FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/10 p. 31
  • Dingana feno fahendrena alohan’ny loza

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Dingana feno fahendrena alohan’ny loza
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/10 p. 31

Dingana feno fahendrena alohan’ny loza

KOA satria efa lehibe izao ny zanany, i Mary dia nanam-potoana ary nanapa-kevitra ny hanao asa ara-nofo tapa-potoana. Rehefa niresaka tamin’i Enos vadiny anefa izy, dia nasehon’io mazava fa tsy misy ilàny hanao izany. “Raha afaka namelona anao sy ireo ankizy aho, dia azo antoka fa afaka mikarakara antsika roa izao”, hoy izy. Tsy naniry ny hanaovan’ny vadiny asa ara-nofo izy fa nanipy hevitra taminy kosa mba handinika ao amin’ny vavaka ny hahatongavana ho mpitory maharitra, mpitory ilay Fanjakana manontolo andro.

Na dia tian’i Mary aza ny fizarana ny hafatra momba ny Fanjakana tamin’ireo mpifanolobodirindrina taminy, dia saro-kenatra sady tsy nanana fatokian-tena izy. Kanefa, dia naniry ny hanaraka ny torohevitry ny vadiny izy. Noho izany, dia sady faly izy no natahotra rehefa nilatsaka ho mpitory maharitra mpanampy tamin’ny aprily 1981.

Vetivety i Mary dia nampitombo fitiavana, mbola tsy tsapany teo aloha ny asa fitoriana ilay Fanjakana. Tsy ela, dia nitarika fampianarana Baiboly tany an-tokantrano efatra niaraka tamin’ny olona liana izy. Tsy ampy herintaona, dia tonga mpitory maharitra mandavantaona nitarika fampianarana Baiboly folo izy. I Christine, Vavolombelon’i Jehovah nanan-janaka roa mbola nianatra, dia niaraka tamin-kafanam-po tamin’i Mary tamin’ny naha-mpitory maharitra. Nisy olona liana vaovao nanomboka nanatrika fivoriana tao amin’ny Efitrano Fanjakana teo an-toerana. Ary tonga ny fifalian’i Mary lehibe indrindra rehefa nifidy ny hanaraka ny ohatra navelany ka lasa mpitory maharitra koa i Christopher zanany lahy.

Tamin’izay, tampoka teo, tamin’ny 1985, dia namely ny loza. Nitambotsotra i Mary. Nisy “anévrisme” (fivontosana vokatry ny fitaran’ny lalan-dra) tao amin’ny lohany niteraka lotsi-dra mafy tao amin’ny atidoha, ary tsy ampy telo andro dia maty i Mary izay 45 taona.

Nandritra ireo efa-taona nitoriany naharitra ireo anefa, dia nampitombo laza tena tsara teo amin’ny mpiara-monina taminy i Mary. Olona maherin’ny 300 no nanatrika ny fandevenana azy, anisan’izany ny mpifanolobodirindrina maro. Anisan’ny teo ny namana tany an-tsekoly iray izay tohina ny fony noho ny finoan’i Mary ka naniry hahafantatra misimisy kokoa ny amin’izany, ary nangataka fampianarana Baiboly. Mbola nitondra vokatra ny fanompoana nataon’i Mary.

“Ny tenako koa dia mpitory maharitra mpanampy izao”, hoy i Enos, “nefa raha mba niaraka tamin’i Mary fony izy nanao ny asan’ny mpitory maharitra mantsy aho. Niresaka ny amin’ny fanandraman-javatra hitany foana izy sady faly aoka izany. Raha ny marina, dia ireo taona vitsivitsy ireo no nahitana fahasambarana indrindra teo amin’ny fiainanay niaraka, izao anefa aho vao mahafantatra ny antony.

Tsy misy olona afaka milaza mialoha hoe rahoviana no hipaika ny “fotoana sy ny sampona [fisehoan-javatra tsy nampoizina, MN ]”, toy ny nitranga tamin’ny fomba tsy nampoizina tamin’i Mary. Kanefa, ireo izay mitoetra ho mahatoky amin’ny maha-mpitory ny Fanjakana dia miantoka ho an’ny tenany ny fankasitrahan’Andriamanitra sy ny olona, na dia eo anatrehan’ny loza aza. — Mpitoriteny 9:11; 11:1, 2.

[Sary, pejy 31]

Fotoana lany amin’ny fomba tsara ny fandraisana anjara amin’ny fanompoana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara