Fanampiana Ireo Mpianakavintsika ao Amin’ny Finoana any Bosnia
TSY mandray anjara amin’ny fifandonana ara-politika ny Vavolombelon’i Jehovah. (Jaona 17:16). Kanefa, ho fanarahana ny torohevitr’i Paoly hanao soa “indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana”, dia mitondra fanampiana avy hatrany ho an’ireo Kristiana namany any amin’ireo faritra rotidrotiky ny ady izy ireo. (Galatiana 6:10). Rehefa nanatona ny ririnin’ny 1993-1994, dia nisy Vavolombelona avy tany Aotrisy sy Kroasia nanao vivery ny ainy mba hanampiana ireo mpianakaviny ao amin’ny finoana any Bosnia. Izao manaraka izao ny tatitra nataon’izy ireo.
Teo anelanelan’ny Martsa sy Oktobra 1993, dia tsy nisy fahafahana handefa fanampiana ara-nofo tany Bosnia. Teo am-piandohan’ny Oktobra anefa, dia nilaza ireo manam-pahefana fa mety ho azo atao ny hitondra entana. Mbola ho raharaha mampidi-doza ihany ilay izy, satria nafotaka ny ady tany amin’ireo vava ady bosniaka rehetra.
Na dia izany aza, tamin’ny talata 26 Oktobra 1993, dia niala tao Vienne ireo kamiaonay nitondra hanina sy kitay 16 taonina ho an’ireo Kristiana namanay tany Bosnia. Nanao ireo insignes-nay tamin’ny fivoriamben’ny distrika izahay mba hahafantarana anay.
Rehefa tonga teo amin’ny sisin-tanin’i Kroasia sy i Bosnia izahay, dia notronina hatreo amin’ny base miaramila iray, ary teo dia natao sava hao ireo kamiaonay. Nolavina ny fangatahanay hamakivaky ny faritra serba. Ny lalana hany nekena mba handehananay dia ny afovoan-tanin’i Bosnia — teo amin’ny nisy ady mihitsy!
Ezaka very maina ve?
Rehefa nanotrona anay nankeo amin’ny toeram-pisavana tsirairay ireo miaramila, dia renay ny fipoaka nankarenin-tsofin’ireo tanky sy basy. Nandritra ny alina, dia namakivaky ireo ala izahay, notronina tanky roa sy jipy iray. Nikisaka moramora hamakivaky ilay vava ady ireo kamiaonay! Nandeha tsara avokoa ny zava-drehetra hatramin’ny maraina, rehefa nisy nitifitra teo ambonin’ny lohanay ka voatery niafina tao ambadiky ny havoana iray izahay. Rehefa afaka kelikely dia nijanona ilay fitifirana, ary dia nanohy ny dianay izahay.
Rehefa tonga teo amin’ny toby iray izahay, dia nanontany anay ilay lehiben’ny miaramila hoe iza izahay sy izay notadiavinay. “Tsy maintsy ho rendrika io raharahanareo io”, hoy izy rehefa avy nambaranay ny fikasanay. “Tsy ho tafavoaka ny toby mihitsy ianareo, na dia metatra vitsivitsy monja aza. Be loatra ny mosary eto, hany ka hotafihin’ny olona ianareo ary hangalariny ny entanareo.” Nampirisika mafy anay mba hiverina hody izy.
“Tsy maintsy ho rendrika” ve ny ezakay? Very maina ve ny fanantenanay hamakivaky faritra rotidrotiky ny ady sy feno mosary, no sady hitsimbina ny entanay sy ny ainay? Fanapahan-kevitra lehibe no tsy maintsy nataonay. Efa nahare basy sy fipoahana bomba nankarenin-tsofina izahay. Rehefa niaraka tamin’ireo miaramila tamin’ny alina izahay, dia nahita fa vonona ny hiatrika ny hamafin’ilay ady izy ireo. Nanao akanjo tsy tafiditry ny bala izy ireo ary nitondra fiadiana tsy toko tsy forohana. Na dia ilay mpahandro sakafo aza dia nibaby basy marovava koa. Indreto anefa izahay nanao lobaka sy karavato ary insignes! Fahendrena ve ny hanohizanay?
Tonga tao Travnik
Ny hany fanantenanay dia toa ny hifandamina tamin’ilay ankolafiny fahatelo amin’io ady io. Ny ampitson’iny izahay dia nanontany ny vehivavy tanora iray raha fantany ny toerana nisy ny foiben’izy ireo. “Tsy lavitra eto”, hoy izy. “Mamakivaky ireo ala fotsiny ianareo, dia hahita trano iray izay hopitaly taloha.” May ny handeha izahay. Talanjona ireo miaramila noho ny fahasahianay handao ilay toby tsy nitondra fiadiana.
Rava ilay trano izay hopitaly taloha, nefa nisy miaramila ambony grady iray tao. Nanaiky ny hanampy izy, ka nanoro hevitra anay mba hiresaka tamin’ny komandàny aloha. Nentiny tao amin’ny fiarany efa feno pepo izahay ary nandeha haingana be nanaraka ilay vava ady izy. Nijanona teo amin’ny trano iray izy, ary tao dia nandray anay tao amin’ny efitrano maizina iray ilay komandà.
“Halina izahay dia efa saika nitifitra anareo”, hoy izy. “Inona no tadiavinareo?’
“Vavolombelon’i Jehovah izahay, ary maniry hitondra fanampiana ara-nofo ho an’ireo rahalahinay.”
Gaga aoka izany izy — sady tohina ny fony — satria nandritra ny herinandro maro izao dia tsy nisy kamiao nitondra fanampiana sahy niditra tao Bosnia. Rehefa avy natao sava hao izahay, dia nomena teny fanamafisana an-tsoratra. Ny alina talohan’iny izahay dia nihevitra fa tsy hanana fahafahana hanohy ny dianay, kanjo izao dia afaka nandeha tsy nisy mpanotrona akory!
Namakivaky ireo ala izahay, nandalo ny toeram-pisavana tsirairay, ary indraindray dia nanaraka vava ady. Na dia teo aza ny loza, dia tonga soa aman-tsara tao Travnik izahay. Ren’ny miaramila iray ny nahatongavanay ary dia nihazakazaka nankany amin’ny trano iray niangonan’ireo rahalahintsika izy. “Tonga ao ny namanareo miaraka amin’ireo kamiao!”, hoy izy nihiakiaka. Azonareo alaina sary an-tsaina ny fifalian’izy ireo. Nitondra ilay hanina tao amin’ilay trano izahay, niresaka kely, nefa avy eo dia voatery nanohy ny dianay. Nihamaizina ny andro, ary dia nampidi-doza 32 kilaometatra no niandry anay.
Hatrany Zenica
Nisy fiara mpanotrona iray nitarika anay namakivaky ireo ala haingana aoka izany. Nisy nilaza fa tsy ho tonga any Zenica mihitsy izahay, kanefa dia tonga izahay. Toa nisy rivo-piainam-pahakiviana tafatoetra tao amin’ilay tanàna. Tsy nisy jiro na fiara teny an-dalana. Vita fahirano avy tamin’ny lafiny rehetra i Zenica, ka izany dia niteraka mosary sy famoizam-po lehibe.
Rehefa nandeha teny amin’ny arabe ny fiaranay, dia nahita zavatra nahazendana izahay — anabavy kristiana roa nitory! Ny omalin’iny, tany amin’ny fivoriany, araka ny renay, dia notapahina ny hevitra fa tsy maintsy nankany an’ala hitady hanina ireo rahalahy, satria lany ny tahiry. Tena tonga ara-potoana izahay! Nanala ireo entana avy tao amin’ny iray tamin’ireo kamiao izahay tamin’ny efatra ora maraina, tamin’ny fotoana tsy nisian’ny olona teny amin’ny arabe.
Ny ampitson’iny izahay dia niresaka tamin’ny jeneraly iray, izay gaga aoka izany noho ny nahatongavanay hatreo Zenica. Izao izahay dia nanontany ny amin’ny fandehanana any amin’ny tanjonay nanaraka, dia i Sarajevo.
“Tsy nisy sahy niditra tany tamin’ny kamiao tao anatin’ny volana maro”, hoy ilay jeneraly. Nomeny lalana hamakivaky ireo tendrombohitra izahay tamin’ny farany. “Milaza aminareo anefa aho fa mazana ilay izy”, hoy izy nampitandrina. “Tsy azoko antoka ho mafy tsara ireo kamiaonareo mba hahatongavana any.”
Tsy nanitatra ilay jeneraly. Rehefa 40 kilaometatra sisa tsy hahatongavanay tao Sarajevo, dia voatery nanodidina 140 kilaometatra tao anaty ala izahay! Tsy hohadinoinay na oviana na oviana ilay dia avy tany Zenica nankany Jablanica ary nandalo tao Sarajevo, izay naharitra telo andro sy roa alina sady tsy nandehananay afa-tsy dimy kilaometatra isan’ora matetika. Ilay “lalana” dia lala-masaka falehan’ireo fiara mifono vy. Nandeha teo ambony vatolampy sy lavaka nampahatahotra izahay. Matetika dia voatery nandeha tsy nisy jiro izahay, ary indroa ireo kamiaonay no saika nibolisatra tamina havoana nikitoantoana. Nandrehitra ny jirony vetivety monja ny kamiaon’ny tafika iray nanaraka ireo kamiaonay, dia avy hatrany dia nisy nitifitra. Indraindray dia voatery nanamboatra tetezana simba sy nanamboatra pne simba izahay.
Rehefa tonga teo amin’ny manodidina an’i Sarajevo izahay, dia nangataka ny hiresaka tamin’ilay jeneraly tompon’andraikitra. Teo am-piandrasana, izahay dia nahita teo amin’ny arabe, kamiao iray nitondra fatin’olona folo sy lasàka nisy lohan’olona; nifandamina ny amin’ny fanomezana ireo faty ireo miaramila — zavatra tsy nahafinaritra ny nahita azy, ka nahatonga anay haniry mafy ny fahatongavan’ny andro tsy hisian’ny ady intsony. — Isaia 2:4.
Tamin’ny 10 ora maraina, ny iray taminay tamin’ny farany dia nomena lalana hihaona tamin’ilay jeneraly sy ireo miaramilany ambony grady tao amin’ny efitrano maizina iray, izay tsy nisy afa-tsy labozia iray nirehitra.
“Iza moa ianareo?”, hoy ilay jeneraly nanontany.
“Vavolombelon’i Jehovah izahay, ary maniry hitondra hanina ho an’ireo Vavolombelona namanay eto Sarajevo.”
“Fantatrareo ve fa misy Vavolombelon’i Jehovah be dia be eto Sarajevo?”
“Ia, izany no maha-eto anay.”
Avy eo ilay jeneraly dia nanonona ny anaran’ny Vavolombelona iray. “Fantatrareo ve izy?”
“Ia, namanay izy.”
“Namako koa izy”, hoy ilay jeneraly. “Niara-nianatra izahay. Hatramin’ny nahatongavany Vavolombelona, dia vao mainka aza ankasitrahako ny toetrany. Nanao zavatra be dia be ho anareo izy. Mba ilazao misimisy kokoa momba ny Vavolombelon’i Jehovah hoe aho.”
Resaka naharitra adiny iray no nanaraka izany, ka gazety sy bokikely maherin’ny folo no voapetraka taorian’izay. Taorian’ny fihaonana faharoa, dia nanaiky hanao fandaharana manokana ilay jeneraly mba hahafahana hizara ireo entana fanampiana ho an’ireo rahalahy tao Sarajevo.
Tsy raharaha kely ilay izy. Olona tokony ho 30, anisan’izany ny olona tsy Vavolombelona sasany, no nibata baoritra nilanja 27 kilao avy. Nisasatra nanomboka tamin’ny valo ora hariva ka hatramin’ny dimy ora maraina tamin’ny alina roa samy hafa izy ireo — adiny 18 tamin’ny fitambarany. Nitantara ny loholona iray fa tohina aoka izany ny fon’ireo mpifanila trano taminy noho ireo ezaka fanampiana, hany ka niara-nandohalika tamin’ireo rahalahy izy ireo ary nisaotra an’i Jehovah! Mazava ho azy fa nahazo hanina koa izy ireo.
Alao sary an-tsaina ny hafalian’ireo rahalahintsika nahazo fanampiana ara-nofo teo amin’ny 11 000 kilao teo ho eo! Saika nampamoy fo ny tarehin-javatra nisy azy ireo. Teo an-toerana, ny vidin’ny lafarinina iray kilao dia teo anelanelan’ny 450 DM sy 1 000 DM (575 000 FMG sy 2 300 000 FMG). Ny vidin’ny lasàkana kitay dia tokony ho 400 DM (920 000 FMG), ary ny vidin’ny gasoil iray litatra dia 30 DM (69 000 FMG).
Toy ny hoe ho onitry ny loza tsirairay natrehinay teny an-dalana, dia novalian-tsoa izahay izao. Ravoravo izahay nitazana ny hafalian’ireo rahalahintsika nahazo io fanampiana io. Fanandraman-javatra izay tsy hohadinoin’izy ireo — sy izahay — na oviana na oviana ilay izy. Izao anefa dia tsy maintsy nanomboka nieritreritra momba ny fahasarotan’ny fiverenana hody izahay.
Fiverenana hody
“Ahoana no hiverenanay?”, hoy izahay nanontany ilay jeneraly.
“Amin’ny lalana nahatongavanareo ihany”, hoy ny navaliny.
Reraka izahay, kely sisa ny gasoil tavela, ary tsy nanana pne hanoloana izay vaky izahay. Nanomboka avy ny orana, ary tsy afaka nanao dia tao anaty fotaka izahay. Nanontany an’ilay jeneraly izahay raha afaka nankany atsimo.
“Mafotaka ny ady any”, hoy izy. “Na dia totozy aza tsy ho tafavoaka avy ao.” Rehefa afaka kelikely anefa, dia nieritreritra indray izy. “Andramo ihany”, hoy izy. “Tonga teto moa ianareo, ka tsy ho afaka ny hivoaka avy eto ve?”
Voatery namela kamiao iray sy nizara ny gasoil tao anatiny tamin’ireo kamiao telo hafa, izahay. Niala tamin’ny misasakalina izahay ary niditra tao amin’ireo ala indray.
Feno zava-nanahirana ny dianay niverina. Nahita kamiaon’ny tafika nivadika sady nanakana ny tapany tamin’ny tetezana iray izay nilainay hiampitana, izahay. Hitanay fa raha afaka nanala ny iray monja tamin’ireo kodiarany izahay, dia ho ampy ny lalana handehanana.
Nitalaho tamin’ny miaramila iray nitam-piadiana izahay. “Azonay atao ve ny manala ilay kodiarana sy mamerina azy amin’ny toerany rehefa avy niampita ilay tetezana izahay?”
“Raha mikitika io kodiarana io ianareo, dia hanan-javatra hatao ny basiko”, hoy ny navalin’ilay miaramila, sady nanambana anay tamin’ny fiadiany izy.
Nieritreritra izahay fa mety ho tsara kokoa ny hanao kafe sy hanolotra kafe iray kaopy an’ilay miaramila aloha. Nandritra ny ora sasantsasany, dia nitantara taminy momba ireo fivoriambe niraisam-pirenena tamin’ny 1991, toy ilay natao tao Zagreb, izahay. Taorian’izany, dia nihanalefaka ny fihetsiny, ary namela anay hanala ilay kodiarana izy.
Tao Jablanica, ny iray taminay dia niresaka tamin’ny komandà iray ny amin’ny lalana tianay harahina. Tsy nety nino izay reny izy. “Ta handeha hamakivaky ny Lohasahan’i Neretva ve ianareo?”
Nanahy mafy izy, zavatra izay mora azo. Teo an-tanan’ny tafika samy hafa ireo ilan-kavoanan’ny Lohasahan’i Neretva. Nifampitifitra tsy an-kijanona izy ireo. Teo amin’ny 16 kilaometatra teo ho eo, dia nikitoantoana ilay lalana. “Toy izany ny lalana any”, hoy ilay jeneraly, “nefa dia mbola ta handeha any ianareo?”
Rehefa avy nandanjalanja ilay raharaha ilay jeneraly, dia nilaza fa afaka nandeha izahay — nefa raha narahina manam-pahefana ihany. Ireo manam-pahefana ireo indray anefa no tsy nety niaraka taminay! Tamin’ny farany, dia nangataka ny hampilazàn’izy ireo ny teny ampita ny amin’ny handehananay fotsiny izahay. Hiampita tsy hisy mpanotrona izahay ny ampitso marainan’iny.
Nasianay soratra vaventy be ireo kamiaonay hoe mitondra fanampiana fiantrana. Rehefa avy nanonona vavaka iray izahay, dia niditra tao amin’ilay lohasaha. Nifanaiky izahay fa raha nisy nitifitra, dia tsy hampitombo ny hafainganam-pandehanay sao hiteraka fiahiahiana izany.
Niampita ilay tetezana nankeny an-dafin’ilay renirano izahay ary nanohy hatrany amin’ilay lohasaha nanaraka, nandalo fatim-biby ary koa kamiao sy tanky potika. Tampoka teo dia nahamarika vanja halevina teo amin’ny lalana izahay, ka tsy afaka nandeha. Nampaneno ny klaxon-n’ny kamiaonay izahay mandra-panarangaran’ny miaramila roa avy tao ambadiky ny vatolampy iray. “Iza ianareo? Inona no tadiavinareo?”, hoy izy ireo nibetroka.
Rehefa avy nampahafantatra ny tenanay izahay, dia nanontany raha azon’izy ireo nosavaina ilay lalana, ary dia nanaiky izy ireo. Farany, dia tonga teny ampita izahay.
Talanjona ireo miaramila teo nahita anay. Nivoaka moramora avy tao amin’ny toerana niafenany izy ireo, ka nanatona ilay kamiao, sady nanambana anay nivantana tamin’ny basiny. Nasehonay ireo taratasy fahazoan-dalanay sy ireo takela-by nisy ny nomeraon’ny kamiao, izay nesorinay mba ho fiarovan-tena rehefa namakivaky ilay faritra nisian’ny ady.
“Tsy nisy nanampo anareo”, hoy ny miaramila iray. “Ahoana no nahafahanareo niampita?”
Tsy narahina ny fangatahanay, ka tsy nisy nampahafantarina ny amin’ny fiavianay ny tato amin’ireto toby ireto! Nanohy ny teniny ilay miaramila ambony grady hoe: “Vonona ny fihatsi-basinay, ary saika nanomboka nitifitra anareo izahay.”
Nanontany izahay hoe nahoana izy ireo no tsy nitifitra.
“Tsy fantatro mihitsy”, hoy ny navalin’ilay miaramila. “Izany angamba no lahatra ho anareo. Rehefa nijery anareo tamin’ny masolavitray anefa izahay, dia nahita ilay soratra hoe ‘fanampiana fiantrana’, ary dia tsy fantatray izay hatao anareo. Koa dia izao tonga soa aman-tsara izao ianareo.” Tatỳ aoriana dia nanolotra vavaka avy amin’ny fo ho an’i Jehovah izahay, nisaotra azy noho ny fiarovany.
Na dia mafy aza ny toe-javatra misy ireo rahalahintsika sy anabavintsika any Bosnia, dia tena mandrisika ny toe-tsain’izy ireo. Mizara ireo zavatra ara-nofo ananany izy ireo, ary koa tenim-pinoana sy fampaherezana maro. Ao Zenica, dia misy Vavolombelona marisika 40, anisan’izany ny mpisava lalana manokana 2 sy mpisava lalana mpanampy 11 ary olona vao vita batisa 14. Ireo Vavolombelona 65 miampy mpisava lalana mpanampy 4 izay mbola mijanona ao amin’ny tanànan’i Sarajevo, dia mitarika fampianarana Baiboly 134. Ireo Vavolombelona dia mandany 20 ora isam-bolana amin’ny antsalany iresahana amin’ny hafa momba ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Tena marina fa mahaforona mpianakavin’ny finoana maneran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah. Manao vivery ny ainy an-tsitrapo izy ireo mba hanaovana soa amin’ireo mpianakaviny ao amin’ny finoana — na dia amin’ireo izay mbola tsy hitany taloha mihitsy aza. Nahoana? Satria tia azy ireo izy. Hoy i Jesosy Kristy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35). Azo antoka fa izany no izy amin’ireo mpianakavintsika ao amin’ny finoana any Bosnia.
[Sarintany/Sary, pejy 24]
(Jereo ny gazety)
Ranomasina Adriatika
AOTRISY
SLOVENIA
HONGRIA
KROASIA
BOSNIA
Travnik
Zenica
Sarajevo
SERBIA
[Sary]
Fitondrana fanampiana any Bosnia-Herzegovina
[Sary, pejy 26]
Fandalovana miadana aoka izany eo akaikin’ny kamiao nivadika iray