Mankalazà an’i Jehovah amin’ny harenanao
‘TSY manan-karena aho; mbola tanora aho ary kely dia kely ny fananako.’ ‘Tsy nahita fianarana firy ny tenako; inona no azoko omena an’i Jehovah?’ ‘Manana kilema tena lehibe aho; tsy maintsy hanilika ahy i Jehovah.’ ‘Efa be taona aho; efa diso aoriana loatra ho ahy ny hahazoana harena.’
Mandalo ao an-tsainao ve ny eritreritra toy izany eo am-pandinihana ny lohatenin’ity lahatsoratra ity? Kanefa dia mety ho manan-karena kokoa tsy araka ny iheveranao azy ianao. Tsarovy ny tenin’i Jesosy Tompo tamin’ny kongregasionan’i Smyrna manao hoe: “Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena hianao).” (Apokalypsy 2:9). Talohan’izay, dia hoy i Jesosy tao amin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra: “Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany (. . .). Fa miharia harena ho anareo any an-danitra (. . .). Fa izay itoeran’ny harenao, dia ho any koa ny fonao.” (Matio 6:19-21). Moa ve mampahery anao ireo tenin’ny Mpampianatra antsika ireo? Eny, mety hisy zavatra ao aminao izay heverin’i Jehovah Raintsika any an-danitra sy ny Zanany ho tena sarobidy. Aoka isika handinika akaiky.
Ny hakanton’ny fahatanorana: Hery sy Fahazotoana
Ahoana no ahafahan’ny tanora hanolotra fanompoana sarobidy ho an’i Jehovah? Manome toky antsika ny Ohabolana 20:29 fa manana fananana kanto ny tanora: ny tanjaka ara-batana. Mamelombelona tokoa ny mahita tanora manokana ny heriny sy ny hasoany ho an’ny fanompoana an’Andriamanitsika!
Aoka isika hamadibadika miverina ny pejin’ny tantara hatrany amin’ny fiandohan’ireo taona 1930, rehefa nisy tanora maromaro nandre ny amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Ny iray izay 16 taona dia nindrana tamin’ny namany ilay boky fianarana Baiboly hoe Famoronana (anglisy) navoakan’ny Fikambanana Watch Tower. Tamin’ny fotoana nahatongavany teo amin’ilay toko hoe “Ny Famoronana Vaovao” ka namakiany ny amin’ny fanokanana, dia efa fantany sahady izay niriny hatao tamin’ny fiainany. Avy hatrany dia nanolotra ny tenany ho an’ilay Mpamorona Tsitoha izy. Tamin’ny taona nanaraka, dia novakiny ny boky hafa iray hoe Fanamarinana (anglisy) (Boky Voalohany), ary nianarany ny amin’ny fahafahana handray anjara amin’ny fanamarinana ny anaran’Andriamanitra sy ny fiandrianany. Izany fanambarana izany dia nampirehitra tao anatiny faniriana niredareda hanao fanompoana manontolo andro. Tamin’io taona io ihany, dia nangataka ny ho tonga mpitory maharitra izy, ary hatramin’izao izy dia mbola manohy ny fanompoana manontolo andro ihany. Raha efa nahavita ny fihazakazahany teto an-tany izao ny maromaro tamin’ireo niara-niaina taminy, dia maro amin’ireo tavela no mbola mampiseho toe-tsaina mifikitra amin’ny fanahiny manontolo amin’ny Raintsika any an-danitra ihany.
Moa ve ny tanora kristiana amin’izao andro izao mampiseho toetra sarobidy mitovy amin’izany? Azo antoka fa izany! Asehon’ny fitantarana ao amin’ny Diary (frantsay) fa olona sesehena toy ny habetsaky ny ranon’ando izao no mamonjy ny laharan’ny mpitory maharitra. (Salamo 110:3.) Mitantara ny any Philippines fa ny 13 % amin’ny mpitory maharitra mandavantaona rehetra dia latsaka ny 20 taona. Marina ve izany any an-toeran-kafa? Eny. Ohatra, ny famotopotorana natao tany amin’ny nosy kelin’ny Trinite sy Tobago, dia nampiseho fa nisy 282 no nilatsaka ho mpitory maharitra vaovao teo anelanelan’ny 1 septambra 1986 sy ny 30 septambra 1988. Tamin’izany isa izany, dia 48 no latsaka ny 20 taona. Ho tianao ve ny handre ny iray aminy?
Raiso, ohatra, i Charmaine Francis. Hoy izy: “Hatramin’ny fotoana naha-zaza ahy, dia noresahin’ny ray aman-dreniko tamiko ny amin’ny fanompoana an’i Jehovah sy ny tsy fivadihana hatrany aminy. Rehefa nanontany ahy ny ray aman-dreniko ny amin’izay hataoko raha ampidirina any an-tranomaizina izy ireo noho ny fitoriana ny vaovao tsara, dia hoy aho hoe ‘Hanompo an’i Jehovah aho.’ Nanao ny fanoloran-tenako aho rehefa 13 taona, ary natao batisa rehefa 14 taona. Taorian’izay avy hatrany, isaky ny fotoam-pialan-tsasatra, dia nanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy aho. Niditra ho mpitory maharitra mandavantaona aho tamin’ny 1983. Tamin’ny taona voalohany naha-mpitory maharitra ahy, dia faly aho nanampy vehivavy mpikarakara tokantrano ho tonga mpanompon’i Jehovah. Izao aho dia mitarika fampianarana Baiboly sivy. Miomana ho amin’ny batisa ny iray, ary manatrika fivoriana ny telo hafa.
Ry tanora, moa ve tsy ekenareo izao fa ianareo koa dia manan-java-tsarobidy hoentina mankalaza an’i Jehovah? Izany tokoa! Na dia mety ho tsy ao anatin’ny fanompoana manontolo andro aza ianao izao, dia afaka mankalaza an’i Jehovah mifanaraka amin’ny toerana misy anao. Mety ho mbola manana taom-pianarana maro be eo anoloanao ianao. Kanefa dia manana fahafahana sarobidy ny hidera an’i Jehovah amin’ireo mpampianatra sy mpiara-mianatra aminao ianao. Nitondra ny bokiny hoe La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création? tany an-tsekoly i Christian Kalloo izay folo taona. Inona no vokany? Nametraka boky fito tamin’ireo izay liana tamin’io foto-dresaka io izy. Nametraka iray teny amin’ny fanompoana isan-trano koa izy. Afaka manao toy izany ianao. — Jereo Matio 21:15, 16.
Mampianatra antsika ilay Mpampianatra antsika Lehibe
Hoy i Isaia mpaminany hoe: “Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan’ny efa mahay.” Jehovah no noderainy ho loharanon’ny fahaizany miteny. Nataony an-tsoratra koa ny fampanantenan’i Jehovah hoe: “Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin’ny vavanao, na amin’ny vavan’ny taranakao, na amin’ny vavan’ny taranaky ny taranakao.” (Isaia 50:4; 59:21). Sahala amin’ny nahatongavana lehilahy tsy nahay taratasy sady olon-tsotra ho apostolin’i Jesosy ka nataon’Andriamanitra ho hendry teo amin’ny lafiny ara-panahy, dia toy izany koa no anaovan’i Jehovah olona tsotra amin’izao andro izao ho hendry.
Ny Diary (frantsay) tamin’ny 1986 dia mirakitra fanazavana mampahery ho an’ireo izay tsy nianatra firy na tsy nahita fianarana ôfisialy mihitsy. Any amin’ny tany maro ny Vavolombelon’i Jehovah dia mandamina kilasy fampianarana olon-dehibe hamaky teny. Notahin’i Jehovah tokoa ny olona toy izany! Teo anelanelan’ny 1962 sy 1984, tany Nigéria, dia 19 238 teo ho eo no tena nandroso tsara tamin’ny fianarana mamaky teny sy manoratra ary izao dia afaka mamaky tokoa ny Baiboly ho an’ny tenany ary koa ho an’ireo izay anaovany fanambarana izy ireny. Fitahiana manana amby ampy toy inona moa no azony! Tsara aoka izany ny nataon’ny rahalahy iray hany ka lasa mpampianatra amin’ny kilasy mianatra mamaky teny ao amin’ny kongregasionany izy.
Hevero koa ny fanandraman-javatra hitan’i Ezekiel Ovbiagele. Tsy afaka namaky teny izy rehefa natao batisa tamin’ny taona 1940. Rehefa avy nianatra namaky teny izy dia nandroso ka tonga hatramin’ny filatsahana ho mpitory maharitra, ary tatỳ aoriana kokoa, tamin’ny 1953, dia voatendry ho mpiandraikitra mpitety faritany.
Tsy misy taona voafetra ho an’ny fianarana. Mety hisy hanonona ilay ohabolana tranainy manao hoe: “Tsy afaka mampianatra hakingana vaovao ny alika antitra ianao!” Mety ho marina izany amin’ny alika, nefa tsy biby akory ny olona. Na dia ireo be taona aza dia afaka sady mety hahay hianatra raha tena maniry ny hahalala sy hanompo an’i Jehovah izy. Mety mahafantatra olona sasany izay nanao toy izany ianao. Ohatra, i Alice Okon any Nigéria dia nampirisihina hamaky ny Baiboly sy hianatra ny fanantenana atolony; nanaiky izy ary nifaly tamin’ny fanantenana teo anoloany. Teo amin’ny faha-80 taonany, dia tsy antitra loatra akory izy mba hianatra. Tsy heverinao ve fa nampifaly ny fon’i Jehovah izy? Nanan-karena tamin’ny finoana izy. Ny Ohabolana 3:14 dia manome toky antsika fa ny fananana fahendrena dia “tsara noho ny fandrantoana volafotsy ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara.” Rehefa misy olona afaka miresaka ny fahamarinana amin’ny fomba tsy diso, ny teniny dia tonga toy ny “poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra”. — Ohabolana 25:11; Kolosiana 3:16.
Manan-karena amin’ny finoana sy ny asa tsara na dia kilemaina aza
Mety hahatsapa tena fahakiviana ny olona iray manan-takaitra ara-batana hatramin’ny nahaterahany rehefa mihalehibe izy ka manjary mahatsapa ny toerana misy azy. Ary voadona mafy ny sain’ny olona iray rehefa mahazo takaitra izy eo amin’ny fotoana maha-olon-dehibe azy. Moa ve tsy misy fanantenana ny toe-javatra ho an’ny olona toy izany? Tsia, mety hanokatra ny lalana ho amin’ny fiainana mandrakizay mihitsy aza izany.
Nandritra ny Ady Lehibe voalohany, dia nitantana trano fikarakarana sady fampanofana soavaly sy kalesy i Edward Stead tany amin’ny tanàna kelin’i Arvada, any Wyoming, Etazonia. Ny vadiny kosa nitana hôtely kely. Nampihena ny heriny ny nahazo azy tamin’ny gripa espaniola nahatsiravina, ka voan’ny “polyarthrite” (aretina mitaiza miavaka noho ny fanaintainana, fihenjanana, fivontosana ary indraindray fahasimban’ny tonon-taolana), izay nanakambana mafy ny tonon-taolany ka nampivilana ny vatany hanaraka ny endriky ny sezany mikorisa, izy. Na dia tsy afaka nikarakara tena tamin’ny lafiny hafa rehetra aza izy, dia mbola afaka niteny sy nanetsika kely ny tanany. Nisy fotoana nikasany hamono tena. Avy teo izy dia nifandray tamin’ny fahamarinana, ary nandray izany tamin-kafanam-po.
Tamin’ny voalohany, dia nipetraka teo amin’ny fidirana amin’ny hôtely izy ary niresaka tamin’ireo vahiny ny amin’ny finoana vaovao nananany. Afaka nanetsika ny tanany izy mba hanokafana ny zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly iray ka hampisehoana izany amin’ireo izay nijanona mba hihaino. Ny sasany izay nankasitraka ny fiezahany dia niantso azy hoe ilay pastera kilemaina. Avy teo, dia nanapa-kevitra izy fa ho afaka hanao fanambarana any amin’ny tanàna hafa raha anamboarana fialofana manokana eo amin’ny kamiao kely tsy misy tafo ao aoriana. Natao izany, ary nandritra ny taona maro dia nanao ny asan’ny mpitory maharitra tamin’izany fomba tsy nahazatra izany izy, nandeha kilaometatra an’arivony maro teo anelanelan’i Wyoming sy Texas, niaraka tamin’ny mpitory maharitra tanora roa na telo izay nikarakara azy. Raha mbola velona koa izy, dia fampaherezana tena lehibe ho an’izay rehetra nahalala azy.
Raha mahatsiaro fahakiviana ianao noho ny takaitra ara-batana iray, aza fady mba vakio ny fitantarana ao amin’ny pejy faha-22 ka hatramin’ny faha-25 amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 febroary 1987. Ireo lehilahy rehetra voatonona ao dia loholona, mpanome torohevitra ara-panahy, ampy fahaizana mba hampionona ny rahalahiny izay mety ho salama ara-batana nefa mila fampiorenana ara-panahy. Toy inona re ny harena ananan’izy ireo eo imason’Andriamanitra! — 1 Timoty 6:18.
Vavolombelona vita batisa hatramin’ny 16 taona i Esterleta Dick izay 63 taona. Nanjary jamba izy tamin’ny 1978, nefa dia manompo amin’ny maha-mpitory maharitra mandavantaona izy hatramin’ny roa taona. Ahoana no netezan’izany? Aoka izy hamaly.
“Indray andro”, hoy izy, “dia nanontany ahy ny rahavavy mpitory maharitra tanora iray hoe: ‘Rahavavy Dick a, tratranao foana ny zava-kendrenao amin’ny maha-mpitory maharitra mpanampy anao. Nahoana raha manandrana ny ho tonga mpitory maharitra mandavantaona?’”
Natahotra ny ho tonga enta-mavesatra ho an’ireo rahalahy i Esterleta, nefa tsaroany fa nampirisihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany ny hanaovana ny asan’ny mpitory maharitra. Hoy izy: “Nanomboka nanao aho, ary izao aho dia efa nandany roa taona teo amin’ny asan’ny mpitory maharitra. Manao fitoriana eny amin’ny arabe aho ary nahazo fiverenana mitsidika maro be tokoa. Ambonin’izany, dia mitarika fampianarana Baiboly any an-tokantrano enina aho. Amin’ny fomba ahoana? Alohan’ny hitsidihana ilay tompon-trano, dia vakina amiko any an-trano ilay zavatra hianarana miaraka amin’ireo andininy voatonona, mba hahafahako milaza hevitra mandritra ny fianarana. Manatrika ny fivoriana miaraka amiko ny telo amin’ireo olona ampianariko ny Baiboly, ary vita batisa ny iray.”
Afaka ‘mameno ny tanany’ amin’ny fanomezana na iza na iza
Voafetra ho amin’ny zavatra ara-panahy ihany ve ny fanomezana? Tsia. Rehefa nanao fiomanana ho fanamboarana ny tempoly i Davida mpanjaka fahiny, dia nanontany hoe: “Iza ary no mazoto hitondra [hameno ny tanany amin’ny, MN ] fanatitra ho an’i Jehovah anio?” (1 Tantara 29:5.) Afaka manao izany na iza na iza. Toy izany koa ankehitriny, na tanora na antitra, na salama na tsia, dia maro no maniry hanao fanomezana zavatra an-tsitrapo mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana. Azo atao izany amin’ny alalan’ny biraon’ny sampana ao amin’ny tany misy ny tena, na amin’ny alalan’ny kongregasiona eo an-toerana. Amin’izany fomba izany ny tsirairay dia afaka, arakaraka ny fahafahany, mandray anjara amin’ny lany amin’ny fanaovana izay hitoriana ny vaovao tsara amin’ny tany onenana manontolo. Tombontsoa izany. — 2 Korintiana 9:8-12.
Mbola zava-dehibe kokoa ihany, dia manana harena ara-panahy azo ankalazana an’i Jehovah ianao. Manana ny tanjaka sy ny hasoan’ny fahatanorana ny tanora. Ireo tsy nahita fianarana dia afaka mianatra mba hanolotra ho an’i Jehovah ny vokatry ny molony. Ny manan-kilema dia afaka sady mandroso amin’ny fahalalana sy fahendrena ary fahatakarana, hany ka maro no tsy mpidera manontolo andro an’i Jehovah fotsiny fa mpanome torohevitra sy mpiandry ao amin’ny kongregasiona kristiana koa. Moa ve ianao tsy manan-karena kokoa tsy araka ny niheveranao azy? Ankalazao àry i Jehovah amin’ny fanananao. — Hebreo 13:15, 16.