Fanontanian’ny Mpamaky
Hety ve ny hanekena fanaovana vaksiny na tsindrona ara-pitsaboana hafa misy albiminina azo avy tamin’ny ran’olombelona?
Raha lazaina mivantana, ny Kristiana tsirairay dia tsy maintsy manapa-kevitra manokana ny amin’izany.
Maniry ara-drariny ny hankato ilay fitakiana hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15:28, 29 mba hifady ny ra, ireo mpanompon’Andriamanitra. Noho izany, ireo Kristiana dia tsy hihinana hena tsy nalatsa-dra na zavatra toy ny saosisy ran-kena (boudin). Kanefa mihatra amin’ny faritry ny fitsaboana koa ny lalàn’Andriamanitra. Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitondra taratasy fanazavana izay milaza fa tsy manaiky ‘fampidiran-dra, ra manontolo, liomena, liofotsy, plaquettes, na plasma amin’ny ra’ izy ireo. Ahoana anefa ny amin’ny tsindrona seroma misy proteina amin’ny ra kely bitika?
Tsapan’ny Vavolombelona hatramin’ny ela fa raharahan’ny fanapahan-kevitra manokana izany, mifanaraka amin’ny feon’ny fieritreretan’ny tsirairay avy voataizan’ny Baiboly. Nanintonana ny saina izany tao amin’ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Septambra 1990, izay namelabelatra momba ny tsindrona seroma izay mety hanoroan’ny dokotera iray hevitra raha toa ka voan’ny aretina sasany ny tena. Ny taharo afaka miasa ao amin’ny tsindrona toy izany dia tsy ny plasma amin’ny ra fotsiny amin’izao fa ireo mpisetra (anticorps) avy amin’ny plasma amin’ny ran’ireo izay nahatohitra ilay aretina. Nomarihin’ny Kristiana sasany izay mihevitra fa afaka manaiky an’ireny tsindrona ireny amin’ny feon’ny fieritreretana madio fa ireo mpisetra avy amin’ny ran’ny vehivavy bevohoka iray dia miampita mankany amin’ny ran’ny zazakely ao an-kibony. Niresaka ny amin’izany ilay “Fanontanian’ny Mpamaky”, ary koa ny amin’ny hoe mifindra avy amin’ny vehivavy bevohoka iray mankany amin’ny zanany ny albiminina sasany.
Olona maro no mahita izany ho mendrika ny homarihina, satria ny vaksiny sasany tsy namboarina avy tamin’ny ra dia mety hisy albimininan’ny plasma azo lazaina ho kely, izay nampiasaina na nanampiana mba tsy hampiovaova ireo taharon’ilay fanafody. Amin’izao fotoana izao, dia misy albiminina kely ampiasaina koa amin’ny tsindrona hormonina EPO (érythropoïétine) noforonin’olombelona. Nanaiky tsindrona EPO ny Vavolombelona sasany satria afaka manafaingana ny famokarana liomena izy io, hany ka mety hanafaka ny dokotera iray amin’ny fiheverana fa mety hilaina ny fampidiran-dra.
Mety hampiasaina amin’ny hoavy ireo fanafody ara-pitsaboana hafa izay somary hisy albiminina kely ihany, satria mamoaka fanafody vaovao na manova ny raikipohin’ny efa misy ireo kaompania mpanamboatra fanafody. Mety haniry ny handinika ireo Kristiana, araka izany, raha misy albiminina ny vaksiny iray na ny tsindrona hafa anoroan’ny dokotera iray hevitra. Raha manana fisalasalana izy ireo na manana antony hinoana fa misy albiminina ilay izy, dia afaka manontany amin’ny mpitsabo azy.
Araka ny nomarihina teo, dia Vavolombelona maro no tsy nanda ny hanaiky tsindrona izay misy albiminina kely. Kanefa, izay maniry handinika ilay raharaha amin’ny fomba feno kokoa, alohan’ny hanaovana fanapahan-kevitra manokana, dia tokony hamerina hijery ilay fanazavana aseho ao amin’ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Septambra 1990.