Mitantara ireo mpitory ilay fanjakana
“Ny ondry mihaino ny feony”
◻ NILAZA i Jesosy hoe: “Ny ondry mihaino ny feony [ny an’ny mpiandry ondry]; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin’ny anarany avy ka entiny mivoaka.” (Jaona 10:3) Ankoatr’izany dia nanampy izy hoe: “Fantatro ny ondriko ary ny ondriko mahafantatra ahy.” (Jaona 10:14, MN) Ireo olona toy ny ondry dia mihaino ny feon’i Jesosy araka ny teneniny amin’izy ireo amin’ny alalan’ny Baiboly. Mariho hoe ahoana no nanarahan’ny olona tso-po anankiroa tany Italia io teny io.
Nihaino izy tamin’ny farany
◻ Toy izao no nosoratan’i Alberto: “16 taona aho raha nanomboka nifoka marijuana sy nandray LSD (zavatra mahadomelina tena mahery), ary teo amin’ny faha-18 taonako aho dia tsy nitsahatra nampiasa héroïne. Mba hahafahana mahazo zavatra mahadomelina, dia nanao izao zavatra azo nosaintsainina rehetra izao aho. Nangalatra aho, nanera zavatra mahadomelina aho, nanambaka aho, nivarotra ny fananako rehetra aho. Tsy afaka nijanona tamin’izao aho. Fakan-drivotra tany ivelany, fotoana lava teny ambanivohitra, na ny fandraisana anjara tamin’ny politika niaraka tamin’ireo antokon’olona izay tena tapa-kevitra tokoa hanohitra ny tsy rariny — tsy nisy tamin’ireo rehetra ireo nitondra fanampiana. Nanandrana nanambady aho, nefa tsy ela akory dia niverina tamin’izay efa natomboko aho. Na dia ny fahatongavan’ny zazakely iray aza dia tsy nampijanona ahy tamin’ny fampiasana zavatra mahadomelina. Raha ny marina, dia niharatsy ny toe-javatra, hatramin’ny nilako vola bebe kokoa izao. Tamin’izay dia nandao ahy ny vadiko, ary tao anatin’ny roa taona nitoerako irery, dia indroa monja aho no nahita ny zanako vavy. Niala tamin’ireo mpanera zavatra mahadomelina izay nitrosako aho, ary imbetsaka aho no niaritra fanaintainana noho ny fisehoan’aretina avy amin’ny tsy fampiasana zavatra mahadomelina intsony.
“Tamin’izay dia tadidiko ny boky izay nomen’ny Vavolombelon’i Jehovah ahy, taona vitsivitsy lasa izay. Mbola tao amiko izy io ary nanomboka namaky azy niaraka tamin’ny Baiboly aho. Tamin’izany fomba izany no nahatongavako tamin’ny fahalalana ilay Andriamanitra marina, Jehovah, ary dia nivavaka taminy aho nangataka fanampiana. Koa satria aho manao fampiharana tsikelikely ireo zavatra izay nianarako, ny fisehoan’aretiko avy amin’ny tsy fampiasana zavatra mahadomelina intsony dia nanjary tsy nanaintaina loatra intsony. Nahita asa aho, ary noho fanampian’i Jehovah dia namerina namory ny fianakaviako indray aho. Nandeha tany amin’ny Efitrano Fanjakana aho, ary tany no nahalalako marina fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia manana ny fahamarinana. Tafaray indray izaho sy ny vadiko nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ireo Vavolombelona ary farany dia natao batisa. Ankehitriny, fifaliana toy inona moa ny mizara ny fanantenanay amin’ireo hafa amin’ny maha-mpitory maharitra mandavantaona!”
Nivaly ny vavaky ny vehivavy tia fivavahana iray
◻ Nitantara toy izao ny vehivavy iray: “Tamin’ny 1958 aho dia narisika tamin’ny fandraisana anjara amin’ny raharaham-piangonana, indrindra tamin’ny fitsidihana toerana masina tany amin’ny Toerana Masin’i Maria Virijiny an’ilay Andriamanitra Fitiavana any Roma. Rehefa ela ny ela dia tonga namana akaikin’ny kardinaly iray izay mpitondra fiangonana tany Roma aho, ary dia niresaka manokana imbetsaka tamin’i Papa Paul faha-6 sy i Jean Paul faha-2 aho. Taorian’ny 25 taona nandaminana ny fitsidihana toerana masina, dia nahazo ny diplaoman’ny mari-pankasitrahana aho. Na dia izany aza, rehefa ela ny ela ny finoako tamin’ny naha-katolika nafana fo dia nanjary nitsilopilopy. Nahita halatra, fanambakana, fiangarana ataon’ireo Papa ho tombontsoan’ireo havany (népotisme), sy raharaha ara-barotra hafahafa aho. Nanomboka nahita ny fiangonana tamin’ny fijery hafa aho, ary tsapako fa matetika tokoa ny lalàn’Andriamanitra no nohitsakitsahina. Ireo zavatra ireo dia nanelingelina ahy, ary dia nangataka an’Andriamanitra aho mba hanampy ahy satria teo am-panariana ny finoako aho. Nitomany matetika aho.
“Taorian’izany, efa-taona lasa izay, ny zanako lahy dia nitondra ho ahy sasantsasany tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Réveillez-vous! izay azony avy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tena nahaliana ireo gazety ary dia nangataka azy aho mba hitondra hafa ho ahy indray. Tsy ela taorian’izany, dia hitako ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ary dia nametraka filazana fohy teo am-baravarana aho nangataka olona mba hitsidika ahy. Tonga ilay Vavolombelona, adiny efatra taorian’izay. Nanomboka nianatra ny Baiboly aho ary nandroso hatrany amin’ny batisa. Ankehitriny dia azoko antoka fa hitako tamin’ny farany izay nokatsahiko mandrakariva — ny fahamarinana!”
Ireo olona ireo dia nihaino ny feon’ilay Mpiandry Tsara, Jesosy Kristy, ary ‘ny marina nanafaka azy ireo.’ — Jaona 8:32.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 14]
Garo Nalbandian