FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/1 p. 3-4
  • Inona no fanantenan’ny maty?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no fanantenan’ny maty?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Miaina any ho any ve ny maty?’
  • Ho velona indray ve ny maty?
  • Fiainana Aorian’ny Fahafatesana — Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Toy Inona ny Hamafin’ny Finoanao ny Fitsanganana Amin’ny Maty?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Ny Maty
    Mifohaza!—2015
  • Velona hatrany aorian’ny fahafatesana ve ny fanahy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/1 p. 3-4

Inona no fanantenan’ny maty?

NANDEHA niala sasatra tany amorontsirak’i Afrika Atsimo ny mpivady tanora sy ny zanany kely. Nandeha teo anoloany tamin’ny fiarakodia hafa ny ray aman-drenin-dravehivavy. Tampotampoka teo dia vaky ny pne iray. Raha mbola niomana hanolo azy teo amoron-dalana izy ireo dia nodonin’ny mpamily mamo ireo fiarakodia roa. Maty tsy tra-drano ny ray aman-drenin-dravehivavy. Maty andro vitsivitsy tatỳ aoriana ralehilahy vadiny. Raha ny aminy, dia tapaka ny taolan-tehezany ary voan’ny ratra hafa izy. Voan’ny fahasimbana tao amin’ny atidoha izay nampahalemy azy ilay zanany kely.

Loza re izany ho an’io fianakaviana mampahonena io! Very hevitra i Carole-Anne, rahavavin’ilay vehivavy, raha vao nandre izay nitranga. Mitranga any amin’ny tany rehetra ny loza toy izany. Matetika no manontany tena toy izao ny havana aman-tsakaizan’ilay niharan-doza noho izy vontom-pahoriana: “Tena maty tokoa ve ny maty?’ Sa . . .

‘Miaina any ho any ve ny maty?’

Saika ny fivavahana rehetra no mampianatra ny tsy fahafatesan’ny fanahy. Avy amin’izany no inoan’ireo mpiangona ao aminy fa tsy tena maty ny olona maty fa mbola velona ihany any an-danitra, any amin’ny afo fandiovana, na any amin’ny afobe. Araka ny fampianaran’ny Eglizy maro, ireo izay any amin’io toerana farany io dia mijaly amin’ny fomba mahatsiravina sady mandrakizay. Nefa mety hampihatra fijaliana toy izany amin’ireo zavaboariny ve ny Andriamanitra fitiavana iray? — 1 Jaona 4:8.

Tsia, araka ny fifandrindran-kevitra; nefa ahoana ny hahazoana antoka ny amin’izany? Diniho amim-pitandremana ny porofo avy ao amin’ny Baiboly manaraka eto: “Ary vovo-tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga fanahy velona ny olona.” (Genesisy 2:7, MN ). Milaza ve io fanambarana avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra io fa nahazo fanahy (âme) i Adama lehilahy voalohany? Tsia, tonga fanahy velona, olona velona, izy. Izany no nohamafisin’ny apostoly Paoly tao amin’ny iray amin’ny taratasiny manao hoe: “Ary araka izany koa no voasoratra hoe: “Adama voalohan-dahy natao manan-aina [fanahy velona, MN ].” Nanonona ny bokin’ny Genesisy i Paoly. — 1 Korintiana 15:45.

Mety maty ve ny fanahy olombelona? Izao no nosoratan’i Ezekiela mpaminany: “Indro, Ahy ny fanahy rehetra: toy ny fanahin’ny ray, dia toy izany koa ny fanahin’ny zanany; samy Ahy ireny; ny fanahy izay manota no ho faty.” (Ezekiela 18:4, 20; Mpitoriteny 9:5, 10). Miharihary tsara fa rehefa maty ny fanahy, dia tsy mahatsiaro na inona na inona ilay olona, ka noho izany dia tsy afaka hijaly. Izao no nambaran’ny apostoly Petera tao amin’ny lahateny ampahibemaso voalohany nataony taorian’ny Pentekosta tamin’ny taona 33 amin’ny fanisan-taona iraisana: “Eny, ny fanahy rehetra izay tsy hihaino izany Mpaminany izany dia haringana tanteraka tsy ho eo amin’ny olona.” Noho izany dia mety maty ny fanahy. — Asan’ny apostoly 3:23, MN.

Ho velona indray ve ny maty?

Izay rehetra mino fa marina ny Baiboly dia mahafantatra fa maty i Jesosy ary natsangana tamin’ny andro fahatelo (Asan’ny apostoly 10:39, 40). Ahoana no nahatonga izany hety? Noho ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.

Maningana ve ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty? Tsy izany velively, satria nanoratra tamin’ny kongregasiona tany Korinto toy izao i Paoly: “Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy ho santatr’izay efa nodimandry. Ary satria ny olona iray no nisehoan’ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan’ny fitsanganan’ny maty (. . .), Kristy.” (1 Korintiana 15:20-22). Araka izany dia maty maro no hitsangana. Jesosy koa dia nilaza hoe: “Aza gaga amin’izany; fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana [fasana fahatsiarovana, MN ] ny feony; dia hivoaka izy: Izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana.” (Jaona 5:28, 29). Manome antoka ireo teny ireo fa hisy olona an-tapitrisany maro hitsangana.

Raha nanaitra ny fahaliananao mikasika ny fananganana amin’ny maty ny famelabelarana etsy aloha, dia manontany tena angamba ianao manao hoe: ‘Iza no handray soa avy amin’ny fananganana ny maty ary rahoviana?’ Aoka hodinihintsika ireo fanontaniana tena lehibe ireo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara