FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 15/6 p. 4-7
  • Avotra Misolo ny Maro

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avotra Misolo ny Maro
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanaronana sy famotsorana
  • Avotra mifanandrify
  • Olona iray ho solon’ny maro
  • Ny fandaharana ny amin’ny avotra sy ny tenanao
  • Avotra mifanandrify ho an’ny rehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Nanome “Vidim-panavotana ho Takalon’ny Olona Maro” i Jehovah
    Manatòna An’i Jehovah
  • Ny Vidim-panavotana no Fanomezana Tsara Indrindra
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Fanomezana avy Amin’Andriamanitra ny Vidim-panavotana
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 15/6 p. 4-7

Avotra Misolo ny Maro

TAMIN’NY 31 Martsa 1970, dia nisy nanodinkodina ny fiaramanidina iray mpitatitra olona any akaikin’ny Tendrombohitra Fuji, any Japana. Ny mpikambana sivy tamin’ny antoko iray fantatra tamin’ny anarana hoe Antokon’ny Tafika Mena Japone dia naka an-keriny mpandeha maherin’ny 120 ary ny mpanamory sy ny mpiara-miasa aminy ho takalon’aina, ary notakin’izy ireo ny hanaovana dia tsy nisy arakaraka nankany Korea Avaratra.

Rehefa niantsona tao Séoul, any amin’ny Repoblikan’i Korea, ilay fiaramanidina, dia nanolo-tena hanao vy very ny ainy ho an’ireo nohazonina ho babo i Shinjiro Yamamura, minisitra lefitry ny fitaterana japone. Rehefa nanaiky azy ho antoka fiarovana azy ireo ireto mpanodinkodina fiaramanidina, dia namotsotra ireo takalon’aina rehetra afa-tsy ny mpanamory. Avy eo dia nisidina nankany Pyongyang izy ireo, ka tany dia nitolo-batana tamin’ireo manam-pahefana tao Korea Avaratra izy ireo. Tatỳ aoriana dia niverina tany Japana tsy naninon-tsy naninona i Atoa Yanamura sy ilay mpanamory.

Tamin’io toe-javatra io, ny olona iray dia nampiasaina ho solon’ny ain’ny takalon’aina maherin’ny 120. Mety hanampy antsika izany hahita ny fomba nahafahan’ny olona iray nanome ny ainy ho avotra hisolo ny maro. Mba hahatakarana ilay fampianaran’ny Baiboly ny amin’ny avotra anefa, dia tsy maintsy mandinika io foto-kevitra io amin’ny antsipiriany kokoa isika.

Voalohany, dia ilaintsika ny mandinika amin’ny antsipiriany ny fiavian’ny ota. “Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” (Romana 5:12). Ahoana no nitrangan’izany? Ilay olona iray voalaza eto dia i Adama, ilay olombelona noharìna voalohany. Azonao vakina ny fitantarana marina ny amin’ny famoronana azy sy izay nitarika ho amin’ny fananany tsiny teo anatrehan’ny fari-pitsipik’Andriamanitra. Voarakitra ao anatin’ireo toko telo voalohany amin’ny bokin’ny Genesisy ao amin’ny Baiboly izany.

Ahariharin’izany fitantarana izany fa nisy mpampirisika tsy tazana tao fony i Adama nanota voalohany. Mba hanomezana fahafaham-po ny filan-dratsiny hahazo fahefana, izany mpampirisika izany dia nanao tetika mba hanapahana an’i Adama sy izay mety ho taranany. Ilay mpampirisika dia i Satana Devoly. Antsoina koa hoe “ilay menarana ela” izy io noho ny nampiasany menarana iray tamin’ny fitarihana an’i Adama hanota. (Apokalypsy 12:9). Na dia nasain’ilay Mpamorona tia ny olombelona nohajain’i Adama aza ny zony hanapaka izay tsara sy izay ratsy, dia notaomin’ilay menarana tamim-pitaka mba tsy hankatò an’Andriamanitra i Eva, vadin’i Adama. Avy eo i Eva dia nitaona ny vadiny tsy hankatò. Tamin’izany fomba izany no nanambaran’i Adama ny tsy fiankinany tamin’Andriamanitra, sy ny nahatongavany ho mpanota an-tsitrapo, ary ny tsy nahafahany namindra tamin’ny taranany afa-tsy izany karazam-piainana izany.

Mbola mizaka ny vokatr’izany isika. Amin’ny fomba ahoana? Namoaka didy ara-drariny ny Mpamorona fa, raha mifidy ny tsy hankatò an-tsitrapo i Adama sy Eva, ny vokany dia ho ny fahafatesana. Tamin’ny nanotany àry, dia namidin’i Adama ho andevon’ny ota sy ny fahafatesana ny taranak’olombelona iray manontolo. — Genesisy 2:17; 3:1-7

Ahoana no nahafahana nanavotra ny taranak’olombelona tamin’izany toeran’ny mpanota misy azy izany? Tonga teto an-tany i Jesosy Kristy mba “hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro”, ary nanokatra lalana mba hanavotana ny taranak’olombelona izany. — Matio 20:28.

Fanaronana sy famotsorana

Asehon’ny Baiboly fa ny fomba fanavotana ny taranak’olombelona dia mahafaoka dingana roa: 1) fividianana indray izay efa lafo, ary 2) famotsorana. Mikasika ilay teny grika (lyʹtron) nadika hoe “avotra”, dia nanoratra toy izao ilay manam-pahaizana momba ny Baiboly atao hoe Albert Barnes: “Ny teny hoe avotra dia midika ara-bakiteny hoe vidiny aloa ho fanavotana babo. Amin’ny ady, rehefa azon’ny fahavalo ireo babo an’ady, dia antsoina hoe avotra ilay vola notakina mba hamotsorana azy ireo; izany hoe, izany no fitaovana hanomezana azy ireo fahafahana. Koa na inona na inona mamotsotra olona amin’ny fanasaziana na amin’ny fahoriana, na amin’ny ota, dia antsoina hoe avotra.”

Eny, “na inona na inona mamotsotra olona” dia azo lazaina hoe lyʹtron. Koa io teny grika io dia mampisongadina ny fanaovana na ny fomba fiasa amin’ny famotsorana.a

Nampiasa ilay teny mitovy fiaviana hoe an·tiʹly·tron ny apostoly Paoly mba hanantitranterana ny hasarobin’ny vidiny naloa ho avotra. Ao amin’ny 1 Timoty 2:6 (NW) izy dia nanoratra fa “nanolotra ny tenany [i Jesosy]” ho “avotra mifanandrify ho an’ny rehetra”. Raha nanazava izany ny Greek and English Lexicon to the New Testament ­nataon’i Parkhurst, dia nilaza hoe: ­“Midika indrindra izy io hoe vola izay anavotana ireo babo any amin’ny fahavalo; ary ao amin’izany karazana fifanakalozana izany, ny ain’olona iray dia navotana tamin’ny alalan’ny ain’ny iray hafa.” Antitranterina eto ny fifanandrifian’ny karazany na ny hery mandaitra ananan’ny vidin’ny avotra naloa mba hampifandanjana ny mizanan’ny rariny. Ahoana no ahafahana mihevitra ny sorom-panavotana nataon’i Jesosy ho “avotra mifanandrify”?

Avotra mifanandrify

Namidin’i Adama tamin’ny fahotana sy ny fahafatesana ny olombelona rehetra, anisan’izany isika. Ny vidiny, na ny sazy, naloany dia ny ain’olombelona tanteraka nananany, miaraka amin’ny fahafahana ny hiaina mandrakizay. Mba hanaronana izany, dia tsy maintsy naloa ny ain’olombelona tanteraka hafa iray — avotra mifanandrify iray. Tsy nisy anefa olona naterak’olombelona tsy tanteraka afaka nanome ilay ain’olombelona tanteraka nilaina. (Joba 14:4; Salamo 51:5). Noho ny fahendreny anefa, Andriamanitra dia nanokatra lalana ivoahana amin’izany toe-javatra sarotra izany. Nafindrany tao an-kibon’ny virijiny iray ny aina tanteraky ny Zanany lahitokana avy tany an-danitra, ka namela azy hateraka ho olombelona tanteraka izy. (Lioka 1:30-38; Jaona 3:16-18). Tsy tantara namboamboarina mba hanandratana ny mpanorina fivavahana iray akory io fampianarana ny amin’ny niterahan’ny virijiny an’i Jesosy io. Izy io kosa dia manazava dingana mifandrindra tsara eo amin’ny fanomezan’Andriamanitra ny avotra.

Mba hanatanterahana ilay fanavotana, dia tsy maintsy nitana ny tantaram-piainany ho madio i Jesosy nandritra ny fotoana rehetra naha-teto an-tany azy. Nataony izany. Avy eo dia maty natao sorona izy. Tamin’izany fomba izany no nandoavan’i Jesosy ilay vidin’ny ain’olombelona tanteraka nananany ho avotra hamonjena ny taranak’olombelona. (1 Petera 1:19). Koa afaka miteny marina àry isika fa “maty ny Anankiray hamonjy ny olona rehetra”. (2 Korintiana 5:14). Eny, “tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.” — 1 Korintiana 15:22.

Olona iray ho solon’ny maro

Tamin’ilay fanodinkodinana fiaramanidina voalaza tetsy aloha, dia tsy nanana fomba nanafahany tena ireo takalon’aina, na dia nanan-karena aza izy ireo. Nilaina ny fanampiana avy tany ivelany, ary ilay lehilahy natao takalo dia tsy maintsy nameno fepetra sasany. Marina amin’ny fomba lalina kokoa izany zavatra izany raha ny amin’ilay avotra nilaina mba hanavotana ny taranak’olombelona. Nanoratra toy izao ny mpanao salamo: “Izay (...) mirehareha amin’ny haben’ny fananany? Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’Andriamanitra izay avony (fa sarotra avotra ny ainy, ka tsy azo atao mandrakizay)”. (Salamo 49:6-8). Mazava ho azy fa ilaina ny fanampiana avy any ivelany ho an’ny taranak’olombelona. Ho ampy ny ain’olona iray mba hanavotana ny taranak’olombelona raha toa izy io ka mahafeno ireo fepetra takina mba hampifandanjana ny mizanan’ny rariny araka an’Andriamanitra. I Jesosy Kristy no hany olombelona tanteraka nahafeno ireo fepetra notakina.

Nanome izay hamonjena ny taranak’olombelona i Jehovah Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fandoavan’i Jesosy Kristy ny avotra. Nanao zavatra mihoatra noho izany anefa Andriamanitra. Nomelohiny ho faty i Satana Devoly, dia ilay nitarika ny taranak’olombelona ho amin’ny fahotana. (Apokalypsy 12:7-9). Tsy ho ela Andriamanitra dia hanagadra io meloka io ary amin’ny farany dia hanatanteraka ny didim-pitsarany amin’ny ‘fanipazana azy ao amin’ny farihy afo sy solifara’, izay mampiseho fandringanana mandrakizay. (Apokalypsy 20:1-3; 7-10, 14). Amin’ny fanafoanana io zavaboary ara-panahy ratsy toetra io sy amin’ny fampiharana ny avotra, ny taranak’olombelona dia hahazo fanafahana, tsy amin’ny vahohon’ny fahotana sy ny fahafatesana fotsiny, fa amin’ny fitaoman’i Satana koa. Rehefa nafahana toy izany sy noho ny fampiharana amin’ny fomba feno ny sorom-panavotan’i Kristy, ny taranak’olombelona mpankatò dia handroso ho amin’ny fahatanterahan’olombelona.

Ny fandaharana ny amin’ny avotra sy ny tenanao

Noho ny fianarany ny amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy, dia Tatsinanana maro no nankasitraka lalina izay nataon’Andriamanitra ho azy ireo. Ohatra ny amin’izany i Kazuo. Ny fiainany dia nifantoka tamin’ny fitrohana ranon-javatra fanampohana loko (diluant) sy fidorohana tamin’izany. Rehefa nitondra fiarakodia teo ambanin’ny herin’izany izy dia nanimba imbetsaka ny fiarany. Ny telo tamin’ireo namany dia namono tena rehefa avy nanamontsana ny fahasalamany. Nanandrana namono tena koa i Kazuo. Tatỳ aoriana dia nanomboka nianatra ny Baiboly izy. Natosiky ny fahamarinana izay nianarany izy ka nanapa-kevitra ny hanadio ny fiainany. Niady mafy tamin’ny fahazarany nanimba ny vatany tamin’ny ranon-javatra fanampohana loko izy, ary maro ny fahalavoana indray. Voatery teo anelanelan’ny filan’ny nofony sy ny faniriany hanao ny tsara izy. Toy inona moa ny hafaliany afaka nangataka tamin’ny vavaka famelan-keloka noho ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy! Tamin’ny alalan’ny vavaka sy noho ny fanampiana avy tamin’ny namana Kristiana, dia nandresy ny fahazaran-dratsiny i Kazuo ary izao izy dia manompo an’i Jehovah amin’ny maha-minisitra falifaly manana fieritreretana madio.

Tsaroanao ve i Chisako, izay voalaza teo am-piandohan’ilay lahatsoratra teo aloha? Tamin’ny fianarana ny Baiboly koa dia nanjary takany ilay fandaharana feno fitiavana momba ny avotra. Voatohina lalina izy rehefa nianatra fa nomen’Andriamanitra ny Zanany mba hanafaka ny olombelona amin’ny fahotana. Nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah i Chisako. Na dia amin’izao fotoana izao aza, eo amin’ny faha-77 taonany, dia mandany eo amin’ny 90 ora eo ho eo isam-bolana izy mba hiresahana amin’ny hafa ny amin’ny fitiavana lehibe sy ny hatsaram-panahy ho an’izay tsy mendrika akory asehon’i Jehovah.

Tokony ho zava-dehibe aminao koa ny avotra. Amin’ny alalan’izy io no hanokafan’Andriamanitra lalana ho an’ny fahafahana marina ho an’ny taranak’olombelona — fahafahana amin’ny ota sy ny fahafatesana. Hoavy malaza hisian’ny fiainana mandrakizay eo amin’ny tany tonga paradisa no eo anoloan’ireo izay manaiky ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. Ataovy re izay ifandraisanao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah e, ary diniho manokana ny fomba hahazoanao fahafahana amin’ny fahotana sy ny fahafatesana amin’ny alalan’ny fandaharana momba ny avotra.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ao amin’ny Soratra Hebreo, ny pa·dhahʹ sy ireo teny mitovy fiaviana aminy dia adika hoe “manavotra” na “volan’ny fanavotana”, ka mampisongadina ny famotsorana izay tafiditra amin’izany. — Deoteronomia 9:26.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 5]

Courtesy of the Mainichi Shimbum

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara