Famoahana ny Farany Tamin’ny Horonambokin’ny Ranomasina Maty
TAMIN’NY Septambra farany teo, ny toe-javatra iray tsy azo nialana momba ny fivoasan-teny naharitra nandritra ny am-polony taona maro dia niova ihany tamin’ny farany. Toa hifarana ny fifandirana mafy teo amin’ireo mpanao fandinihana momba ny Horonambokin’ny Ranomasina Maty, na dia nety ho nanomboka aza ny fifandirana vaovao iray.
Ny Horonambokin’ny Ranomasina Maty dia hita tao anatin’ireo zohy any akaikin’ny Ranomasina Maty tamin’ny 1947, sy tao anatin’ireo taona nanaraka izay. Tena sarobidy izy ireo raha ny amin’ny fampisehoana ny fahamarinana fototra momba ny andinin-tenin’ny Soratra hebreo sy ny amin’ny fitondrana fahazavana mikasika ireo toe-piainana ara-pivavahana tany Palestina fony i Jesosy tetỳ an-tany. (Isaia 40:8). Na dia nisy soratanana sasany navoaka haingana araka ny tokony ho izy aza, tamin’ny 1991 dia nanakaiky ny 400 ny soratanana mbola tsy nivoaka sady tsy ananan’ny ankamaroan’ny mpivaofy teny. Maro be no nahatsapa, toy ny profesora Ben Zion Wacholder, ho “diso fanantenana tamin’ny fahafantarana fa, araka ny hafainganan’ny famoaham-boky amin’izao fotoana izao, dia rehefa maty daholo isika vao ho hita maneran-tany ny soratra manontolo momba ny Ranomasina Maty.”
Niova anefa izany toe-javatra izany tamin’ny Septambra lasa teo. Voalohany, dia nanao fanambarana ny profesora Wacholder sy i Martin Abegg, mpiombon-draharaha aminy iray, fa nampiasa ôrdinatera iray tamim-pahakingana izy ireo mba hanaovana kopia ireo soratra voaro tamim-pitandremana. Avy eo, ny Tranombokin’i Huntington any San Marino, any Kalifornia, Etazonia, dia nanao fanambarana fa nanana sarin’ireo soratanana tany am-boalohany izy ary hanao izay hananan’ireo mpivaofy teny mendri-kaja izany maimaimpoana. Miharihary fa nisy kopian-tsary maromaro momba ireo horonamboky, natao mba hahazoana antoka ny fiarovana azy ireo. Nisy fitambaran-tsary nampirimina tany amin’ny toerana samy hafa, ary tamin’ny farany, dia nisy iray tonga tao amin’ny Tranombokin’i Huntington.
Niantso an’io fivadihan’ny fisehoan-javatra io hoe ‘ny mitovy lenta amin’ny fianjeran’ny Rindrin’i Berlin ho an’ny mpivaofy teny’ ny mpivaofy teny iray. Ireo mpampanonta ôfisialy dia niantso ny famoahana ny soratra tamin’ny ôrdinatera sy ny famoahana ireo sary hoe ‘halatra’. Mety ho ady hevitra mafana mandritra ny taona maro ny momba ny fitondrantena. Mandra-pahatongan’izany, dia toa hisy mpivaofy teny maro be fanampiny ho afaka ny handinika ny Horonambokin’ny Ranomasina Maty manontolo amin’ny farany.
[Sary, pejy 32]
Fitsikerana iray momba ny bokin’i Habakoka, anisan’ny Horonambokin’ny Ranomasina Maty