Mangeja Izao Tontolo Izao ny Tahotra
NAMPIHOVOTROVOTRA ny World Trade Center misy rihana 109 any New York City tamin’ny 26 Febroary 1993 ny fipoahana goavan’ny baomba nafenina tao anaty fiarakodia iray. An’arivony maro tamin’ireo mpiasa no tafahitsoka tao anaty ascenseurs nijanona tsy nahy na voatery nandositra nidina ireo tohatra feno setroka. Nahatsapa ny tahotra izay manenika ankehitriny itỳ tontolo feno herisetra itỳ izy ireo.
Nisy olona any amin’ny tany maro nampihorohoroina tamin’ny baomba, izay nanjary mahazatra any amin’ny tany toa an’i Irlande sy i Liban. Nisy 13 no nipoaka tao anatin’ny iray andro monja — 12 Martsa 1993 — tany Bombay, any India, ka nahafaty olona 200 teo ho eo! Hoy ny mpandinika iray: “Nisy horohoro nanerana an’i Bombay manontolo.” Araka ny voalazan’ny gazetiboky Newsweek, “ny fisehoana mahazatran’ny baomba anaty fiarakodia iray fotsiny dia mahatonga izany hahatahotra kokoa”.
Mitohy ny tahotra ny hery niokleary
Misy ny tahotra sao ho mora tafihina amin’ny baomba ireo réacteurs niokleary. Ho afaka hiteraka fahasimbana sy fahoriana lehibe dia lehibe ny fanafihana mahomby atao amin’ny foiben’angôvo niokleary iray. Nanamarina izany tahotra izany ny fanandraman’ny lehilahy iray hampidona ny fiarany tamin’ny vavahady fiambenana tao amin’ny foiben’angôvo niokleary iray any Three Mile Island, any Etazonia.
Maro no matahotra sao misy mpampihorohoro sy mpanapaka liam-pahefana hahazo fitaovam-piadiana niokleary. Ny sasany dia matahotra sao hanandrana hivarotra ny fahaizany ireo mpahay siansa niokleary tsy an’asa an’arivony maro any amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha. Ankoatra izany, na dia mitaky fampihenana lehibe an’ireo fitaovam-piadiana niokleary stratejika aza ny fifanekena START sy ireo fifanarahana hafa, dia tsy ho vita ao anatin’ny taona maro ny fanatanterahana izany. Mandra-pahatongan’izany, ny mety ho fampiasan’ireo tampohin’ny vao tafakatra mirehidrehitra tafahoatra sasany an’ireo fitaovam-piadiana ireo dia tsy maintsy hitatao toy ny rahon’oram-baratra eo amin’ny taranak’olombelona.
Mampitombo ny tahotra ny herisetra
Ny fitomboan’ny heloka bevava feno herisetra hatraiza hatraiza dia mahatonga ny olona hatahotra ao an-tranony sy eny amin’ny arabe. Tombanana ho 23 200 ireo Amerikana nisy namono tamin’ny 1990. Tao amin’ny tanànan’i Chicago, ohatra, ny fitomboan’ny fampiasana cocaïne faran’izay mahery dia nandray anjara tamin’ny famonoana olona 700 teo ho eo tao anatin’ny herintaona. Nanjary sahan’ady izay nahafatesan’ny mpandalo, anisan’izany ny ankizy, tamin’ny fifampitifirana, ny faritra sasany any amin’ny tanàna sasany. Hoy ny gazetiboky iray: “Mitombo haingana ny herisetra any amin’ireo tanàna antonontonony. (...) Tsy misy fitambaran’olona na dia iray aza manerana an’i [Etazonia] voaro amin’ny fitondrahan’ny zava-mahadomelina sy ireo tanora mpisetrasetra. Isan-taona dia tokantrano amerikana 1 amin’ny 4 no iharan’ny heloka bevava feno herisetra na ny halatra.” — U.S.News & World Report, 7 Oktobra 1991.
Mahatonga ireo vehivavy hitebiteby ny tahotra ny hosavihina. Tafakatra ho 62 isan-jato ny fisavihana nanaovana tatitra tany amin’ny polisy tany Frantsa, hatramin’ny 1985 ka hatramin’ny 1990. Tao anatin’ny enin-taona dia nitombo avo roa heny ka nahatratra 27 000 ny fanaovana an-keriny eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy tany Kanada. Nanao tatitra i Alemaina fa misy fanaovana an-keriny iray eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy atao amin’ny vehivavy iray isaky ny fito minitra.
Matahotra ho an’ny fiarovana ny tenany koa ireo ankizy. Manao tatitra ny Newsweek fa, any Etazonia, “ireo ankizy, na dia any amin’ny sekoly fanabeazana fototra aza, dia mitondra fitaovam-piadiana, ary manjary matahotra ireo mpampianatra sy manam-pahefana ao amin’ny sekoly”. Ratsy aoka izany ny tarehin-javatra, hany ka mampiasa fitaovana fitsapana metaly ny ampahefatr’ireo fari-piadidiam-pampianarana an-tanàn-dehibe, kanefa dia mahita fomba ialana amin’izany ireo tanora feno fahatapahan-kevitra amin’ny fampitana ireo basy amin’ny hafa eny amin’ny varavarankely.
Tahotra ny Sida
Mihamaro hatrany ny olona matahotra ny ho voan’ny SIDA. Any Etazonia fotsiny dia misy olona voany maherin’ny 230 000. Nanjary ny antony lehibe fahenina mahatonga fahafatesana eo amin’ny olona 15 ka hatramin’ny 24 taona ny SIDA. “Mitahiry fanampoizan-javatra mahatahotra ny amin’ny fielezan’aretina bebe kokoa ny hoavy”, hoy ny Newsweek.
Ny fahafatesana noho ny SIDA dia mihamateti-piseho eo amin’ny olona manana ho anton-draharaha ny dihy, teatira, sarimihetsika, mozika, lamody, televiziona, zavakanto, sy ny toy izany. Milaza ny tatitra iray fa ny 60 isan-jato amin’ny fahafatesan’ny lehilahy mipetraka any Paris, eo amin’ny 25 ka hatramin’ny 44 taona, ao amin’ny asa fanaovana gazety sy zavakanto ary fialam-boly, dia noho ny SIDA. Manao tatitra ny OMS (Fandaminana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana) fa olona valo ka hatramin’ny folo tapitrisa maneran-tany no voan’ny VIH. Hoy ny Dr. Michael Merson, tale iray ao amin’ny OMS: “Mazava ankehitriny fa ny aina afoy maneran-tany noho ny fifindran’ny VIH dia mitombo haingana, indrindra any amin’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana.”
Mazava ho azy fa misy koa ny tahotra ny amin’ny tontolo iainana sy ireo tahotra hafa. Kanefa, ireo tatitra eo aloha fotsiny dia mampiharihary fa mangeja izao tontolo izao ny tahotra. Misy heviny manokana ve izany? Afaka manantena ny hifaly amin’ny fahafahana amin’ny tahotra ve isika indray andro any?
[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]
Sary eo amin’ny fonony: An-kavia: Tom Haley/Sipa Press; Ambany: Malanca/Sipa Press
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
Bob Strong/Sipa Press