FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 1/8 p. 24
  • Manome fanampiana i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manome fanampiana i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Mitovitovy Aminy
  • Miara-mitombo ao Amin’ny Fitiavana
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Mifanampy ny Vahoakan’ilay Fanjakana
    Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
  • Nizara Fanampiana Tamin’ny Mpiara-manompo Tra-boina
    Fomba Ampiasana ny Fanomezanao
  • Fanampiana Tra-boina Tamin’ny 2023: “Tsapanay hoe Tia Be Anay i Jehovah”
    Fomba Ampiasana ny Fanomezanao
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 1/8 p. 24

Mitantara ireo mpitory ilay fanjakana

Manome fanampiana i Jehovah

VAO HAINGANA, ny Vavolombelon’i Jehovah any Afrika Atsimo dia naharay vaovao momba ny toe-javatra mampahonena misy ireo rahalahiny ara-panahy any amin’ny tany iray akaiky azy, izay andrarana ny asa fitoriana ataon’izy ireo. Nanaovana tatitra tamin’izy ireo fa noho ny haintany mahatsiravina misy any, dia nivelona tamin’ny fihinanana fakan-javatra sasany ireo rahalahiny, ary tsy nanana fitafiana ara-dalàna koa izy ireo ka nahatonga ny Vavolombelona sasany hisalasala tamin’ny fandraisana anjara tamin’ny asa fanompoana.

Avy hatrany dia nanao zavatra ireo rahalahy any Afrika Atsimo. Nisy antso nalefa tany amin’ireo kongregasiona any an-toerana, ao amin’ny faritr’i Johannesburg, ny amin’ny ilàna fitafiana. Tao anatin’ny andro vitsivitsy, dia fitafiana telo taonina no voangona. Nalamin’ny mpiasa an-tsitrapo àry izany. Nisy fandaharana natao handefasana tsaramaso 3 taonina, menaka 1 taonina, savony 1 taonina, ary vovo-katsaka 17 taonina. Rehefa nahare ny amin’ny toe-javatra nampahonena nisy ny Vavolombelona any amin’ilay tany tra-boina noho ny haintany ilay fikambanam-barotra nikarakara ilay vovo-katsaka, dia nanome maherin’ny iray taonina tamin’izany sakafo ilaina betsaka izany.

Tamin’ny alatsinainy 16 Aprily 1990, dia nisy kamiao nitondra vatsy ho fanampiana milanja 25 taonina niala tany Afrika Atsimo hanao dia lavitra 5 500 kilaometatra. Nefa izao dia tsy maintsy maka fahazoan-dalana avy amin’ny manam-pahefana mba hitondrana ireo fanampiana hamakivaky ny tanin-dry zareo rotidrotiky ny ady.

Ireo manam-pahefana tao amin’ny masoivohon’ilay tany dia nilaza fa na dia tsy ekena aza ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tanin’izy ireo, dia fantany tsara fa misy izy ireny. Tsy nisy fanoherana ny fandefasana fanampiana ho an’ireo rahalahintsika tamin’izany. Nomena ny fahazoan-dalana. Navoaka ny antontan-taratasy nilaina, ary ny zoma 20 Aprily, dia nandingana ny sisin-tany tsy nisy olana ireo Vavolombelona. Na dia izany aza, dia tojo fanakanan-dalana maherin’ny 30, izay nitakiana taminy ny hampisehoany ny antontan-taratasiny, izy ireo. Tamin’izany vao takany ny antony nilàna ireo antontan-taratasy.

Rehefa avy nanao dia lavitra teo amin’ny 140 kilaometatra teo ho eo tao amin’ilay tany izy ireo, dia voasakan’ny renirano midadasika tondraka iray. Efa simba ny tetezana taloha, ary ny rafitra vonjimaika natao teo amin’ilay toerana dia tsy nety hampiasana kamiao lehibe. Na izany aza, dia hitan’izy ireo fa ilay fiara kelikely kokoa nanaraka ny mpitondra entana dia ho afaka hiampita soa aman-tsara ilay tetezana safomorona. Notapahina ny hevitra fa hizara roa ry zareo. Nisy toby naorina teo amin’ilay renirano tondraka ho an’ny antokony iray, raha mbola nanohy ny diany ho any amin’ireo rahalahy any amin’ny 260 kilaometatra eo ho eo any avaratra lavitra kokoa ny antokony iray hafa. Toy inona moa ny hafaliany rehefa nihaona tamin’ireo rahalahy izy tamin’ny farany! Saiky tsy nitsahatra nihomehy sy nifamihina ary nifanontsankontsan-tanana izy ireo. Tsy ela dia nisy kamiao roa avy eo an-toerana niainga mba hitsena ilay antokon-drahalahy iray hafa niandry tany akaikin’ny renirano. Tany, ireo fanampiana dia nafindra avy tao amin’ilay kamiao lehibe nankao amin’ireo roa kelikely kokoa.

Ireo tatitra voaray dia naneho fankasitrahana lalina noho ny fandaharana nataon’i Jehovah hanomezana fanampiana ara-nofo. Kanefa, na dia eo aza ny fahorian’izy ireo ara-nofo, dia mbola mampahonena kokoa ny fitarainan’ireo rahalahy ny amin’ny sakafo ara-panahy. Nisy kongregasiona iray tsy nahazo afa-tsy Ny Tilikambo Fiambenana iray monja, izay voatery nadika ho an’ny fianakaviana tsirairay. Noho Jehovah, dia misy fandaharana atao izao mba hanomezana sakafo ara-panahy tondraka tsy tapaka ho an’ireo rahalahy any amin’izany tany izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara