FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/7 p. 28
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampanjavonana ny heloka bevava
  • Iza no tompon’andraikitra
  • Ilay tena meloka
  • Ratsy ve ny hoe Tezitra?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ahoana no anatrehana ny fahatezerana, ny anao sy ny an’ny hafa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Ny fahatezerana: Inona marina moa izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Fehezo ny sainao!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/7 p. 28

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Fampanjavonana ny heloka bevava

Any Etazonia, na dia mampanantena fanatsarana ny fitambaran-dalàna fanamelohana aza ireo mpanao politika mandritra ny fotoam-pifidianana, ny ABA (American Bar Association) dia niaiky vao haingana fa tsy mitsaha-mitombo ny fanaovana heloka bevava ao amin’io tany io ary ny fandaharam-pitsarana dia tena tsy afaka manakana izany. Araka ny fanombanana nataon’io fikambanana io, dia tafakatra ho 34 tapitrisa ny isan’ny heloka tamin’ny 1986, ny famakafakana natao teo anivon’ireo fikambanam-panjakana anefa dia nampiharihary fa “ana hetsiny vitsivitsy monja no voasazy ka natao an-tranomaizina”, hoy ny filazan’ny New York Times. Ankoatra izany, araka ny filazan’ny ABA ihany, ny ankamaroan’ny heloka dia tsy ampahafantarina ny pôlisy. Na dia izany aza anefa, dia feno hipoka ny tranomaizina ary ny tribonaly dia tototry ny raharaha momba ny heloka bevava. Miaiky ilay famakafakana fa “tsy misy mihitsy antony mahatonga hanantena fa ny fitoriana sy ny fanaovana an-tranomaizina bebe kokoa no hampijanona ny fanaovana heloka bevava”, hoy ny nosoratan’ny New York Times.

Mety ho hitan’ny sasany angamba fa mandiso fanantenana sy mahatafintohina izany famaranan-kevitra izany, tsy mba toy izany anefa ny amin’ireo mpianatra ny Baiboly. Taonjato maro lasa izay, ny apostoly Paoly dia nanambara fa mandritra ny “andro farany” ho an’izao fandehan-javatra ankehitriny izao ‘ny ratsy fanahy (...) dia handroso hiharatsiratsy kokoa’. (2 Timoty 3:1, 13.) Na dia izany aza, Andriamanitra dia afaka manatanteraka izay tsy vitan’ny olombelona ary mampanantena izy fa ny ratsy fanahy dia “hofongorana amin’ny tany”. — Ohabolana 2:22.

Iza no tompon’andraikitra

Tamin’ny desambra lasa teo, ireo mpandeha 258 tamin’ny zotra faha-103 an’ny Pan American World Airways dia maty avokoa rehefa nipoaka ilay fiaramanidina ka potika teo ambonon’ny tanànan’ny Lockerbie (Ecosse). Mponina iraika ambin’ny folo teo amin’io toerana io koa no maty noho ny potipotik’ilay fiaramanidina izay nianjera teo ambonin’ny trano maromaro. Ny havana aman-tsakaizan’ireo niharan-doza tamin’io lozam-piaramanidina mahatsiravina io dia nitomany azy ireo fatratra. Moa ve Andriamanitra no tompon’andraikitra tamin’io loza mahatsiravina io?

Toa nihevitra izany ny eveka katolika ekôse iray. Araka ny filazan’ny New York Times, dia nanambara tao amin’ny toriteny nataony tao amin’ny eglizin’ny Sainte-Trinité izy nanao hoe: “Ray ô, raha ianao no Andriamanitra fitiavana, nahoana no navelanao hitranga izao? Nahoana no navelanao ho faty ny tsy manan-tsiny an-jatony maro? (...) Ary nahoana no avelanao hiharan’ny fahavoazana tsy mifaditrovana sy mahatsiravina ny olona maro be toy izao?”

Mendrika hotsinina tokoa ve Andriamanitra noho ireo fahoriana ireo? Ireo mpanao famotorana dia nahita porofo milaza marina fa ilay loza voalaza dia vokatry ny fipoahan’ny baomba izay napetraky ny mpampihorohoro tao anatin’ilay fiaramanidina. Rehefa misy olona mifandramatra noho ny tombontsoany feno fitiavan-tena, moa ve Andriamanitra no tokony hotanana ho tompon’andraikitra amin’ny loza vitan’izy ireo amin’ny mpiara-belona aminy? Tsia! Tsy azo atao ny manampo fa ho voaro amin’ny vokatry ny asany ny olombelona. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Fa izay afafin’ny olona no hojinjany.” (Galatiana 6:7). Ankoatra izany, dia izao no vakina ao amin’ny Mpitoriteny 9:11 mikasika ireo tsy manan-tsiny niharam-pahavozana tamin’ny asa tsy mifaditrovana sy feno tsy firaharahana: “Fa ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.” Mety haratra na ho faty mihitsy aza ny olona iray, tsy hoe satria irin’Andriamanitra ny hijalian’ny olona, fa noho izy sendra teo amin’ny toerana ratsy tamin’ny fotoana tsy nety.

Ilay tena meloka

Nandritra ny taona maro dia nihevitra ireo mpitsabo fa ny olona mpila ady sy maika lava no mora voan’ny aretim-po indrindra. Ny fandinihana vaovao natao anefa dia toa manaporofo fa raha ny marina dia ny fahatezerana no mamono fa tsy ny tsy faharetana akory. Araka ny filazan’ny New York Post, i Redford Williams, ao amin’ny Foibem-pitsaboan’ny Oniversite Duke, dia nanazava fa “tsy voatery ho ratsy loatra ho an’ny fo” akory ny fahamaikana sy ny fahavitrihana. Asongadin’ilay mpitsabo fa “ny ratsy dia ny fikotrehana fitiavana ady sy ny famelana ny fahatezerana hipoaka, tsy misy fitadiavana fifehezan-tena eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa”. Ny olona mety ho voan’ny aretim-po kokoa dia ireo izay “mora misafoaka” sy miahiahy ny antony manosika ny hafa. “Tezitra matetika izy ireny ary asehony miharihary ny tsy fahafaliany fa tsy feheziny”, hoy ny fanamarihan’ny Post.

Hatramin’ny ela no efa fantatry ny mpianatra ny Baiboly ny voka-dratsin’ny fahatezerana, satria, taonjato maro lasa izay, Solomona mpanjaka hendry dia nanoratra hoe: “Izay malaky tezitra dia manao adaladala”, ary: “Izay malaky tezitra manetsika ady.” Mifanohitra amin’izany kosa fa izay “mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana”. (Ohabolana 14:17; 15:18.) Amin’ny fanarahana an’io torohevitra feno fahendrena avy ao amin’ny Baiboly io dia azo atao ny mampihena ny fetezana ho voan’ny aretim-po. Milaza amim-pahamarinana toy izao tokoa ny Tenin’Andriamanitra: “Ny fo mionona [tony, MN ] no fiainan’ny nofo; fa ny fahamaimaizan-tsaina dia mahalo ny taolana.” — Ohabolana 14:30.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara