FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 15/2 p. 32
  • Ny fotoana tsara indrindra eo amin’ny fiainana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fotoana tsara indrindra eo amin’ny fiainana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 15/2 p. 32

Ny fotoana tsara indrindra eo amin’ny fiainana

Nanoratra toy izao, tsy ela izay, ny tanora iray avy any Nizeria, atsy Afrika andrefana: “Taloha aho dia nihevitra fa ny fahatanorana no fotoana sarotra indrindra eo amin’ny fiainan’ny olona iray, ary ny taona sambatra indrindra, dia ny taona maha-ray na reny ny olona iray na rehefa olon-dehibe izy.”

Avy eo anefa io tanora afrikana io dia naharay anankiray tamin’ilay boky hoe Votre Jeunesse — Comment en tirer le meilleur parti. “Misaotra indrindra”, hoy ny nosoratany. “Nanampy ahy tamin’ny fomba maro aoka izany io boky io.” Namarana ny teniny toy izao izy: “Izao, taorian’ny namakiako io boky io, dia takatro tsara fa ny fahatanorana no taona tsara indrindra.”

Miatrika toe-javatra vaovao maro sy tsy maintsy manao fanapahan-kevitra mavesa-danja maro ireo tanora mitombo amin’izao fotoana mikorontana izao. Moa ve tokony hifoka sigara na hanaiky zavatra mahadomelina ny tanora iray? Fitondrantena inona no mety atao amin’ny olona iray tsy lahy na vavy toy ny tena? Ahoana ny amin’ny fikasikasihana ny faritra maha-lahy na maha-vavy mba hahazoana fahafinaretana sy ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy na vehivavy amin’ny vehivavy?

Mety hitarika ho amin’izao karazana alahelo sy zava-manahirana rehetra izao ny fanaovana fanapahan-kevitra ratsy. Mandinika ireo fanontaniana rehetra etsy ambony ireo sy ny maro hafa koa ilay boky hoe Votre Jeunesse — Comment en tirer le meilleur parti. Raha maniry hahazo iray amin’izany ianao, dia fenoy ary alefaso paositra, aza fady, ny tapakila.

Maniry ny hahazo ilay boky mifono baoritra 192 pejy hoe Votre Jeunesse — Comment en tirer le meilleur parti aho. (Raha monina any ivelan’i Madagasikara ianao, dia manorata any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-2.)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara