia samy nahay nanararaotra ireny fitahirizam-boky ireny teo amin’ny asa fitoriany. (Lioka 4:15-17, NW; Asan’ny Apostoly 17:1-3). Soa ihany fa mora lavitra noho ny tamin’ny taonjato voalohany ankehitriny ny fananana ny Soratra Masina.

Noho ny famoronana ny milina fanontam-pirinty, amin’izao andro izao, saika ny mpanompon’Andriamanitra rehetra — na inona na inona mety ho fiteniny — dia afaka mahazo ny Baiboly manontolo amin’ny vidiny sahaza. Manana ny fahafahana tsy manam-paharoa hanampy zavatra hafa ao amin’io “fitahirizam-boky” masina io koa isika. Tao anatin’ny zato taona mahery izao, ny “mpanompo mahatoky sy malina” dia misahirana manome hanina ara-panahy amin’ny fotoana mety. — Matio 24:45-47, NW.

Tsy azo inoana anefa fa hanararaotra amin’ny fomba feno an’io fanazavana sarobidy io isika raha tsy mandamina fitahirizam-boky teokratika iray ho an’ny tenantsika. Ahoana no ahafahana manao izany? Ny dingana voalohany, mazava ho azy, dia ny fahazoana ireo boky ilain’ny fitahirizam-boky toy izany. Mendrika ny hanaovana ny ezaka izany, satria hahatonga antsika hahazo eo no ho eo ny fanazavana ilaintsika mba handaminana zava-manahirana sy hamaliana fanontaniana ara-baiboly.

Boky inona avy no ilaiko?

Efa mba nanontany tena ve ianao ny amin’ny mety handaminanao zava-manahirana momba ny fifampiresahana ao amin’ny fanambadianao na ny mety hanampianao ireo zanakao hanao hoe tsia amin’ny fanolorana zava-mahadomelina? Ahoana no mety hanampianao namana iray mijaly noho ny fahaketrahana? Afaka manazava tsara ve ianao hoe porofo inona no ananantsika ny amin’ny fisian’Andriamanitra sy ny antony amelàny ny faharatsiana hisy? Inona no asehon’ilay biby dia mivolon-jaky ao amin’ny Apokalypsy 17 toko faha-17?

Ireo fanontaniana ireo sy ny maro hafa tsy hita isa dia azo valiana raha manana fitahirizam-boky teokratika ampy tsara ianao. Ny Fikambanana Watchtower dia efa namoaka boky sy bokikely ary lahatsoratra ao amin’ireo gazety izay mamelabelatra karazana foto-kevitra araka ny Soratra Masina feno. Ankoatra izany, ireo zavatra vita an-tsoratra ireo dia mandinika raharaha momba ny fianakaviana, mampiorina ny finoantsika an’Andriamanitra sy ny Baiboly, mahatonga antsika hanatsara ny fahaizantsika eo amin’ny fitoriana ary manampy antsika hahazo ny hevitr’ireo faminaniana ara-baiboly.

Mbola misy ny ankamaroan’ireo zavatra vita an-tsoratra nataon’ny Fikambanana pirinty tao anatin’ireo 20 taona farany. Raha tonga tao amin’ny fahamarinana vao haingana ianao, dia ho mendrika ny hanaovanao izay hahazoana azy, ireny zavatra rehetra ireny, izay misy amin’ny fiteninao. Mety hisy amin’ny fiteninao ireo volumes reliés amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ireo taona lasa. Ny boky fakan-teny miavaka toy ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible koa dia efa navoaka tamin’ny fiteny samihafa. Ny fahazoana ireo boky ireo anefa dia ny dingana voalohany fotsiny.

Alamino ny fitahirizam-bokinao!

Ny fahafantarana fa manana ilay boky any ho any ianao dia zavatra iray, fa ny fahitana ilay ilainao kosa dia zavatra hafa tanteraka. Raha voatery mandany fotoana be dia be hikarohana ilay boky fakan-teny ilaintsika isika, dia mety ho very ny fahalianantsika amin’ilay raharaha. Etsy an-danin’izany anefa, raha voalamina tsara ireo bokintsika, sady amin’ny toerana iray mety tsara, dia ho voarisika lavitra hanao fikarohana manokana ny tenantsika.

Raha azo atao, dia manampy ny fananana ny ankamaroan’ireo boky teokratika eo amin’ny toerana iray ihany. Azo atao ny manamboatra talantalam-boky, ary amin’ny vidiny mirary matetika, raha tsy mahavidy azy ireny efa vita isika, sady tsy voatery haka toerana be izy ireny. Zava-dehibe koa ny fahafahana haka mora foana ireo boky eo amin’ilay fitahirizam-boky. Ireo boky voatahiry any ambany tafon-trano mazàna dia tsy manao afa-tsy ny manangom-bovoka fotsiny.

Ny dingana manaraka dia ny fandaminana ireo boky. Ny fakana fotoana fohy handaminana ireo boky araka ny filaharana lojika fotsiny dia efa mitondra valisoa.

Ahoana raha tsy Vavolombelon’i Jehovah ny ankamaroan’ny fianakavianao? Na dia mety tsy ho afaka handamina fitahirizam-boky araka ny irinao aza ianao, ao amin’ny efitranonao manokana ianao dia mety hanana, fara faharatsiny, talantalam-boky iray izay misy zavatra vita an-tsoratra araka ny Soratra Masina.

Afaka manampy hanorina toetra ara-panahy ny fitahirizam-boky teokratika

Raha vao voalamina ireo bokintsika, dia mila fomba voafaritra iray isika mba hanampiana antsika hahita ilay fanazavana ilaintsika. Mety handiso fanantenana antsika ny fitadidiantsika, ary mety tsy hahafantatra ny loha hevitra raketin’ny boky tsirairay ao amin’ny fitahirizam-bokintsika teokratika ny tenantsika. Na dia izany aza, dia mora raisina ny fanazavana rehetra ao amin’ilay fitahirizam-boky. Ny Index des publications de la Société Watch Tower dia afaka manampy anao hahita fanazavana voafaritra tsara saika momba ny foto-kevitra rehetra, na inona izany na inona, ao anatin’ny fotoana fohy.

I Julián, izay mpisava lalana manokana sady loholona hatramin’ny taona maro, dia manazava fa sarobidy ny Index mba hampianarana ny zanany faralahy hanao fianarana manokana. “Nody avy nianatra i Jairo, izay fito taona, indray andro, ary nanontany ahy hoe: ‘Dada a, inona no lazain’ny Fikambanana momba ny dinosaure?’ Naka ny Index avy hatrany izahay ary nitady ny teny hoe ‘dinosaure’. Saika avy hatrany izahay dia nahita fitohitohizan-dahatsoratra fototra tao amin’ny Réveillez-vous! momba ilay izy. [8 Febroary 1990]. Tamin’iny andro iny ihany, i Jairo dia nanomboka namaky azy io. Efa fantany fa ny fitahirizam-boky teokratikanay dia manana fanazavana manampy saika momba ny foto-kevitra rehetra. Raha ny tenako aloha, dia mino mafy aho fa rehefa mianatra mampiasa tsara ny fitahirizam-boky teokratika ireo zanatsika, izany dia manampy azy ireo hitombo eo amin’ny lafiny ara-panahy. Mianatra manjohy hevitra izy ireo, ary ambonin’izany, dia manjary hitany fa afaka ny hahafinaritra ny fianarana manokana.”

I Fausto, rain’i Sherezade notononina teo am-piandohana, dia mino fa tokony hatomboka aloha araka izay azo atao ny fampiofanana ireo ankizy hampiasa fitahirizam-boky teokratika. “Efa asehonay sahady an’i Sherezade, izay enin-taona izao, ny fomba fampiasa ny Index”, hoy izy manazava. “Koa satria mahavariana azy aoka izany ny fanantenana ny amin’ny Paradisa eto an-tany, dia nanomboka nampiseho azy ilay teny hoe ‘paradisa’ ao amin’ny Index izahay ary avy eo dia nitady ireo lahatsoratra ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana voatonona ao. Mazàna dia tsy nampiseho azy afa-tsy ireo sary izahay. Na dia izany aza, tamin’ny alalan’io fomba io izy dia nianatra fa ny Index no fanalahidin’ny fahitana fanazavana ao amin’ny fitahirizam-bokin’ny tokantranonay. Fantatray fa azony tsara izany, rehefa niverina avy nianatra izy indray andro, ka nanana fanontaniana momba ny fankalazana ny Paka. ‘Nahoana isika raha mijery ao amin’ny Index?’, hoy izy nanontany ny reniny.”

Na firy taona isika na firy taona, ny Baiboly dia mampirisika antsika hoe: “Ataovy azo antoka ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara”. (1 Tesaloniana 5:21, NW ). Izany dia mitaky ny handinihantsika izay lazain’ny Soratra Masina. (Asan’ny Apostoly 17:11). Raha manana fitahirizam-boky teokratika voalamina tsara isika, dia afaka ny ho fahafinaretana izany fikarohana izany. Isaky ny mampiasa amim-pahombiazana ny fitahirizam-bokintsika isika mba hanomanana lahateny iray, mba hahitana torohevitra azo ampiharina momba ny fandaminana zava-manahirana iray, na mba hitadiavana fanazavana mahaliana, dia hataon’izany latsa-paka ao amintsika fa manampy antsika amin’ny fomba azo tsapain-tanana ny fitahirizam-bokintsika.

Nanoritra toy izao ny ray aman-drenin’i Sherezade: “Ao amin’ny tokantrano kristiana iray, dia tena tsy aingitraingitra fotsiny velively ny fitahirizam-boky teokratika!”

[Efajoro, pejy 30]

AHOANA NO METY HANDAMINANAO IREO BOKINAO?

Tsy misy fitsipika hentitra ny amin’ny fomba andaminanao ireo bokinao. Na dia izany aza, ireto fizarana araka ny lojika manaraka ireto dia mampiseho ny fomba iray mety handaminanao ireo bokinao araka ny loha hevitra raketin’izy ireo.

1. Boky misy famakafakana andininy misesy ao amin’ny tapany sasany ao amin’ny Baiboly

(Ohatra: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza!, “Les nations sauront que je suis Jéhovah” — Comment?, “Que ta volonté soit faite sur la terre”)

2. Boky mifandray amin’ny fiainam-pianakaviana

(Ohatra: Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra, Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra, Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly)

3. Baiboly sy boky fakan-teny

(Ohatra: Les Saintes Ecritures — Traduction du Monde Nouveau, Baiboly hafa, Index des publications de la Société Watch Tower, Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, dikisionera tsara iray)

4. Boky ampiasaina amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona sy ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika

5. Cassettes sy vidéos

6. Volumes Reliés amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! (Mifohaza!)

7. Tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah

(Ohatra: Annuaires des Témoins de Jéhovah, Les Témoins de Jéhovah — Prédicateurs du Royaume de Dieu)

8. Boky sy bokikely ampiasaintsika tsy tapaka eo amin’ny fanompoantsika

(Ohatra: Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina, La vie: Comment est-elle apparue? Evolution ou création?, L’humanité à la recherche de Dieu, Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina)

[Sary, pejy 31]

Efa tonga mpianatra ny Baiboly tsara i Sherezade

[Sary, pejy 31]

Na dia mbola kely aza itỳ ankizilahy itỳ, dia mampiasa fitahirizam-boky teokratika

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara