FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/9 p. 27-30
  • Mianatra Amin’ilay Mpampianatra Antsika Lehibe ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mianatra Amin’ilay Mpampianatra Antsika Lehibe ve Ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tena fahendrena avy amin’i Jehovah
  • Fampiasan’i Jehovah fanoharana
  • Fanontaniana mahatonga handini-tena
  • Fanorenana fatokiana
  • Fianarana misy ohatra azo tsapain-tanana
  • Fampianarana amim-paharetana
  • Aza mitsahatra mianatra amin’i Jehovah
  • Lasa Nahay Namindra Fo Izy
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
  • Nianatra Namindra Fo Izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Fianaran’i Jona ny Famindram-pon’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-32 — Jona
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/9 p. 27-30

Mianatra Amin’ilay Mpampianatra Antsika Lehibe ve Ianao?

“NIANATRA lalàna nandritra ny dimy taona aho tao amin’ny iray amin’ireo oniversite tsara indrindra eto Espaina”, hoy ny fanazavan’i Julio. “Ambony lavitra anefa izay nianarako rehefa nanomboka nianatra ny Baiboly aho. Nampianatra ahy ny fomba fianarana ny oniversite; nampianatra ahy ny fomba fiaina ny Baiboly.”

Amin’ny alalan’ny Baiboly dia manana fahafahana hifandray amin’ny hevitr’Andriamanitra sy ny fotopoto-pitsipiny ary ny fampianarany isika. Ny Soratra Masina dia milazalaza an’i Jehovah ho ilay “Mpampianatra Lehibe”, noho izy mpampianatra mahay indrindra eo amin’izao rehetra izao. (Isaia 30:20, NW ). Ara-bakiteny, ny soratra hebreo dia miantso Azy hoe “ireo mpampianatra” — teny milaza maro manondro fahambonian-toetra. Izany dia tokony hampahatsiaro antsika fa ny hoe ampianarin’i Jehovah dia ambony lavitra noho ny ampianarin’izay mety ho mpampianatra hafa rehetra.

Tena fahendrena avy amin’i Jehovah

Nahoana no mahasoa aoka izany ny fampianarana araka an’Andriamanitra? Voalohany indrindra, dia noho ireo zavatra sarobidy raketiny. Manome antsika “tena fahendrena” ny fampianaran’i Jehovah. Ambonin’izany, dia ‘maharo ny ain’ireo’ izay mampihatra azy ny fahendrena omen’Andriamanitra. — Ohabolana 3:21, 22, NW; Mpitoriteny 7:12.

Takatr’ilay nanao ny Salamo 119 fa niaro azy nandritra ny fiainany manontolo ny fahendren’i Jehovah. Nihira toy izao izy, ohatra: “Ny lalàn’ny vavanao no mahatsara ahy mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby arivo. Raha tsy ny lalànao no niravoravoako, dia maty tamin’ny fahoriako aho. Ny didinao mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko, satria ato amiko mandrakizay ireny. Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako.” — Salamo 119:72, 92, 98, 99.

Tsy ho ny mpanao salamo ihany no ho ‘faty tamin’ny fahoriany’, raha tsy teo ny lalàn’i Jehovah. Niaiky mafy i Rosa, tovovavy iray avy any Espaina, fa voavonjy ny ainy noho ny nampiharany ireo fotopoto-pitsipika araka an’Andriamanitra. “Tamin’ny faha-26 taonako aho dia efa nanandrana namono tena indroa”, hoy ny tsaroany.

Nanjary tafiditra tao amin’ny fivarotan-tena ary koa tamin’ny fidorohana alkaola sy zava-mahadomelina i Rosa. “Indray andro, raha tao anatin’ny tena halalin’ny famoizam-po aho”, hoy izy, “dia nisy mpivady Vavolombelona niresaka tamiko mikasika ny fomba ahafahan’ny Baiboly manampy antsika handamina ireo zava-manahirana antsika. Nanomboka nianatra ny Tenin’Andriamanitra izay hitako fa nahavariana aho. Tao anatin’ny iray volana dia nanana ny tanjaka hanombohana fiainana madio sy vaovao tanteraka aho. Amin’izao ananako zava-kendrena eo amin’ny fiainana izao, dia tsy mila miantehitra intsony amin’ny alkaola na ny zava-mahadomelina aho. Ary hatramin’ny naniriako mafy ny ho tonga sakaizan’i Jehovah, dia tapa-kevitra ny hiaina mifanaraka amin’ny fari-pitsipiny aho. Raha tsy teo ny tena fahendren’ny Tenin’Andriamanitra, dia azoko antoka fa efa ho namono tena aho ohatr’izay.”

Marina tokoa fa mamonjy aina ny fahendrena avy amin’i Jehovah. Noho izany, dia afaka mandray soa isika, tsy avy amin’ireo zavatra sarobidy raketin’ny fampianarana araka an’Andriamanitra ihany, fa avy amin’ireo fitaovana izay ampiasain’i Jehovah mba hampianarana ny mpanompony koa. Koa satria mandidy antsika ho tonga mpampianatra sy ho mpanao mpianatra i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra, dia irintsika hianarana ny fomba mandaitra indrindra eo amin’ny fampitana fampianarana. — Matio 28:19, 20.

Fampiasan’i Jehovah fanoharana

Milaza ny Filazantsaran’i Marka fa “raha tsy tamin’ny fanoharana dia tsy niteny taminy Izy [Jesosy]”. (Marka 4:34). Tsy mahagaga io endriny niavaka tamin’ny fampianaran’i Jesosy io. Nalainy tahaka fotsiny ny fomba iray nampitana ireo hafatra ara-paminaniana nomen’i Jehovah ny firenen’ny Isiraely. Mirakitra fanoharana azo alaina sary an-tsaina izy ireny. — Isaia 5:1-7; Jeremia 18:1-11; Ezekiela 15:2-7; Hosea 11:1-4.

Mariho, ohatra, ny fomba ampiasan’i Jehovah fanoharana mahery mba hampianarana antsika fa tsy misy ilana azy ny sampy. Milaza toy izao ny Isaia 44:14-17: “Tsy maintsy mijinja ny sedera izy ary maka ny hazo ileksa sy ôka ary mifidy hazo any an-ala; mamboly ny hazo orno izy (...) ary dia anaovan’ny olona kitay izany ka analany hamindroany; eny, ampirehetiny izany mba hanendasany mofo; anaovany andriamanitra izany, ka dia ivavahany; eny, anaovany sarin-javatra voasokitra koa izany, ka dia iankohofany. Ny sasany dorany amin’ny afo, eny, ny sasany ahandroany hena; manatsatsika hena izy, ka dia voky (...) Ary ny sisan’izany dia amboariny ho andriamanitra, ho sarin-javatra voasokitra, ary miondrika sy miankohoka eo anatrehany izy ka mivavaka aminy hoe: Vonjeo aho, fa andriamanitro hianao.” Ny fanoharana toy izany dia fitaovana mahery mba hanampiana ireo olona tso-po handa ny fanompoan-tsampy sy ny foto-pampianarana sandoka.

Fanontaniana mahatonga handini-tena

Ny Baiboly koa dia mirakitra ohatra ny amin’ny fomba nanitsian’i Jehovah ny fisainan’ny mpanompony sasany tamin’ny alalan’ny fanontaniana nampieritreritra. Iray tamin’izany i Joba patriarka. Nanampy azy tamim-paharetana i Jehovah mba hanombana ny naha-kely dia kely azy raha oharina amin’Andriamanitra. Izany dia natao tamin’ny alalan’ny fitohitohizam-panontaniana izay tsy hain’i Joba novaliana mihitsy.

“Taiza ary hianao, fony Aho nanorina ny tany?”, hoy i Jehovah nanontany an’i Joba. “Iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina (...) Mahavòna ny kofehin’ny Ikotokelimiadilaona va hianao, ary mahavaha ny Telonohorefy? (...) Manan-tsandry tahaka ny an’Andriamanitra va hianao?” Io fanadinadinana nahatonga fanetren-tena io dia nahatafiditra ilay fanontaniana tena lehibe hoe: “Hanameloka Ahy [Jehovah] va hianao, mba hanamarina ny tenanao kosa?” — Joba 38:4, 8, 31; 40:8, 9.

Ireo fanontaniana nahatonga fandinihana ireo dia nahatonga an’i Joba hahatakatra fa niteniteny foana izy. Noho izany dia nanatsoaka ny teniny izy ary nibebaka. (Joba 42:6). Toy ny tamin’io toe-javatra io, ny fanontaniana voafidy tsara dia mety hanampy mba hanitsiana fiheverana tsy mety eo amin’ireo zanatsika na olona ampianarintsika ny Baiboly.

Fanorenana fatokiana

Ahoana raha mila manampy olona izay mihevi-tena ho tsy mendrika na ho tsy mahay isika? Manampy amin’io lafiny io ny resaka nifanaovan’i Jehovah sy i Mosesy mpaminaniny. Rehefa nanendry an’i Mosesy ho mpitondra teniny teo anatrehan’i Farao sy ny Isiraelita Andriamanitra, dia nahatsiaro tena ho tsy hahay hanao ilay asa ilay mpaminany. “Olona tsy mahay mandaha-teny aho”, hoy izy. Namaly toy izao anefa Andriamanitra: “Iza moa no nanao ny vavan’ny olona? (...) tsy Izaho Jehovah va? Koa ankehitriny, dia mandehana, fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao.” — Eksodosy 4:10-12.

Nanendry an’i Arona rahalahin’i Mosesy ho mpitondra teniny i Jehovah, ary dia nanatanteraka ny asany tany Egypta izy ireo. (Eksodosy 4:14-16). Tsy vitsy ny Vavolombelon’i Jehovah nahatsapa tsy fahaizana toa an’i Mosesy rehefa nandray anjara voalohany tamin’ny fanompoana isan-trano na teo amin’ny fitoriana eny amin’ny arabe. Toy ny tamin’i Mosesy, dia afaka mahatonga antsika handresy ny fisalasalantsika ny fahafantarantsika fa manana ny fanohanan’i Jehovah isika, ary hiaraka amintsika ny mpitory za-draharaha iray. Toy ny nahafahan’i Mosesy namboly fatokiana ka tonga hatramin’ny fanaovana lahateny mahery hita manerana ny bokin’ny Deoteronomia ao amin’ny Baiboly, dia afaka manatsara tsikelikely ny fahaizantsika miteny koa isika noho ny fanampian’i Jehovah.

Fianarana misy ohatra azo tsapain-tanana

Tena ilaina koa ny faniriana amim-pahatsorana hanampy ny hafa. Izany no toetra tsy nananan’i Jona mpaminany. Notendren’i Jehovah i Jona mba hampitandrina ny vahoakan’i Ninive mikasika ny fandravana an’ilay tanàna nadiva hitranga. Nahagaga fa nibebaka ireo Ninivita. (Jona 3:5). Ho vokatr’izany, dia nampihemotra ny loza i Jehovah. Tsy dibo-kafaliana noho ny fahombiazan’ilay ezaka manokana nataony ho fitoriana i Jona, fa tezitra kosa satria tsy ho tanteraka ilay faminaniany. Ahoana no nanampian’i Jehovah azy hanana fomba fijery mety?

Nampiasa tanantanamanga na voatavoarivolahy (NW ) i Jehovah mba hampianarana an’i Jona ny naha-zava-dehibe ny fiahiana ny hafa. Nitombo tamin’ny fomba nahagaga indray alina ilay zavamaniry, ary nanome aloka nahafinaritra an’i Jona izay nanorina trano rantsan-kazo teny ivelan’i Ninive. Nanomboka ‘nifaly indrindra’ tamin’ilay zavamaniry tsotra i Jona. Avy eo anefa, dia nataon’i Jehovah izay hamelezan’ny fositra iray ilay zavamaniry mba hahamaina azy. Rehefa nodanihin’ny masoandro sy ny rivotra nahamay i Jona dia nanjary tezitra ary nilaza hoe: “Aleoko ho faty toy izay ho velona.” (Jona 4:5-8). Inona no fianarana avy amin’izany rehetra izany?

Niteny tamin’i Jona toy izao i Jehovah: “Hianao malahelo ny tanantanamanga [“voatavoarivolahy”, NW ] izay tsy nisasaranao na nampanirinao, dia ilay naniry indray alina monja ary maty indray alina koa; ka moa Izaho tsy mba halahelo an’i Ninive, ilay tanàna lehibe va, izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy, izay tsy mahafantatra ny havanany sy ny haviany, sady be biby fiompy koa?” — Jona 4:9-11.

Fianarana mahery misy ohatra azo tsapain-tanana tokoa re izany! Liana kokoa tamin’ny voatavoarivolahy noho ny tamin’olona an’arivony maro i Jona. Na dia mendri-piderana aza ny fiahiana an’izay mety ho tapany amin’ny zavatra noforonin’Andriamanitra, dia ny fanampiana mba hamonjena ain’olona no asantsika lehibe indrindra.

Fampianarana amim-paharetana

Araka ny hitan’i Jona, dia tsy mora foana akory ny manatanteraka ny fanompoantsika. (2 Timoty 4:5). Hanampy anefa ny fihetsika feno faharetana amin’ny hafa.

Ahoana no fihetsikao rehefa votsa na somary manao hevi-dravina ny iray amin’ireo ampianarinao Baiboly? Mampianatra antsika ny fomba fandaminana ny zava-manahirana toy izany ilay Mpampianatra antsika Lehibe. Nampiseho faharetana niavaka izy fony i Abrahama tsy nitsahatra nanontany azy mikasika ny fanamelohana nadiva hitranga tamin’i Sodoma sy i Gomora. “Haringanao miaraka amin’ny meloka va ny marina?”, hoy i Abrahama nanontany. “Angamba misy olo-marina dimam-polo ao an-tanàna”, hoy ny fiangavian’i Abrahama. “Haringanao koa va, ka tsy hamindranao fo ny tanàna noho ny dimam-polo marina izay ao?” Ny valin-teny nataon’i Jehovah dia nanosika an’i Abrahama tsy hitsahatra hiangavy mandra-pidin’ilay isa ho folo. Fantatr’i Jehovah fa ny fianakavian’i Lota ihany no mendrika hotsimbinina, ary efa nisy fandaharana natao ho amin’izany. Kanefa dia navelany tamim-paharetana tsy hitsahatra hanontany azy i Abrahama, mandra-pahatakany ny halehiben’ny famindram-pon’i Jehovah. — Genesisy 18:20-32.

Nasian’i Jehovah fiheverana ny naha-voafetra ny fahatakaran’i Abrahama hevi-javatra sy ny fahatsapany fanahiana. Raha takatsika koa ny fetran’ilay olona ampianarintsika, izany dia hanampy antsika haneho faharetana raha mbola miady mafy izy mba hahatakarana foto-pampianarana iray manokana na mba handresena fahazarana iray mamaka mafy.

Aza mitsahatra mianatra amin’i Jehovah

Tsy isalasalana fa i Jehovah Andriamanitra no ilay Mpampianatra Lehibe. Amin’ny alalan’ny fitaovana toy ny fanoharana sy ny fanontaniana ary ny fianarana avy amin’ny ohatra azo tsapaina, dia manome amim-paharetana fahatakarana hevi-javatra izy. Arakaraka ny anahafantsika ny fomba fampianarany, no hahatonga antsika ho mpampianatra tsara kokoa.

Koa satria tsy tokony hanao tsirambina ny fampianarana ny tenany ireo izay mampianatra ny hafa, dia tsy maintsy manohy ‘ampianarin’i Jehovah’ isika. (Isaia 54:13). Nanoratra toy izao i Isaia: “Ny masonao hahita ny mpampianatra [lehibe, NW ] anao; fa na mivily ho amin’ny ankavanana hianao, na ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no làlana, ka andehano.” (Isaia 30:20, 21). Amin’ny fanohizana mandeha amin’ny lalan’i Jehovah sy amin’ny fanampiana ny hafa hanao toy izany, dia afaka manana ilay tombontsoa tsy manam-paharoa hianatra mandrakizay amin’ilay Mpampianatra antsika Lehibe isika.

[Sary, pejy 28]

Nanontany an’i Joba toy izao i Jehovah: “Noho ny didinao va no iakaran’ny voromahery sy anaovany ny ankaniny eny an-dringiringy?”

[Sary, pejy 28]

Nampianatra an’i Jona mba hiahy bebe kokoa ny olona i Jehovah, tamin’ny alalan’ny voatavoarivolahy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara