Ny Fitanana Tsy Fivadihana Kristiana any Liberia Rotidrotiky ny Ady
Notantarain’ny olona iray nanatri-maso tany
“REHEFA miady ireo elefanta, dia mahita faisana koa ny bozaka.” Tena mamintina tsara izay nitranga nandritra ny ady vao haingana tany Liberia io ohabolana afrikana tandrefana io! Olona 20 000 teo ho eo no namoy ny ainy, ary antsasaky ny mponina 2, 6 tapitrisa tao amin’ilay tany no nifindra monina. Tsy miaramila ny ankamaroan’ireo niharam-pahavoazana; izy ireo no “bozaka” — lehilahy sy vehivavy ary ankizy, tsy nanan-tsiny.
Rehefa nipoaka ny ady tamin’ny Desambra 1989, ireo Vavolombelon’i Jehovah efa ho 2 000 any Liberia dia mbola nifaly noho ny fitomboana isa haingana ary nibanjina ny hoavy tamim-patokiana. Nampalahelo fa anisan’ny ‘bozaka nahita faisana’ izy ireo.
Ny fitaran’ny ady
Nanomboka teo amin’ny sisin-tany iombonan’i Liberia amin’i Côte d’Ivoire ny ady ary tsy ela ireo mpitsoa-ponenana dia nanomboka nandositra nankany an-drenivohitra, any Monrovia, tanàna misy mponina maherin’ny dimy hetsy. Nanomboka tamin’ny Martsa ka hatramin’ny May 1990, rehefa nandroso nianatsimo ny ady, dia nafindra toerana niala tany Ganta aloha ireo misionera Vavolombelon’i Jehovah, ary avy eo niala tany Gbarnga. Anisan’ireo mponina farany nandao izany tanàna izany izy ireo. Nahatratra ny fara heriny ny ady rehefa nandroso nankany Monrovia ny tafika nitam-piadiana tamin’ny 2 Jolay 1990.
Tsy nisy olona voaomana ho amin’ireo horohoro nanaraka izany. Tafika telo samy hafa no nifamely tamin’izany teny amin’ny arabe, ary nampiasa basy sy tafondro, fioze ary grenady atsipy. Ireo izay tsy maty noho izy ireo anisan’ny foko iray ankahalaina, dia nampiharana famelezana sy natao haza lambo tsy ankiato. Indray alin’ny Aogositra, dia nisy lehilahy sy vehivavy ary ankizy maherin’ny 600 nitady fialofana tao amin’ny fiangonana loteranin’i Md. Piera, notifirin’ny antoko miaramila lian-dra iray.
An-jatony maro no nandositra ny ady, tsy nitondra afa-tsy izay teny an-kodiny fotsiny. Nisy fianakaviana maro tafasaraka, ary tsy afaka nihaona nandritra ny volana maromaro taorian’izay. Toa nifindra fonenana ny mponina manontolo tao Monrovia, ny tranon’izy ireo dia foana ary nitoeran’ny miaramila sy ny mpitsoa-ponenana izay nandositra avy tany amin’ny faritra hafa amin’ilay tanàna. Maherin’ny antsasaky ny mponin’i Monrovia no nifindra monina. Namoy izay rehetra nananany ary koa havana iray tao amin’ny fahafatesana, fara fahakeliny, ny ankamaroany. Ny sasany namoy betsaka kokoa.
Tonga ratsy sy nanahirana aoka izany ny toe-draharaha, hany ka tany afrikana tandrefana dimy hafa no nandefa miaramila mba hanandrana hamerina ny fandriampahalemana. Hatramin’ny faran’ny Oktobra 1990, dia nifarana tsikelikely ny ankamaroan’ireo ady. Nefa avy eo, ny fandrahonan’ny mosary dia nanaloka ilay tanàna rava toy ny lambamena iray. Nanao tatitra ireo masoivoho mpanampy fa tamin’ny fotoana iray, dia saika ny ampahatelon’ny ankizy monroviana latsaka ny dimy taona no tsy ampy sakafo ary maherin’ny zato ny olona maty noho ny hanoanana isan’andro. Nahatonga ny toe-draharaha ho sarotra kokoa ireo mpanararaotra; maro be no nangalatra ny vary nomena ho fanampiana ary avy eo dia nivarotra izany 20 dôlara mahery ny kapoaka. Nisy tokoa ireo aretina, indrindra fa ny kôlerà, satria rava tanteraka ny sampandraharahan’ny tanàna momba ny rano sy ny fitandremam-pahasalamana ary ny aratra.
Nijaly mafy koa ireo Vavolombelon’i Jehovah arivo teo ho eo nonina tao Monrovia. Nandositra niala ny tanàna ny ankamaroany ary lasa nankany ambanivohitra, fa ny hafa kosa lasa nandeha an-tsambo nankany Ghana sy Nizeria, na nandeha an-tanety nankany Côte d’Ivoire na Sierra Leone. Nanomboka tamin’ny Jolay ka hatramin’ny Desambra 1990, dia Vavolombelona maherin’ny 30 no namoy ny ainy. Ny sasany matin’ny basy, ary ny hafa kosa maty vokatry ny aretina sy ny hanoanana. Niharihary fa anisan’ireo maty tamin’izany i Alan Battey sy i Arthur Lawson, misionera amerikana nahazo diplaoma avy ao amin’ny Sekoly fampiofanana ho amin’ny fanompoana. Ary toy inona moa ny fampiononana ateraky ny fanantenana miorina ao amin’ny Baiboly momba ny fananganana ny maty ho antsika izay namoy havana na namana nandritra izany fotoana nahatsiravina izany! — Asan’ny apostoly 24:15.
Firahalahiana kristiana eo am-perinasa
Rehefa nanohy nirongatra ny ady, dia maro be tamin’ireo Vavolombelona nifindra monina no nidodododo nitady fialofana tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy tany amin’ny tranon’ny misionera iray tany amin’ny faritra hafa amin’ilay tanàna. Ny sasany nitady fiarovana satria anisan’ny foko iray vonoin’ny miaramila ao amin’ilay faritra. Ny ankamaroany dia nomena fanendrena hiasa tao amin’ny sampana ary tena nilaina ireo mba hanampy teo amin’ny fahandroan-tsakafo sy ny fanadiovana, ary ny hafa kosa notendrena haka anana fihinana tany amin’ireo heniheny teny akaiky teny rehefa namela hanao izany ny toe-javatra tany ivelany.
Natory teny rehetra teny ny olona, tao amin’ireo efitrano fatorian’ny misionera, teny an-dalantsara, tao amin’ny Sampanasa momba ny fandefasana entana, ary tany amin’ireo birao. Nihady lavaka izahay mba hatao fivoahana. Notendrena hanompo tamin’ny naha-mpanampy ny mpitsabo ireo vehivavy, ary nikarakara tamim-pahombiazana olona maro be voan’ny tazo sy fanaviana izy ireo. Zava-nanahirana mazàna ny aretin-kibo mampivalana.
Nandamina fomba fampiasana manokana ny trano izahay, anisan’izany ny fialana tamin’ny baomba. Araka izany, rehefa nitifitra tamin’ny balan-tafondro lehibe ireo tafika fahavalo, dia nozarina namonjy haingana ireo faritra fialofana tao amin’ny sampana izahay. Na dia fiarovana aza ilay tambohonay nanana haavo 3 metatra, dia tsy ampy izany mba hialana tamin’ireo bala niantsambotra. Tsy ela ny tafonay dia sahala amin’ny boaty fandrarahana dipoavatra noho ireo loadoaka nanjo azy!
Maro no notandindomin-doza ny ainy noho ny fiarovany ireo Vavolombelona namany natao haza lambo satria anisan’ny foko iray nankahalaina. Indray andro dia nisy anabavy kristiana iray nitomany, tonga tao amin’ny biraon’ny sampana niaraka tamin’ireo zanany sisa velona, ka zazakely vao tapa-bolana ny iray. Vao avy notifirina teo imasony ny vadiny sy ny zanany lahy mbola zatovo. Nafenin’ny Vavolombelona hafa iray tamim-pahombiazana izy sy ireo zanany hafa rehefa niverina nitady azy ireo mpitifitra.
Nisy fianakaviana hafa tonga tao amin’ny sampana niaraka tamina mpitory tsy vita batisa iray nanampy tamin’ny fiarovana azy ireo tsy ho fatin’ny foko nisy an’io mpitory io. Avy eo, rehefa niova ny toe-draharaha ka nanjary notandindomin-doza ilay mpitory tsy vita batisa, dia namonjy azy io tamin’ny mpiray foko tamin’izy ireo ilay fianakaviana.
Matetika tokoa ireo misionera no niresaka tamin’ireo lehilahy nitam-piadiana teo amin’ny vavahady mankao amin’ny biraon’ny sampana mba hanandramana hampiato azy ireo amin’ny fisavana na ny fandrobana ireo trano sy tany. Indray mandeha, dia nisy antoko miaramila tezitra nibosesika niditra ka nanambana anay tamin’ny vavam-basy ary nanizingizina fa nanafina olona anisan’ny foko iray manokana izahay. Gaga izy ireo nahita fa tena nitondra tena tamim-pahatoniana ny Vavolombelona tao, nipetraka tamim-pahanginana ary nihaino tao amin’ny fivoriana kristiana natrehinay. Nisava ny trano izy ireo saingy tsy nahita izay notadiaviny. Afaka nanome antoka mandrakariva ireo mpitsofoka izahay fa tsy nanafina miaramila na izay rehetra nety ho fahavalony. Amin’ny maha-kristiana anay dia tsy nomba ny atsy na ny aroa izahay.
Indray mandeha, nandritra ny ady nafana iray, dia nisy antokona Vavolombelona tonga tao amin’ny sampana nibata rahalahy iray voan’ny homamiadana mafy. Nampalahelo fa maty izy io tsy ela taorian’izay. Nolavahana teo an-tokotany ny fasana, ary fotoam-pandevenana nampihetsi-po toy inona moa no natrehinay! Iray tamin’ireo loholonay nahafinaritra indrindra teo an-toerana ilay rahalahy, ary nandany taona maro be nanaovana fanompoana tamim-pahatokiana. Olona nifindra monina teo amin’ny zato no nivory tao an-dalantsara hanatrika ny lahateny fahatsiarovana, izay natao tao anatin’ny akon’ny poa-basy.
Ny fomba nahazoana sakafo sy rano
Tena voafetra ireo tahirin-tsakafo. Na dia talohan’ny nanombohan’ny ady aza dia efa nitsahatra tsy nanafatra entana ireo mpivarotra. Araka izany, dia sakafo kely dia kely no tavela tao an-tanàna. Tokony ho ampy ho an’ireo mpikambana 12 tamin’ny fianakaviana nandritra ny volana maro ny tahirin-tsakafonay tao amin’ny sampana, nefa indraindray dia nisy olona hatramin’ny 200 niara-nipetraka taminay, anisan’izany ireo mpiara-monina tsy Vavolombelona nila fanampiana tamim-pamoizam-po. Voafetra ho sakafo kely ihany no azon’ny rehetra tao anatin’ny indray andro; niaina tamin’ny anjara sakafo toy izany izahay nandritra ny volana maromaro. Noana ny rehetra. Taolana nifono hoditra fotsiny sisa ireo zazakely, nitofezaka teny an-trotroan-dreniny.
Tsy ela dia lany ny tahirin-tsakafonay. Aiza no hahitanay indray? Tsy nisy fivarotana nivoha tao Monrovia. Any amin’izay rehetra jerena, dia ahitana olona mirenireny eran’ny arabe mitady sakafo. Nohanin’ny olona daholo na inona na inona hitany, anisan’izany ny alika sy ny saka ary ny voalavo. Nisy misionera roa avy ao amin’ny sampana, nanapa-kevitra ny hanandrana ho any Kakata, tanàna iray tokony ho 60 kilaometatra avy eo, izay efa tsy nisy ady intsony.
Nametaka gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy famantarana teny amin’ny fitaratry ny fiarany izy ireo mba hamantarana ny tenany ho Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa avy nandalo toeram-pisavana isan-karazany izy ireo, dia nosakanan’ny lehilahy iray vaventy sady ranjanana, nisy grenady nihantona teo an-tratrany sy basy poleta iray teo amin’ny valahany, ary nanontaniany. Nampahafantatra ny tenany ho Vavolombelon’i Jehovah izy ireo ary nilaza tamin’izy io fa naniry haka sakafo tany Kakata.
“Manaraha ahy”, hoy io. “Izaho no komandin’ny toby eto.” Nentiny tany amin’ireo paositra fiasany izy ireo. Raha vao nandre izy fa nampialokaloka mpifindra monina izy ireo, dia nandidy ireo miaramilany izy mba hanome vary 20 gony, nilanja 45 kilao avy, ho an’ny sampana nisy anay! Ary nisy fanomezan-dalana koa nomena azy ireo mba handehanany ho any Kakata, ary nisy mpiambina nitam-piadiana notendrena hitondra azy ireo handalo soa aman-tsara an’ireo toeram-pisavana sisa.
Tany Kakata izy ireo dia nahita an’i Abraham, rahalahintsika kristiana, izay nanana toeram-pivarotana. Nanangona baoritra nisy sakafo ho anay izy, anisan’izany ny vovo-dronono, siramamy, legioma am-bifotsy, sy zavatra ilaina hafa. Tena nahatalanjona tokoa ny nahita ny fomba nikarakarana ireo rahalahintsika tamin’ny diany. Tsy maintsy ho faly i Jehovah noho izahay nizara ny sakafonay tamin’ireo rahalahinay sy mpiara-belona taminay, satria nofenoina indray izao ireo tahirin-tsakafonay. — Ohabolana 11:25.
Tany amin’ny faritra hafa iray ao Monrovia, dia nikarakara ireo olona nifindra monina koa ireo misionera tao amin’ny trano misionera, ary nahazo fanampiana avy tamin’ny loharano tsy nampoizina koa izy ireo. Ohatra, nisy misionera iray nahazo vary telo gony tamina miaramila iray izay nahatadidy azy fony izy nanompo tany amin’ny faritra nisy miaramila, efa ho 16 taona talohan’izay. Nisy misionera hafa iray nahazo vary efatra gony taorian’ny fanadinadinana manokana nataon’ny mpitarika ny iray tamin’ireo antoko-mpiady.
Nisy fotoana toa nahavoatery anay handefa ireo olona tao amin’ny sampana noho ny tsy fahampian-drano. Ny fantsakanay, nandritra ny fotoana iray, no hany loharano ahazoana rano fisotro ho an’ny maro be tao amin’ilay fitambaran’olona. Kanefa, efa nanomboka ho ritra ny tahirina “carburants” ho an’ilay mpanome aratra amin’ny paompinay. Rehefa nandre ilay zava-nanahirana anay ny lehilahy iray nahazo fiarovana tao amin’ny sampana nandritra ireo andro voalohandohan’ny ady, dia nahita “carburants” ho anay izy ho fankasitrahana noho izay nataonay ho azy, koa dia tsy ritra mihitsy ny tahirin-dranonay.
Fitanana tanjaka ara-panahy
Rehefa nasaina niala tany Liberia ny farany taminay misionera tamin’ny Oktobra 1990, ny nibahana tao an-tsainay indrindra dia ny hoe: Ahoana no fomba hiatrehan’ireo rahalahintsika sy anabavintsika ny toe-javatra? Avy amin’ireo tatitra voarainay hatramin’io fotoana io, dia niharihary fa nisahirana hatrany tamin’ny fanompoana izy ireo.
Talohan’ny ady, dia teo amin’ny 17 ora isam-bolana teo ho eo amin’ny antsalany ny ora lanin’ny Vavolombelona tsirairay. Kanefa nandritra ny ady, na dia teo aza ny nilàna ny nivezivezena tany anaty akata mba hahitana sakafo, ny Vavolombelona tany amin’ny kongregasiona sasany dia nanana antsalan’ora maherin’ny 20 isaky ny mpitory! Ambonin’izany, noho ny tsy fahampian’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana, dia maro be tamin’ireo anabavintsika no nanao kopia an-tanana ireo lahatsoratra natao hianarana mba hisian’ny kopia maromaro kokoa hampiasaina mandritra ny fianarana ny alahady.
Ireo kongregasiona efatra any akaikin’i Monrovia indrindra dia feno Vavolombelona nandositra ny ady tany an-tanàn-dehibe. Namoy izay rehetra nananany ireo namana ireo satria tsy afaka niverina nody naka na inona na inona izy ireo. Raha ny marina, nandritra ny volana maro, dia betsaka aza no tany amin’ny andaniny hafa tamin’ny tsipika nanasaraka ny mpiady, lavitra ny zanany sy ny fianakaviany! Tamin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy ny 30 Martsa, dia nisy 1 473 ny fitambaran’ny mpanatrika tao amin’ireo kongregasiona efatra ireo.
Ireo Vavolombelona 300 teo ho eo tavela tany Monrovia dia nanao fiezahana manokana mba hanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy nandritra ny volana nanaovana ny Fahatsiarovana, na dia vao herinandro vitsivitsy monja talohan’izay aza izy ireo no reraka ara-batana noho ny hanoanana nianjady mafy taminy ka zara raha afa-namindra. Niezaka mafy tokoa izy ireo nanasa olona ho tonga tamin’ny Fahatsiarovana, ary 1 116 no tonga nanatrika.
Nanazava toy izao ny loholona kristiana iray any Monrovia: “Nanapa-kevitra izahay ny hanomboka hanao fivoriana ao amin’ny Efitrano Fanjakananay indray tamin’ny voalohandohan’ny Desambra 1990. Nisy 17 izahay no nanatrika voalohany. Taorian’izay dia tafakatra ho 40 izany, ary nijanona teo amin’ny 40 teo ho eo izany nandritra ny fotoana vitsivitsy. Avy eo, tamin’ny 24 Febroary, dia tafakatra ho 65 ny mpanatrika ary rehefa afaka herinandro dia nahatratra 85. Saika ny tao amin’ny kongregasiona manontolo koa no namaly ny antso hanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy tamin’ny Martsa.”
Fiahiana ny hafa
“Lany andro nifamono ireo rahalahinay tao am-piangonana [avy amin’ireo foko mpifanandrina] nandritra ny ady”, hoy ny nomarihin’ny havan’ny Vavolombelona iray tsy anisan’ny Vavolombelona, “ka tsy nanana fotoana hiarahana tamin’ireo mpiray finoana taminy mihitsy”. Nefa toy inona moa ny fahasamihafan’ny toe-javatra raha ny amin’ny vahoakan’i Jehovah!
Ilay mpitari-draharahan’ny fikambanana mpanao fanampiana iray teo amin’ny manodidina, ohatra, dia nanoratra toy izao ho an’ireo rahalahy nikarakara ny sampana tamin’ny Febroary 1991: “Ity taratasy ity dia natao ho mariky ny fisaorana sy fankasitrahana anareo sy ny fikambananareo noho ireo trano fitahirizana entana mbola omenareo anay ihany mandritra ny fizarana sakafo ho an’ny vahoakanay. Ny fihetsika tia manasoa olona anananareo dia mampiseho ny fahavononanareo amin’ny maha-Fikambanana, hitondra fandriampahalemana sy soa ho an’ny firenena. Tohizo, raha sitrakareo, ny asa soa ataonareo.”
Mailaka koa ireo Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tany hafa nanome izay nilain’ireo rahalahiny liberiana. Nisy fanampiana avy any amin’ny tany toa an’i Sierra Leone sy i Côte d’Ivoire any Afrika Andrefana, i Pays-bas sy Italia any Eoropa, ary i Etazonia.
Nisy ankizivavikely iray, izay notifirina ny reniny satria anisan’ny foko nankahalaina, naneho ny fankasitrahany noho ny fanampiana noraisiny. Nanoratra toy izao izy: “Misaotra anareo indrindra noho ny zavatra rehetra nalefanareo ho ahy. Nataonareo tsapako ho toy ny teo anilako ihany ny reniko. Namoy azy sy ny anadahikeliko aho tamin’ny ady. Mangataka amin’i Jehovah aho mba hitahy anareo rehetra. Iraika ambin’ny folo taona aho izao.”
Velom-pankasitrahana noho ny fanampiana noraisiny koa ny rahalahy iray manan-janaka enina, izay voatery niafina nandritra ny volana maromaro ny vadiny noho ny foko niaviany, ka nanoratra toy izao: “Tsy mba niditra an-keriny tany an-tranon’olona handroba sy hivarotra ny fananany izahay, ary anefa tsy mba sahala amin’ireo mpiara-monina taminay izahay fa nanan-javatra nohanina isan’andro satria fantatray ny fomba fampiasana amim-pahendrena izay kely anananay. Izany dia nianaranay avy tamin’i Jehovah.”
Tena nanohina ny fo koa ny toe-tsaina nananan’ny rahalahy iray izay nandositra nankany Côte d’Ivoire niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany roa. Nandao ny tranony tsara tarehy izy, izay may hatrany amin’ny fotony taorian’izay. Kanefa nilaza izy fa ny nampalahelo azy indrindra dia ny namoizany, tsy ny tranony, fa ny fitahirizam-boky teokratikany!
Lesona sarobidy nianarana
Rehefa mitodika ny lasa aho dia afaka miaiky fa nampianatra anay lesona sarobidy maro be i Jehovah. Tamin’ny fahafantarana manokana ireo maro be nihazona ny tsy fivadihany ka mbola velona, ary koa ny sasany izay nitana ny tsy fivadihany ka maty, dia nianatra aho mba hankasitraka ny maha-zava-dehibe ny fananana ny toe-tsain’ny apostoly Paoly, izay nanoratra hoe: “Fa raha velona isika, dia velona ho an’ny Tompo [Jehovah, MN]; ary raha maty isika, dia maty ho an’ny Tompo [Jehovah, MN]; koa amin’izany, na velona na maty isika, dia an’ny Tompo [Jehovah, MN] ihany.” — Romana 14:8.
Nanamarika toy izao ny misionera hafa iray efa nandritra ny fotoana ela: “Tamin’ny alalan’izany rehetra izany, dia nianatra izahay fa Mpamonjy tsy manan-tsahala i Jehovah. Toy izany koa no notenenin’i Paoly hoe: ‘Tsy nanampo izay ho velona intsony izahay, mba tsy hitokianay amin’ny tenanay, fa amin’Andriamanitra, Izay manangana ny maty ihany.’ ” (2 Korintiana 1:9; Salamo 30:10). Nanampy izy hoe: “Ny ady dia nampiharihary taminay fa ny vahoakan’i Jehovah dia tena mpirahalahy mitafy ny fitiavana feno fahafoizan-tena nasongadin’i Jesosy tokoa.” — Jaona 13:35.
Ny taratasy iray avy any amin’ny anabavy liberiana iray ho an’ny sasany taminay misionera voatery nandao ilay tany nandritra ny ady tamin’ny Oktobra 1990, dia mampiseho mazava ny hamafin’ny firahalahiana kristiana ananantsika. “Ataoko antom-bavaka ny hiverenanareo rehetra eto Liberia tsy ho ela, ka hahafahantsika manao fivoriambe”, hoy ny nosoratany. “Endrey, fa tsy andriko erỳ izany andro izany. Ny fieritreretana izany fotsiny dia mahasambatra ahy.”
Eny, hahatalanjona ny hahita ny asa kristiana fanao mahazatra tafaverina amin’ny laoniny tanteraka any Liberia. Marina ny an’ilay anabavintsika; ho feno fifaliana tokoa ny fivoriambe voalohany any Monrovia rehefa ho tafaverina any ireo misionera sy mpitsoa-ponenana hafa. Tsy misy isalasalana ny amin’izany!
[Sarintany, pejy 27]
(Jereo ny gazety)
LIBERIA
Monrovia
Kakata
Gbarnga
Ganta
SIERRA LEONE
GUINÉE
CÔTE D’IVOIRE
Ranomasimbe Atlantika
[Sary, pejy 28]
Zanak’ireo Vavolombelona nifindra monina nankao amin’ny biraon’ny sampana nandritra ny ady
[Sary, pejy 31]
Ireo Liberiana mpitsoa-ponenana mifantina ireo fitafiana, fanomezana avy amin’ireo Vavolombelona any Côte d’Ivoire