Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Novalian-tsoa tamin’ny fampianarana feno kokoa
AVY nanazava ny fanoharana ny amin’ny mpamafy tamin’ny mpianany i Jesosy, nefa ireo dia ta-hahalala bebe kokoa. “Lazao aminay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny tsimparifary tany an-tanimbary”, hoy ny fangatahan’izy ireo.
Ny toe-tsain’ireo mpianatra dia hafa tanteraka noho ny an’ny vahoaka teo amoron-dranomasina. Ireny olona ireny dia tsy mba nampiseho faniriana mirehitra hahafantatra ny hevitr’ireo fanoharana; nianina tamin’ny hevi-dehiben’izay raiketiny fotsiny izy ireo. Mampifanohitra ireo mpihaino azy teo amoron-drano amin’ireo mpianany ta-hahafanta-javatra i Jesosy raha nilaza hoe:
“Araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza hianareo”. Koa satria ireo mpianatra naneho tamin’i Jesosy fahalianana mirehitra sy fitandremana mafy, izy dia namaly soa azy ireo tamin’ny fanomezana azy ireo fampianarana feno kokoa. Ho valin’ny fangatahan’ireo mpianany, Jesosy àry dia manazava toy izao:
“Ny Mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’olona; ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana; ny tsimparifary dia ny zanak’ilay ratsy; ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly; ny fararano dia ny fahataperan’izao tontolo izao; [Fifaranan’ny fandehan-javatra, MN ] ary ny mpijinja dia anjely”.
Rehefa avy namaritra izay rehetra mahaforona ny fanoharany, Jesosy dia nanatsoaka lesona avy amin’izany. Amin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra, hoy izy, “ny mpijinja”, izany hoe ny anjely, dia hanavaka ireo kristiana sandoka, ampitahaina amin’ny tsimparifary, amin’ny tena “zanaky ny fanjakana”. “Ny zanak’ilay ratsy” dia homarihina ho amin’ny fandringanana, fa ny zanaky ny Fanjakan’Andriamanitra kosa, “ny marina”, dia hamirapiratra ao amin’ny Fanjakan’ny Rainy.
Avy eo Jesosy dia mamaly soa ny fahalianan’ny mpianany hahafanta-javatra amin’ny fampisehoana amin’izy ireo fanoharana vaovao telo. Izao no nambarany voalohany: “Ny fanjakan’ny Lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan’olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany”.
Notohizany toy izao: “Ny fanjakan’ny Lanitra dia tahaka ny mpandranto anankiray izay nikatsaka vatosoa; ary rehefa nahita vatosoa iray sarobidy izy dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy”.
Jesosy mihitsy aza dia mba mitovy tamin’ilay lehilahy nahita harena nafenina sy tamin’ilay mpandranto izay nahita vatosoa sarobidy. Toy ny hoe nivarotra ny zava-drehetra izy: izy dia nandao ny toerana ambony notanany tany an-danitra mba hahatongavana ho olombelona manetry tena. Avy eo, nandritra ny fiainany tamin’ny naha-olona teto an-tany, dia niaritra fanalam-baraka sy fanenjehana feno fankahalana izy; nasehony tamin’izany fa izy dia mendrika ny ho Filohan’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Mahita fanaingana hivarotra ny zava-drehetra toy izany koa ireo mpianatr’i Jesosy, mba hahazoana ny valisoa lehibe na hanjaka miaraka amin’i Kristy, na ho iray amin’ny vahoakan’ilay Fanjakana eto an-tany. Moa ve heverintsika fa ny toerana iray ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra dia sarobidy kokoa noho ny zavatra hafa na inona na inona, mihoatra noho ny harena tsy hay tombanana sy vatosoa sarobidy?
Farany, Jesosy dia nampitaha ny “Fanjakan’ny Lanitra” tamin’ny harato-tarihina izay nahavory hazandrano samy hafa karazana rehetra. Rehefa nofantenana ireo hazandrano, izay tsy azo nampiasaina dia nariana, fa ny tsara kosa notehirizina. Araka izany, Jesosy dia manamafy, fa ho tahaka izany no hatao amin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra; ny anjely dia hanavaka ny ratsy fanahy amin’ny marina, ary hanokana ny ratsy fanahy ho amin’ny fandringanana.
Jesosy mihitsy no nanomboka io fanjonoana io, tamin’ny fanasana ireo mpianany voalohany ho tonga “mpanarato olona”. Eo ambany fanaraha-mason’ny anjely, dia mitohy mandritra ireo taonjato ny fanjonoana. Farany dia tonga ny fotoana hisarihana ilay “harato-tarihina”, izay mampiseho ny fandaminana rehetra milaza tena ho kristiana eto an-tany.
Na dia voatokana ho amin’ny fandringanana aza ireo hazandrano tsy azo ampiasaina, dia soa ihany fa azo isaina ho anisan’ny hazandrano tsara notehirizina isika. Raha toa isika, tahaka ireo mpianatr’i Jesosy, ka maneho faniriana mafy hianatra sy hahatakatra bebe kokoa, Andriamanitra dia hamaly soa antsika amin’ny fanomezana antsika tsy fampianarana feno kokoa fotsiny, fa fiainana mandrakizay koa. Matio 13:36-52; 4:19; Marka 4:24, 25.
◆ Amin’ny ahoana ireo mpianatra no hafa noho ny vahoaka tafavory teo amoron-dranomasina?
◆ Iza na inona no asehon’ny mpamafy, ny saha, ny voa tsara, ny fahavalo, ny fararano sy ny mpijinja?
◆ Inona avy ireo fanoharana vaovao telo nomen’i Jesosy, ary mampianatra inona antsika izy ireo?