Misy Fomba Hialan’ny Olombelona Amin’ny Maha-mpanota Azy Ve?
NANADIO toerana fivoaham-bahoaka tany amin’ny tanàna iray 600 km niala avy tao an-tranony i Chisako, niaraka tamin’ireo zanany efatra efa zatovo. Teo am-panaovana izany izy dia nihirahira sutra iray [tantara bodista] izay tsy azony ny dikany. Izany dia iray amin’ireo fombafomba fanaon’ny antokom-pivavahana mitady hahita ny tena votoatin’ny fivavahana rehetra.
“Na dia teo aza ireo fombafomba fitondrana mafy ny tena natao tsy an-kijanona”, hoy ny tsaroan’i Chisako, “dia tsy afaka nanova ny toetrako aho. Tao am-poko lalina tao, dia tsy afaka namela heloka ny hafa aho ary tsy afaka naneho fitiavana noho ny antony manosika feno fahatsorana.”
Tsy mahazo veroka ny amin’izay fahotana ampianarin’ny Baiboly ny ankamaroan’ny olona any amin’ireo tany any Atsinanana. Na dia any aza anefa, dia maro any amin’ireny tany ireny, no enjehin’ny fieritreretany noho ny fironany hanota, sahala amin’i Chisako. (Romana 2:14, 15). Iza moa no tsy hahatsiaro tena ho hafahafa rehefa tsy naneho hatsaram-panahy tamin’olona iray ao anatin’ny toe-javatra mampahonena, na iza no tsy hahatsapa nenina mahakivy noho ny teny izay tokony tsy ho notononina mihitsy? (Jakoba 4:17). Ary moa ve ny fialonana, izay biby mahatsiravina, tsy mamitsaka ao anatin’ny tanora tsy misy hafa amin’ny antitra?
Nahoana ny olona no azon’ny tsy filaminan-tsaina toy izany? Satria, na mahatakatra izany izy na tsia, izy ireo dia manana fahatsapana raikitra ao anatiny ny amin’izay ratsy, dia ny ota. Tsy azo lavina fa, na mahafantatra ny fampianaran’ny Baiboly momba ny fahotana ny olona na tsia, dia misy akony eo amin’ny rehetra ny fironana hanota. Nanao izao famaranan-kevitra izao indray mandeha ny manam-pahaizana manokana iray momba io foto-kevitra io: “Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra.” — Romana 3:23.
Azo kosehina hiala ve ny ota?
Olona maro amin’izao andro izao, indrindra fa ireo ao amin’ny fitambaran’ireo firenena lazaina fa kristiana, no milofo mikosoka tsy ho ao amin’ny fieritreretany ny fahatsiarovan-tena ho nanota na ho meloka. “Ilay teny hoe ‘ota’ mihitsy (...) no saiky nanjavona tanteraka”, hoy i Dr. Karl Menninger ao amin’ny bokiny hoe Fa naninona ny ota? (anglisy). Kanefa, ny fandosirana ny teny hoe “ota” dia tsy mitondra ho aiza akory toy ny lehilahy be taona iray manalavitra ny teny hoe “antitra”. Tokony hatrehintsika ilay zava-misy hoe: manana fironana hanota isika ary mila ny hovonjena avy amin’izany toe-javatra mampahory izany. Hovonjen’iza anefa?
Nanao izany fanontaniana izany i Paoly, apostoly kristiana, rehefa avy niaiky ny fironan’ny tenany hanota na dia tsy naniry hanao izany aza izy: “Indrisy! Olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity?” Avy eo i Paoly dia namaly hoe: “Misaotra an’Andriamanitra aho amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.” Nahoana? Satria Andriamanitra nanao fandaharana mba hamelana ny fahotana amin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Jesosy. — Romana 7:14-25.
Maro amin’ireo 3 500 000 000 tsy Kristiana eo amin’izao tontolo izao anefa (avo roa heny noho ny isan’ireo antsoina hoe Kristiana) no mahita fa tena sarotra takarina ny hevitra momba ny avotra. Ny fampianarana ny amin’ny avotra, ohatra, dia tonga vato nahatafintohina lehibe indrindra ho an’ny Miozilimanina iray miaina any Japana izay nianatra ny Baiboly nandritra ny fotoana kelikely. Ho an’ny Tatsinanana maro, dia tsy mahazatra ilay hevitra hoe afaka ny ho faty ho an’ny rehetra ny lehilahy iray.
Mora ny mahatakatra izany, satria na dia ny olona sasany ao amin’ny fitambaran’ireo firenena lazaina fa kristiana aza dia mahita fa tsy mora azo io fampianarana fototra io. Miaiky ny New Catholic Encyclopedia fa “ny teôlôjia momba ny Fanavotana, dia tsy mbola vita amin’ny lafiny sasany, ary mbola mitoetra ho zava-manahirana ao amin’ny teôlôjia.”
Ny fitaran’ilay tsy fahazoan-kevitra momba io fampianarana io dia voazava tsara ao amin’ireo teny nataon’ilay mpanoratra ara-pivavahana atao hoe N. H. Barbour: “Ny fahafatesan’i Kristy dia tsy mandamina ilay sazy noho ny fahotan’olombelona toy ny tsy hiheveran’ny ray aman-dreny olombelona fa handamina ny fitondrantena ratsy nataon’ny zanany ny fanindronana amin’ny paingotra ny vatan’ny lalitra iray ary ny fanaovana izay hijaliany sy hahafatesany.” I Charles T. Russell, izay niara-niasa tamin’i Barbour tamin’izay, dia nahita fa nilaina maika ny hiarovana ny fampianarana ny amin’ny avotra. Nisaraka tamin’i Barbour izy, ary tamin’ny 1879, dia nanomboka namoaka gazety vaovao iray izy, gazety izay tatỳ aoriana dia nanjary ity gazety vakinao ity. Hatrany am-piandohany Ny Tilikambo Fiambenana dia mpiaro ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy.
Moa ve anefa io fampianarana io mety ho azo ekena eo amin’ireo tsy nahazo fitaizana “kristiana”? Mba hahitana izany, dia aoka hodinihintsika akaiky io fampianarana ny amin’ny lehilahy iray maty ho an’ny rehetra io.