Ny tahotra: manimba foana ve?
METY handrava ny fahasambarana izany ary hamoizana ny fanantenana rehetra. Nantsoina hoe poizin’ny saina izy io, fihetseham-po mahafaty ho an’ny fisainana. Nolazaina koa fa mitondra fahavoazana betsaka noho ny aretina mafy indrindra izany. Marina tokoa fa fihetseham-po mahery ny tahotra. Nefa moa ve manimba foana izy io?
Eritrereto hoe mandeha amin’ny fiarakodia amin’ny lalana tsy fantatrao ianao. Raha mbola mananika ny tendrombohitra izany, dia mitombo ny fiolahana. Manomboka ho alina ny andro sady milatsaka ny oram-panala manify. Mikorisa kely ny fiaranao, ary hitanao fa noho ny haabo dia misy fanala mandry izao ny lalana.
Izay no fotoana tokony hampitomboana ny fitandremana. Raha mbola manaraka ny fiolahana tsirairay misy fanala mandry amim-pitandremana ianao dia miteny anakampo fa kely foana ny tsy nahaverezan’ny fifehezanao ny fiara teo amin’io lalana malama io ka tsy nianjeranao tany amin’ny lohasaha terỳ ambany. Ambonin’izany dia tsy fantatrao mihitsy izay loza hafa miandry anao ao amin’ny haizina. Koa satria tonga ao an-tsainao ny karazana hevitra toy izany, dia mihamaina ny molotrao ary mitepo haingana kokoa ny fonao. Mailo daholo ny vavahadin-tsainao rehetra. Tsy mampaninona anao izay vao nosaintsaininao teo, izao dia variana tanteraka amin’ny zava-manahirana mipoitra amin’io fotoana io ianao: ny tsy hialana amin’ny lalana sy ny hisorohana ny loza.
Amin’ny farany, dia mihena ny haabon’ny lalana. Izao dia voazava izany, ary tsy misy intsony ny fanala mandry. Mihatony tsikelikely ny tenanao ary misento ianao fa nohamaivanina. Tahotra tsy amin’antony re izany!
Tsy amin’antony hoe? Tsy dia izany loatra. Ara-dalàna raha mahatsapa fihenjanana sasany ny tena amin’ny tarehin-javatra tahaka izany. Manosika hiambina sy hitandrina izany. Ny tahotra mahasoa dia mihazona antsika tsy hanao zavatra tsy amim-piheverana, ary, vokatr’izany, dia tsy hitondra fahavoazana ho antsika. Tsy voatery tsy maintsy hampikorontana ny saina àry io fihetseham-po io na ho poizina ho an’ny saina. Amin’ny tarehin-javatra sasany dia mety hahasoa mihitsy aza izy io.
Ny Baiboly dia mampiharihary karazana tahotra roa: raha mahaforona poizina ho an’ny saina tokoa ilay voalohany, ilay faharoa kosa dia tsy hoe ara-dalàna sy mahasoa fotsiny fa tena ilaina ho amin’ny famonjena koa. Inona avy izy ireo? Ambonin’izany, ahoana no hampitomboana ny anankiray sady hanalavirana ilay hafa? Ny lahatsoratra manaraka no hamaly ireo fanontaniana ireo.