Ny noely — Nahoana izy io no malaza aoka izany any Japana?
MAHAZO vahana tanteraka eo amin’ireo ankizy any amin’ny tany bodista shinto any Japana ny finoana ny dadabe noely. Tamin’ny 1989, ireo ankizy japone dia nanoratra taratasy 160 000 tany amin’ny “Santa World” (tanin’ny dadabe noely) any Soeda. Tsy nisy tany hafa nandefa betsaka noho izany. Nanoratra ireo taratasy izy ireo noho ny fanantenana ny hanomezana fahafahampo ny fanirian’ny fony, izay angamba ho ôrdinatera kilalao fanaovana sary mitetina 18 000 yen (204 000 FMG), na “vidéo” filalaovana azo bataina mitetina 12 500 yen (142 500 FMG).
Ho an’ny zazavavy japone, ny fiarahana amin’ny tovolahy iray amin’ny takariva mialoha ny noely, dia mifono heviny manokana. “Araka ny fanadihadiana natao tamina vehivavy tanora”, hoy ny Mainichi Daily News, “dia nilaza ny 38 isan-jato fa efa nanomana ny takariva mialoha ny noely iray volana nialoha izy.” Manana antony manosika ao ambadika ny tovolahy amin’ny faniriana hiaraka amin’ilay ankizivavy iarahany amin’ny takariva mialoha ny noely. “Tsara ny hiarahana mivavaka mangina amin’ilay ankizivavy iarahanao”, hoy ny fanipazan-kevitry ny gazetiboky iray natao ho an’ny tovolahy. “Ataovy any amin’ny toerana malaza izany. Hanjary ho akaiky kokoa haingana ny fifandraisanareo.”
Ireo lehilahy vady japone koa dia manantena ny hiantso hery majika amin’ny alalan’ny fomban-drazan-dry zareo mifandray amin’ny noely mikasika ny fividianana “mofomamy voaravaka” eny an-dalana mody rehefa avy miasa. Ny fakana ny toeran’i dadabe noely dia noheverina ho toy ny fanonerana ny fanaovana tsirambina ny fianakaviana amin’ny andro hafa rehetra ao anatin’ny taona.
Ny noely tokoa dia namaka teo anivon’ny japone tsy kristiana. Raha ny marina, ny 78 isan-jaton’ireo izay nanaovan’ny toeram-pivarotana mifampitohitohy iray fanadihadiana dia nilaza fa manao zavatra manokana izy ireo rehefa noely. Tena faran’izay lehibe ny salan’isa any amin’io tany iray io izay tsy misy afa-tsy ny 1 isan-jaton’ny mponina monja no milaza ho mino ny kristianisma. Sady milaza ho bodista na shintoista izy ireny no finaritra tanteraka mankafy io fety “kristiana” io. Ao amin’ny alimanakany, miaraka amin’ireo fety japone, dia manoratra ny 25 Desambra ho ny “andro nahaterahan’i Kristy” ny Tempoly Ise Shinto malaza. Mampipoitra izao fanontaniana izao anefa ny fahitana ireo tsy kristiana mirotsaka amin’ny firavoravoana mandritra ny noely:
Fankalazan’iza ny noely?
Ny Webster’s Ninth New Collegiate Dictionary dia milazalaza ny noely ho “fety kristiana iray ny 25 Desambra (...) izay ankalazana ny nahaterahan’i Kristy.” Noheverina ho toy ny fotoana iray ho an’ireo “kristiana” mba “hiraisana ao amin’ny fahatsapany fifaliana amin’ny andro nahaterahan’i Kristy” izany.
Ireo izay mankalaza ny noely amin’ny maha-fety ara-pivavahana azy io tanteraka dia mety hihevitra ireo izay manaisotra ny maha-ara-pivavahana azy io amin’ny alalan’ny firavoravoana sy ny fanaovana fanomezana ho mahasosotra sy miteny ratsy an’Andriamanitra mihitsy aza. “Eto Japana izahay dia nahatratra ny fara tampon’ny fanaovana varotra ranofotsiny, tsy misy an’i Kristy”, hoy ny nosoratan’ny Amerikana iray monina eto Japana. “Eo imason’ny tandrefana”, hoy ny nosoratan’ny olon-kafa iray mikasika ny noely japone, “dia tsy hoe ny vorontsiloza [izay tsy dia fahita any amin’ireo tsena japone] no tsy misy fa ny foto-javatra lehibe indrindra, dia ny toe-tsaina.”
Inona àry ny toe-tsain’ny noely? Moa ve izany ny rivo-piainana ao amin’ny fotoam-pivavahan’ny fiangonana iray miaraka amin’ny hirany sy ny “houx” ary ny laboziany, izay ampiasaina amin’ny fitsidihany indray mandeha isan-taona any am-piangonana ho an’ny maro? Sa ny fitiavana sy ny hanim-pito loha ary fanolorana fanomezana izay manosika ny maro be halala-tanana? Moa ve izany ny filaminana manjaka any am-bava ady rehefa mitandrina andro vitsivitsy ho an’ny “fiadanana etỳ an-tany” ny miaramila?
Mahagaga fa tsy mahomby amin’ny fitondrana fiadanana matetika ny toe-tsain’ny noely na dia eo amin’ny ady ao an-tokantrano aza. Araka ny fanadihadiana natao tany Angletera tamin’ny 1987, dia notombanana fa nipoaka tao amin’ny 70 isan-jato amin’ny tokantrano britanika ny ‘ady ao an-tokantrano’ nandritra ny noely tamin’io taona io. Ny ady momba ny vola no antony lehibe indrindra. Mitarika ho amin’ny ady koa ny fisotroana be loatra sy ny tsy fanatanterahana ny andraikitry ny tena ao amin’ny fianakaviana.
“Manontany tena aho sao dia misy zavatra tsy takatsika momba ny tena hevitry ny noely”, hoy ny nosoratan’ny tandrefana iray monina any Japana, izay nitsidika ny taniny nandritra ny fotoan’ny noely vao haingana. “Isaky ny 25 Des. aho dia mahatsapa faniriana mafy ny hiverina amin’io karazana noely tranainy efa lany andro hatramin’ny ela io, dia ilay fombafomban’ny mpanompo sampy nankalazana ny sôlstisin’ny ririnina tamin’ny alalan’ny fivavahana amin’ny hazo sy ny fanaranam-po amin’ny fihinanana sy ny fisotroana. Mbola ananantsika daholo ireo famantaran’ny mpanompo sampy — ny tongoalahy (gui), ny “houx”, ny hazo kesika, sy ny sisa — nefa na manao ahoana na manao ahoana, dia tsy nitovy mihitsy ny noely hatramin’ny nakan’ny kristiana azy ka nanodinany azy ho fety ara-pivavahana.”
Tsy azo lavina fa fety avy tamin’ny fanompoan-tsampy ny noely. Tsy nankalaza azy io ny kristiana voalohany “satria nihevitra ny fankalazana ny nahaterahan’ny olona iray ho fanaon’ny mpanompo sampy izy ireo”, hoy ny The World Book Encyclopedia. Ireo fetin’ny mpanompo sampy momba ny Satiornaly sy ny Taombaovao no loharanon’ny firavoravoana sy ny fifanakalozana fanomezana.
Raha fanompoan-tsampy indrindra ny noely, ny kristiana marina dia tsy maintsy manontany hoe: Natao ho an’ny kristiana ve ny noely? Aoka hojerentsika izay lazain’ny Baiboly mikasika ny fankalazana ny nahaterahan’i Kristy.
[Efajoro, pejy 4]
Ny niandohan’ny fankalazana ny noely
Na dia very tany amin’ny zavon’ny fahagola aza ireo antsipiriany marina, dia fantatra fa hatramin’ny 336 am.fan.ir., dia nisy endrika noely nankalazain’ny fiangonana romana. “Nokendrena hoferana ho isaky ny 25 Desambra ny datin’ny noely”, hoy ny fanazavan’ny The New Encyclopædia Britannica, “mba hamerenana amin’ny laoniny ny firavoravoana lehibe momba ny andriamanitra masoandro”. Izany no nitranga rehefa nanaram-po tamin’ny fihinanana sy fisotroana ireo mpanompo sampy nandritra ny fetin’ny satiornaly romana sy ny fetin’ny sôlstisin’ny ririnina fanaon’i Celtes sy Alemaina. Milaza ny The New Caxton Encyclopedia fa “nanararaotra ny fahafahana hanome endrika kristiana ireo fety ireo ny fiangonana”.