FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/1 p. 24-28
  • Mitondra soa ao Suriname ny fanapahan-kevitra amin-kerim-po

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitondra soa ao Suriname ny fanapahan-kevitra amin-kerim-po
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Nahavonjy ny ainy ny fanapahan-keviny
  • Nanosika azy hitondra famonjena ho an’ireo rahalahiny ny fitiavana
  • Tsy nanaiky lembenana izy
  • Nisora-panambadiana ny alarobia, natao batisa ny asabotsy
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/1 p. 24-28

Mitondra soa ao Suriname ny fanapahan-kevitra amin-kerim-po

AMPAHAFANTARIN’NY revio iraisam-pirenena South antsika fa Suriname dia “anankiray tamin’ireo Fanjakana nanan-karena indrindra tany Antilles”. Noho ny fanondranana baoksita, patsabe, vary, akondro ary tamba-takela-kazo (contre-plaqué), sy ny fanampiana ho fampandrosoana, no nananan’ireo mponina 400 000 ao amin’io zanatany holanday fahiny io, fotoam-pandrosoana lehibe noho ny an’ny ankamaroan’ireo manodidina azy.

Ireo taona 80 anefa no nitondra ny faharerahana ara-toe-karena. Niova ho fahantrana ny fahatondrahana, ary mahazatra izao ny mahita filaharana lava be eo amin’ny famatsiana. Tamin’ny 1986, niaraka tamin’ny fiandohan’ny ady anaty akata, dia teo amin’ny iray alina amin’ireo mponina any Suriname atsinanana no tsy maintsy nandositra tany Guyane frantsay, tany mifanakaiky aminy, izay nanombohan’izy ireo fiainana vaovao tao amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana. Nandritra io fotoana io dia ireo mpiady anaty akata no nanjary tompon’ny faritra lehibe amin’ny kirihitr’ala izay nitoeran’ireo “Bosnegers” 50 000 eo ho eo, ary nanjary nampidi-doza izay mety ho fifamoivoizana ara-dalàna mankao afovoan’ilay tany. Araka ny voalazan’ny revio South dia izany fikorontanana izany no nampihena hery ilay tany.

Nanafoana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah koa ve izany toe-javatra izany? Tsia, mifanohitra amin’izany fa nampitombo azy aza. Araka izany, ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah izay 920 tamin’ny 1980 dia tafakatra ho 1400 mahery amin’izao andro izao. Tamin’ny aprily 1989 dia nisy mpitory maharitra mpanampy 338 — izany hoe efa ho ampahefatry ny Vavolombelona nisaina tamin’io volana io. Tsy azo anefa izany fitahiana izany raha tsy noho ny herim-po sy ny tsy fivadihana ary ny fitiavana izay nasehon’ireo Vavolombelona tao anatin’ny fisedrana. Indreto misy ohatra vitsivitsy ny amin’ny fanapahan-kevitra tamin-kerim-po izay nitondra soa lehibe vao haingana tany Suriname.

Nahavonjy ny ainy ny fanapahan-keviny

Lumey Hoever, polisy matanjaka manakaiky ny efapolo taona ary Vavolombelon’i Jehovah dia nanapa-kevitra ny hiala amin’ny asany na dia teo aza ny toe-piainana ara-toe-karena tsy azo ianteherana. Nahoana? Aoka izy no hasaintsika hanazava:

“Rehefa avy namaky lahatsoratra iray ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana izay nampitandrina antsika amin’ny loza mifandray amin’ny fitondrana fitaovam-piadiana fitifirana aho, dia takatro fa tokony hiala amin’ny asako ahoa. Nisalasala anefa aho satria tsy maintsy manome izay ilain’ny vadiko aman-janako aho. Arakaraka ny nampihemorako ny fotoana hanapahako hevitra anefa no nanenjehan’ny fieritreretako ahy. Niteny anakampo aho hoe: ‘Matoa ny fandaminan’i Jehovah manery ahy handinika ny lafy tsara sy ny lafy ratsin’io karazana asa io dia tsy maintsy misy antony tsara ao.’ Nandray ny fanapahan-kevitro àry aho tamin’ny janoary 1986.”

Tsy tian’ny lehiben’ny polisy anefa ny handefa an’io kristiana io; izy mihitsy aza no nampanantena fa hamindra azy any Tamanredjo, toeram-piasana iray nirin’ny maro fatratra, akaikin’ny renivohitra. Tapa-kevitra anefa i Lumey. Nanoratra tany amin’ny ministeran’ny Polisy izy mba hanazava ny zavatra inoany ara-pivavahana sy hangataka fialana. Tonga tany aminy ny valiny tamin’ny aprily 1986: ‘Fangatahana ekena!’

Nanao izay hahitana asa iray hafa haingana tao amin’ny fandraharahana momba ny Ala i Lumey. Tsy nahazo karama tsara intsony izy nefa kosa nanana fotoana misimisy kokoa hiarahana amin’ny fianakaviany any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona. Lasa ny folo volana. Avy eo, indray andro, i Lumey sy ny rahalahiny dia nody rehefa avy niasa tontolo andro tao amin’ny sahan’ny toeram-piompian’ny fianakaviana. Aoka i Lumey no havelantsika hitantara ny tohiny:

“Raha nanatona ny toeram-piompiana aho dia nahatsikaritra lehilahy roa nitafy voro-kitay, izay nanao fehiloha lamba. ‘Kon dja (avia atỳ)’, hoy izy ireo tamiko tamin’ny fitenim-paritra any Suriname. Raha mbola nandroso ho eo amin’izy ireo aho dia nipoitra ny lehilahy fahatelo ary nisy basy teo an-tsorony. Takatro fa mpiady anaty akata izy ireo!

“Nijery ahy ambony ambany izy ireo. Avy eo dia nihiaka toy izao ny iray tamin’ireo lehilahy nanao fehiloha: ‘Fantatro io. Polisy io!’ Hitako ho niketrona endrika izy ireo. Segondra vitsy no nifampibanjinanay. Notazoniko ny fisefosefoko. Avy eo dia nandre feo nisamonomonona aho. “Kliky, klaka: nandray ny basiny ilay lehilahy fahatelo. Nanambana ny tratrako moramora izy, vonona ny hamono ahy ho faty. Niantso mafy aho nanao hoe: ‘Aza mitifitra! Diso hevitra ianareo. Tsy polisy intsony aho.’

“Tamin’izay no nahitako mpiady anaty akata folo hafa nirongo fiadiana tao ambadiky ny trano. Nandroso ny iray tamin’izy ireo, lehilahy iray nofosana, nanao sikina sy nitondra fitoeram-bala roa nifanapaka teo an-tratrany nihanjaka ary nitana fiadiana mandeha ho azy. Nandray fitenenana izy ka nanao: ‘Tsy polisy intsony hoe ianao? Fa nahoana?’ Namaly haingana aho fa Vavolombelon’i Jehovah ny tenako ary nanazava hoe: ‘Tsy mandray fiadiana ny Vavolombelon’i Jehovah; noho izany dia nandao ny asako tamin’ny naha-polisy aho. Miasa ao amin’ny fandraharahana ny Ala aho izao.’ Ary nampiako hoe: ‘Mialanalana izahay manoloana ny raharaha ara-politika rehetra.’

“Rehefa niteny aho fa Vavolombelon’i Jehovah dia nihanalefaka kely ny fijery ny endriny. Hoy aho anakampo: ‘Mba hino ahy ve izy?’ Tamin’izay indrindra no tonga ny zandriko faralahy. Tonga dia nanontany azy ilay lehilahy nanao sikina izay niharihary fa lehiben’izy ireo. Rehefa nanamafy izay nolazaiko ilay zandriko dia hita ho afa-po izy. ‘Saka yu gon! (Ampidino ny fiadianao)’ hoy izy nandidy ilay mpiady anankiray. Maivamaivana aho. Nanao izao vavaka izao tamin’Andriamanitra aho: ‘Misaotra, Jehovah, tamin’ny niarovanao ahy!’”

Andro vitsivitsy taorian’izay dia taitra mafy indray i Lumey tamin’ny fahafantarana fa nisy olon-tsy fantatra nirongo fiadiana nahafaty polisy telo tao amin’ny paositry ny polisy tao Tamanredjo, ilay toerana nampanantenain’ny lehibeny hamindrana azy indrindra! “Raha tsy nihaino ny torohevitry ny Ny Tilikambo Fiambenana aho dia efa maty androany”, hoy i Lumey. Ary hoy ny nanampiny tamim-pankasitrahana: “Tena miaro ny mpanompony tokoa Jehovah.”

Nanosika azy hitondra famonjena ho an’ireo rahalahiny ny fitiavana

Tamin’ny oktobra 1986 dia nipoaka ny fifandonana teo amin’ny antokon’ny fitondrana sy ny mpiady anaty akata tany Moego, tanàna fitrandrahana harena ambanin’ny tany izay fangalana baoksita. Tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra i Frans Salasoema, Bosneger eo amin’ny efapolo taona. Tamin’ny farany, izy sy ny vadiny bevohoka ary ny zanany fito mirahalahy sy ny mponina hafa tao an-tanàna dia nandositra nanavatsava tany anaty kirihitr’ala ary namakivaky an’i Maroni mba hialokaloka any Guyane frantsay.

Velom-panahiana anefa i Frans. Tsy nahita Vavolombelona avy ao amin’ny kongregasionany tamin’ireo mpitsoa-ponenana mihitsy izy. ‘Aiza izy ireo? Tokony hiverina hitady azy ireo ve aho?’ hoy izy nanontany tena. Nefa fanaovana vy very ny aina izany. Bosnegers ny ankamaroan’ireo mpiady anaty akata. ‘Raha mahatsikaritra ahy misokosoko any anaty kirihitr’ala ny miaramilan’ny fitondrana dia izay ny amiko’, hoy ny eritreriny. Na dia teo aza izany dia tapa-kevitra ny hiverina hitady ireo rahalahiny kristiana izy. Tamin’ny fotoana niaingany, dia hoy izy tamin’ny Vavolombelona maromaro tao Guyane frantsay: “Tongava mijery ahy erỳ amoron’ny rano ampita amin’ny herinandro ambony.”

Herinandro taorian’izay, ireo Vavolombelona ireo dia namakivaky ny renirano, saingy tsy tonga teo amin’ny fotoana nifanaovana i Frans. Niandry hatramin’ny ampitso ry zareo. Tsy mbola tonga foana i Frans. “Aoka hiandry indray alina indray”, hoy ny fanapahan-kevitr’izy ireo. Avy eo dia hitany nipoitra i Frans sy ny antokona Vavolombelona iray. Inona no nitranga?

Toy izao no notantarain’i Frans nanaraka izany: “Rehefa nahita an’ireo rahalahy aho dia namakivaky ny faritra misy ny ady izahay ary nitsaitsaika nankao anaty kirihitr’ala ho any amin’ny sisin-tany.” Nahoana anefa no diso aoriana izy ireo vao tonga? Nanome ny antony i Frans rehefa nampiseho baoritra telo izay nentiny nanaraka azy: Nandeha tany an-drenivohitra izy naka tahirin-javatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly ho an’ny Vavolombelona mitsoa-ponenana. Diboky ny hafaliana ireo rahalahy niandry azy. Ny androtr’io ihany i Frans sy ireo Vavolombelona velona soa aman-tsara dia nandalo ny sisin-tany tsy nisy fanahiana niaraka tamin’ireo baoritra telo.

Nanaraka izany dia nanao dia iray vaovao i Frans mba hitondra famonjena ho an’ny Vavolombelona hafa. Tamin’ny farany, dia Vavolombelona 37 no tafita tamin’ny sisin-tany ary nitoetra tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana. Nipetraka tao amin’ny trano fitsaboana boka fahiny any Guyane frantsay i Frans, toerana nahatsapan’ireo mpitsoa-ponenana hoe tsy misy atao afa-tsy ny mandrotsirotsy tena ao anaty farafara harato mihantona sy mamono moka.

Tsy nipetra-potsiny anefa i Frans sy ny fianakaviany. Fotoana fohy taorian’ny nahatongavany tao an-toby, i Frans (izay nahazo zanaka vavikely teo anelanelan’izany) dia nikely aina nitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana tamin’ireo mpitsoa-ponenana ory. Koa satria nisy heriny tsara izany dia nomena fahazoan-dalana mihitsy aza izy handeha môtô mba hitory any amin’ny toby hafa. Nitondra vokatra ny asa nataony, satria mitarika fianarana Baiboly 14 miaraka amin’ireo mpitsoa-ponenana izy izao, ka ny telo amin’ireo dia efa vita batisa.

Tsy nanaiky lembenana izy

“Hiverina aho rehefa afaka tapa-bolana miaraka amin’ny tahirin-tsakafo”, hoy ny nambaran’i Victor Wens, mpitory maharitra manokana iray 58 taona, rehefa nandao ny vadiny sy ny mpianatra Baiboly vitsivitsy tao amin’ny tanàna kely iray ao afovoan’i Suriname izy. Volana jona 1987 tamin’izay ary dia niainga ho any an-drenivohitra izy.

Rehefa nanofa tanana hanao veloma an’i Victor ny vadiny sy ny mponina hafa dia saika efa foana ny kitapom-barin’izy ireo. Nanapaka ny fahazoan’izy ireo sakafo ny ady anaty akata. Notandindomin’ny mosary izy ireo. Fantany anefa fa nisetra loza tokoa i Victor tamin’ny fandehanana amin’ny botry. Mety ho tafalatsaka ao anelanelan’ny mpifanandrina izy na hoheverina ho mpiady anaty akata. ‘Hiverina tsy maty fo aman’aina ve izy?’ hoy ny fanontanian’ireo rehefa nihanalefaka nanalavitra ny firohondrohon’ny feon’ny botry.

Rehefa afaka tapa-bolana dia nizaha teny amin’ny renirano ny vadin’i Victor, saingy tsy hita izy. Herinandro maromaro no lasa. Foana ny tahirin-tsakafony ary nandraiky narary izy. “Raha sitrakao, Jehovah, dia arovy ny vadiko, hoy ny fivavahany. Ataovy tafaverina izy!” Lasa ny telo volana. Tsy nisy Victor ihany. Inona no nahazo azy?

Nitantara izany i Victor taorian’izay: “Vao tonga tao amin’ny renivohitra aho dia nahazo fanomezan-dalana hividy tahirin-tsakafo sy lasantsy ampy enim-bolana. Avy eo aho dia nangataka fahazoan-dalana hiverina hody. Niteny tamiko ilay manamboninahitra hoe: ‘Mahazo mandeha ianao rehefa mahita izay iafenan’ireo mpiady anaty akata ka miverina manondro izany anay.’ Tsapako ho torotoro ny foko. ‘Tsy afaka hanao izany aho, hoy aho, tsy tian’i Jehovah ny hiandanianay amin’ny politika. Tsy momba ny atsy na ny aroa izahay Vavolombelon’i Jehovah.’ Namaly izy hoe: ‘Raha izany no izy, dia tsy handeha ianao.’

“Nanao toy izany foana aho isan-kerinandro, nefa dia izay ihany no valin-teny azoko. Teo anelanelan’izany dia reko fa narary ny vadiko. Te-hody aho mba hikarakara azy. Tamin’ny lafiny iray dia tsy tiako ny hanaiky lembenana. Very hevitra aho.

“Rehefa tonga indray aho nangataka fahazoan-dalana dia taitra fa nomena izany, tamin’ny nanazavana tamiko fa nisy pastora pentekotista avy any amin’ny faritany misy ahy nahazo fahazoan-dalana hody any aminy ary afaka miaraka amin’izy ireo aho. Nentanin-kafaliana aho ka nanomboka niomanomana raha nahare tamin’ny namana iray fa ireo mpitondra fivavahana ireo dia nanaiky ny hatao mpitsikilo. Koa satria tsy tiako ny hiheverana fa manao toy izany ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nofoanako ny diako. Voatana indray aho.”

Farany, dia fantatr’ireo mpiasam-panjakana fa tsy hivadika amin’ny zavatra inoany mihitsy i victor. Nomen’izy ireo fahazoan-dalana izy tamin’ny fangatahany manaraka.

Farany, tamin’ny oktobra 1987, ilay antokona Vavolombelona kely dia nandre feona botry nanatona: ilay botry feno enta-mavesatra io. “Nalahelo mafy aho raha nahita ny vadiko, hoy ny fitantaran’i Victor. Tena nahia tokoa izy. Faly koa anefa izy fa tsy nanaiky lembenana mihitsy aho.”

Nanao izao fitantarana izao ny minisitra mpitety faritany iray izay manao ny asany any afovoan’io tany io tatỳ aoriana: “Soa ho antsika ny fihetsika amin-kerim-po noraisin’i Victor. Fantatr’ireo miaramila sy ireo mpiady anaty akata fa mialanalana ny Vavolombelon’i Jehovah. Manaja ny fomba fihevitsika izy ireo izao ary mandroso ny asantsika.”

Nisora-panambadiana ny alarobia, natao batisa ny asabotsy

Nanizingizina toy izao ny mpikambana tao amin’ny fianakavian’izy ireo: “Aza mampiseho hadalana. Aoka tsy hisora-panambadiana ianareo!” Nahatakatra ny fihetseham-pon’ireo fianakaviany ny lehilahy enina avy amin’ny foko bosneger any Aucaner, any atsimo atsinanan’io tany io. Ny fomban’ny foko any dia tsy mankasitraka ny hisoratan’ny lehilahy mba hahafahany misaraka amin’ny vadiny araka izay tiany. Nefa, rehefa avy nahafantatra, noho ny fianarany Baiboly, ireo lehilahy ireo ny amin’izay fiheveran’i Jehovah ny fijangajangana dia nandinika indray ny fomba fiheviny ary tsy nanaiky ny faneren’ny mpiara-monina ka nanapa-kevitra tamin-kerim-po ny hanao izay tokony hatao, izany hoe hisora-panambadiana.

Nefa dia tojo fahasahiranana izy ireo. Nikatona ny biraon’ny Sora-piankohonana noho ny ady ary nila tsy ho azo atao ny nandeha tany an-drenivohitra. Ambonin’izany, ireo mpifamofo enina dia naniry hanao tena akanjon’ny mpanambady amin’ny andro fampakarana. Tsy hoe tena ilain’ny kristiana izany fitafiana izanyb; tiany izany satria zava-dehibe tao amin’ilay faritany. ‘Aiza àry no hahitantsika akanjona mpanambady atỳ anaty kirihitr’ala?’ hoy ireo lehilahy nifampanontany. Na dia izany aza, ny fanapahan-kevitr’izy ireo nahery sy nifanaraka tamin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly dia hahitany soa. Ny alarobia 16 septambra 1987 dia vehivavy enina nanao akanjo tsara tarehy no nampakarin’ny lehilahy enina izay nanao ny fitafian’izy ireo tsara indrindra. Ahoana no nataon’izy ireo?

Toy izao ny fanazavan’i Daniel van Marl, iray amin’ireo minisitra mpitety faritany nankalaza izany fampakaram-badiny izany: “Tamin’ny septambra izahay dia nandamina fivoriamben’ny distrika iray tao Saint Laurent, any Guyane frantsay, ary nasainay ny Vavolombelon’i Jehovah monina any afovoan’i Suriname. Io fivoriambe io no nanome fahafahana hankalaza ny fampakaram-bady.”

Cecyl Pinas, mpikambana ao amin’ny Komitin’ny sampana sady mpiandraikitra ny asa any afovoany, dia nanazava ny heviny hoe: “Vao haingana, tamin’io taona io dia nitsidika ny fianakavian’ny Betelan’i Pays-Bas aho ary niresaka ny amin’ireo fampakaram-bady izay nomanina ireo. Rehefa avy nilaza aho fa any Suriname dia akanjo iray ihany no anaovan’ireo vehivavy rehetra ampakarina isaky ny avy amboarina ho antonona an’ilay hanao azy, dia kristiana efatra tao amin’ny Betela no nanome ny akanjony avy hatrany mba hatao fanomezana ho an’ireo “rahavaviny” any Suriname. Tohina tokoa ny foko tamin’izany. Taoriana kelin’izay, tao amin’ny fivoriambe iray tany Pays-Bas, dia mbola nomena akanjo hafa aho.”

Ny marainan’ny fampakaram-bady dia mbola nisy fanamboarana sasantsasany tokony hatao. Hoy ny tantarain’i Margret van de Reep: “Fotoana fohy monja no nanalehibeazanay ny akanjo sasany sy nanitsiana ny halavan’ny hafa, nefa dia vonona ara-potoana ny zavatra rehetra.”

Vantany vao vita ny fankalazana ny fanambadiany, ny dimy tamin’ireo mpivady dia vonona hanao dingana hafa iray tena lehibe. Ny asabotsin’iny herinandro iny ihany dia natao batisa tao amin’ny ony Maroni izy ireo. Tsy andrin’izy ireo izay hiverenana, manambady, any an-tanànany ao anaty kirihitr’ala mba hitory any. Nitahy ny fanapahan-kevitr’izy ireo ve Jehovah?

Toy izao ny hevitr’i Nel Pinas izay nitory voalohany tao amin’io faritra io tamin’ny 1967: “Nampiseho tamin’ireo mpiara-monina taminy ireo mpivady ireo fa mampihatra izay torintsika isika. Ny fanapahan-kevitr’izy ireo hisora-panambadiana mba hahatongavana ho kristiana marina dia nanaitra ny fahalianan’ireo mponina any amin’ireo vohitra lavidavitra. Amin’izao fotoana izao, ireo Vavolombelona ao amin’ilay faritra dia miditra miaraka amin’ny botrin’izy ireo any amin’ireo renirano izay tsy mbola nitorianay mihitsy, ary mbola mahita olona maro kokoa ihany maniry hahafantatra an’i Jehovah izy ireo.”

Tsy isalasalana fa ny fanapahan-kevitra maherin’i Lumey, Frans, Victor ary ny maro hafa koa dia nitondra soa lehibe ho azy ireo sy ho an’ireo kristiana namany any Suriname ary any an-toeran-kafa. Ny fisehoan-javatra sahala amin’izany dia manaporofo imbetsaka ny fahamarinan’ity ohabolan’ny Baiboly ity: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” — Ohabolana 3:5, 6.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ny lahatsoratra hoe “Mitadiava fihavanana ka araho izany”, ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 janoary 1984, pejy faha-17 ka hatramin’ny faha-22.

b Jereo “Fampakaram-bady kristiana, izay mitondra fifaliana”, ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 oktobra 1984, pejy faha-11 sy 12.

[Sarintany/Sary, pejy 24]

(Jereo ny gazety)

OCÉAN ATLANTIQUE

GUYANA

SURINAME

PARAMARIBO

Tamanredjo

Moengo

St. Laurent

Maroni River

GUYANE FRANÇAISE

BRÉSIL

300 Km

[Sary, pejy 25]

Sary anankiroa mampiseho Efitrano fanjakana tsara tarehy any amin’ny faritra lavitra iray ao amin’ilay tany

[Sary, pejy 26]

Lakana fahita any Suriname

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara