Midika ho Inona ho Anao Ilay Haratotarihina sy Ireo Hazandrano?
“Hianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin’ny fanjakan’ny lanitra.” — MATIO 13:11.
1, 2. Nahoana isika no mety ho liana amin’ireo fanoharan’i Jesosy?
TIANAO ve ny mahafantatra tsiambaratelo iray na ny mitady ny valin’ny ankamantatra iray? Ahoana raha hanampy anao hahita mazava kokoa ny toerana misy anao ao amin’ny fikasan’Andriamanitra izany? Soa ihany fa afaka mahazo izany tombontsoa hahataka-javatra izany ianao amin’ny alalan’ny fanoharana iray nataon’i Jesosy. Nahavery hevitra ny maro izay nandre azy izy io ary nanahirana ny sain’ny hafa tsy hita isa hatramin’izay, kanefa afaka mahazo ny heviny ianao.
2 Mariho izay nolazain’i Jesosy ao amin’ny Matio toko faha-13 momba ny fampiasany fanoharana. Nanontany ny mpianany hoe: “Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?” (Matio 13:10). Eny, nahoana i Jesosy no nampiasa fanoharana izay tsy ho azon’ny ankamaroan’ny olona? Namaly izany izy eo amin’ny andininy faha-11 ka hatramin’ny faha-13: “Satria hianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela. (...) Noho izany dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy, fa tsy mahita; ary mandre izy, fa tsy mihaino, na mahalala [izay heviny, NW ].”
3. Ahoana no ahafahantsika mandray soa avy amin’ny fahazoana ny hevitr’ireo fanoharan’i Jesosy?
3 Avy eo i Jesosy dia nanao fampiharana ny Isaia 6:9, 10, izay nilazalaza ny amin’ny vahoaka iray toa narenina sy jamba ara-panahy. Tsy voatery ho tahaka izany anefa isika. Raha mahazo ny hevitr’ireo fanoharan’i Jesosy isika ka manao zavatra mifanaraka amin’izy ireo, dia afaka ny ho sambatra tokoa — ankehitriny ary hatrany amin’ny hoavy tsy hanam-pahataperana. Manolotra antsika izao fanomezan-toky feno hafanam-po izao i Jesosy: “Sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre.” (Matio 13:16). Mahakasika ireo fanoharan’i Jesosy rehetra izany fanomezan-toky izany, kanefa aoka isika hifantoka amin’ilay fanoharana fohy momba ny haratotarihina, voarakitra ao amin’ny Matio 13:47-50.
Fanoharana iray misy heviny lalina
4. Inona no notantarain’i Jesosy tamin’ny alalan’ny fanoharana, araka ny voarakitra ao amin’ny Matio 13:47-50?
4 “Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato-tarihina, izay nalatsaka tao amin’ny ranomasina ka nahavory ny [karazana hazandrano rehetra, NW ]; ary rehefa feno izany, dia notarihiny ho eny an-tanety, dia nipetraka ny olona ka [nanangona, NW ] ny [tsara dia tsara, NW ] hataony ao an-karona, fa ny [tsy mendrika, NW ] nariany. Dia tahaka izany no hatao amin’ny [fifaranan’ny fandehan-javatra, NW ]; hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina, dia hatsipiny any amin’ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.”
5. Karazana fanontaniana inona avy no mitranga raha ny amin’ny hevitr’ilay fanoharana momba ilay haratotarihina?
5 Azo inoana fa efa nahita olona nanarato tamin’ny alalan’ny harato ianao, fara faharatsiny tamin’ny sarimihetsika na televiziona, koa tsy sarotra ny maka sary an-tsaina io fanoharan’i Jesosy io. Ahoana anefa ny amin’ireo tsipirian-javatra ao aminy sy ny heviny? Ohatra, nilaza i Jesosy fa io fanoharana io dia momba “ny fanjakan’ny lanitra”. Kanefa azo antoka fa tsy te hilaza izy akory fa ho ao amin’ilay Fanjakana avokoa ‘ny karazan’olona rehetra’, dia ny tsara dia tsara sy ny tsy mendrika, na ny ratsy fanahy. Ary koa, iza no manao ilay fanaratoana? Moa ve io fanaratoana sy fanavahana io nitranga tamin’ny andron’i Jesosy sa mety ho voafetra ho amin’ny androntsika, dia “ny fifaranan’ny fandehan-javatra”? Mahita ny tenanao ao amin’io fanoharana io ve ianao? Ahoana no hahafahanao handositra ny fiafarana hiaraka amin’ireo izay hitomany sy hikitro-nify?
6. a) Nahoana isika no tokony ho liana mafy amin’ny fahazoana ny hevitr’ilay fanoharana momba ilay haratotarihina? b) Inona no fanalahidy iray ho amin’ny fahazoana ny hevitr’izy io?
6 Ireo fanontaniana ireo dia mampiseho fa tsy tsotra io fanoharana io, rehefa tena dinihina tokoa. Aza hadinoina anefa fa: “Sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre.” Aoka hojerentsika raha afaka mikaroka ny heviny isika mba tsy hahatonga ny sofintsika tsy ho vonona ny hihaino na ny masontsika tsy hihiratra raha ny amin’izay tian’izy io holazaina. Raha ny tena izy, dia efa manana fanalahidy lehibe iray isika mba hamantarana ny heviny. Ilay lahatsoratra teo aloha dia niresaka ny amin’ny fanasan’i Jesosy mpanarato avy tany Galilia handao izany raharahany izany ka hanao ny asan’ny “mpanarato olona” amin’ny heviny ara-panahy. (Marka 1:17). Hoy izy tamin’izy ireo: ‘Manomboka izao dia olona velona no ho azonareo.’ — Lioka 5:10, NW.
7. Inona no nasehon’i Jesosy rehefa niresaka momba ny hazandrano izy?
7 Mifanaraka amin’izany, ireo hazandrano amin’ity fanoharana ity dia mampiseho olombelona. Noho izany, rehefa miresaka ny amin’ny fanavahana ny ratsy fanahy amin’ny marina ny andininy faha-49, dia manisy fitenenana, tsy ny amin’ny zavamananaina an-dranomasina marina na ratsy fanahy, izy io, fa ny amin’ny olona marina na ratsy fanahy. Mitovy amin’izany koa, ny andininy faha-50 dia tsy tokony hahatonga antsika hieritreritra biby an-dranomasina izay mitomany na mikitro-nify. Tsia. Io fanoharana io dia momba ny fanangonana olombelona ary avy eo dia ny fanavahana azy ireo, izay zava-dehibe dia lehibe, araka ny asehon’ny fiafarany.
8. a) Inona no azontsika ianarana raha ny amin’ny ho fiafaran’ireo hazandrano tsy mendrika? b) Raha heverina izay nolazaina momba ireo hazandrano tsy mendrika, hevitra inona no azontsika tsoahina momba ilay Fanjakana?
8 Mariho fa ireo hazandrano tsy mendrika, izany hoe ireo ratsy fanahy, dia hatsipy any amin’ny fandoroana lehibe mirehitra afo, izay tsy maintsy hitomaniany sy hikitrohany nify. Any amin’ny toerana hafa, dia nampifandray izany fitomaniana sy fikitroha-nify izany tamin’ny toerana any ivelan’ilay Fanjakana i Jesosy. (Matio 8:12; 13:41, 42). Ao amin’ny Matio 5:22 (NW ) sy 18:9 (NW ), izy dia nanonona mihitsy ny hoe “Gehena mirehitra afo”, mba hiresahana ny amin’ny fandringanana mandrakizay. Moa ve izany tsy mampiseho fa iankinan’ny aina ny fahazoana ny hevitr’io fanoharana io sy ny fanaovan-javatra mifanaraka amin’izany? Isika rehetra dia samy mahafantatra fa tsy misy ary tsy hisy ratsy fanahy ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Noho izany, rehefa nilaza i Jesosy fa “ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato-tarihina”, dia tsy maintsy ho te hilaza izy fa, raha ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia misy lafin-javatra mitovy amin’ny haratotarihina izay alatsaka mba hanangonana karazana hazandrano samihafa.
9. Amin’ny ahoana ireo anjely no tafiditra amin’ilay fanoharana momba ilay haratotarihina?
9 Rehefa avy nalatsaka ilay haratotarihina ka nangonina ireo hazandrano, dia hisy asa fanavahana. Iza no nolazain’i Jesosy fa hanao izany? Ny Matio 13:49 dia nampahafantatra fa anjely ireo mpanarato sady mpanavaka ireo. I Jesosy àry dia niresaka ny amin’ny fiandraiketana ampiharin’ireo anjely eo amin’ny fitaovana olombelona eto an-tany izay ampiasaina mba hamantarana ireo olona — ny sasany tsara dia tsara sady mendrika ny Fanjakan’ny lanitra, ny hafa kosa hita fa tsy mendrika io fiantsoana io.
Ilay fanaratoana — Rahoviana?
10. Amin’ny fanjohian-kevitra hoe ahoana no ahafahantsika mamantatra fa maharitra mandritra ny fotoana lava ilay fanaratoana?
10 Manampy antsika hahita ny fotoana itrangan’izany ny teny manodidina. Taloha kelin’io i Jesosy dia nanome fanoharana iray momba ny famafazana voa tsara dia tsara, nefa avy eo dia nisy voan’ahidratsy nafafy teo amboniny, teo amin’ilay saha, izay sary mampiseho izao tontolo izao. Nanazava izy, ao amin’ny Matio 13:38 (NW ), fa ilay voa tsara dia tsara dia nampiseho “ireo zanak’ilay fanjakana; fa ireo ahidratsy kosa dia ireo zanak’ilay ratsy”. Niara-naniry nandritra ny taonjato maro izy ireo, mandra-pahatongan’ny fotoam-pijinjana amin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra. Avy eo ireo ahidratsy dia navahana ka nodorana tatỳ aoriana. Raha mampifanitsy izany amin’ilay fanoharana momba ilay haratotarihina isika dia mahita fa ny fitarihana ireo zavaboary ho ao anatin’ilay harato dia tokony haharitra mandritra ny fotoana lava. — Matio 13:36-43, NW.
11. Tamin’ny ahoana no niantombohan’ny asa fanaratoana iraisam-pirenena tamin’ny taonjato voalohany?
11 Araka ny fanoharan’i Jesosy, dia hangonina tsy hisy fanavakavahana ireo hazandrano, izany hoe nahazo hazandrano tsara dia tsara sy hazandrano tsy mendrika ilay haratotarihina. Fony mbola velona ireo apostoly, dia nampiasa ny fandaminana kristian’Andriamanitra ireo anjely nitarika ilay asa fanaratoana, mba hahazoana “hazandrano” izay tonga Kristiana voahosotra. Mety ho azonao atao ny milaza fa talohan’ny Pentekosta taona 33 am.f.i., dia nahazo mpianatra 120 ny fanaratoan’i Jesosy olona. (Asan’ny Apostoly 1:15). Kanefa, raha vantany vao voaorina ny kongregasionan’ireo Kristiana voahosotra, dia nanomboka ny asa fanaratoana tamin’ny alalan’ny fitaovana asehon’ilay haratotarihina, ary hazandrano tsara dia tsara an’arivony maro no azo. Nanomboka tamin’ny 36 am.f.i., dia niitatra hatrany amin’ireo rano iraisam-pirenena ilay fanaratoana, rehefa voatarika ho amin’ny Kristianisma ireo Jentilisa ka tonga mpikambana tao amin’ny kongregasiona voahosotr’i Kristy. — Asan’ny Apostoly 10:1, 2, 23-48.
12. Inona no nitombo taorian’ny fahafatesan’ireo apostoly?
12 Nandritra ireo taonjato nanaraka ny nahalasanan’ireo apostoly, dia nitohy nisy Kristiana foana niezaka mafy mba hahita ny fahamarinana araka an’Andriamanitra ka hifikitra tamin’izany. Nisy sasany tamin’izy ireny fara faharatsiny nahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra, ka nohosorany tamin’ny fanahy masina. Kanefa, ny fahafatesan’ireo apostoly dia nanaisotra hery nisakana iray, ka namela ny fitomboan’ny fivadiham-pinoana izay niely patrana. (2 Tesaloniana 2:7, 8, NW ). Nisy fandaminana iray nitombo izay nihambo ho kongregasionan’Andriamanitra nefa tsy mendrika izany akory. Izy io dia nilaza tena tamim-pahadisoana ho ilay firenena masina voahosotry ny fanahin’Andriamanitra mba hiara-manjaka amin’i Jesosy.
13. Nahoana no azo lazaina fa nandray anjara tamin’ilay asa fanaratoana ny fitambaran’ireo firenena lazaina fa kristiana?
13 Heverinao ve fa nisy ifandraisany tamin’ilay fanoharana momba ilay haratotarihina ireo mpilaza ho mpanaraka ny Kristianisma tsy nahatoky? Misy antony ilazana hoe eny, izany tokoa. Nahafaoka ny fitambaran’ireo firenena lazaina fa kristiana ilay haratotarihina ara-panoharana. Marina fa nandritra ny ela be ny Fiangonana katolika dia nanandrana ny hihazona ny Baiboly tsy ho azon’ny sarambabem-bahoaka. Na dia izany aza, nandritra ny taonjato maro, dia nisy mpikambana tao amin’ny fitambaran’ireo firenena lazaina fa kristiana nanana anjara lehibe tamin’ny fandikana, fanaovana kopia ary fizarana ny Tenin’Andriamanitra. Tatỳ aoriana dia nisy fiangonana nanorina na nanohana fikambanana ara-baiboly, izay nandika ny Baiboly ho amin’ny fiteny fampiasa any amin’ireo tany lavitra. Nandefa misionera mpitsabo sy mpampianatra, izay nitarika ho amin’ny fanaovana Kristiana mitady tombontsoa ara-nofo fotsiny (toy ny hoe Kristiana raha misy patsa), koa izy ireo. Izany dia nahangona hazandrano tsy mendrika betsaka aoka izany, izay tsy nahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra. Kanefa, fara faharatsiny izany dia nahatonga olona tsy kristiana an-tapitrisany maro hifandray tamin’ny Baiboly sy tamin’ny endriky ny Kristianisma iray, na dia endriny voaloto aza izany.
14. Tamin’ny fomba ahoana no nahazoan’ny fanaratoana hazandrano tsara dia tsara, fanampiana avy amin’ny asa sasany nataon’ireo fiangonana ao amin’ny fitambaran’ireo firenena lazaina fa kristiana?
14 Nandritra izany fotoana rehetra izany, dia niezaka mafy araka izay azony natao ireo olo-nahatoky tetsy sy teroa nifikitra tamin’ny Tenin’Andriamanitra. Na oviana na oviana fotoana niainan’ny tsirairay tamin’izy ireo teto an-tany, dia nahaforona ny kongregasiona marina voahosotr’Andriamanitra teto an-tany izy ireo. Ary afaka mahazo antoka isika fa izy ireo koa dia nahazo hazandrano, na olona, izay noheverin’Andriamanitra ho tsara dia tsara ny maro taminy ka nohosorany tamin’ny fanahiny. (Romana 8:14-17). Ireo mpilaza ho mpanaraka ny Kristianisma tsara dia tsara ireo dia afaka nitondra ny fahamarinana araka ny Baiboly tany amin’ny olona maro izay tonga Kristiana raha misy patsa teo aloha, na nahazo fahalalana ara-baiboly voafetra avy amin’ny Soratra Masina nadikan’ireo fikambanana ara-baiboly tany amin’ny fitambaran’ireo firenena lazaina fa kristiana, tamin’ny fiteniny. Marina tokoa fa nitohy ny fanangonana hazandrano tsara dia tsara, na dia tsy mendrika aza ny ankamaroan’ireo angonin’ny fitambaran’ireo firenena lazaina fa kristiana, araka ny fomba fitsaran’Andriamanitra.
15. Raha lazaina mazava, inona no asehon’ilay haratotarihina ao amin’ilay fanoharana?
15 Koa ilay haratotarihina àry dia mampiseho fitaovana iray eto an-tany izay milaza ho kongregasionan’Andriamanitra ary manangona hazandrano. Nahafaoka ny fitambaran’ireo firenena lazaina fa kristiana ary ny kongregasionan’ireo Kristiana voahosotra izy io, ka ity farany dia nanohy nanangona hazandrano tsara dia tsara, teo ambany fitarihana tsy hita mason’ireo anjely, mifanaraka amin’ny voalaza ao amin’ny Matio 13:49.
Manokana ny fotoana misy antsika
16, 17. Nahoana no lehibe aoka izany ho an’ny fanatanterahana ny fanoharan’i Jesosy momba ilay haratotarihina, ny fotoana misy antsika?
16 Aoka isika izao handinika ny fotoana tafiditra amin’izany. Nandritra ny taonjato maro, ilay fitaovana asehon’ilay haratotarihina dia nahangona hazandrano tsara dia tsara ary koa hazandrano tsy mendrika, na ratsy fanahy, maro. Avy eo dia tonga ny fotoana nanaovan’ireo anjely asa fanavahana lehibe dia lehibe iray. Oviana izany? Milaza mazava tsara ny andininy faha-49 (NW ) fa izany dia mandritra ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. Izany dia mifanitsy amin’izay nolazain’i Jesosy tao amin’ilay fanoharana momba ireo ondry sy osy, nanao hoe: “Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy.” — Matio 25:31, 32.
17 Noho izany, mifanaraka amin’ny Matio 13:47-50, dia nisy asa fanazavana lehibe dia lehibe iray nitohy natao teo ambany fitarihan’ireo anjely hatramin’ny nanombohan’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” tamin’ny 1914. Nanjary niharihary indrindra izany taorian’ny 1919, rehefa nafahana tamin’ny fanandevozana, na fahababoana, ara-panahy vetivety ireo sisa voahosotra ka nanjary fitaovana nandaitra kokoa mba hanatanteraka ilay asa fanaratoana.
18. Ahoana no nanangonana ireo hazandrano tsara dia tsara tao an-karona?
18 Inona no hanjo ireo hazandrano tsara dia tsara navahana? Milaza ny andininy faha-48 (NW ) fa ireo anjely mpanarato sady mpanavaka ireo dia “nanangona ny [hazandrano] tsara dia tsara ho ao an-karona, fa ny tsy mendrika dia nariany.” Ireo harona ireo dia fitoeran-javatra fiarovana fasiana hazandrano tsara dia tsara. Nitranga tamin’izao androntsika izao ve izany? Izany indrindra. Rehefa azo velona ireo hazandrano tsara dia tsara, dia nangonina ho ao anatin’ny kongregasionan’ireo Kristiana marina. Ireo kongregasiona oharina amin’ny harona ireo dia nanampy ho amin’ny fiarovana sy fanokanana azy ireo hanao fanompoana ho an’Andriamanitra, sa tsy izany ny fihevitrao? Kanefa mety hisy hieritreritra hoe: ‘Tsara dia tsara izany rehetra izany, kanefa inona no ifandraisan’izany amin’ny fiainako ankehitriny sy ny hoaviko?’
19, 20. a) Nahoana no zava-dehibe dia lehibe amin’izao andro izao ny fahazoana ny hevitr’io fanoharana io? b) Asa fanaratoana lehibe inona no natao nanomboka tamin’ny 1919?
19 Ny fanatanterahana izay nasehon’ilay fanoharana eto dia tsy voafetra ho tamin’ireo taonjato teo anelanelan’ny andron’ireo apostoly sy ny 1914. Nandritra izany fe-potoana izany, dia nanjary nanangona mpilaza ho mpanaraka ny Kristianisma marina sy sandoka, ilay fitaovana asehon’ilay haratotarihina. Eny, nanangona hazandrano tsy mendrika sy hazandrano tsara dia tsara izy io. Ankoatra izany, ilay asa fanavahana ataon’ireo anjely dia tsy nifarana tany amin’ny 1919 tany ho any. Tsia, tsy izany mihitsy. Amin’ny lafiny sasany, io fanoharana momba ilay haratotarihina io dia azo ampiharina hatramin’izao andro misy antsika izao. Tafiditra amin’izany isika ary toy izany koa ny hoavintsika. Tena ilaintsika indrindra ny mahatakatra hoe amin’ny fomba ahoana ary nahoana no izany no izy, raha tiantsika hilazalaza momba antsika ny teny hoe: “Sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre” noho ny fahatakaran-javatra. — Matio 13:16.
20 Azo inoana fa fantatrao fa taorian’ny 1919, ireo sisa voahosotra dia nisahirana tamin’ny asa fitoriana ho fiaraha-niasa tamin’ireo anjely, izay nanohy nampiasa ilay haratotarihina ara-panoharana mba hitarihana hazandrano ho eo amin’ny torapasika, ka hanavahana ireo tsara dia tsara amin’ireo tsy mendrika. Ireo antontan’isa tamin’izany vanim-potoana izany dia mampiseho fa ny fahazoana ireo hazandrano tsara dia tsara hohosorana amin’ny fanahin’Andriamanitra dia nitohy hatrany teo am-panangonan’ilay harato ara-panoharana ireo farany anisan’ireo 144 000. (Apokalypsy 7:1-4). Rehefa tonga teo antenatenan’ireo taona 1930 anefa, dia nifarana, raha ny tena izy, ny fanangonana ireo hazandrano tsara dia tsara hohosorana amin’ny fanahy masina. Moa ve tamin’izay ny kongregasionan’ireo sisa voahosotra dia hanipy ilay harato, raha azo atao ny milaza izany, ka hipetra-potsiny, ary hiandry fotsiny ny valisoany any an-danitra? Tsy izany velively!
Tafiditra ao amin’ilay fanaratoana ianao
21. Fanaratoana hafa inona no nitranga tamin’izao androntsika izao? (Lioka 23:43)
21 Ny fanoharan’i Jesosy momba ilay haratotarihina dia nifantoka tamin’ireo hazandrano tsara dia tsara izay homena toerana ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra ho valisoa. Kanefa, ankoatra io fanoharana io, dia misy fanaratoana ara-panoharana hafa iray mitranga amin’ny ambaratonga lehibe, araka ny nasehon’ilay lahatsoratra teo aloha. Izany fanaratoana izany dia tsy atao mba hahazoana ireo hazandrano tsara dia tsara voahosotra voalaza ao amin’ny fanoharan’i Jesosy akory, fa mba hahazoana velona hazandrano ara-panoharana izay homena ny fanantenana mahatalanjona ny hiaina eto an-tany paradisa. — Apokalypsy 7:9, 10; ampitahao amin’ny Matio 25:31-46.
22. Fiafarana mahafaly inona no mety ho azontsika, ary zavatra hafa faharoa inona no azo fidina?
22 Raha manana izany fanantenana izany ianao, dia ho faly fa namela ny asa fanaratoana famonjena aina hitohy hatramin’izao i Jehovah. Izany dia nahatonga anao hahazo fahatsinjovan-javatra mahatalanjona. Fahatsinjovan-javatra hoe? Eny, izany no teny mifanentana tsara, satria ny ho fiafarana dia ho araka ny hitohizan’ny fahatokiantsika eo anatrehan’Ilay mitarika ilay ezaka fanaratoana mandroso hatrany. (Zefania 2:3). Tsarovy avy amin’ilay fanoharana fa tsy ireo hazandrano tarihin’ilay haratotarihina rehetra akory no hahazo fiafarana tsara. Nilaza i Jesosy fa ireo tsy mendrika, na ratsy fanahy, dia havahana amin’ireo marina. Mba hatao inona? Ao amin’ny Matio 13:50, i Jesosy dia nilazalaza ny amin’ny ho vokany lehibe hihatra amin’ireo hazandrano tsy mendrika, na ratsy fanahy. Hatsipy ao amin’ny fandoroana lehibe mirehitra afo, izay midika ho fandringanana mandrakizay, izy ireo. — Apokalypsy 21:8.
23. Inona no maha-tena zava-dehibe ilay asa fanaratoana amin’izao andro izao?
23 Ho an’ireo hazandrano tsara dia tsara voahosotra, ary koa ho an’ireo hazandrano ara-panoharana izay mety hiaina mandrakizay eto an-tany, dia misy hoavy be voninahitra miandry azy ireo. Misy antony tsara àry ny anaovan’ireo anjely izay hanatontosana asa fanaratoana amim-pahombiazana manerana ny tany amin’izao fotoana izao mihitsy. Ary manao ahoana moa ny hazandrano ara-panoharana azo amin’izany! Tsy ho diso ianao raha milaza fa, amin’ny heviny iray, izany dia fahazoana hazandrano amin’ny alalan’ny fahagagana mitovy tsy misy hafa amin’ilay azon’ireo apostoly fony izy ireo nandatsaka ny haratony ho fanarahana ny toromarik’i Jesosy.
24. Inona no tokony ho tiantsika hatao raha ny amin’ilay fanaratoana ara-panahy?
24 Moa ve ianao mandray anjara amim-paharisihana araka izay azonao atao amin’io asa fanaratoana ara-panahy famonjena aina io? Na manao ahoana na manao ahoana haben’ny anjara noraisintsika isam-batan’olona hatramin’izao, ny tsirairay avy amintsika dia mandray soa amin’ny fijerena izay tontosaina maneran-tany amin’io asa lehibe fanaratoana sy famonjena aina io izay eo am-panaovana azy ankehitriny. Ny fanaovana izany dia tokony handrisika antsika hanana zotom-po bebe kokoa ihany mba handatsaka ireo harato hahazoana hazandrano mandritra ireo andro eo anoloantsika! — Ampitahao amin’ny Matio 13:23; 1 Tesaloniana 4:1.
Tsaroanao ve Ireto Hevitra Ireto?
◻ Inona no asehon’ireo karazana hazandrano roa ao amin’ny fanoharan’i Jesosy momba ilay haratotarihina?
◻ Amin’ny heviny ahoana ireo fiangonana ao amin’ny fitambaran’ireo firenena lazaina fa kristiana no tafiditra tao amin’ilay asa fanaratoana?
◻ Nahoana no zava-dehibe aoka izany ilay fanaratoana mitranga amin’izao androntsika izao?
◻ Tokony hitarika ny tsirairay avy amintsika hanao karazana fandinihan-tena inona ilay fanoharana momba ilay haratotarihina?
[Sary, pejy 18]
Natao nandritra ny taonjato maro ny asa fanaratoana teo amin’ny Ranomasin’i Galilia
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.