Mitady vady ve ianao?
Inona avy ireo toetra mandray anjara be indrindra amin’ny fahombiazan’ny fanambadiana iray? Nanoratra taminay izao taratasy fisaorana izao ny vehivavy tanora iray izay nanontany tena momba io raharaha io:
“Tsy nahafantatra aho hoe aiza no mety hahitako torohevitra momba ny fifidianana vady na momba ny karazam-panontaniana tsara hoheverina rehefa mieritreritra fanambadiana. Tsy nitsahatra ny nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hanampiany ahy hahay hifidy vady. (. . .) Rehefa naharay ny boky Ny fomba hahitana fiainam-pianakaviana sambatra izahay dia saika tsy nino ny masoko aho raha vao nahita azy. Izany indrindra no valim-bavako. Fantatro fa hanampy ahy ho tonga vady tsara koa, izay ho azon’ny vadiko ireharehana, izy io. Misaotra anareo aho namoaka izany boky izany; tena ankasitrahako tokoa izy io.”
Raha mila torohevitra ianao mba hifidianana vady na mba hahatonga ny fanambadianao ho sambatra kokoa, dia hahita izany ao anatin’io boky io.
Aza fady mba alefaso ho ahy, tsy misy fandoavam-bola eo am-pandraisana ny zavatra, ilay boky mifono baoritra 192 pejy mitondra ny lohateny hoe Ny fomba hahitana fiainam-pianakaviana sambatra. Ampiarahiko amin’ity ny fandraisana anjara an-tsitrapo 160 ariary.