Tena manana antony maro be tokony hahavelom-pankasitrahana aho!
NOTANTARAIN’I LOTTIE HALL
Ity dia nitranga tamin’ny dianay avy tany Calcutta, India, ho any Rangoon, Birmania, tamin’ny 1963. Fotoana fohy taorian’ny nandaozanay an’i Calcutta tamin’ny fiaramanidina, ny iray tamin’ireo anadahy dia nahamarika menaka nitsika teo amin’ny elatr’ilay fiaramanidina. Rehefa nandre ny amin’izany ireo mpiasa tao amin’ilay fiaramanidina dia nilaza ny tokony hipetrahana haingana. Voalohany indrindra, ilay fiaramanidina dia tsy maintsy nanary tany an-dranomasina “carburant” betsaka mba hahafahana midina. Niantsoantso ny “steward” iray hoe: “Raha maniry hivavaka ianareo, dia ataovy izao ankehitriny izao!” Nivavaka izahay fa raha izany no sitrapon’i Jehovah, dia mety ho tafidina soa aman-tsara izahay, ary dia izany tokoa no nitranga. Marina tokoa fa nanan-javatra tokony hahavelom-pisaorana izahay.
ENY, manana antony maro hafa tokony hahavelom-pankasitrahana ny tenako. Eo amin’ny faha-79 taonako, dia mbola manana fahasalamana sy hery voafetra aho, izay ampiasaiko amin’ny fanompoana manontolo andro. Ary koa, ambonin’ireo fitahiana iombonan’ny vahoakan’i Jehovah rehetra, dia nanana fanandraman-javatra maro niavaka aho. Raha fintinina, dia fananana sarobidy ho ahy ny fanompoana an’i Jehovah hatramin’ny 60 taona mahery, ary tamin’ny antsasak’io fotoana io mahery dia mpanompo manontolo andro, na mpitory maharitra, aho.
Nanomboka niaraka tamin’ny raiko ny zavatra rehetra fony izahay nonina tany Carbondale, Illinois. Mpikambana tao amin’ny antokom-pivavahan’ny Mpianatr’i Kristy izy ary nahaliana azy ny ho tonga mpitondra fiangonana. Na dia izany aza, ny fanandraman-javatra azony tao amin’ny kolejy fianarana Baiboly anankiroa dia nahatonga azy ho diso fanantenana, satria nanana ny heviny manokana izy momba ny trinite, ny tsy fahafatesan’ny fanahy, ary ny fampijaliana mandrakizay.
Farany, dia afa-po tamin’ny fahamarinan’ny Baiboly nentin’ny Mpianatra ny Baiboly mpivaro-mandeha iray tany aminy tamin’ny 1924 izy, raha vao 12 taona monja aho tamin’izay. Nahafaly ny raiko ny nianatra fa nisy olona hafa nahatsapa sahala aminy fa ny trinite, ny afobe mirehitra, ary ny tsy fahafatesan’ny fanahy olombelona dia fampianaran-diso. Tsy ela ny fianakavianay dia nivory tsy tapaka niaraka tamin’ireo Mpianatra ny Baiboly, araka ny niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Ny fianarana ny fahamarinana momba an’i Jehovah sy ny Teniny dia anisan’ny zavatra tena nankasitrahako marina tokoa.
Tsy ela anefa, dia namely ny loza. Ilay lehilahy izay nitondra ireo fahamarinana ho an’ny raiko dia nanjary sady nanao ny tsy marina no ratsy fitondrantena. Nanafintohina ny raiko izy fa tsy mba toy izany tamiko sy ny reniko. Dimy ambin’ny folo taona aho tamin’izay, izaho no zokiny indrindra taminay enina mianadahy, ary nifikitra tamin’ny fahamarinana izaho sy ny reniko.
Tamin’ny fahavaratry ny taona 1927, dia nambara fa ny fivoriambe lehibe iray an’ny Mpianatra ny Baiboly dia hatao any Toronto, Canada. Nilaza ny raiko fa tsy ho afaka ny handeha izy, kanefa ny reniko dia vehivavy tapa-kevitra. Nanomboka nandehandeha nivarotra kojakojan-tokantrano samy hafa izy, ary tamin’ny fotoan’ny fivoriambe dia nahangona 8 dôlara izy. Niaraka tamin’io vola io, izaho sy ny reniko dia nanomboka nanakana izay fiara nandalo (tsy nisy fandoavam-bola) ho any Toronto, any amin’ny 1600 kilaometatra. Naharitra dimy andro izany ary nitaingina fiara impito amby telopolo izahay vao vitanay io lalana io, ka tonga tany izahay, iray andro talohan’ny nanombohan’ny fivoriambe. Koa satria kely ny volanay, dia nangataka ary nahazo maimaimpoana ireo fitaovana ilain’ny vahiny rehefa hatory izahay. Rehefa nandre ny mikasika ny dianay ny Ranadahy A.H.Macmillan, dia notantarainy tao amin’ny gazetin’ny fivoriambe teo ambanin’ilay lohateny hoe: “Na toy inona na toy inona fisondrotan’ny saran-dalana amin’ny fiarandalamby dia tsy mampanahy ireny mpianatra ny Baiboly ireny.”
Nanao izay hahafantaran’ny raiko izay nitranga tamin’ny alalan’ny “cartes postales” foana ny reniko. Noho izany, tamin’ny minitra farany dia nanapa-kevitra ny ho tonga tamin’ny fiarakodia ihany izy, nifanitsy indrindra tamin’ny fotoana nanaovana ny lahateny ampahibemaso ny andro farany tamin’ny fivoriambe. Izao izahay dia tsy nila ny nanakana fiarakodia tamin’ny dianay niverina nody. Fivoriambe re izany! Velom-pisaorana aoka izany aho noho ny nahafahanay nanatrika azy io, ary fankasitrahana toy inona moa ny ahy noho izy io nanampy ny raiko hahazo indray ny fijoroany ara-panahy.
Nandritra ny taona maro rehefa nanontaniana aho hoe inona no fivavahako, dia namaly aho hoe “IBSA”, ireo litera ireo dia mampiseho ny International Bible Students Association (Fikambanana Iraisam-pirenen’ny Mpianatra ny Baiboly). Nefa dia nahatsiaro ho nalahelo foana aho tamin’io anarana io. Feno fankasitrahana anefa aho, rehefa nandray ny anarana vaovao hoe Vavolombelon’i Jehovah izahay, tamin’ny fivoriambe tany Columbus, Ohio, tamin’ny 1931 .
Ny asako tany am-pianarana
Anisan’ireo fitahiana maro be izay nahatonga ny fiainako hisy vidiny lehibe ireo izay nifandray tamin’ny mozika. Tena tia mozika aho ary nianatra nitendry “piano” aloha be. Nandritra ny taona maro dia nanana tombontsoa aho nitendry ireo hiran’ny kongregasiona. Talohan’ny nanombohan’ny fikambanana Watch Tower nandray feo ireo hiran’ilay Fanjakana, indray mandeha ny anadahy misionera iray nanompo tany Papouasie-Nouvelle Guinée dia nangataka ny hanaovako amin’ny horonam-peo ny sasantsasany amin’ireo hirantsika mba hahafahan’ireo Papouans mianatra mihira azy ireo. Tena nahafaly ahy tokoa ny nanao izany zavatra izany.
Ny zavamaneno tiako indrindra anefa dia ny kilarinety. Tiako ny nitsoka azy io niaraka tamin’ny mpitendry zavamaneno tany am-pianarana. Ny mpampianatra tany an-tsekoly dia tena nankasitraka ny fomba fitsofako zavamaneno ary izany dia nahatonga azy hangataka ny hanaovako izany koa tao amin’ny tarik’ireo lehilahy mpitendry zavamaneno. Tamin’izany fotoana izany dia mbola tsy nisy mihitsy vehivavy nilalao tao amin’ny tarika iray ho an’ny lehilahy, noho izany, raha vao nahare ny tolo-kevitra naroson’io mpampianatra io ireo mpikambana tao amin’ilay tarika dia nikasa ny hitokona ry zareo. Niova hevitra anefa izy ireo rehefa nomena fanamarihana fa raha nitokona izy ireo dia noroahina. Nisy fomba fanao iray koa rava fony aho nasaina niaraka tamin’ny tarika hilahatra teny amin’ny arabe indray andro tontolo. Nanombana izany ho zava-nitranga nanaitra ny gazety ary dia nitantara izany tao amin’ny lohateny lehibe hoe: “Zazavavy mpitsoka zavamaneno eo anivon’ireo lehilahy maro be ”.
Tatỳ aoriana, dia nanontaniana aho raha mahavita ny raharahan’ny mpampianatra mozika. Kanefa, noho ny fieritreretana ny zava-manahirana rehetra mety hipoitra raha toa aho ka tokony ho nampianatra mozika, toy ny fangatahana hampianatra na hitsoka hiram-pivavahana sy hiram-pirenena, dia nanapa-kevitra ny hanao zavatra hafa aho ary dia notendrena hampianatra tantaran’izao tontolo izao. Nefa izany fiovana izany dia tsy nahatazona ahy, taona vitsivitsy tatỳ aoriana, hiala tamin’ny fitsofana ny kilarinetiko niaraka tamin’ny mpitendry zavamanenon’ny fivoriambe tany amin’ireo tany maro raha nandeha tany amin’ny fivoriambe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah aho.
Rehefa ela ny ela dia tonga mpampianatra ny tantaran’izao tontolo izao tao amin’ny fianarana ambony lehibe iray tao amin’ny zana-bohitr’i Detroit aho, ary noho izany dia nangataka ahy ny talen’ilay sekoly indray mandeha mba hifidy iray izay mety amin’ireo boky fianarana vaovao maromaro. Tamin’ny fandinihana ireo boky ireo, dia nanaitra ny saiko ny hoe: rehefa nilaza ny anaran’i Jehovah imbalo ny boky nahazatra, ny iray vaovao dia tsy nilaza ny anaran’ny Andriamanitry ny Hebreo, kanefa nanonona ny anaran’ny maro tamin’ny andriamanitr’ireo firenena mpanompo sampy, toy ny hoe Ra, Moloka, Zeosy, na Jopitera. Rehefa tonga tao amiko ny lehilahy iray mpivarotra io boky io dia nanontaniako izy hoe nahoana i Jehovah no tsy voalaza ao amin’io boky io, ka nilaza izy hoe: “Tsia, tsy hametraka izany anarana izany ao amin’ireo lahatsoratray izahay noho ireo Vavolombelon’i Jehovah.” Koa nilaza taminy aho hoe: “Tena tsara! Noho izany tsy mankasitraka ny lahatsoratrareo aho.” Natontany tao anatin’ny kitapony ilay boky ary dia nakatony ny varavarana.
Taoriana kelin’izay aho dia nilaza tamin’ilay lehiben’ny sekoly fa izahay dia tsy mila mihitsy boky fianarana vaovao ary dia nanome antony mazava sasantsasany aho. Niray hevitra tamiko izy. Nahafaly ny rehetra io fanapahan-kevitra io: raha vao volana vitsivitsy monja tatỳ aoriana, dia notapahina fa hajanona tsy ho ao amin’ny fandaharam-pampianaran’ny sekoly ambony ny taranja tantaran’izao tontolo izao. Ny taranja vaovao iray antsoina hoe fiaraha-monina no nanoloana azy io tao amin’ireo fandaharam-pampianarana Amerikana (14-school system). Raha nividy ireo bokin-tantara vaovao ny sekoly, dia ho fatiantoka no ho hita!
Nanana fanandraman-javatra nahafinaritra maro tamin’ny fampianarana aho ary mpifehy hentitra. Izany dia niteraka fisakaizana naharitra sasantsasany. Nanana fahafahana betsaka hanao fanambarana tsy ara-potoana koa aho. Kanefa tamin’ny farany, ny fotoana sy ny toe-javatra dia nitarika ahy ho ao amin’ny fanompoana manontolo andro.
Fivoriambe niraisam-pirenena
Taorian’ny nampianarako nandritra ny 20 taona, dia nanomboka tsy dia nahita ny masoko. Ankoatr’izany, ireo ray aman-dreniko dia nahatsiaro fa nila ahy, noho izany, dia nangataka ny hodiako ny raiko, tamin’ny filazana fa nisy asa fampianarana mbola lehibe kokoa tokony hatao tany, ary Jehovah hanao izay tsy hahafaty mosary ahy. Nitsahatra tsy nampianatra intsony aho tamin’ny 1955, ary anisan’ireo fitahiana voalohany ho ahy taorian’izany dia ny nanatrehako fitohitohizan’ireo fivoriambe “Fanjakana Mandresy” tany Eoropa. Fankasitrahana toy inona moa ny ahy niaraka tamin’ireo ranadahy tany Eoropa, izay ny maro tamin’izy ireo dia niaritra fahoriana mafy tokoa nandritra ny ady lehibe faharoa! Fitahiana indrindra ny naha-anisan’ireo 107000 izay nameno ny Zeppelinwiese, na ny Tanimbilona Zeppelin, tany Nuremberg, toerana izay noheverin’i Hitler hanaovana ny matsom-pandreseny taorian’ny ady lehibe faharoa.
Vao voalohany fotsiny izany tamin’ireo fitetezana izao tontolo izao maro be nandraisako tombontsoa natao. Tamin’ny 1963 izaho sy ny reniko dia anisan’ireo mpanatrika 583 nandeha nanodidina mihintsy izao tontolo izao nanatrika ilay fivoriambe hoe “Vaovao tsara mandrakizay”. Izany dia izany dia nitondra anay avy any New York nankany Eoropa, avy eo, nankany Azia sy ireo nosy tany Pasifika, talohan’ny namaranana izany tany Pasadena, Kalifornia. Nandritra izany dia izany no nahitanay ny fanandraman-javatra nampitahotra izay voalazalaza terỳ am-piandohana. Ny dianay farany dia nitondra anay tany amin’ireo fivoriambe tany Amerika atsimo, Pasifika atsimo, ary tany Afrika. Marina fa ireo dia rehetra ireo dia tena nampisy vidiny tokoa ny fiainako, ary ny nahafahako nandray anjara niaraka tamin’ireo mpitendry zavamanenon’ny fivoriambe tany amin’ireo toerana maro ireo dia tombotsoa fanampiny ho an’ny olona iray tia mozika.
Fidirana tao amin’ny laharan’ny mpitory maharitra
Tamin’ny 1955, taorian’ny niverenana avy tany Eoropa, dia niara-nanao ny asan’ny mpitory maharitra tamin’ny reniko aho, nandritra ny herintaona, ary avy eo dia nangatahan’ny fikambanana aho hiara-miasa tamin’ny kongregasiona kely tany Apalachicola tany andrefan’i Florida. Nandritra ny fito taona, izaho sy ny rahavavy hafa iray dia nanampy tamin’ny fampandrosoana ny asa tany amin’io toerana io ary tsy ela ilay kongregasiona dia afaka nanorina Efitrano Fanjakana mba hiatrehana ny fitomboana. Nitohy ny fandrosoana, ary tsy ela taorian’izay dia niorina koa ny kongregasiona iray tany Port Sainte Joe. Nandany 11 taona aho tamin’ny fiarahana niasa tamin’ny kongregasiona telo tany amin’ny tapany andrefan’i Florida.
Indray mandeha aho dia nangatahin’ny mpiandraikitra mpitety faritany mba hitady toerana hanaovana ny fivoriamben’ny fizaran-tany. Afaka nahazo fahefana hampiasa ny Centennial Building tao Port Saint Joe tamin’ny 10 dôlara monja aho. Nefa izahay dia nila koa toerana fizarana sakafo ary nieritreritra ny hampiasa ny an’ny sekoly izahay. Hitako anefa fa nanohitra ilay talen’ny sekoly ary dia nilaza izy fa tokony hihaona amin’ny mpandraharaha ny sekoly aho. Tonga tao amin’io fihaonana io koa ny ben’ny tanàna satria naniry ny hahazoanay mampiasa io toerana fizarana sakafo io izy. Rehefa nanontany izy ny amin’ireo antony manakana ny fahazoanay mampiasa azy io, dia nilaza ilay mpandraharaha ny sekoly fa mbola tsy nisy mihitsy fanapahan-kevitra natao ny amin’ny fahazoan’ny antokom-pivavahana mampiasa ireo kojakojan’ny sekoly. Nitodika tany amiko ilay ben’ny tanàna mba hahazoana valinteny. Nanana taratasy filazana vitsivitsy aho izay mampiseho fa nampiasa trano fianarana izahay tamin’ireo fivorianay tany amin’ireo tanàna hafa, ary avy eo aho dia nanondro ny Asan’ny apositoly 19:9, izay milaza fa ny apostoly Paoly dia nitory tao amin’ny trano fampianarana. Izay no nandamina ilay raharaha. Nifanara-kevitra tamin’ilay ben’ny tanàna ilay mpandraharaha tamin’ny famelana anay hampiasa ilay toerana fizarana sakafo tamin’ny fandoavana — 36 dôlara.
Fony aho 13 taona monja, tamin’izay aho no natao batisa, dia nivavaka aho hoe: “Andriamanitra ô, avelao aho hitondra olona iray ao amin’ny fahamarinana.” Novaliana imbetsaka io vavaka io ankehitriny, ary matetika aho no notahina tamin’ny fanampiana olona maro hiandany amin’i Jehovah sy ny Fanjakany. Matetika anefa, saika talohan’ny nahatongavan’ny mpianatra Baiboly iray ho amin’ny fanoloran-tena sy ny batisa, dia notendrena aho ho any amin’ny kongregasiona hafa. Nefa nanana tombontsoa aho tamin’ny fambolena sy fanondrahana, ary maro tamin’ireo mpianatra ireo no nanaporofo fa sakaiza nandritra ny androm-piainany. Ny fandraisana anjara tamin’izany asa mahavokatra izany dia tena nitondra antony maro mahavelom-pankasitrahana ahy.
Nanampy ireo fampahalalam-baovao
Raha nilaza matetika ny tsy fankasitrahana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo fampahalalam-baovao tany amin’ny toerana maro, dia mahafaly ahy ny milaza fa ireo fampahalalam-baovao ao De Land, ao amin’ny faritr’i Florida — toerana anompoako ankehitriny — dia nanampy ahy hanao fanambarana. Ohatra, tamin’ny fotoana nanaovana ny iray tamin’ireo dia fitetezana fivoriambe natao nanerana izao tontolo izao, izaho sy ny reniko dia nandefa lahatsoratra lava be tany amin’ny gazety teo an-toerana, ary navoaka haingana izany niaraka amin’ny sary maromaro. Ireo filazana dia karazana firesahana fandehanana naharitra fotsiny, nefa izahay dia nampiasa azy ireo hatrany mba hanao fanambarana mikasika an’i Jehovah sy ilay Fanjakana.
Marina koa izany teo amin’ny fanaovako fanambarana eny amin’ny arabe. Naka zoron-dalana aho izay nametrahako sezan-jaridaina anankiroa, ny iray dia nipetrahako ary teo ambonin’ilay iray hafa no namelarako ireo zavatra vitantsika an-tsoratra. Indray mandeha, ny lahatsoratra antsasa-pejy niaraka tamin’ny sary dia nitranga tao amin’ny gazety teo an-toerana teo ambanin’ny lohateny kely hoe: “Manohy ny asan’ireo ray aman-dreniny Vavolombelona i Lottie eto Deland.” Vao haingana kokoa, tamin’ny 1987, tao amin’ny gazety iray koa dia nisy lahatsoratra antsasa-pejy niaraka tamin’ny sary miloko lehibe teo ambanin’ny lohateny hoe: “Manana zoron-dalany voatokana ho an’i Kristy ny Lottie Hall.” Ny taona nanaraka, ny gazety hafa iray koa dia nampiseho teo amin’ny pejy voalohany ny sariko, niaraka tamin’ireo fanamarihana toy ny hoe: “Eo mandrakariva izy” ary koa ny hoe: “Nipetraka teo amin’ny sezan-jaridaina, ilay mpampianatra efa misotro ronono ka mampiasa ny zoron-dalany mba hanaovana ny asa misioneran’ny Vavolombelon’i Jehovah.” Inefatra koa ny fahitalavitra teo an-toerana no nampiseho ireo sary mikasika ny fanaovako fanambarana. Manohy mandray anjara amin’ny fomba voafetra eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fanompoana ilay Fanjakana aho: fitoriana isan-trano, fiverenana mitsidika, ary fampianarana Baiboly any an-tokantrano. Kanefa, noho ny fandroson’ny taona sy ny fahosana ara-batana, ankehitriny aho dia mandany ny ankamaroan’ny fotoanako amin’ny fitoriana eny amin’ny arabe.
Refa mitodika ny lasa aho, dia tsy maintsy milaza fa tena manana antony maro tokoa hahavelom-pankasitrahana. Ambonin’ireo fitahiana iombonan’ny vahoakan’i Jehovah rehetra, dia nanana tombontsoa aho, tamin’ny naha-mpampianatra nandresy lahatra tanora maro be; nanana fifaliana aho tamin’ny fanatrehana ny sasantsasany tamin’ireo fivoriambe naneran-tany; nanana fanompoana tena nahavokatra aho tamin’ny naha-mpitory maharitra; ary dia notahina koa aho raha ny amin’ny mozika. Ary koa, nisy ireo fanambarana azoko natao tamin’ny alalan’ny fampahalalam-baovao. Afaka milaza marina tokoa miaraka amin’i Davida mpanao salamo aho hoe: “Hankalaza ny anaran’Andriamanitra amin’ny fihirana aho, ary hidera Azy amin’ny fisaorana.” — Sal. 69:30.