FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 1/10 p. 26-30
  • Manampy ny Zanakao Hifidy an’i Jehovah ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manampy ny Zanakao Hifidy an’i Jehovah ve Ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny antony ahafoizan’ny tanora sasany an’i Jehovah
  • Manomboha aloha
  • Omeo amin’ny fotoananao ireo zanakao
  • Fifaneraserana sy ohatra tsara
  • Fifaliana amin’ny fahitana an’ireo zanaka mifidy an’i Jehovah
  • Ry Ray Aman-dreny, Ampio ho Tia An’i Jehovah ny Zanakareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Manorena Fianakaviana Matanjaka Ara-panahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Tezao mba ho tia an’i Jehovah ny zanakao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Ampianaro ho Tia An’i Jehovah ny Zanakareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 1/10 p. 26-30

Manampy ny Zanakao Hifidy an’i Jehovah ve Ianao?

“TSAROAKO ho tena nanorisory sy nanasatra ny fianarana ny Baiboly. Tsy nolazaiko an’iza na iza fa nanapa-kevitra tao am-poko ny tsy ho tonga Vavolombelon’i Jehovah aho rehefa lehibe”, hoy ny nambaran’ny tovolahy iray. Na dia antenaina aza fa hifidy ny hiandany amin’i Jehovah amin’ny farany ny ankamaroan’ireo ankizy ao amin’ny tokantrano kristiana, dia mety handia fotoan-tsarotra ireo tanora tahaka azy amin’ny fifidianana an’i Jehovah ho Andriamaniny.

Mahatsiaro tena ho very hevitra ireo ray aman-dreny indraindray ny amin’ny fomba hitarihana ireo zanany amin’ny fomba mandaitra. Mandalo fandinihan-tena lalina izy ireo, tahaka an’ilay raim-pianakaviana nitebiteby izay nilaza toy izao indray mandeha: “Amim-pahatsorana, dia nisy fotoana izay nijereko ny endrik’ireo zanako natory, mbola nisy ranomasom-pahadisoam-panantenana teo amin’ny takolany, ka nanontaniako tena raha tsy tokony ho nilefitra kokoa aho.” Nihalehibe ireo zanany roa lahy ary nifidy ny hanompo an’i Jehovah.

Misy anefa tanora izay mahafoy an’i Jehovah ary mandao ny fitambaran’olona kristiana mba ho any amin’ny tontolon’i Satana. Koa ahoana indrindra no ahombiazan’ireo ray aman-dreny amin’ny fanampiana ireo zanany hifidy an’i Jehovah? Mba hamaliana io fanontaniana io, dia aoka hofantarintsika aloha ny antony ahafoizan’ny tanora sasany an’i Jehovah raha mbola maniry mafy aoka izany ny hijanonan’izy ireo ao amin’i Jehovah ny ray aman-dreniny.

Ny antony ahafoizan’ny tanora sasany an’i Jehovah

Iray amin’ireo anton-javatra fahita kokoa dia izao: Mbola tsy tena tonga amin’ny fahafantarana an’i Jehovah na ny lalany ny tanora sasany. Na dia manatrika fivoriana kristiana hatramin’ny fahazazany aza izy ireo dia manao izany amim-pahazarana fotsiny, ary tsy misy ny tena fitadiavana an’i Jehovah. (Isaia 55:6; Asan’ny Apostoly 17:27). Sorisorena ilay zazalahy voalaza etsy ambony tany amin’ny fivoriana kristiana satria tsy azony izay nolazain’ireo mpandahateny teny amin’ny lampihazo.

Ambolena ao amin’ny zanaka sasany ny voan’ny fahamarinana, saingy mamela ny fony ho voataonan’ny fomba fiaina toa tsy misy fanahiana sy mampiseho fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo eo amin’ny tontolon’i Satana izy ireo. Tsy afaka mandresy ny faniriana faran’izay mafy ny hiaraka sy ny hitovy amin’ireo mitovy taona aminy ny sasany. — 1 Tantara 28:9; Lioka 8:12-14; 1 Korintiana 15:33.

Maneran-tany anefa, dia zanaka maro ao amin’ny tokantrano kristiana no nifidy ny hiandany amin’i Jehovah. Misy zavatra azo ianarana ve avy amin’ny fanaovan-javatra mandaitra narahin’ny ray aman-drenin’izy ireny?

Manomboha aloha

Fanalahidy lehibe amin’ny fanampiana ny zanakao hifidy an’i Jehovah ny fanombohana aloha. Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, ireo zavatra nanaitra ny saina voaray sy ireo lesona nianarana raha mbola mora tohina sy mora mandray ny fo dia haharitra mandritra ny androm-piainana. (Ohabolana 22:6). Koa manomboha aloha amin’ny firesahana amin’ireo zanakao momba ny hatsaram-pon’i Jehovah sy ny fitiavany ary ny toetrany mahatahotra, amin’ny fiezahana ny hanorina ao am-pony ny fitiavana an’i Jehovah sy ny fankasitrahana an’izay nataon’i Jehovah ho azy ireo. Mba hahavitana izany, dia ray aman-dreny maro no nampiasa tamim-pahombiazana an’ireo lahatsoratra tondraka mivaofy ny amin’ny zavaboarin’i Jehovah, hita ao amin’ny zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watchtower.

Anisan’ireo toetra hafa izay tsy maintsy alentika ao an-tsaina dieny mbola kely ny fankatoavana sy ny fanajana an’i Jehovah mbamin’ny fanompoam-pivavahana aminy. Mahafaly ny fo ny mahita an’ireo ankizy mbola tsy mankany an-tsekoly miezaka mafy mba hanao fandraisana an-tsoratra tsotra sy hijery ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboliny manokana any amin’ireo fivoriana kristiana, na ny mahita azy ireny mandeha miaraka amin’ny ray aman-dreniny mankany amin’ny trano fidiovana mba hanasa ny tarehiny amin’ny rano mangatsiaka rehefa rendremana izy ireo. Zavatra tsotra izany, kanefa zava-dehibe toy inona moa izany amin’ny fandentehana ao an-tsain’ilay zaza fa tsy maintsy aseho amin’i Jehovah ny fanajana sy ny fankatoavana!

Tokony hatomboka aloha koa ny fampianarana Baiboly manokana tsy atao kitoatoa. Fony roa taona ireo zanany lahy, ny mpivady iray dia nanomboka namaky tamin’izy ireo ilay boky hoe Ecoutez le grand Enseignant.a Tatỳ aoriana, rehefa nanomboka nankany an-tsekoly ireo zazalahy, dia nifoha maraina ka niara-nianatra tamin-dreniny isa-maraina tamin’ireo boky Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly sy ny Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany.* Narahin’ny fiaraha-mandinika ny teny natao hovakina isan’andro izay notarihin’ilay raim-pianakaviana talohan’ny sakafo maraina izany. Novalian-tsoa be dia be ny fiezahan’ireo ray aman-dreny ireo rehefa nifidy vao haingana ny hanompo an’i Jehovah ireo zanany lahy, tamin’ny fampisehoany ny fanoloran-tenany tamin’ny batisa ao anaty rano rehefa 10 sy 11 taona.

Tsaroan’ny tovolahy tsara toetra iray izay manompo ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower any Japana fa fony izy mbola tena kely, dia nanampy azy hampitombo fifandraisana amin’i Jehovah ny reniny tamin’ny fipetrahana teo anilany tamin’ny alina, ka nanampy azy hivavaka. Tsy hadinony na oviana na oviana ilay lesona nampianarina: tsy mampaninona izay nalehany na izay nataony, fa akaiky azy mandrakariva i Jehovah ary vonona ny hanampy.

Mianatra ny manamarika ireo fironana ratsy izay avy amin’ny tsy fahalavorariana nolovan’ny zanany ireo ray aman-dreny mahita fahombiazana, ary manomboka aloha amin’ny fanampiana an’ireo zanany hanitsy an’izany. (Ohabolana 22:15). Ireo fironana ho amin’ny fitiavan-tena, ditra, avonavona, fanakianana be loatra ny hafa, dia tsy maintsy iadiana aloha. Raha tsy izany, ireny fanombohan-javatra ireny dia hitombo ka ho lasa fikomiana amin’Andriamanitra sy amin’ny lalany rehefa any aoriana. Ohatra, ireo ray aman-dreny tsara fikasa saingy milefitra loatra matetika dia mamela an’ireo zanany hampitombo toe-tsaina tsy mihevitra afa-tsy ny tena. Hitan’ireny ankizy ireny ho sarotra ny hanaja na, ny ray aman-dreniny na, i Jehovah, amin’ny fahatongavany ho tahaka an’ireo “tsy mahay mankasitraka” voalaza ao amin’ny Baiboly. (Ohabolana 29:21, NW ). Etsy an-danin’izany, ireo ankizy izay omena asa ao an-trano sy ireo izay ampianarina ny ho mailaka ny hahita ka hanome fahafaham-po amin’ny zavatra ilain’ny hafa dia mirona ny hahay hankasitraka kokoa ny ray aman-dreniny sy i Jehovah.

Zavatra tena ilaina hafa ny fanombohana aloha mba hametra zava-kendrena teokratika izay azon’ny ankizy iray tratrarina amin’ny antonona. Raha tsy atao aloha sy amin’ny fomba tsy miovaova izany, ny hafa dia mety hameno ny sainy sy ny fony amin’ny zava-kendrena hafa. Tokony ho tafiditra amin’izany zava-kendrena izany ny famakiana ny Baiboly manontolo, ny fianarana manokana ny iray amin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watchtower, ny fandraisana anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika, ny fahatongavana ho mpitory ny vaovao tsara, sy ny fahavitana batisa.

Tsaroan’i Takafumi fa nampiditra azy tao amin’ny fahazarana mamaky ireo gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! ny reniny tamin’ny famoronana fanontaniana tsotra sy tamin’ny fametrahana an’izany teo ambony latabatry ny lakozia mba ho hitany rehefa nody avy tany an-tsekoly izy. Tadidin’i Yuri fa ny fipetrahana andro vitsivitsy niaraka tamin’ny mpisava lalanab izay nanompo tany amin’ny toerana nilana minisitra kristiana bebe kokoa, ny fivoahana niaraka tamin’izy ireo teny amin’ny fanompoana, ny fahitana azy ireo nahandro sakafo tsara, sy ny fandinihana ny fifaliany mbamin’ny zotom-pony dia nisy heriny nitaona lehibe teo amin’ny faniriany hanompo an’i Jehovah amin’ny fomba mitovy amin’izany. Mitantara ny tanora maro fa ireo ray aman-dreniny dia nitondra azy ireo tsy tapaka nankany amin’ny Betela, araka izay iantsoana ny foibe sy ireo sampan’ny Fikambanana Watch Tower, izay nahafahan’izy ireo nandinika tovolahy sy tovovavy hafa manompo an’i Jehovah amim-pifaliana. Maro tamin’ireo izay nitsidika fony izy mbola ankizy no manompo any amin’ny Betela maneran-tany ankehitriny.

Omeo amin’ny fotoananao ireo zanakao

Azo inoana fa ny habetsahana sy ny hatsaran’ny fotoana laninao miaraka amin’ireo zanakao dia hisy heriny mivantana amin’ny hoe hifidy ny hanompo an’i Jehovah izy ireo na tsia. Malaky mahatsikaritra ny habetsahan’ny fotoana sy ny fiomanana atokanao amin’ny fianarana ny Baiboly tarihinao miaraka aminy izy ireo. Raha tsy afaka mitadidy ianao hoe taiza no nijanonanareo tamin’ny fianarana farany na foananao noho ny antony tsy dia manao ahoana ilay fianarana, ianao dia mampita ilay hevitra hoe tsy tena zava-dehibe ilay fianarana. Kanefa, rehefa hitany fa manao sorona ho an’ilay fianarana ireo ray aman-dreny sady manomana tsara azy io ary mitarika ilay fianarana amin’ny fomba tsy tapaka na inona na inona mitranga, dia hevitra hafa tanteraka no ampitaina. Na dia tsy zavatra takina aza izany, ny reny sasany dia miakanjo tsara rehefa mampianatra ireo zanany, tsy misy hafa amin’ny rehefa mandeha any am-pivoriana na mitarika fampianarana Baiboly amin’ny mpiara-belona iray. Ny hevitra manaitra ny saina omena amin’izay dia hoe zava-dehibe ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah.

Hilaina ny fotoana sy ny fiezahana be dia be mba hanaovana an’ilay fampianarana Baiboly ny zanakao ho mahafinaritra sy manohina ny fony. Manaitra ny sain’ireo ankizy kely indrindra ny fahitany ireo zavatra izay ianarany anaovana fampisehoana eo anoloany. Ny raim-pianakaviana iray, ohatra, dia nanampy ireo zanany haka sary an-tsaina ny fitsanganana amin’ny maty tamin’ny fanaovana fampisehoana ny fitantaran’ny Baiboly ny amin’ny fitsanganan’i Lazarosy tamin’ny maty. Niditra tao amin’ny efitra kely fitoeran’entana izy ary avy eo dia nipoitra avy tao toy ny hoe izy ilay Lazarosy natsangana tamin’ny maty. — Jaona 11:17-44.

Rehefa manatona ny taona maha-olon-dehibe ireo ankizy, dia mitaky fotoana sy fahaizana bebe kokoa ny hiezahana handresy ireo fihetseham-po sy fisalasalana ary tebiteby be loatra izay atrehiny. Tena zava-dehibe ny fotoana atokan’ireo ray aman-dreny be fitiavana sy mahay manavaka mandritra io fe-potoana io raha tiana hampitombo fatokiana an’i Jehovah ireo ankizy. Tantarain’ny raim-pianakaviana iray nahita fahombiazana manan-janaka efatra fa rehefa niatrika zava-manahirana isan-karazany ireo zanany, dia niara-nikaroka sy niara-nandinika tamin’izy ireo ny lahatsoratra nifandray tamin’izany tao amin’ny zavatra vita an-tsoratry ny Watchtower izy isan’andro ambara-pandresy tanteraka an’ireo zava-manahirana.

Nahamarika ny renim-pianakaviana mpisava lalana be atao iray izay manan-janaka roa fa nanjary nihataka sy tsy nahita fifaliana tamin’ny asa teokratika ny zanany vavy. Koa tapa-kevitra ny ho ao an-trano ilay reny rehefa niverina avy tany an-tsekoly ilay zanany isaky ny tolakandro, ka nampiresaka azy teo am-pisotroana dite. Tamin’ny alalan’ny resadresaka nifandraisana am-po tamin’ny naha-reny sy zanakavavy, dia nahazo ny fanampiana nilainy ilay zazavavy. Ankehitriny, tamin’ny fahavitan’ny fianarany tany amin’ny lise, dia miaraka amin-dreniny amin’ny asan’ny mpisava lalana izy. — Ohabolana 20:5.

Fifaneraserana sy ohatra tsara

Ho fanampin’ny fanomezana ny fotoanany, ireo ray aman-dreny dia tsy maintsy manolotra namana ifaneraserana mahasoa ho an’ireo zanany. Hoy ny Ohabolana 13:20: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.”

Miaiky ny fahamarinan’io ohabolana io ny ray aman-dreny mahita fahombiazana maro. Hoy ny raim-pianakaviana iray manan-janaka efatra: “Rehefa mandinika ny lasa aho, dia heveriko fa ireo namana be dia be ao amin’ny fahamarinana nananan’ireo zanakay no nanampy azy ireo ho voatosika hanompo an’i Jehovah. Nampirisihiko izy ireo mba haka namana tany amin’ny kongregasiona hafa, ary koa tao amin’ny anay, sy mba hanolokolo an’ireny fisakaizana ireny.” Nahatsiaro toy izao ny loholona kristiana iray izay nanompo tao amin’ny Betela nandritra ny taona maro: “Fony aho mbola tanora, dia nipetraka tao amin’ny trano kely iray izahay, kanefa natolotra ho fampiantranoana ny mpiandraikitra ny fizaran-tany foana izy io. Fanampin’izany, dia niara-nisakafo taminay tsy tapaka ireo mpisava lalana manokana ao amin’ny kongregasionanay. Nandro tao an-tranonay izy ireo ary nifanerasera taminay. Nanampy ahy hamboly fankasitrahana ny fanompoana manontolo andro ny fandrenesana ireo fanandraman-javatra hitany sy ny fahitana ny fifaliany.”

Manampy an’ireo izay mandia zava-tsarotra ny fifaneraserana tsara. Ny renim-pianakaviana iray izay nanan-janakalahy nahita fotoana nampikorontan-tsaina dia nandinika ilay zava-manahirana niaraka tamin’ny mpiandraikitra mpitety faritany iray ao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanoro hevitra izy io ny mba hitondrana ilay zazalahy hiara-mivoaka aminy eny amin’ny asa fanompoana. “Raha manao izany ianao, dia hihatsara ny fahasalamany ara-panahy sy ny zavatra hafa rehetra”, hoy ilay mpiandraikitra. Nitantara izy hoe: “Tao amin’ny kongregasionanay dia nisy fandaharana ho amin’ny fitoriana amin’ny takariva, ary nisy ankizy maro mbola mianatra sy mpisava lalana maharitra be taona vitsivitsy ary loholona iray fara fahakeliny nandray anjara tamin’izy io. Tamin’ny voalohany, dia ady mafy vao nahazo ny zanako lahy hivoaka tsy tapaka, kanefa tsy naharitra ela izany rehefa nody tao an-trano izy falifaly kokoa sady nahazo fampaherezana mandrakariva avy tamin’ny fifaneraserana mahasoa. Fony izy nianatra tany amin’ny lise, dia natao batisa izy ary nanompo tamin’ny naha-mpisava lalana mpanampy isam-bolana, ary rehefa vita ny fianarany, dia tonga mpisava lalana maharitra izy.” Nitondra vokatra tsara ny fifaneraserana mahasoa nampiarahina tamin’ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah.

Mety tsy hisy tanora izay afaka ny ho hery mitaona mahasoa eo amin’ny zanakao ao aminareo, kanefa ny fanamarihana miverimberina nataon’ireo tanora maro izay nifidy ny hanompo an’i Jehovah dia mahakasika ny ohatra navelan’ireo ray aman-dreniny. Nidera an’ireo ray aman-dreniny ny tanora maro ary naniry ny hanahaka azy ireo. Tsaroan’i Yuri ny fahaiza-mandray vahiny nasehon’ny reniny sy ny fomba nikarakarany ny hafa, tamin’ny fiantsoana azy ireny an-telefaonina sy tamin’ny fanaovana sakafo ho an’ny marary. Hoy i Tatsuo, izay avy amin’ny fianakaviana nisy ankizilahy efatra, izay efa lehibe sady manompo an’i Jehovah avokoa ankehitriny: “Tsy afaka niara-nianatra taminay tsy tapaka i Neny satria tsy mpino i Dada ary nahita fanoherana be dia be avy tamin’ny havana i Neny. Kanefa ny fandinihana ny fijoroany tamin’ny fahamarinana sy ny fifaliany tamin’ny fanompoana an’i Jehovah dia nisy heriny nitaona lehibe teo amiko. Vonona ny hiari-tory mandra-pahamarainan’ny andro koa izy mba hanampiana anay tamin’ny zava-nanahirana anay.” Manan-kery ireo teny mampiseho fahendrena omen’ny ray aman-dreny rehefa tohanana amin’ny asa amim-pahatokiana. Hoy i Yoichiro momba an’ireo ray aman-dreniny: “Tsy tadidiko hoe efa mba nilaza hevitra tsy manorina momba ny hafa ao amin’ny kongregasiona izy ireo na dia indray mandeha aza, na hoe namela anay ankizy hiresadresa-poana momba ny fahadisoan’ny hafa.” — Lioka 6:40-42.

Fifaliana amin’ny fahitana an’ireo zanaka mifidy an’i Jehovah

Tsy misy ny fotopoto-pitsipika tsy mety diso mba hanampiana an’ireo zanakao hifidy an’i Jehovah. Hisy ny fotoana maro mampitebiteby. Kanefa hoy ilay raim-pianakaviana nitebiteby voalaza teo aloha: “Amin’ny maha-ray aman-dreny anay dia niezaka tamim-pahatokiana foana ny hanaraka ireo fanoloran-kevitry ny fandaminan’i Jehovah hita maso izahay. Fanampiana lehibe izy io tamin’ny fandresena ireo zava-manahirana.” Nahita fahombiazana ny fiezahan’izy ireo.

Eny, amin’ny fanaovanao izay tsara indrindra vitanao amin’ny fanarahana ireo toro lalana omen’ny Baiboly, amin’ny fampianarana an’ireo zanakao ireo antony marim-pototra hitiavana an’i Jehovah, tohanan’ny oha-pahatokiana asehonao sy ny fiezahanao amim-pahatsorana mba hanampy, dia mety hahita ny fiezahanao hovalian-tsoa amin’ny fahombiazana koa ianao amin’ny farany. Tadidinao ve ilay zazalahy voalaza teo aloha, izay efa nanapa-kevitra fa tsy ho tonga Vavolombelon’i Jehovah? Taorian’ny nanampian-dreniny azy tamim-pahombiazana nandritra ireo taona sarotra nodiaviny, dia hoy izy: “Faly aho fa tsy ketraka mihitsy izy!” Mety hahazo vokatra mitovy amin’izany ianao miaraka amin’ny zanakao. — Galatiana 6:9.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.

b Antsoina hoe mpisava lalana ireo mpanompo manontolo andro ao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mandany 60 ora amin’ny fanompoana isam-bolana fara fahakeliny ny mpisava lalana mpanampy iray, 90 ora ny an’ny mpisava lalana maharitra, ary 140 ora ny an’ny mpisava lalana manokana.

[Sary, pejy 30]

Afaka mijery ny lasa tamin’ny fitaizana ny ankizy miaraka amin’ny fahatsiarovana mahafaly ve ianareo?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara