Ilay Loharanon’ny Herim-po Tsy Mety Lefy
“NISY feo nanao hoe sss nampijanona tampoka anay. Avy eo, avy teo amin’ny kirihitra teo an-kavianay, dia nisy vorona roa nihazakazaka nanatona anay sady namelatra ny elany. Teo anoloanay, dia nisy atody roa tao anatin’ny lempona kely teo amin’ny tany. Nisakana anay tsy hanitsaka tsy nahy ny akaniny ireo vorona. Isaky ny nanandrana ny hanatona akaiky kokoa sy ny haka sary an’ireo atody mahafatifaty nipentimpentina volon-tsokola izahay, dia namerina nampiseho ny fampitahorany ireo vorona. ‘Be herim-po re izany’, hoy ny eritreritray.”
Izany no fanandraman-javatra hitan’ny olon-dehibe efatra tamin’ny fanatonany ny akanin’ny courlis iray. Vorona kely kokoa ny pluvier (karazana vorondriaka). Manazava toy izao ireo manam-pahaizana amin’ny siansa momba ny vorona atao hoe Sinclair sy Mendelsohn, tao amin’ny boky Everyone’s Guide to South African Birds: “Miaro ny akaniny sy ny zanany mafy ireo voron-droa mitaiza ary manjary tena vonon-kiady amin’ny fanatonan’izay mety ho mpitsofotsofo-poana. Tsy mihontsina amin’ny haben’ilay miditra tsy nasaina izy ireo ary manidina miakatra mamoaka feo mankarenin-tsofina, miantoraka tsy amin-tahotra na dia amin’ny olombelona aza mba hanandrana ny hampiala azy ireo.”
Ny sasany dia nahita andiana elefanta lehibe nandeha tsy nahy nanatona ny akanin’ilay pluvier, mba hanaitra ny fampisehoan’ilay vorona fotsiny. Mazàna dia manaiky ireo elefanta amin’ny fivilian-dalana.
Avy aiza no ahazoan’ireo vorona herim-po miharihary toy izany? Avy amin’Ilay namorona azy ireo. Nandahatra an’ireny zavaboary kely ireny niaraka tamin’ny fanaovan-javatra voajanahary i Jehovah Andriamanitra mba hisakanana ireo biby lehibe kokoa tsy hanimba ny akaniny na ireo zanany kely.
Fianarana ho an’ny Kristiana
Afaka mianatra avy amin’izany ireo Kristiana, na dia tian’izy ireo aza ny hihoatra noho ny herim-po voajanahary fotsiny. Asaina manahaka an’ilay Mpampianatra azy, dia i Jesosy Kristy, izay nankato tsy tamin-tahotra ireo didin’Andriamanitra, izy ireo. (Hebreo 12:1-3). Manameloka an’ireo kanosa izay mihemotra tsy mety manompo an’Andriamanitra ny Baiboly. (Hebreo 10:39; Apokalypsy 21:8). Etsy an-danin’izany, i Jehovah dia mahatakatra ny maha-izy antsika tsy lavorary ka mahafantatra fa mety hanota na tsy hanana ilay herim-po ilaina mba hanaovana ny sitrapony amin’ny fomba feno isika indraindray. (Salamo 103:12-14). Inona no azon’ny olona iray atao raha misakana azy tsy hanao izay marina ny tahotra?
Tsy maintsy mitodika any amin’Andriamanitra amim-bavaka ny Kristiana iray mba hahazoana tanjaka hiatrehana ireo fitsapana sy mba hanohizana hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Mirakitra itỳ fampanantenana manome toky indray ny amin’ny fanampian’i Jehovah itỳ ny Baiboly: “Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be. Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy; fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; handeha izy, nefa tsy ho reraka.” (Isaia 40:29-31). Olombelona tsy lavorary maro no nahatsapa ny fahamarinan’ireo teny ireo ka “raha nalemy dia nampahatanjahina”. (Hebreo 11:34). Ohatra tsara tamin’izany i Paoly, apostoly kristiana, izay nanoratra toy izao: “Ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy, mba hotanterahina tokoa amin’ny ataoko ny fitorian-teny, ary mba ho ren’ny jentilisa rehetra izany”. — 2 Timoty 4:17.
Na dia ireo olona mampiseho fahalianana vao haingana aza, izay maniry ny ho tonga mpanara-dia an’i Jesosy Kristy, dia afaka mahatsapa izany fanampiana mampahatanjaka izany. Hevero ny lehilahy afrikana tatsimo iray antsoina hoe Henry, izay mpitam-bolan’ny fiangonany ary nipetraka nifanolo-bodirindrina tamin’ny pasiterany. Teo am-pikarohana ny fahamarinana i Henry. Na dia teo aza ny fifikirany tamin’ny fiangonana, dia nanaiky ny fanolorana fianarana Baiboly any an-tokantranony maimaim-poana miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy indray andro. Tatỳ aoriana, dia nilaza ny faniriany ho tonga Vavolombelona izy ary nanontany hoe inona avy ireo dingana tokony hataony mba hahatratrarana izany tanjona izany. Nohazavaina taminy fa tsy maintsy mametra-pialana amin’ny fiangonany izy aloha. (Apokalypsy 18:4). Koa satria mpiara-monina taminy sady namany ilay pasitera, dia nihevitra i Henry fa tsy ho afaka ny hanoratra fotsiny taratasy milaza ny fialany izy fa hila ny hanazava ilay raharaha mifanatrika. Izany no nataony tamin-kerim-po.
Taitra mafy ilay pasitera ka tatỳ aoriana, dia naka ny mpitari-draharahan’ny synoda sy mpiangona hafa mba hitsidika an’i Henry. Tian’izy ireo ny hahafantatra ny antony nialany tamin’ny fiangonan’izy ireo mba ho tonga mpikambana ao amin’ny fivavahana iray izay, araka ny filazan’izy ireo, dia tsy manana ny fanahy masin’Andriamanitra. “Teo am-boalohany, dia natahotra aho ny hamaly azy ireo”, hoy ny fanazavan’i Henry, “satria nanana heriny lehibe teo amiko foana izy ireo. Kanefa nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hahazo fanampiana, ary nanome fahafahana ahy hanao itỳ fiarovan-tena itỳ izy: ‘Amin’ireo fivavahana iraisam-pirenena rehetra, iza no hany mampiasa ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah? Tsy ny Vavolombelon’i Jehovah ve? Heverinareo ve fa hamela azy ireo hitondra ny anarany Andriamanitra ka tsy hanome azy ireo koa ny fanahiny masina?’ ” Tsy afaka nanda izany fanjohian-kevitra izany ireo manam-pahefana tao amin’ilay fiangonana. Velom-pisaorana noho ny fahalalana sy ny tanjaka izay omen’Andriamanitra i Henry ka mandray anjara amin-kerim-po miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fanompoana isan-trano ankehitriny.
Eny, ny maha-Kristiana marina dia mila herim-po. Arakaraka ny anakekezan’ny faran’itỳ tontolo itỳ, dia hitombo ireo fitsapana ny finoana. Tian’i Satana ny handroba amin’ireo mpanompon’Andriamanitra ny fanantenany mahatalanjona, dia ny fiainana mandrakizay, amin’ny fanandramana mandrava ny tsy fivadihan’izy ireo amin’i Jehovah. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 2:10.) Kanefa tsy tokony hiala na oviana na oviana isika. Na dia voatery miaritra faharesena mihelina aza isika noho ny tahotra, i Jehovah dia afaka manampy antsika hiarina. Aza mitsahatra ny mitady vonjy aminy mba hahazoana tanjaka hanohizana hanao ny sitrapony. Tadidio fa izy, izay namorona ireo vorona tsy manan-tahotra, no ilay Loharanon’ny herim-po tsy mety lefy. Eny tokoa, ireo Kristiana marina dia tokony ‘[hanana herim-po tsara, NW ] ka hanao hoe: “Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; inona no azon’ny olona atao amiko?”’ — Hebreo 13:6.