Mikambana Amin’ny Fianakavian’ny Mpirahalahy Tafaray Izy Ireo
Ny 7 Aogositra 1993 tamin’izay, tao amin’ny Kianja Filalaovan’ny Repoblika any Kiev, any Ukraine. Nijery tamim-panantenan-javatra ireo mpanatrika 64 000 mahery rehefa tonga ilay fotoana. Avy eo, ho valin’ny fanontaniana roa misy heviny, dia nisy an’arivony maro niteny mafy hoe “Da!” (“Eny!”) Tamin’izany fomba izany, dia nanao fanambarana ampahibemaso ny finoany izy ireo ary avy eo dia nandeha nampiseho ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny fanaovana azy batisa tao amin’ny iray amin’ireo dobo filomanosana enina teo amin’ilay kianja. — Matio 28:19.
Araka izany, tamin’ny andro fahatelo tamin’ilay Fivoriambe niraisam-pirenena “Fampianarana Araka An’Andriamanitra” nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nahita fisehoan-javatra niavaka ireo mpanatrika: 7 402 no natao batisa ary nanjary anisan’ny, tsy fiangonana misaratsaraka iray tsy akory fa, kongregasiona kristiana maneran-tany tafaray iray.
Raha tianao ny hahafantatra bebe kokoa momba ny tena firaisan-tsaina kristiana, dia manorata aza fady any amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara, B.P. 511, 101 Antananarivo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy eo amin’ny pejy faha-2.