Tsy natao ho an’ny ankizy fotsiny
Nanoratra ho anay toy izao ny mponina iray any Fort Worth (Etazonia): “Hatramin’ny taona maro no nananako ilay boky hoe Ecoutez le grand Enseignant. Tsy ela izay, dia tapa-kevitra aho ny hanomboka hamaky azy tamin’ny zanako lahy folo volana. Mamaky toko roa na telo isan’andro aminy aho. Fantatro fa mbola kely loatra izy ka tsy afaka mahazo izay lazain’io boky io, nefa nandray soa lehibe avy amin’izany ny tenako. Nanohina ny foko tamin’ny fomba manokana io boky io. Nahatonga ny fitiavako sy ny fankasitrahako an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany, Jesosy Kristy, ho lalina kokoa izany. 27 taona aho, ary noheveriko fa tsy natao afa-tsy ho an’ny ankizy ny boky Grand Enseignant, nanenina anefa aho izao tsy nandinika azy taloha kokoa.”
Mety hahazo io boky 192 pejy mifono baoritra sy misy sary io ianao amin’ny fandraisana anjara an-tsitrapo 60 ariary monja.
Aza fady mba alefaso ho ahy, tsy misy fandoavam-bola eo am-pandraisana azy, ilay boky mifono baoritra mitondra ny lohateny hoe Ecoutez le grand Enseignant. Ampiarahiko ny fandraisana anjara an-tsitrapo 60 ariary.