FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 15/2 p. 29-31
  • Mitondra fifaliana ny vokatra tondraka any Taiwan

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitondra fifaliana ny vokatra tondraka any Taiwan
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Lohatenikely
  • Fambolena kely tany am-boalohany
  • Fandraisana feno fisakaizana fa tsy fahalianana marina
  • Izay mahatonga fitomboana
  • Fijinjana eo amin’ireo foko
  • Mitohy ny fijinjana
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 15/2 p. 29-31

Mitondra fifaliana ny vokatra tondraka any Taiwan

NOSY 390 km ny halavany ary 140 km ny sakany i Taiwan. Noho ny fananany mponina maherin’ny 20 000 000, dia iray amin’ireo faritra misy mponina mifanizina indrindra eto ambonin’ny tany izy io. Miteny Sinoa, na Sinoa Mandarin araka ny fiantson’ny tandrefana azy, ny ankamaroan’ny mponina ao aminy. Misy tenim-paritra maromaro sy tenim-poko eo amin’ny 13 eo ho eo koa anefa itenenana eto.

Eo amin’ny Zana-pehintany asorotany (Tropique du Cancer) no misy an’ i Taiwan izay nosy tena lonaka, mamokatra vary sy voly hafa tondraka aoka izany ka nahatonga azy ho mpanondran-tsakafo. Kanefa dia misy fijinjana karazany hafa iray mitondra fifaliana lehibe ho an’izay mandray anjara amin’izany. Izany dia fijinjana ara-panahy ireo mandray tsara ny “vaovao tsaran’ilay Fanjakana”. — Matio 24:14, MN.

Fambolena kely tany am-boalohany

Nanomboka efa ho 60 taona lasa teo ho eo izay ny asa famafazana ny voan’ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly tany Taiwan, rehefa tonga avy tany Japana ny solontenan’ny Fikambanana Watch Tower iray ary nanao lahateny sasantsasany momba ny Baiboly tany Taipe renivohitra. Nanaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana ny lehilahy tanora japone iray natao hoe Saburo Ochiai, ary tsy ela dia nanomboka niresaka ny amin’izany tamin’ny hafa izy. Tatỳ aoriana, dia nisy minisitra manontolo andro roa avy tany Japana nitety ilay nosy, namafy voan’ny vaovao tsara. Rehefa ela ny ela dia nataon’ny mpitondra miaramila jadona japone an-tranomaizina izy ireo ary namoy ny ainy noho ny Fanjakan’Andriamanitra. Nitsiry haingana teo amin’ny fokon’ny Amis ny maro tamin’ireo voa nafafin’izy ireo, kanefa dia kely ny fahalianana hita teo amin’ny vahoaka sinoa maro an’isa nipetraka tany amin’ny morontsiraka andrefan’ilay nosy. Bodista na Taoista ny ankabetsahan’izy ireo.

Ny fijinjana ara-panahy any Taiwan dia nandroso hatrany avy tamin’io fiandohana kely io, hany ka, ankehitriny ilay nosy dia nanjary saha mahavokatra iray. Ohatra, nandritra ireo dimy taona farany, dia olona 529 no natao batisa, avy amin’ny mponina sinoa ny ankabeazany. Izany dia nitondra ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana ao amin’ilay nosy ho amin’ny tampon’isa 1 552 tamin’ny 1989. Eny, mandray ny vaovao tsara ary mianatra ny amin’i Jehovah Andriamanitra ny Taoista sy Bodista ary kristiana anarana maro! Fa toy inona moa izany hoe miresaka ny Baiboly amin’ny olona avy amin’ny fiaviana samy hafa be toy izany? Ary inona no vokany?

Fandraisana feno fisakaizana fa tsy fahalianana marina

Sady mitondra valisoa no mitondra zava-tsarotra tsy maintsy setraina ny asa fitoriana any Taiwan, satria toetra voajanahary eo amin’ny vahoaka sinoa ny fandraisana olona amim-pisakaizana. Amin’ny ankapobeny izy ireo dia mihaino ny mpitsidika amim-pahalalam-pomba. Rehefa atolotra ny boky momba ny Baiboly, dia matetika izany no raisina noho ny fanajana. Ho vokatr’izany, dia nisy minisitra manontolo andro sasany nahapetraka gazety hatramin’ny 300 na nahazo famandrihana 100 tamin’ny gazetintsika tao anatin’ny iray volana monja. Nandritra ireo taona, dia Baiboly, boky, gazety ary taratasy mivalona maro no napetraka tamin’ny olona. Nahoana àry no niadana, raha oharina amin’izany, ny fitomboan’ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana?

Ny antony iray dia mahatafiditra ireo fiheverana “confucianiste” izay namolavola ny fisainan’ny vahoaka nandritra ny taonjato maro. Araka ny voalazan’i Confucius, izay “manalavitra ireo Fanahy noho ny fanajana azy dia azo lazaina ho hendry”.a Ny hevitr’izany dia hoe: ny olona hendry iray dia tsy miditra be loatra amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ireo fanahy na andriamanitra. Araka izany, dia maro no mety ho ta hahalala ny hafatra momba ilay Fanjakana, nefa vitsy no maniry handray anjara amin’ny fianarana ny Baiboly. Amin’izay koa, na dia mino fanahy sy andriamanitra maro aza ny Sinoa, ny hevitra ny amin’ny Mpamorona tampony iray dia vaovao tokoa ho an’ny ankamaroan’izy ireo. Ankoatra izany, na dia ireo olona fandre matetika ao amin’ny Baiboly toa an-dry Abrahama sy Davida aza dia mety tsy hidika zavatra firy ho azy ireo. Noho izany dia takatra mora foana ny antony ilàna fotoana sy faharetana be mba hanampiana ny olona eto hanaiky ny Baiboly ho Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra sy hampifamatotra fifandraisana manokana amin’ny Mpamorona, dia i Jehovah Andriamanitra. Noho ny fitahian’i Jehovah anefa, dia valian-tsoa ny ezaka toy izany.

Izay mahatonga fitomboana

Nandritra ny taona maro, ireo kongregasionan’ny vahoakan’i Jehovah any Taiwan dia nampiasa efitrano nohofana hanaovana ireo fivoriany. Nampahafantarina an’ireo loholona tao amin’ny kongregasiona iray ny antony nilana toeram-pivoriana mety kokoa rehefa nanao izao fanamarihana izao ny olona liana iray: “Raha manana ny fahamarinana ianareo, inona no ataonareo amin’ny toerana toy izao? Nahoana ianareo no tsy manana toeram-pivoriana raikitra?” Koa, tamim-pitokiana tamin’i Jehovah, dia nanomboka nikaroka toerana mety ho an’ny Efitrano Fanjakana iray io kongregasiona io. Farany, dia nividy ny fitambaran’efitrano roa nifanolotra tao amin’ny trano avo lehibe iray izy ireo, ary manana Efitrano Fanjakana tsara tarehy izy ireo izao.

Nandritra ireo enin-taona farany, dia Efitrano Fanjakana 11 no naorina na novidina tany Taiwan. Tamin’ny tsirairay amin’ireo toe-javatra ireo, izany dia niteraka fijinjana nitombo sy mpanatrika fivoriana maro be. Ohatra iray amin’izany ny kongregasionan’ny tanànan’i Tainan any atsimon’ny nosy. Tamin’ny 1981, io tanàna lehibe misy olona 600 000 io dia tsy nanana afa-tsy kongregasiona kely iray nisy mpitory ilay Fanjakana 44. Noho ny filàna maika, dia nanapa-kevitra ny hanorina Efitrano Fanjakanany manokana io antokon’olona io. Tamim-pinoana fa hitahy azy ireo i Jehovah, ireo rahalahy sy anabavy dia niroso nanatanteraka ilay asa na dia tokony ho tany amin’ny 60 000 000 ariary tany ho any aza ny ho vidiny. Nisy nandrotsaka ny volamena azony tamin’ny vodiondry; nisy hafa nampihemotra ny diany ho any ampitan-dranomasina. Nanohana tamin’ny fomba feno ny rehetra tao amin’ny kongregasiona. Rehefa fantatr’ireo rahalahy tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower ny amin’io fikasana io, dia nanapa-kevitra ny hanorina tranon’ny misionera teo ambonin’ilay Efitrano Fanjakana izy ireo, ka amin’izany dia handoa antsasaky ny vidiny. Vita tao anatin’ny roa taona ilay efitrano. Inona no vokany? Tamin’ny fotoana nahavitan’ilay Efitrano Fanjakana, dia tafakatra ho 74 ny totalin’isan’ny mpitory! Amin’izao fotoana izao, dia kongregasiona roa misy mpitory 160 amin’ny fitambarany, no mampiasa io efitrano io, ary ny antsalan’ny isan’ny mpanatrika fivoriana isan-kerinandro dia eo amin’ny 250 eo ho eo. Mikasa hanorina Efitrano Fanjakana faharoa izao ireo kongregasiona roa ireo.

Fijinjana eo amin’ireo foko

Nitohy hatrany raha vao teo am-piandohan’ny asan’ilay Fanjakana mihitsy tao amin’ilay nosy ny fijinjana teo amin’ireo foko any amin’ny morontsiraka atsinanan’i Taiwan. Ny sasany amin’ny Amis izay nianatra voalohany ny fahamarinana efa maherin’ny 50 taona lasa izay dia mbola mavitrika ihany. Nandritra ireo taona, dia nahita zava-tsarotra noresena maro izy ireo. Nandritra ny fitanan’ny Japone ny taniny an-keriny tamin’ny Ady lehibe faharoa, dia voatery nianatra fiteny japone izy ireo. Rehefa naverina tamin’i Chine ilay nosy taorian’ny ady, dia voatery nianatra ny fiteny sinoa izy ireo. Teo am-piandohan’ireo taona 60 izy ireo dia niatrika fitsapana karazany hafa. Tamin’izany fotoana izany, dia nandao ny fandaminana madion’i Jehovah na niseho ho tsy mendrika ny hifandray taminy ny olona ambonimbony maro avy tamin’ny fokon’ny Amis. Tao anatin’izany rehetra izany dia nisy ampahany tamin’ireo Vavolombelona tsy nivadika, nanohy nanompo an’i Jehovah. Manome ohatra tsara eo amin’ny asa fitoriana izao ny maro amin’ny zafikelin’ireny rahalahy sy anabavy be taona mahatoky ireny.

Nisy olona avy amin’ny foko hafa nandroso ara-panahy koa. Ohatra, misy antokona mpitory ilay Fanjakana mahatoky eo amin’ny fokon’ny Bunun. Mpihaza lohan’olona ny sasany tamin’ireo razambeny akaiky. Izao dia mitory ny hafatra milaza fiadanana avy amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ireo olona ireo. Nahazo fanambarana tsara dia tsara koa ny fokon’ny Lukai sy ny an’ny Paiwan, ary nanao fiovana lehibe teo amin’ny fiainany ny maro tamin’ireo teo aminy. Mitantara toy izao izay niainany i Ba Chu Fu:

“Teraka tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Pingtung aho. Noho ny raiko filohan’ny fokon’ny Lukai, dia nanateran’ny olona sakafo ho fanomezana izahay ka tsy voatery nanao asa mafy. Noho io rivo-piainana io dia nanjary niavonavona be aho. Tonga ‘filohan’ny’ andian-jiolahy tanora nihetraketraka feno avona, nandrahona ny olona sady naka an-keriny ny volany aho. Natahorana tao amin’ilay tanàna kelinay aho. Teo amin’ny faha-22 taonako, dia naka ny iray tamin’ireo ankizivavy sakaizako maro be ho vady aho. Namaka lalina tato amiko anefa ny fahalotoam-pitondrantena sy ny fisotroana be ka sarotra tamiko ny nanaiky ny fanambadiana. Tsy ela dia nirodana ny fanambadianay ary niverina tamin’ny fomba fiainako taloha aho.

“Nanomboka nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vadiko tamin’izany fotoana izany. Tsy liana tamin’izany aho ary nihevitra ny tenako ho tsy nino an’Andriamanitra. Vokatry ny ezaka tamin-jotom-po sy tamim-pahatsorana nataon’ny vadiko anefa, tamin’ny 1973 dia nanaiky ny hiaraka taminy tany amin’ny fivoriambe niraisam-pirenena iray tany Taipei aho. Nipetraka tany amina fianakaviana Vavolombelona iray izahay. Ny hatsaram-panahy nasehon’ilay anabavy sinoa sy ny fombany tsy nisy fitsarana an-tendrony dia namela soritra tsy azo nokosehina tato amiko. Rehefa tafaverina tany an-trano aho, dia nanomboka nianatra ny Baiboly ary nanao fiezahana tamim-pahatsorana mba hiova. Natao batisa tamin’ny 1974 aho.

Hatramin’izay, dia nisy fitsapana maro. Ny iray tamin’izany dia ny fianarana namaky teny sinoa. Ny fitokanana ny iray hafa. Noho ny tsy fisian’ny rahalahy matotra nifaneraserana sy nitadiavana fanampiana, dia voatosika hitoky tamin’i Jehovah aho. Nianatra nanetry tena sy nifikitra tamin’ny fandaminan’i Jehovah aho. Inona no vokany? Amin’izao fotoana izao, dia mavitrika ao amin’ny fahamarinana ny rehetra amin’ny fianakaviako. Manana tombontsoa manompo amin’ny maha-mpikarakara momba ny asa aho ao amin’ny kongregasiona izay misy mpitory be zotom-po 60 izao. Na dia tsy manana talenta manokana aza aho, dia notahin’i Jehovah sy notohanany ny ezaka nataoko tamin’ny asa fijinjana.

Mitohy ny fijinjana

Tapany kely monja amin’ny saha maneran-tany i Taiwan. Kanefa dia hita fa marina eto koa ny tenin’i Jesosy hoe: “Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy”. (Matio 9:38). Tamin’ny taon-dasa, dia nisy olona 4 534 nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Ary arakaraka ny androsoan’ny fijinjana ho amin’ny fiafarana malaza iray, ireo mpiasa izay mikely aina fatratra any Taiwan dia mijinja amim-pihobiana. — Ampitahao amin’ny Salamo 126:5, 6.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ireo Taratasy, vii 20, araka ny nandikan’i Arthur Waley azy ao amin’Ireo Taratasin’i Confucius, 1938, Vintage Books, New York.

[Sarintany/Sary, pejy 31]

(Jereo ny gazety)

JAPANA

CHINE

TAIWAN

PHILIPPINES

[Sary]

Efitrano Fanjakana naorina vao haingana any amin’ny morontsiraka atsinanan’i Taiwan

Mitondra fifaliana ho an’ny maro ireo mpitory ilay Fanjakana ao amin’io tany maitso mavana io

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara