FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/1 p. 29
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fisorohana ny herisetra
  • Izao rehetra izao voarafitra
  • Ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy sy ny katolika
  • Tokony Hankahala ny Lehilahy Miray Amin’ny Lehilahy na ny Vehivavy Miray Amin’ny
    Mifohaza!—1997
  • Izao Rehetra Izao Mahatahotra Misy Antsika — Vokatry ny Kisendrasendra Ve?
    Mifohaza!—2000
  • Ahoana no Fiheveran’Andriamanitra ny Herisetra?
    Mifohaza!—2002
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/1 p. 29

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Fisorohana ny herisetra

Raha nitantara ny tsy fitsaharan’ny fitomboan’ny herisetra eo amin’ny zatovo ny gazety American Health dia nanamarika fa “ny ady saritaka eo amin’ny mpinamana, mpiara-mianatra sy mpiara-monina no antony voalohany miteraka fahafatesana mahery vaika eo amin’ireo zatovo ao amin’ny tanàn-dehibe, ary faharoa eo amin’ny zatovo rehetra any Amerika”.

Mba hisakanana ny fironan’ny tanora hampiseho herisetra dia nanolo-kevitra ny foibe fanampiana ara-tsosialy sy ara-psykolojia iray ny hanao fampianarana handraisan’ny mpianatra anjara amin’ny fampisehoana an-tsehatra misy fitantarana herisetra. Amin’izany izy ireo dia “manomboka mamantatra ny santionan-kerisetra amin’ny ambangovangony” ary afaka “manavaka ireny fihetsika feno fahatezerana ireny ao amin’ny tenany mihitsy”, hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitra amin’io fampianarana io.

Resahina amin’ny mpianatra ny amin’ny vokatry ny fahatezerana eo amin’ny vatana, ny amin’ny fiakaran’ny “adrénaline” izay mampanary ny fifehezan-tena, sy ny maha-zava-dehibe ny fifampiresahana mba hampitonena ny fahatezerana “alohan’ny famaliana biosimika avy amin’ny tena”. Ampianarina azy ireo fa azo atao ny misoroka fifandonana mirehitra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy amin’ny fiaraha-midinika amim-pahatoniana sy amim-pilaminana.

Fantatr’ireo mianatra ny Baiboly hatramin’ny ela be fa miteraka herisetra ny herisetra ary “ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy”. (Ohabolana 15:1.) Rehefa mitranga ny tarehin-javatra mety hipoaka, dia anoroan’ny Baiboly hevitra ny fandosirana avy hatrany. Izao no nosoratan’i Solomona mpanjaka hendry: “Ny fiandohan’ny ady dia toy ny manata-drano, koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.” — Ohabolana 17:14.

Izao rehetra izao voarafitra

Tamin’ny faran’ny volana may, dia fizisiana teo amin’ny 200, ka nahazo ny loka Nobel ny maromaro taminy, no tafavory tany Blois, any Frantsa. Ny zava-nokendrena tamin’io fiaraha-midinika naharitra herinandro io dia ny hankalazana ny faha-25 taonan’ny nahitana “ny fandikana ny CP”, toa fandikana lalàna noheverina ho nanorina fifanitsiana tanteraka teo amin’ny tenan-javatra sy ny tsy izy.

Miteraka zava-manahirana mitovy amin’ny alàny olana anefa izany tsangan-kevitra ny amin’ny “fandikana ny CP” izany. Nanonona ny tenin’ilay profesora sovietika atao hoe Andrei Linde ny International Herald Tribune: “Ny hafahafa dia hoe niteraka izao rehetra izao milamina izany tsy fisian’ny fifanitsiana izany.” Rehefa nanontaniana ilay kosmology frantsay atao hoe Jean Audouze raha manaporofo fisian’ny zava-kendrena eo amin’izao rehetra izao ny “fandikana ny CP”, dia hoy ny navaliny: “Indraindray aho mihevitra hoe eny, indraindray tsia. Tsy bambaray akory izao rehetra izao. Ary voarafitra izao rehetra izao. Mahatalanjona ireo toetra mampiavaka roa ireo. Tsy nipoitra avy amin’ny kisendrasendra akory izao rehetra izao.”

Tsy tampotampoka, kisendrasendra, no nipoiran’izao rehetra izao. Izao no vakina ao amin’ny Genesisy 1:1: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.” Milamina izao rehetra izao satria Jehovah Mpamorona dia “tsy Andriamanitry ny fikorontanana” fa ilay “tanteraka” ny asany. — 1 Korintiana 14:33, MN; Deoteronomia 32:4; jereo Isaia 40:26; 42:5.

Ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy sy ny katolika

Imbetsaka ny papa no namerimberina fa ny Eglizy katolika dia mihevitra amin’ny fomba ofisialy ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy ho fanao ratsy ara-pitondrantena. Nampahatsiahiviny fa azo antoka ny hoe tsy moramorainy akory ny fitambaran’olona kristiana voalohany”. Tsy miray hevitra amin’izany ny eveka sy ny pretra katolika rehetra.

Teo am-piandohan’ny taona 1989, dia nanantitrantitra ilay eveka frantsay atao hoe Jacques Gaillot fa namerina ny tenin’i Jesosy fotsiny izy tamin’ny fanoratana hoe “mialoha antsika any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy”.

Hadinon’io eveka io anefa ny nilaza izao: Ny noresahin’i Jesosy dia vehivavy janga nibebaka, izay niala tamin’ny fitondrantenany taloha, rehefa nilaza izy fa hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra alohan’ireo filoha jiosy mafy hatoka tamin’ny androny ireny vehivavy ireny. — Matio 21:28-32.

Mitovitovy amin’izany koa, ilay pretra espaniola atao hoe José Ramó Carrasco dia nanoratra vao haingana tao amin’ny gazety iray any Madrid, El Pais fa “tsy nanameloka mihitsy ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy i Jesosy Kristy. (. . .) Rehefa niresaka ny amin’ny fitiava-namana, ary tsy nolazainy mazava mihitsy na tokony ho lehilahy na ho vehivavy ilay namana, na ao anatin’ny toe-piainana manao ahoana, ao anatin’ny faritra manao ahoana na amin’ny fomba ahoana no nanehoana izany fitiavana izany.”

Tsy nanisy fitenenana ny amin’ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy anefa i Jesosy. Tao amin’ny fanoharana ny amin’ny Samaritana tsara fanahy, dia nohazavainy indrindra ny atao hoe fitiavana ny namana, izany hoe ny fiahiana ny hahasambatra ny hafa tsy misy fitadiavana tombontsoa ho an’ny tena. — Lioka 10:29-37.

Izao no lazain’ny Baiboly momba ireo lehilahy mandry amin’ny lehilahy: “Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita [mpiray samy lehilahy, fandikan-teny katolika] (. . .) dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.” — 1 Korintiana 6:9-11.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara