FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 1/12 p. 32
  • Voahozongozona ny finoan’izy ireo ny evôlisiona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Voahozongozona ny finoan’izy ireo ny evôlisiona
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 1/12 p. 32

Voahozongozona ny finoan’izy ireo ny evôlisiona

Nanoratra ny lehilahy iray avy any Milwaukee, any Wisconsin, any Etazonia, tamin’ny herintaona, mba hanehoana ny fankasitrahany “ny fiasana omena ao amin’ilay boky hoe La vie — Comment est-elle apparue? Évolution ou création?” Nanazava toy izao izy:

“Roa taona lasa teo ho eo aho dia nifankahita tamina mpivady tanora avy any Beijing, any Shina, nanatrika fianarana manokana momba ny fitsaboana teto Milwaukee. Biôsimista izy ireo, ary tsy nanafina ny finoany tamim-pahatsorana ny evôlisiona.

“Azo antoka fa tsy ampy fahaizana aho amin’ny fanandramana hiresaka amin’izy ireo momba ny faritra ara-tsiansa, koa dia nanapa-kevitra aho ny hamela ilay boky hanao ny fampianarana. Rehefa niara-nianatra izahay, dia hitako fa nanomboka nihozongozona ny finoan’izy ireo ny evôlisiona.

Vita tanteraka ny fianarana ilay boky manontolo, ary nanatsoaka hevitra toy izao ilay lehilahy avy any Milwaukee: “Nanjary ny tena loharanom-baovao ho azy ireo ny Baiboly. Misaotra indray noho io fiasana mahatalanjona io.”

Raha maniry hahazo iray amin’io boky feno sary tsara tarehy 256 pejy io ianao, dia fenoy, aza fady, ary alefaso paositra ilay tapakila eto ambany. (Raha mipetraka any ivelan’i Madagasikara ianao, dia manorata any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-2 mba hahazoana fanazavana.)

Iriko ny hahazo iray amin’ilay boky hoe La vie — Comment est-elle apparue? Évolution ou création?” Ampiarahiko amin’ny alalan’ny mandat-poste ny fandraisana anjara an-tsitrapo 2400 FMG.

[Sary, pejy 32]

Nilaina ny mpamorona ny ho bikan’ity tendron-jana-tsipìka ity

Moa ve tsy nilana mpamorona ny ho bikany ny môlekiola-na ADN?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara