“Andramo atao mihitsy ange e”
Avy any amin’ny masoivohonay any Kolombia
MANAZAVA toy izao ny mpivady tanora iray avy any Missouri, any Etazonia: “Nandre firesahana ny amin’ny Fandaharana ho an’ny mpiasa an-tsitrapo mpanao fanorenana iraisam-pirenena aloha izahay tamin’ny fahavaratra, tamin’ny taona 1988, rehefa niverina avy tany amin’ny asa nanendrena azy tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower any Honduras, any Amerika Afovoany, ny namana vitsivitsy. ‘Tsy maintsy manao izany mihitsy ianareo!’ hoy izy ireo, diboky ny hafanam-po.”
Ny fandaharam-panorenana resahina eto dia ilay nokarakarain’ny Vavolombelon’i Jehovah ho an’ny fanorenana ireo biraon’ny Sampany maneran-tany. Mba ho ampy fahaizana hanaovana izany, ny mpiasa nokasaina hanao izany dia tsy maintsy miasa ao amin’ny foiben’ny Fikambanana Watch Tower ao Brooklyn, any New York, aloha, izay ahafahana manombana ny fahazarany sy fahaizany miasa. Noho izany, dia nanatona ny biraon’ny Fikambanana any Brooklyn ilay rangahy avy any Missouri, ary nanolo-tena an-tsitrapo hiasa vonjimaika tany.”
Vao tany amin’ny foibe tany Brooklyn ilay rangahy dia efa nanao sonia mba hiasa any amin’ny tany hafa. Avy eo, vantany vao tonga tany Missouri izy sy ny vadiny, dia nanomboka nanangom-bola ho amin’ny dia lavitra niandry azy. Afaka volana maromaro tatỳ aoriana, dia tonga ny taratasy fanendrena azy ireo. Ho any Kolombia, any Amerika Atsimo izy ireo!
Nanomboka tamin’ny 1987 ka hatramin’ny 1990, dia nisy mpiasa an-tsitrapo vonjimaika arivo nianto-tena ho any Kolombia mba handany roa herinandro ka hatramin’ny roa volana hanampiana amin’ny fanorenana fanontam-pirinty lehibe vaovaon’ny sampana an’ny Vavolombelon’i Jehovah any. Ambonin’izany, dia nisy mpiasa an-tsitrapo hafa teo amin’ny 80 avy any amin’ny tany samy hafa nandany nihoatra ny herintaona niasana teo amin’ny fanaovana an’io fandaharam-panorenana lehibe any Kolombia io. Ny sasany tamin’ireo mpiasa vonjimaika sy maharitra ireo dia efa nanampy tamin’ny fanorenana tranon’ny sampana vaovao tany amin’ny tany toa an’i Nigéria, Philippines, Guyana, El Salvador, Guatemala, Costa Rica, Pérou, ary Equateur.
Ireo mpiasa an-tsitrapo tonga tany Kolombia dia nampian’ny mpampiantrano azy ireo tamin’ny famitana ny fomba fidirana tao amin’ilay tany sy ny fandoavana fadintseranana. Avy eo izy ireo dia nentina tamin’ny fiara ho any amin’ilay toeram-panorenana any Facatativá, 50 kilaometatra eo ho eo any avaratr’i Bogotá.
Ny fitarihana ho amin’ny asa
Ho an’ny antokony iray vao tonga, ny andro voalohany amin’ilay fikasana ho fanorenana dia mahafaoka fitsidihana ireo trano naorina sy toromarika momba ny fiainana amin’ny maha-anisan’ny antoko-mpiasa mpanao fanorenana. Ny ankamaroan’ireo mpanao fanorenana iraisam-pirenena — tao anatin’ireo taona faramparany izay nisy 40 ka hatramin’ny 60, na toy inona na toy inona fotoana nolaniny — dia nipetraka tao amina trano azo teo akaikin’ilay toeram-panorenana.
Ireo mpiasa mpanao fanorenana vaovao dia mandray toromarika mikasika ny fandaharam-potoana ho an’ny asa, ho an’ny fanatrehana ireo fivoriana kristiana, ho an’ny fandraisana anjara amin’ny asa fitoriana amin’ny faran’ny herinandro, ary ho an’ny fikarakarany manokana ny trano ipetrahany. Misy fanazavana omena koa momba ny asa fanasan-damba, ary koa ny fandraisana anjara amin’ny fandaharana fiaraha-mandinika Baiboly amin’ny maraina sy ireo raharaha mifandray amin’izany.
Mahafinaritra ireo efitrano nomena, mafana sady mampahatanjaka ireo sakafo, ary miverina ara-potoana vita sasa sy voapasoka ny lamba. Na ny fikarakarana ara-pahasalamana aza dia misy raha ilaina izany. Tsy misy atao tsirambina mihitsy mba hahatonga ny zavatra hitondra fifaliana araka izay azo atao ho an’ireo mpiasa an-tsitrapo.
Mazàna no gaga ireo vao tonga rehefa mahita fa lehibe kokoa noho izay nampoiziny ilay fandaharam-panorenana. Eo amin’ny kisolasola iray miantoraka miakatra ho any amin’ny ala maitso mavana mikitroka iray eo an-tendrombohitra ao ambadika, dia andrenesana firohondrohon’ny asa fanorenana ireo trano fipetrahana roa misy rihana dimy. Izany amin’ny farany dia ho sahaza ireo mpikambana 250 miasa ao amin’ny sampana any Kolombia, antsoina hoe fianakavian’ny Betela. Nandritra ireo volana lasa, ireo vao tonga dia nahita mpiasa nametaka ireo fantsona sy ireo tariby, ary ireo vy fanao tanjaky ny rindrina.
Ny efitrano fisakafoana, izay misy seza mahafinaritra 400, dia feno olona 600 na mihoatra isaky ny faran’ny herinandro, rehefa misakafo ao ireo mpiasa an-tsitrapo maro be avy eo an-toerana, ka tsy misy mpandroso sakafo amin’izany fa samy maka izay ilainy. Afa-tsy ny fanamboamboarana farany, dia efa vita tanteraka izao ilay efitrano fisakafoana.
Ao amin’ny trano fiasana iray malalaka misy rihana roa, dia efa nalamina sahady ny fanaka ho an’ny Sampan’asa miandraikitra ny fandefasana entana sy ny Sampan’asa misahana ny fanontam-pirinty. Rehefa mandalo ao amin’ny rihana faharoa amin’ilay trano fiasana ireo vao tonga, dia faly mampiseho aminy ilay milina fanontam-pirinty “offset” goavana vaovao mitondra ny marika “Hantscho” ilay olona mpitari-dalana. Mpikambana maromaro ao amin’ny efitrano fanontam-pirinty any Brooklyn no nanara-maso ny fametrahana azy io tao, nampian’ny mpiasa an-tsitrapo maro hafa tamim-pahakingana.
Io milina fanontam-pirinty baikoin’ny ôrdinatera, izay milanja 65 taonina sy manana halavana 27 metatra io no anisan’ny tsara indrindra misy amin’izao andro izao. Izy io izao dia mahavita 38 000 isan’ora amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! amin’ny fiteny espaniola, gazety natao hozaraina manerana ny faritra avaratra andrefan’i Amerika Atsimo. Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 155 000 any Kolombia, Venezuela, Panama, Equateur, ary Pérou no efa nanomboka nandray vao haingana ny gazetin’izy ireo avy amin’io milina fanontam-pirinty io, miloko avokoa.
Fanohanana avy eo an-toerana
Misy mpiasa an-tsitrapo kolombiana, lehilahy sy vehivavy, maro be koa ao amin’ilay fandaharam-panorenana. Ireharehany ny fanaovana ny sampana vaovaony, araka ny iantsoany azy. Ny sasany amin’izy ireo dia mipetraka amin’ny trano vonjimaika eny akaikin’ilay toeram-panorenana, ary ny hafa kosa tonga isan’andro avy any Bogotá sy avy any amin’ireo tanàn-dehibe hafa eny akaiky eny. Isaky ny faran’ny herinandro sy ny fotoam-pialan-tsasatra, dia misy mpiasa an-tsitrapo fanampiny 50 ka hatramin’ny 150, tonga, mifandimby, avy any amin’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah zato any Bogotá sy ny manodidina azy.
Nanao fanamarihana toy izao ny mpiasa an-tsitrapo mpanao fanorenana iray avy any Kanada, niasa tao amin’ny fametahana ireo vy fanao tanjaka sy rarivato: “Mazoto miana-javatra ireo rahalahy avy eto an-toerana, ary ny asa ataon’izy ireo dia tsara sahala amin’izay hitanao atao dokambarotra any an-trano, raha tsy tsara kokoa noho izany aza.”
Manampy toy izao ny mpiasa iray miandraikitra ny fitaovana mavesatra sy ny fanaingana zavatra, hatramin’ny 1987: “Anisan’ny antokon-dehilahy tsara ny misy anay, ka tafiditra amin’izany ny sasantsasany amin’ireo rahalahy avy eo an-toerana, miara-miasa aminay. Zara raha nahalala ny fomba fitondrana fiara ny sasany tamin’izy ireo teo aloha, nefa nandroso nanjary mpanamboatra kojakoja tsara dia tsara izy ireo.”
Misy tanora kolombiana sasantsasany niasa tsy tapaka tamin’ilay fandaharam-panorenana nanao fangatahana ho amin’ny asa maharitra ao amin’ny fianakavian’ny Betela, izay tsy ho ela dia hitombo betsaka tokoa. Ny hafa hiverina ho amin’ny asa fitoriana manontolo andro any Kolombia. Izy rehetra ireo dia samy nampitombo betsaka ny tanjany ara-panahy tamin’ny alalan’ny fanompoana tamin’ny naha-mpiasa an-tsitrapo mpanao fanorenana tao anatin’io rivo-piainan’ny fianakavian’ny Betela io.
Asa iray ahazoana valisoa
An’arivony maro tamin’ireo nandray anjara tamin’ny Fandaharana ho an’ny mpiasa an-tsitrapo mpanao fanorenana iraisam-pirenena no nanaporofo fa zavatra iray niavaka teo amin’ny fiainany izany. “Tena manokana ilay izy”, hoy ny nolazain’ny mpiasa iray avy any Mississipi, Etazonia, mikasika ilay fandaharam-panorenana tany Kolombia. “Mihevitra izany ho manokana ny olona. Ho tiako ny hanao izany mandrakariva raha azo natao. Afaka manorina trano ianao na aiza na aiza, fa ny fiaraha-miasa amin’ireo rahalahy no mahasamy hafa azy.” Ny fiarahana miantsoroka isan’andro amin’ireo kristiana maneho ny vokatry ny fanahin’i Jehovah dia samy hafa be mihitsy amin’ny fanaovana asa eo amin’izao tontolo izao!
Ny fotoana hodiana ho an’ny mpiasa vonjy maika mazàna dia tonga haingana loatra. Misy fifamihinana sy ranomaso be amin’izany. Impiry akory moa no re ny teny fisarahana manao hoe: “Maniry izahay ny mba ho afaka hijanona maharitra.” “Mbola te hijanona foana izahay!” Nifandao ny rehetra, niaraka tamin’ny fankasitrahana lalina ny firahalahiana iraisam-pirenena misy eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanandrana mialoha ny tsiron’izay azo ampitahaina amin’ny fiaraha-miaina sy fiaraha-miasa ao amin’ny paradisa ho avy, hiitatra hatrany amin’ny faran’ny tany, izy ireo.
Tsy ny rehetra, mazava ho azy, no afaka handray anjara amin’io fandaharam-panorenana iraisam-pirenena io. Nefa, ho an’ireo izay avelan’ny toe-javatra hanao izany, dia misy varavarana vaovao malalaka sady manaitra ny saina ho an’ny tombontsoa, novohan’ny Fandaharana ho an’ny mpiasa an-tsitrapo mpanao fanorenana iraisam-pirenena.