FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/12 p. 32
  • Rehefa maty ny raibeny

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Rehefa maty ny raibeny
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/12 p. 32

Rehefa maty ny raibeny

Tamin’ny fiandohan’ity taona ity, dia nanoratra toy izao ny reny iray tany Virginia Beach, any Virginia: “Namoy ny raiko tamin’ny fahafatesana aho tamin’ny volana ambony. Tena mpinamana akaiky izy sy ny zanako faralahy na dia teo aza ny elanelan-toerana nampisaraka azy ireo. Rehefa nampandrenesina izy fa maty ny raibeny, dia nanomboka nitomany mafy izy.

“Nokarohiko haingana ilay taratasy mivalona hoe Manantena inona ny olon-tiana nodimandry? Raha vantany vao hitako ilay izy, raha mbola mandon’ny ranomaso ny tavany, dia nanomboka namaky izany taminy aho. Rehefa vitako izany, dia tony kokoa izy. Misaotra anareo noho ny fanazavana sarobidy toy izany, izay tena azo ampiharina amin’ny fotoam-pahoriana toy izao.”

Afaka mahazo an’io taratasy mivalona mampionona io ianao, miaraka amin’ny hafa, amin’ny famenoana sy amin’ny fandefasana amin’ny paositra fotsiny ny tapakila eto ambany.

Ho tiako ny hahazo ilay taratasy mivalona hoe Manantena inona ny olon-tiana nodimandry? miaraka amin’ny hafa. (Raha any ivelan’i Madagasikara ianao, dia manorata any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-2.)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara