Nahoana no manana Efitrano Fanjakana
maro aoka izany i La Réunion?
EO AMIN’NY 640 km any atsinanan’i Madagasikara no misandratra tampoka avy eo amin’ny Oseana Indiana midadasika ny nosy kelin’i La Réunion. Na dia eo amin’ny 60 kilaometatra monja aza ny lavany ary 50 kilaometatra monja ny sakany, ilay nosy dia malaza noho ireo dongom-bolokanony sy ny firehetany mitranga ara-potoana. Ny tendrony avo indrindra, any amin’ny 3 069 metatra ambonin’ny haabon’ny ranomasina, dia ny volokano maty Piton des Neiges (Tendron’ny Orampanala). Any amin’ny tapany atsimo atsinanan’ilay nosy no misy ny volokano mbola velona 2 625 metatra antsoina amin’ny fomba mety hoe Piton de la Fournaise (Tendron’ny Fatana mivaivay). Fahitana manaitra toy inona moa rehefa mipoaka amin’ny alina izy io! Arabe maro no miakatra sy midina miolikolika eo amin’ny kisolasola mideza, manome fahitana mampiontam-po ny amin’izay antsoina hoe hatsaran-tarehy mampivarahontsan’i La Réunion.
Nahoana no misy Efitrano Fanjakana maro be toy izany?
Ny tena hatsaran-tarehin’i La Réunion anefa, dia eo amin’ny fisian’ny mponin’ny nosy maro nanaiky ny “vaovao tsaran’ny Fanjakana” torin’ny Vavolombelon’i Jehovah. (Matio 24:14) Nanomboka tamin’ny 1960 ny asa fitorian’izy ireo, rehefa nisy minisitra manontolo andro roa tonga avy tany Frantsa. Izao, 30 taona atỳ aoriana, dia Vavolombelona 1 665 no mikely aina mampiely ny hafatr’ilay Fanjakana eo amin’ny mponina 582 000 — Vavolombelona 1 ho an’ny olona 350 ao amin’ilay nosy.
Mitaky ny fanorenana toeram-pivoriana mety mba hahafahan’ny Vavolombelona manao hatrany ny fanompoam-pivavahany sy ny fampiofanany ara-panahy ny fitomboana toy izany. (Hebreo 10:24, 25) Efa nahavita sahady ny Efitrano Fanjakanany manokana ny 13 amin’ireo kongregasiona 19 ao La Réunion. Noho ny rivo-doza mitranga matetika ao amin’io faritra io, izy ireo dia vita amin’ny rafi-bato mafy izay mitaky fotoana — sy vola — betsaka ny fanorenana azy. Ahoana àry no nahazoana nanorina efitrano toy izany, satria ny ankamaroan’ny Vavolombelona ao amin’io nosy io dia mandray karama antonontonony sady maro anaka? Amin’ny tenin’ny Baiboly, ny valiny dia hoe ‘tsy fohy ny tanan’i Jehovah’. — Isaia 59:1.
Resy ireo vato nisakana
Hevero ohatra, ny fomba nanosehan’i Jehovah ny fon’ny olona mba hanampy tamin’ny fanorenana ny Efitrano Fanjakana tany amin’ny tanàna kelin’i Saint-Louis, any amin’ny tapany atsimo andrefan’i La Réunion. Raha vao nekena ny planina, dia nilaza tamin’ny mpampianatra rafi-bato azy ny Vavolombelona tanora iray fa hisy Efitrano Fanjakana iray haorin’ny mpiasa an-tsitrapo. Tsy vitan’ny hoe nanolotra ny asany an-tsitrapo ilay mpampianatra fa nentiny koa ny kilasiny iray manontolo ho any amin’ilay toerana mba hanampy hiady ny fototra. Tatỳ aoriana, dia nataony fanomezana ny tsỳ (acier) nilaina tamin’ny fototra.
Rehefa tonga niaraka ny mpiasa an-tsitrapo maherin’ny zato tamin’ny andro tsy fiasana iray mba handraraka rihibato (béton) teo amin’ilay velaran-tany nisy 190 metatra tora-droa teo ho eo, dia gaga izy ireo nahita fa nohidian’ilay tanàna ny famatsian-dranony. Ahoana no hahafahany hanamboatra rihibato tsy misy rano? Nanapa-kevitra ny iray tamin’ireo mpiasa izay nahafantatra ny filohan’ny sampan-draharaha mpamonjy trano may fa hanazava ilay tarehin-javatra sarotra amin’io lehilahy tsara fanahy io. Fotoana fohy taorian’izay, dia tonga teny an-toerana ny kamiaon’ny mpamonjy trano may iray. Nanana ny rano ampy ho an’ny asa ilay fiara, ary navelan’ny sampan-draharaha mpamonjy trano may hijanona teo nandritra ny andro manontolo ilay izy! Takatra mora foana fa voatosika hametraka ny fony manontolo tao amin’ny asa ny mpiasa an-tsitrapo rehetra.
Niharihary tamin’ny fomba nandresena vato nisakana hafa koa ny fanampian’i Jehovah. Ohatra, teo antenatenan’ny fanorenana, ny valindrihana dia vonona handray ireo jiro miraikitra manokana 22 izay nohafarana valo volana talohan’izay. Nampahafantarin’ilay kaompania anefa ireo rahalahy fa tsy natao intsony ilay môdely notadiavin’izy ireo. Inona no azo natao? Moa ve voatery novana ny planina manontolo sy ny valindrihana? Tsia, satria tamin’izay fotoana izay indrindra, dia ren’ireo rahalahy fa nisy mpanao raharaham-barotra iray teo an-toerana nanana jiro nitovy tamin’izany teo am-pelatanany ho an’ny fikasana iray izay tsy tanteraka mihitsy.
“Firy no anananao?” hoy ny nanontaniana azy.
“Eo amin’ny 25 eo ho eo”, hoy ny navaliny.
Tsy nisy hataka andro, dia novidina sy napetaka ireo jiro.
Raha mbola nandroso ilay asa, dia nisy olona iray vao nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah voatohina lalina tamin’ilay fanorenana tsara dia tsara.
“Lazao amiko”, hoy ny fanontaniany, “misy zavatra hafa ilainareo ve?”
“Eny”, hoy ny rahalahy iray. ”Mila fitaovana fanamafisam-peo izahay.”
Teo no ho eo, dia navoakan’io olona liana vao haingana io avy hatrany ny karinen-tsekiny ary nataony fanomezana saika ny vola ampy hividianana kojakoja momba ny fanamafisam-peo iray vaovao tanteraka. Ny fanomezana an-tsitrapo toy izany, niaraka tamin’ny vola nampindramin’ny foiben’ny Fikambanana Watch Tower any Etazonia tamim-pahalalahan-tanana, no nanampy ny kongregasiona hamita an’io Efitrano Fanjakana tsara dia tsara io.
Ho fara tampony tamin’izany rehetra izany, dia ravoravo ny kongregasiona tao Saint-Louis nahita ny rahalahy Carey W. Barber, anisan’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, tonga mba hitokana ny Efitrano Fanjakana tamin’ny desambra 1988. Nomanina ho tonga avy tany amin’ny foiben’ny fikambanana any Brooklyn, New York, ny rahalahy Barber mba hitokana ny toerana misy ny sampana vaovao ao Maurice, ilay nosy eo akaikiny. Rehefa nandre izany ireo rahalahy tao Saint-Louis, tao anatin’ny roa tokom-bolana monja izy ireo dia nahangona vola ampy mba hiantohana ny saram-piaramanidina ho azy sy ho an’ny mpikambana iray amin’ny komitin’ny sampana ao Maurice, avy tany Maurice nankany La Réunion. Noho ny fitomboana nanomboka tamin’izay, dia tsy maintsy nizara ny kongregasionan’i St.-Louis. Izao, dia kongregasiona roa no mifampizara ilay Efitrano Fanjakana vaovao.
Ho an’i Jehovah ny laza
Ahoana ny amin’ireo kongregasiona hafa ao La Réunion? Noho ny fandraisana tsara dia tsara ny asa fitoriana ny Fanjakana, ny mpanatrika amin’ireo fivoriana ao amin’ny Efitrano Fanjakana dia 150 ka hatramin’ny 200% amin’ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ilay nosy. Mazava àry ny antony ilàna Efitrano Fanjakana maro ao La Réunion. Raha ny marina, dia nisy telo hafa naorina taorian’ilay natao tany Saint-Louis, ary izany dia nitondra ny fitambaran’isan’ny kongregasiona 13 ho 19 ao amin’ilay nosy.
Amin’izany rehetra izany, ny laza dia an’i Jehovah izay nanambara mialoha hoe: “Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoany.” (Isaia 60:22) Toy ny any amin’ny toeran-kafa eto an-tany, dia nanjary marina io faminaniana io ao amin’io nosy kanto io.