Indray mitopy maso amin’ny vaovao
“Ny zavatra mampidi-doza indrindra”
Ny fitorian’ireo marary nahazo aretina mahafaty noho ny fampidiran-dra dia niteraka fanahiana vaovao ho an’ny foibe fanomezan-dra maro. Teo antenatenan’ny taona 1989, dia efa tafakatra tany amin’ny 300 ny fitoriana foibe fanomezan-dra fantatra fa natao tany Etazonia. Nanaiky i Gilbert Clark, tale mpanatanteraka ao amin’ny Fikambanan’ireo foibe fanomezan-dra amerikana, fa “maniry ra voaro tanteraka ny sarambabem-bahoaka”, nefa niaiky izy fa tsy afaka hiantoka izany.
Toy izany koa, ny Parade Magazine dia mitantara fa miaiky ny Dr. Charles Huggings, manam-pahaizana momba ny ra, fa ny ra “dia tsy maintsy heverina ho tsy azo antoka amin’ny fomba tsy azo ialana.” Lazalazainy ho toy ny “zavatra mampidi-doza indrindra ampiasaintsika amin’ny fitsaboana” ny ra. Hatrany am-piandohan’ny 1989, ny isan’ny areti-mifindra izay zahan’ireo foibe fanomezan-dra indrindra dia nitombo ho dimy (HTLV-I miaraka amin’ny fitomboan’ny liofotsy eo amin’ny olon-dehibe, tety, aretin’aty B, SIDA, ary aretin’aty C). Kanefa, araka ny voalazan’i S. Gerald Sandler, manam-pahefana ao amin’ny Vokovoko Mena Amerikana, “tsy ho ela dia mety ho hita ny aretina hafa tsy fahita firy ho azo avy amin’ny fampidiran-dra.” Na dia eo aza ny fitomboan’ny loza mahafaty toy izany dia Amerikana tavaratra eo amin’ny efatra tapitrisa eo no ampoizina fa handray ra mandritra ny taona 1990. Araka ny voalazan’ilay mpanao gazety atao hoe W. Gifford-Jones, dia izao ny olana: “Ankoatra ny Vavolombelon’i Jehovah dia manaiky be fotsiny ny fampidiran-dra ny ankamaroan’ny marary.”
Hatramin’ny am-polony taona maro izay ny Vavolombelon’i Jehovah no ‘nifady ra’ tamim-pahatokiana, na tamin’ny endriny inona na tamin’ny endriny inona, araka ny andidian’ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15:28, 29; 21:25. Ny fiarovana atolotr’izany azy mba tsy ho voan’ireo aretina mahatsiravina avy amin’ny fampidiran-dra dia ampy hanamarina ny fankatoavan’izy ireo ny lalàn’i Jehovah Andriamanitra.
Tsy ho hita ny fanjavonany?
Ny kardinaly Joachim Meisner, izay nampiady hevitra fony izy notendrena tamin’ny febroary 1989 ho arsevekan’i Cologne, any Alemaina, dia nilaza vao haingana fa ny fanahiany lehibe indrindra dia ny mety “hahafoana — ary angamba tsy ho fantatry ny fitambaran’olona”, ny fiangonana indray andro any. Araka ny voalazan’ny gazety alemanina Rheinische Post, dia nilaza toy izao i Meisner: “Ketraka ny fanahiko satria tonga hatramin’ny fiheverana ny fiangonana ho tsinontsinona ny fitambaran’olona.” Ny mety ho antony, hoy ny nomarihiny, dia noho “isika miresaka be loatra ny amin’ny tany fa tsy ampy kosa ny amin’ny lanitra, ary be loatra ny amin’ny ankehitriny fa kely loatra ny amin’ny mandrakizay.”
Amin’ny fifandraisany amin’ireo raharaha ara-politika sy ara-barotry ny tany fa tsy mitoky amin’ny hery avy any an-danitra handamina ireo zava-manahirana eo amin’izao tontolo izao tokoa dia tsy manamarina ny fihamboany ho manohana ny tombontsoan’Andriamanitra ireo fivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana. Hisy fiantraikany lehibe izany. Araka ny ambaran’ny Baiboly dia hanjavona tsy ho ela ny fivavahan-diso rehetra — fisehoan-javatra iray izay tsy hoe tsy ho hitan’ny “mpanjaka amin’ny tany” sy ny “mpandranto amin’ny tany” izay hitomany noho izany fisehoan-javatra izany. Araka izany dia ilain’ireo izay tia fahamarinana ny manaraka izao teny izao: “Mialà aminy [ny fivavahan-diso] (. . .) mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.” — Apokalypsy 18:4, 9, 11.
Fiafarana efa fantatra
“Fandringanana ataon’ny fanjakana” no ilazalazan’ny gazety ny famonoana ataon’ireo fitondram-panjakana na ireo fandaminana arovany. Raha ny marina, hoy i Gerry O’Connel, solontenan’ny Amnesty International, tamin’ny 1988 dia “nisy firongatry ny fandikana ny zon’olombelona, izay nitohy tamin’ny 1989.” Manampy izy avy eo hoe: “Nahatratra tampon’isa tsy mbola nisy toy izany ny famonoana olona ho fandikana ireo lalàna iraisam-pirenena ekena.”
Araka ny tatitra isan-taonan’ny Amnesty dia mampihoron-koditra ny tarehimarika: Nandritra ny taona 1988 dia teo anelanelan’ny 50 000 sy 100 000 ny isan’ny olona avy amin’ny firenena 29 novonoina teo ambany maso feno fankasitrahan’ny fanjakana. Anisan’izany ny ankizy sy ny olona be taona ary ny vehivavy, izay novonoina satria fotsiny anisan’ny antokon’olom-bitsy ara-politika na firazanana, na noho ny fipetrahana tany amin’ny faritra nifanandrinan’ny mpifanohitra. Ireo tompon’andraikitra tamin’ny famonoana toy izany dia nisy miaramila mpamono, revolisionera, mpanao varomaizina zava-mahadomelina, ary antokon’olona hafa mpanao herisetra noho ny zava-kendrena ara-politika. “Matetika dia ny fanjakana ihany no miafina ao ambadiky ny antokon’olona mitam-piadiana mba hamonoana ho faty ireo mpanohitra azy sy ireo mpanelingelina”, hoy ny La Repubblica.
Tsy hoe tsy misy antony àry ny anoharan’ny Teny ara-tsindrimandrin’i Jehovah ny fitondram-panjakan’olombelona amin’ny “bib-dia” iray. (Apokalypsy 13:2) Kanefa tsy haharitra tsy hisy farany akory ny habibiana ateraky ny politika toy izany. Hoy ny Salamo 92:7 hoe: “Raha mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, ary mamony ny mpanao ratsy rehetra, dia izany no ho fandringanana azy mandrakizay.” Ny fanjakan’Andriamanitra eo am-pelatanan’i Kristy Jesosy, ilay “Andrian’ny fiadanana”, no hanao izany. — Isaia 9:5 [9:6, MN ]; Daniela 2:44.